Institiota
Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany sy ny Fikambanana Ifanampiana


“Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany sy ny Fikambanana Ifanampiana” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany sy ny Fikambanana Ifanampiana

Ny Fikambanana Ifanampiana dia iray amin’ireo fikambanam-behivavy ela nihetezana indrindra ary lehibe indrindra maneran-tany noho izy ahitana mpikambana 7,1 tapitrisa. Ny Fikambanana Ifanampiana dia ampahany tena manan-danja ao amin’ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hizara ny maha-tena ilaina ireo fahaiza-manao sy anjara biriky tsy manan-tsahala entin’ireo vehivavy Olomasin’ny andro farany amin’ny asan’ny Tompo. Hamaritra ihany koa ny mpianatra hoe ahoana no ahafahany mandray anjara feno kokoa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na manohana ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fanatontosana ny tanjony.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mitondra anjara biriky tsy manan-tsahala sy manan-danja amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra ireo vehivavy mpitandrina fanekempihavanana.

Manehoa sarina vehivavy iray tia mandala ny marina eo amin’ny fiainanao na manoritsorita vehivavy iray toy izany. Zarao fohifohy amin’ny mpianatra ny maha vehivavy faka tahaka azy sy ny fomba nitondrany anjara biriky tamin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Asao ny mpianatra hizara ny heviny momba ny vehivavy marina iray izay fantatr’izy ireo sy ny maha-mpitaona amin’ny fanaovana tsara azy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. (Zavatra nasaina nosaintsainin’ny mpianatra ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana io.)

Asehoy izao teny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka izao. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany ary asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra ampianarin’ny Filoha Nelson momba ireo vehivavy marina ao amin’ny Fiangonana.

Ry ranabavy malala isany, ianareo izay mpiara-miombonantoka manan-danja aminay mandritra ity vanimpotoana farany ity. … Hisintona ireo vehivavy tsaran’izao tontolo izao, miaraka amin’ny fianakaviany, ho ao amin’ny Fiangonana amin’ny isa betsaka tokoa tsy misy toy izany ny hatsaram-panahy, ny fahazavana, ny fitiavana, ny fahalalana, ny risim-po, ny toetra, ny finoana ary ny fiainanareo araka ny fahamarinana!

Mila ny tanjakareo, ny fiovam-ponareo, ny finoanareo, ny fahaizanareo mitarika, ny fahendrenareo ary ny feonareo izahay anadahinareo. Tsy feno ary tsy ho feno ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy misy ireo vehivavy izay manao fanekempihavanana masina, ka mitandrina izany avy eo, ireo vehivavy izay afaka miteny amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra! (Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona, nôv. 2015, 96)

  • Inona no hitanao fa manan-danja ao anatin’io teny nambara io?

  • Ahoana no hamintinanao ny fahamarinana iray nianaranao avy tamin’ny fampianaran’ny Filoha Nelson momba ireo vehivavy mpitandrina fanekempihavanana ao amin’ny Fiangonana? (Soraty eny amin’ny solaitrabe na asehoy ny fahamarinana iray mitovy amin’izao manaraka izao, amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra: Tena ilaina amin’ny fananganana ny fanjakan’Andriamanitra ny toetra, ny fitarihana ary ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo vehivavy mpitandrina fanekempihavanana.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no “tsy feno ary tsy ho feno” ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy eo ny fijoroana ho vavolombelona sy ny anjara biriky entin’ireo vehivavy mpitandrina fanekempihavanana?

Hazavao fa araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, dia niantso an’i Emma Smith ny Tompo mba hampiasa ny fijoroany ho vavolombelona sy ny talentany ary ny fahaiza-manaony mba hanampiana amin’ny fananganana ny fanjakany. Asao ny mpianatra hamaky indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:5–7, 10–16, izay nohalalinin’izy ireo tao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, ary angataho izy ireo hitady ny torohevitra sy ny andraikitra nomen’ny Tompo an’i Emma.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany fa manan-danja ao amin’ireo andininy ireo sy ny anton’izany. Omeo fotoana fohy ny mpianatra hieritreretana izay ampahany amin’ny torohevitra tian’ny Tompo heken’izy ireo sy iainany feno kokoa.

Nanangana ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo.

Manehoa sarin’ny Tranombarotra Biriky Menan’i Joseph Smith ao Nauvoo Illinois, ary hazavao fa tao amin’io toerana io no naorina tamin’ny martsa 1842 ny Fikambanana Ifanampiana.

Sary
Tranombarotra Biriky Menan’ny Mpaminany Joseph Smith, ao Nauvoo, Illinois.

Angataho ny mpianatra hitantara avy ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana (na manasà mpianatra iray amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana mba hiomana hanao izany) mikasika ireo toe-javatra niainana izay nitarika ho amin’ny fananganana ny Fikambanana Ifanampiana.

  • Inona no lamina nolazain’i Joseph Smith fa nanorenana ny Fikambanana Ifanampiana? (Naorina araka ny lamin’ny fisoronana ny Fikambanana Ifanampiana.)

  • Midika inona izany hoe naorina araka ny lamin’ny fisoronana ny Fikambanana Ifanampiana? Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra izany? (Raha ilaina, dia asao ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Ahoana no hamintinanao ireo tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky indray ny teny nambaran-dRahavavy Zina D. H. Young sy Rahavavy Julie B. Beck ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hanampiana azy ireo hahita fahamarinana iray mitovy amin’izao manaraka izao: Ny Fikambanana Ifanampiana dia naorina mba hitondra fanampiana ho an’ny mahantra sy hitondra fanampiana hanavotana ny olona.)

  • Inona avy ireo fomba hitanao nanatanterahan’ireo vehivavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ireo tanjona ireo? (Azonao atao koa ny mizara ohatra na zavatra niainanao manokana izay manan-danja.)

Omeo fotoana ny rahavavy vitsivitsy ao an-dakilasy mba hizara ny zavatra tsapany momba ireo fitahiana avy amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ity fanontaniana manaraka ity izay nasaina nosaintsainin’izy ireo tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana:

  • Inona no sady azon’ny vehivavy no azon’ny lehilahy atao mba hahatakarana sy hientanentanana momba ny Fikambanana Ifanampiana sy hiarahana miasa mba hitondrana fanampiana amin’ny fanatanterahana ireo tanjony?

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, dia asao ny mpianatra hieritreritra izany ombam-bavaka ary avy eo dia hanoratra tanjona iray ao amin’ny diariny na ny kahieny.

  • Ry rahavavy, ahoana no handraisanareo anjara feno kokoa amin’ny fanatanterahana ireo tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny alalan’ny fahaiza-manao sy ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ary ny fitarihanareo?

  • Ry rahalahy, inona no hataonareo mba hanohanana sy hamporisihana ary hiarahana miasa bebe kokoa amin’ireo vehivavy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra?

Raha mbola misy fotoana dia hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Amboary ireo sosokevitra hoenti-mampianatra. Afaka misafidy ny hampiasa ireo sosokevitra hoenti-mampianatra rehetra na ny sasany amin’izany ao amin’ny lesona tsirairay ianao, ary afaka mampifanaraka ireo sosokevitra araka ny fitarihan’ny Fanahy sy ny zavatra ilaina ary ny toe-javatra iainan’ireo mpianatrao. Rehefa manamboatra ireo sosokevitra hoenti-mampianatra na manolo izany amin’ny hevitrao manokana ianao dia eritrereto ny vokatra kasaina ho azo avy amin’ny fianaran’ny mpianatra, ary misafidiana hevitra hoenti-mampianatra iray azo ampiasaina izay hitondra ilay vokatra kasaina ho azo.

Ho famaranana ny lesona dia hevero ny hanao ny iray na ny maromaro amin’ireto:

  1. Anontanio an’ny mpianatra ny fomba hamaliany olona iray izay milaza fa tsy manan-danja sy misahana andraikitra tsy manan-danja ny vehivavy ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  2. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay hita nandritra ny lesona.

  3. Manasà mpianatra iray hamaky ity fanasana avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity:

Ny vehivavy niova fo, mitandrina fanekempihavanana … izay hiavaka ao anatin’ny tontolo mihasimba ny fiainany araka ny fahamarinana, no ho hita miavaka sy samy hafa amin’ny fomba mahafaly indrindra.

… Miangavy an’ireo rahavavy ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho mba handroso hanao asa! Raiso ny toeranareo izay anananareo zo sady ilainareo ao an-tokantranonareo sy any amin’ny fiarahamonina misy anareo ary ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ataovy mihoatra noho izay nataonareo teo aloha izany. (Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona, nôv. 2015, 97; sora-mandry tany am-piandohana)

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao amin’ny mpianatra fa amin’ny fotoana manaraka izay hihaonan’izy ireo dia hifantoka amin’ny lafin-javatra iray ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ireo, izay antsoin’ny mpaminany Joseph Smith hoe isan’ny andraikitra lehibe indrindra nomen’ Andriamanitra ny Olomasin’ny Andro Farany eto amin’ity tontolo ity (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 475). Asao ny mpianatra handalina tsara ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 19 ary ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hiresadresaka ireo fampanantenana mahatalanjona ambaran’ny mpaminany amin’ireo izay manampy amin’ny fanatanterahana ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny maty.