Institiota
Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Bokin’i Môrmôna—Vato ifaharan’ny fivavahantsika


“Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Bokin’i Môrmôna—Vato ifaharan’ny fivavahantsika,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny Bokin’i Môrmôna —Vato ifaharan’ny fivavahantsika

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith fa “ny Bokin’i Môrmôna no … vato ifaharan’ny fivavahantsika” (teny fanolorana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna). Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hanazava ny antony maha-vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna sy hanamafisana ny fahafahan’izy ireo mamaly ireo fitsikerana atao amin’izany boky izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Mifantoha amin’ny mpianatra. Rehefa mampianatra ianao dia aza adinoina ny mifantoka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra tsirairay avy. Mitandrema tsara mba tsy hahatonga ny zavatra ao amin’ny lesona ho manan-danja kokoa noho ny mpianatra ao an-dakilasy. Refeso tsy tapaka ny fandraisan’ny mpianatra anjara ary aza dia diso manaraka drafitra be loatra ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra mba hahafahana manome izay ilain’izy ireo.

Ny Bokin’i Môrmôna dia ilaina ao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra sy ho an’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanaingana Bokin’i Môrmôna iray amin’ny tanana sy ny fanaovana fifanakalozan-kevitra fohy mikasika ireto fehezan-teny sy fanontaniana manaraka ireto:

Maro amin’ireo fanakianana avy amin’ireo mpitsikera ny Fiangonana no mikendry ny Bokin’i Môrmôna. Nahoana no izany no miseho araka ny eritreritrao?

Asao ny mpianatra mba hanokatra na hijery ao amin’ny internet ny pejy misy ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna. Hazavao fa tamin’ny alahady 28 nôvambra 1841 ny Mpaminany Joseph Smith dia nanatrika filankevitra niaraka tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo nandritra ny iray andro tao amin’ny tranon’i Brigham Young, izay filohan’izany kôlejy izany (jereo ny History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume C-1, 1255, josephsmithpapers.org). Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny andiam-pehezan-teny fahenina ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna mba hamantarana ny zavatra nolazain’i Joseph an’ireo Apôstôly. Asao ny mpianatra hanisy marika ireo fahamarinana nampianarin’i Joseph.

  • Misy vonona ny hizara ny eritreriny na ny fijoroany ho vavolombelona momba ny iray amin’ireo fampianarana ireo ve? (Fanamarihana: Rehefa mamaly ny mpianatra dia hevero ny hampiasa ireto hevitra enti-mampianatra manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahatakatra ireo fahamarinana nampianarin’i Joseph an’ny Roambinifololahy.)

Ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany.

Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahatakatra ilay andian-teny hoe “ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany” amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fampahalalana hita ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Azonao atao koa ny manazava amin’ny mpianatra fa ilay teny nambaran’i Joseph Smith dia tsy midika hoe tsy nahitana fahadisoana mihitsy ny Bokin’i Môrmôna izay natonta. Nisy ny fanitsiana natao tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna tsirairay nanomboka tamin’ny taona 1829. Ireo fanitsiana dia niompana tamin’ny fanovana kely dia kely teo amin’ny teny nampiasaina, na ny fanovana ny fomba fanoratana, na ny mari-piatoana, na ny sora-baventy. Ny fampiasana ilay teny hoe marina ato amin’ity teny nambara ity dia miresaka ireo fahamarinana mafonja voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa tsy midika hoe tsy nisy diso ireo lahatsoratra natonta printy.

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa manonona ny Bokin’i Môrmôna ho “ny vato ifaharan’ny fivavahantsika” ny mpianatra dia afaka mampiseho sarina vato ifaharana ianao, tahaka ilay iray ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hanazava ny antony hiheveran’izy ireo fa sarin-teny tsara ho an’ny Bokin’i Môrmôna ny vato ifaharana iray.

Asao ny mpianatra iray hamaky na hamintina ny teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. (Io teny nambara io dia manazava fomba telo maha-vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.) Hevero ny hametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana ireto na izy rehetra mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fampianaran’ny Filoha Benson momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny maha-vato ifaharana azy.

  • Ahoana no nampatanjahan’ny Bokin’i Môrmôna ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy?

  • Ahoana no mampijoro ny Fiangonana na maharava azy miankina amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana no nampatanjahan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fampianarana hafa an’ny Fiangonana?

  • Lasa vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana ve ny Bokin’i Môrmôna? Raha izany no izy dia amin’ny fomba ahoana?

Afaka manakaiky kokoa an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra dia asao izy ireo hizara sy hanazava soratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy azy ireo hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. (Ireo mpianatra izay nandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia afaka mijery ny zavatra nosoratan’izy ireo any amin’ny fiafaran’ny fizarana 4.) Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hifanakalo hevitra ao amin’ny vondrona misy azy mikasika ny hoe ahoana no hanampiana azy ireo tonga ho tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa rehefa miaina ireo fampianarana voarakitra ao amin’ireo soratra masina izay nofidiny izy ireo.

Mikasa ny hanimba ny laza tsara ananan’ny Bokin’i Môrmôna ireo fahavalo.

Asehoy an’ny mpianatra ity teny manaraka izay nambaran-dRahalahy Tad R. Callister, filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

[Ny ny Bokin’i Môrmôna] no ilay havesarana iray eo amin’ny mizanan’ny fahamarinana izay mihoatra lavitra ny fitambaran’ny havesaran’ireo porofo rehetra asehon’ny mpitsikera etsy an-kilany. Nahoana? Satria raha marina izy io dia mpaminany i Joseph Smith ary ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny na inona na inona fandresen-dahatra ara-tantara na fandresen-dahatra hafa izay mifanohitra amin’izany. Noho izany antony izany dia manao izay hanaporofoana ny tsy fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ireo mpitsikera, kanefa tena goavana ireo sakana atrehan’izy ireo satria marina io boky io. (“Vavolombelona mahery vaika avy amin’ Andriamanitra: ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, nôv. 2017, 107)

Ampio ny mpianatra hikaroka ao amin’ny internet amin’ny fitaovana elektrônika ireto loharanom-pahalalana azo antoka ireto, na omeo ny tahadikan’izany amin’ny taratasy izy ireo raha ilaina. Tsinjarao amin’ny mpianatra ireo loharanom-pahalalana, ary angataho izy ireo hieritreritra sy hitady ny sasany amin’ireo adihevitra izay ataon’ny mpitsikera entina hanoherana ny Bokin’i Môrmôna ary hieritreritra ny fomba azontsika ampiasana ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto hamaliana izany fitsikerana izany eo am-pikatsahantsika ny hahazo fahalalana ara-panahy sy hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Angataho ny mpianatra hilaza ny sasany amin’ny zavatra hitany. Afaka manao izany ao anatina vondrona kely maromaro izy ireo na indray miaraka.

  • Môrmôna 8:14–22. Mamarana ny rakitsoratr’i Môrmôna rainy amin’ny fampitandremana ireo izay mitsikera ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany i Môrônia.

  • Etera 12:23–29. Milaza ny ahiahiny i Môrônia fa mety hanaraby ny fahalemeny amin’ny fomba fanoratana ny olona sasany ka tsy hahatakatra ny herin’ny hafatra entin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Tad R. Callister, “Vavolombelona mahery vaika avy amin’ Andriamanitra: ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, nôv. 2017, 107–9. (Azonao ampiasaina ilay ampahany voalohany ihany amin’ny lahatenin’ny Rahalahy Callister.)

  • Les détracteurs du Livre de Mormon,” Sujets de l’histoire de l’Église, history.ChurchofJesusChrist.org.

  • Le Livre de Mormon et l’étude de l’ADN,” Essais sur des sujets de l’Évangile topics.ChurchofJesusChrist.org. (Azonao atao ny mampiasa fotsiny ihany ireo fizarana hoe “Les ancêtres des Amérindiens” sy ny “Conclusion”.)

  • Jeffrey R. Holland, “Antoka ho an’ny fanahy,” Liahona, nôv. 2009, 88–90. (Azonao atao ny tsy mandalina afa-tsy ny tapany faharoa fotsiny ihany amin’ny lahatenin’ny Loholona Holland.)

Rehefa avy miresadresaka ny zavatra hitany ny mpianatra dia apetraho ny iray na ny mihoatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny hevitrao no tsy manome porofo azo tsapain-tanana feno fotsiny izao Andriamanitra fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no torohevitra omenao ny namana iray na ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izay mamboraka aminao fa sahirana amin’ireo fitsikerana atao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy? Inona koa no azonao atao mba hanampiana azy?

  • Inona no ataonao (na inona no azonao atao) raha toy ny hoe tsy mbola misy valinteny tsara azonao momba ny fitsikerana iray henonao?

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hieritreretana ny fahombiazan’ny fandalinan’izy ireo manokana ny Bokin’i Môrmôna sy hanaovana drafitra ho an’ireo fanovana araka izay bitsihin’ny Fanahy. Amporisiho ny mpianatra hampiditra ao anatin’ny drafiny ny tanjona iray mba handalina sy hivavaka araka izay ilaina mba hakana antoka fa vato ifaharan’ny fijoroany ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa misaintsaina izy ireo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Kevin W. Pearson ao amin’ny Fitopololahy ity:

Raha toa ianareo ka manana olana, na sahiran-tsaina, na very ara-panahy, dia mitaona anareo aho hanao ny zavatra iray izay fantatro fa hanampy anareo hiverina hanao izay andrasan’ny Tompo aminareo. Manomboha indray mandalina amim-bavaka ny Bokin’i Môrmôna sy miaina araka ny fampianarany, isan’andro, isan’andro, isan’andro! Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny hery lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay hanova ny fiainanareo sy hampatanjaka ny fahavononanareo hanaraka an’i Kristy. Ny Fanahy Masina dia hanova ny fonareo, ary hanampy anareo hahita “ny zavatra araka ny tena toetrany” [Jakôba 4:13]. Hasehony anareo izay ilaina ataonareo avy eo. (Kevin W. Pearson, “Mijanòna eo akaikin’ilay hazo,” Liahona, mey 2015, 116)

Manasà mpianatra vitsivitsy izay maniry ny hizara fijororana ho vavolombelona fohy momba ny Bokin’i Môrmôna mba hanao izany. Afaka mizara ny fijoroanao ho vavolombelona ihany koa ianao.

Ho an’ny lesona manaraka

Angataho ny mpianatra hieritreritra hoe impiry izy ireo no mahazo ireo fitahian’ny fahefan’ny fisoronana sy ny fanalahidin’ny fisoronana isan-kerinandro. Amporisiho izy ireo handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana ary hitady ny fomba ahafahan’ny fisoronana manome azy ireo fahafahana handray ny hery manavotr’i Jesoa Kristy.