Institiota
Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fampakarana vady maro


“Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fampakarana vady maro

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia lalàn’ny Tompo raha tsy hoe Izy no mandidy hanova izany (jereo ny Jakôba 2:27–30). Nandidy an’i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanambarana ny Tompo mba hankatò ny fitsipiky ny fampakarana vady maro sy hampianatra izany an’ny mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany sasantsasany. Nitohy tao amin’ny Fiangonana ny fampakarana vady maro mandra-panambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanambarana fa tokony hampitsahatra ilay fomba fanao ny Olomasina (jereo ny Filazana Ôfisialy 1). Ity lesona ity dia natao mba hanamafisana ny toky ananan’ny mpianatra fa teo ambany fitarihan’ny Tompo no nanaovan’i Joseph Smith sy ireo mpikamban’ny Fiangonana teo aloha izany rehefa nanao ny fampakarana vady maro izy ireo. Hanampy ny mpianatra hatoky tanteraka ny Tompo ihany koa izany eo am-pikatsahany ny hankatò ny sitrapony sy hitady ny valin’ny fanontanian’izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nanambara ny fampiharana ny fampakarana vady maro ny Tompo.

Asehoy ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity:

Nangataka hatrany ireo zanany nanao fanekempihavanana mba hanao zavatra sarotra Andriamanitra. (Russell M. Nelson, “Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona, ôkt. 2016, 49.)

  • Inona no sasany amin’ireo “zavatra sarotra” asain’ Andriamanitra ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao androntsika izao? (Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ireo valinteny. Asao ireo mpianatra handinika ny fankatoavan’izy ireo manokana ireo didy ireo mandritra ny lesona.)

  • Nahoana Andriamanitra araka ny eritreritrao no mangataka ireo zanany nanao fanekempihavanana mba hanao ireo zavatra ireo?

Hazavao fa ho an’ny maro tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany teo aloha, dia isan’ny zavatra notakian’ Andriamanitra izay tena sarotra tanterahina indrindra ho azy ireo ny hankatò ny fitsipiky ny fampakarana vady maro. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa efa taloha be tamin’ny 1831 i Joseph Smith no nivavaka mba hahatakatra ny antony nanaovan’ny sasany tamin’ireo mpaminany fahiny sy ireo mpanjaka Isiraelita fampakarana vady maro (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana sy ny andininy 1 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132).

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–37. Asao ny iray kilasy hanaraka izany ary hikaroka ny fomba namalian’ny Tompo ny fanontanian’ny Mpaminany.

  • Asehoy ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana i Abrahama no nampakatra an’i Hagara ho vady fanampiny?

  • Araka ny andininy 36–37, dia inona no fitsipika nampianarin’ny Tompo an’i Joseph Smith momba ny fankatoavana ny didiny? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa vonona ny hankatò izay rehetra handidin’ny Tompo isika dia “[isaina] ho fahamarinana ho [antsika]” izany.)

  • Ahoana no azo hampitahana ilay didy nomen’ny Tompo an’i Abrahama mba hanao sorona an’i Isaka amin’ilay didy nomeny an’i Joseph Smith sy ireo Olomasina teo aloha mba hanao fampakarana vady maro?

Hazavao fa fotoana vitsy taorian’ny nanambaran’ny Tompo ny fitsipiky ny fampakarana vady maro tamin’i Joseph Smith dia nandidy ny Mpaminany Izy mba hankatò io fitsipika io sy hampianatra izany amin’ny hafa.

Asehoy ity teny manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Araka ny nolazain’i Helen Mar Kimball, i Joseph Smith dia nilaza fa “ny fampiharana io fitsipika io no fitsapana mafy indrindra izay mety hitsapana ny finoan’ny Olomasina.” Na dia iray tamin’ireo fitsapana “mafy” indrindra tamin’ny fiainany aza izany, dia nijoro ho vavolombelona izy fa “iray tamin’ireo fitahiana lehibe azony” ihany koa izany. (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org)

  • Toy ny ahoana ny fahatsapana nananan’i Joseph Smith nanoloana ny fanaovana fampakarana vady maro tamin’ny fotoana nampahafantarana izany voalohany? (Raha ilaina, dia omeo fotoana ny mpianatra hamakiana ireo teny nambaran-dRahavavy Eliza R. Snow ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Angataho ny mpianatra hisaintsaina ireo ohatra momba an’i Abrahama sy i Joseph Smith.

  • Inona no ambaran’ny fahavononan’ireo Olomasina teo aloha mba hankatò didy tena sarotra toy izany momba ny toetra sy ny finoan’izy ireo?

Hazavao fa maro tamin’ireo Olomasina teo aloha no namela fitantarana momba ny ady anaty niainan’izy ireo rehefa nampahafantarina azy ireo ny fampiharana ny fampakarana vady maro. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo avy amin’ireo tantara nianarany tao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Asehoy ity tantara manaraka avy amin’i Phebe Woodruff, vadin’ny Filoha Wilford Woodruff ity. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Tamin’ny fotoana voalohany nampianarana ny fitsipiky ny fampakarana vady maro dia noraisiko ho toy ny zavatra ratsy indrindra tamin’ny zavatra rehetra efa ren’ny sofiko izany. … Raha vantany vao lasa resy lahatra anefa aho fa fanambarana niainga avy any amin’ Andriamanitra ary nampitaina tamin’ny alalan’i Joseph izany, ary nahafantatra aho fa mpaminany izy, dia nitolona tamim-bavaka tamin-kafanampo teo anoloan’ny Raiko any An-danitra aho, mba ho voatarika araka ny tokony ho izy tamin’izay fotoana faran’izay nanan-danja indrindra teo amin’ny fiainako izay. Tonga ilay valim-bavaka. Nahatsapa fiadanana ny saiko. Fantatro fa sitrapon’ Andriamanitra ilay izy. (Phebe Woodruff, ao amin’ny Edward Tullidge, The Women of Mormondom [1877], 413)

  • Hanampy olona amin’izao fotoana izao izay mety sahirana amin’ny fankatoavana didy iray avy amin’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ny ohatra nasehon’i Phebe? Ahoana no hanampian’ny ohatra nasehony an’ireo olona izay mety manana fanontaniana momba ny fanaovana fampakarana vady maro teo anivon’ireo Olomasina teo aloha?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Ohabolana 3:5–6 ary asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka fitsipika iray izay afaka mifandray amin’ny zavatra niainan’ireo Olomasina teo aloha ireo.

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika hianarana avy amin’io soratra masina io sy ny zavatra niainan’ireo Olomasina teo aloha? (Soraty eny amin’ny solaitrabe (na asehoy) ny fitsipika iray mitovy amin’izao manaraka izao, amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra: Raha matoky ny Tompo amin’ny fontsika rehetra isika fa tsy miantehitra amin’ny fahatakarantsika manokana dia hitarika ny fiainantsika Izy.)

Apetraho amin’ny mpianatra ity fanontaniana manaraka ity:

  • Araka ny eritreritrao, dia midika inona amin’ny olona iray manana olana amin’ny fanaovan’ny olona teo aloha fampakarana vady maro ny hoe matoky ny Tompo amin’ny fony rehetra fa tsy miantehitra fotsiny amin’ny fahatakarany manokana?

Hazavao fa efa mahazatra ny mahita mpikamban’ny Fiangonana manana fanontaniana na olana momba ny fampakarana vady maro. Tsy nambaran’ Andriamanitra ary tsy takiany amin’ny zanany amin’izao fotoana izao ny hahatakatra ireo antsipirian-javatra momba ny fampakarana vady maro. Na izany aza anefa dia omena fampanantenana ny Olomasina rehetra fa izy ireo dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona fa i Joseph Smith dia mpaminanin’ Andriamanitra izay naharay didy sy fanambarana avy Aminy, ary niaina tamim-pahatokiana araka ny didin’ny Tompo i Joseph.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Afaka manampy ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana sarotra ianao. Ny fanomezana fampahalalana marina an’ireo mpianatra sy ny fanampiana azy ireo hahita ireo loharano azo itokisana dia afaka manampy azy ireo hieritreritra ireo lohahevitra manahirana sy hanazava izany araka ny tena izy. Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny fanaovana fampakarana vady maro tamin’ny tantaran’ny Fiangonana teo aloha ny mpianatra dia asao izy ireo handalina amim-bavaka ireo loharanom-pitaovana fanampiny izay voatanisa ao amin’ny fizarana “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana teo amin’ny fiainany izay natokisany ny Tompo sy nankatoavany didy sarotra iray, na fotoana izay tsy maintsy tsy niankinany tamin’ny fahalalany rehefa nikaroka ny valin’ireo fanontaniana sarotra izy ireo. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany. Anontanio azy ireo ny fomba nitarihan’ny Tompo ny lalan’izy ireo.

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hieritreretana ireo fanontaniana momba ny fivavahana izay ananany na fanontaniana manitikitika azy manokana. Asao izy ireo hisaintsaina ny zavatra azony atao mba hitadiavana ny valin’ireo fanontaniana ireo na fitonian-tsaina momba ireo fanontaniana ireo, sy hatoky ny Tompo ary hiantehitra Aminy. Mety hanoratra ny zavatra tonga ao an-tsainy ao amin’ny diariny mihitsy aza izy ireo na hivavaka mba hahazo ny fanampian’ny Tompo mba hahafantarana ny fomba hanaovana asa amim-pinoana.

Nanambara antony vitsivitsy nahatonga ny fampiharana ny fampakarana vady maro ny Tompo.

Hazavao fa tsy takatsika daholo ny tanjon’ Andriamanitra tamin’ny fampidirana ny fampakarana vady maro tato anatin’ity fotoampitantanana ity, saingy nomeny antsika ny sasany amin’ireo antony nanaovany izany. Ohatra, nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa isan’ny famerenana amin’ny laoniny “ny zava-drehetra” avy tamin’ireo fotoampitantanana teo aloha ny fampakarana vady maro (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:40, 45).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 2:30 dia angataho ny iray kilasy hitady antony iray hafa nahatonga ny Tompo nandidy ny olony hanao fampakarana vady maro. Asao mba hanao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra. (Tokony hampidirin’ny mpianatra ao anatin’ny valinteniny fa ilay didy dia nomena mba ho fomba hampitomboana ny isan’ny zaza teraka tao anatin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara. Toy izany no nananganan’ny vahoakan’ny Tompo “taranaka” ho Azy.)

Hazavao fa ny ezaka nataon’ireo Olomasina teo aloha mba hankatò io didy io dia “niafara tamin’ny fahaterahan’ny ankizy maro be tao anatin’ny tokantranon’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky” (“Plural Marriage and Families in Early Utah,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Taty aoriana ny Tompo dia nanambara fa tokony hatsahatr’ireo Olomasin’ny Andro Farany ny fampiharana ny fampakarana vady maro.

Manasà mpianatra iray izay nandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana (fizarana 2) mba hitantara ny zavatra nitarika ho amin’ny fampitsaharana ny fampakarana vady maro tao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny.

  • Ahoana no hanazavanao amin’ny olona ny foto-kevitra hijoroan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao momba ny fampakarana vady maro?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy avy amin’ny andiam-pehezan-teny voalohany sy fahafito ao amin’ny “Ampahany tamin’ireo Lahateny Telo nataon’ny Filoha Wilford Woodruff Mikasika ny Manifesto,” izay hita ao aorian’ny Fanambarana Ôfisialy 1.

  • Inona no nampianarin’ny Filoha Woodruff an’ireo Olomasina? (Tokony hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Tsy hamela ny Filohan’ny Fiangonana hitarika ny Fiangonana ho any amin’ny lalan-diso velively ny Tompo.)

  • Inona no mety ho fiantraikan’io fahamarinana io eo amin’ny fomba handraisantsika manokana ny torohevitra sy ny fampianaran’ny mpaminany velon’ny Tompo?

Farano amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona fa tena mpaminanin’ Andriamanitra izay nanaraka tamim-pankatoavana sy nampianatra ny didin’ny Tompo tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany tokoa ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana teo aloha.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao amin’ny mpianatra fa mandritra ny fandalinany amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia hanana fahafahana izy ireo ny hianatra momba ireo antsipirian-javatra mahakasika ny fahafatesan’i Joseph sy Hyrum Smith. Amporisiho ny mpianatra mba ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hiresaka ny zavatra tonga ao an-tsain’izy ireo momba ny zavatra notontosain’i Joseph Smith tamin’ny naha-mpaminanin’ Andriamanitra azy.