Institiota
Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manaraka ireo mpaminany velon’ny Tompo


“Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manaraka ireo mpaminany velon’ny Tompo,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manaraka ireo mpaminany velon’ny Tompo

Fahamarinana fototry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny hoe ny Tompo dia manohy miantso mpaminany velona mba hanambara ny sitrapony sy ny fotopampianarany amin’ny olony. Ity lesona ity dia natao mba hampatanjahana ny fanoloran-tenan’ny mpianatra hanaraka ireo mpaminany velon’ny Tompo amin’ny faharetana sy finoana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny Tompo dia mandidy ny Olomasina mba hihaino ny tenin’ny mpaminaniny.

Mampisehoa sarin’ny Filohan’ny Fiangonana, dia anontanio ny mpianatra ny zavatra eritreretiny sy tsapany rehefa mahita io sary io izy ireo.

Asehoy ny mpianatra ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay hita ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana:

Ny fananana mpaminany dia mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany. (Ulisses Soares, “Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany,” Liahona, mey 2018, 99)

  • Ahoana no maha-mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany an’ireo mpaminany velona? (Amporisiho ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Hazavao fa tamin’ny andro nananganana ny Fiangonana dia nahazo fanambarana avy amin’ny Tompo i Joseph Smith izay nahitana didy sy fampanantenana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana. Vakio miaraka amin’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5, dia tadiavo ny zavatra nandidian’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonana mba hataon’izy ireo.

  • Inona ny fahamarinana azontsika tsoahina avy amin’ny didy nomen’ny Tompo ny Olomasina? (Mitadiava fahamarinana iray tahaka ity manaraka ity amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra: Mandidy antsika ny Tompo mba handray amin’ny faharetana sy finoana ny tenin’ny mpaminany toy ireny hoe avy amin’ny vavany ireny.

  • Nahoana no mety mitaky faharetana sy finoana indraindray ny manaiky sy mankatò ny tenin’ny mpaminany?

Asao ny mpianatra rehetra na mizarazara anaty vondrona kely maromaro mba hamaky ity trangan-javatra manaraka ity ary hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana manaraka izany:

Eo am-piresahanao amin’ny namana iray mikasika ny fihaonamben’ny Fiangonana farany, dia milaza aminao ilay namanao fa sarotra aminy ny manaiky zavatra ampianarin’ny iray amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. “Inona no tokony hataoko raha toa ka tsy miombon-kevitra amin’ny zavatra iray izay nampianarin’ny mpaminany aho?” hoy izy manontany.

  • Fa maninona izany no mety ho toe-javatra sarotra ho an’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana?

  • Inona no mety hozarainao amin’ilay namanao mba hamporisihana azy hanao asa amin’ny faharetana sy finoana eo am-pikatsahany hamaha ny olany? (Amporisiho ny mpianatra hieritreritra na hamaky ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no nanampy anao hanaraka ny mpaminanin’ny Tompo tamin’ny faharetana sy finoana? Na inona no nianaranao avy amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray izay niresahanao momba io fanontaniana io (araka izay aroso ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana)?

Soraty eny amin’ny solaitrabe (na asehoy ny mpianatra) ity fitsipika tsy feno iray ity: Rehefa mankatò ny tenin’ireo mpaminanin’ny Tompo amin’ny faharetana sy finoana isika dia …

Vakio miaraka amin’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6, dia tadiavo ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo rehefa manaraka ny mpaminaniny amin’ny faharetana sy finoana.

  • Araka ny eritreritrao, dia inona no dikan’ny hoe “ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo”? Ary ny hoe ny Tompo dia “hampihahaka ny herin’ny haizina eo anoloanareo”? ary ny hoe “hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo”? (Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fehezan-teny milaza fitsipika ny valintenin’ny mpianatra.)

  • Inona avy ireo fampianarana vao haingana avy amin’ireo mpaminanin’ny Tompo izay afaka miaro antsika amin’ny herin’ny haizina sy mampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho antsika? (Hevero ny hanomana ohatra vitsivitsy mba hozaraina.)

  • Oviana ny fahavononanao hanaraka tamin’ny faharetana sy finoana ny torohevitry ny mpaminany no nitarika ho amin’ny sasantsasany tamin’ireo fitahiana ireo?

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ombam-bavaka ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanarahana ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny faharetana sy finoana bebe kokoa. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fieritreretana mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka feno kokoa ny fanasana sy ny torohevitra izay nomen’ny mpaminany vao haingana. Asao ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ireo eritreritra sy bitsiky ny Fanahy izay tonga ao amin’izy ireo. Amporisiho izy ireo hamadika ho asa ny bitsika izay voarain’izy ireo avy amin’ny Fanahy.

Mandray fanambarana ny mpaminanin’ny Tompo ary manambara fotopampianarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo.

Angataho ny mpianatra hitadidy ilay zavatra niainana izay miresaka an’i Hiram Page sy ny vatony avy amin’ny fandalinan’izy ireo ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Inona no olana naterak’ilay nolazain’i Hiram Page fa fanambarana teo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy vitan’ny hoe nilaza ho nandray fanambarana ho an’ny Fiangonana fotsiny i Hiram Page, fa ilay nolazainy fa fanambarana dia nifanohitra ihany koa tamin’ny fotopampianarana nampianarina ao amin’ny soratra masina sy ireo fanambarana voarain’i Joseph Smith teo aloha. Anisan’ireo izay nanaiky ireo fanambarana azon’i Hiram Page ireo olona tao amin’ny fianakaviana Whitmer sy i Oliver Cowdery.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–7, dia tadiavo ny fampianarana nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery sy ny mpikamban’ny fiangonana. Hazavao fa ilay “mistery” voalaza ao amin’ny andininy 7 dia milaza “ireo fahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Misterin’ Andriamanitra,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny olona afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo? (Mety hahita karazana fahamarinana ny mpianatra, ka anisan’izany izao manaraka izao: Ireo izay mihazona ny fisoronana hitarihana ny Fiangonana ihany no manana fahefana handray fanambarana sy hametraka fotopampianarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo.)

  • Ahoana no mety hanampian’ny fahatakarana io fahamarinana io antsika tsy ho voafitaka?

Hazavao fa misy fitoviana lehibe eo amin’ny fotopampianarana nampianarin’ireo mpaminany nofidian’ny Tompo tao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana. Na izany aza anefa dia mety hametra-panontaniana ny amin’izay zavatra tokony hatao ny mpikambana rehefa mahita zavatra nolazain’ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany aloha tany, izay toa tsy mitovy amin’ny fotopampianarana izay ampianarina amin’izao fotoana izao.

  • Inona avy ireo fitsipika afaka mitarika antsika mba hamantarana ny fotopampianaran’ny Tompo fa hoe ny mpaminaniny velona no mampianatra izany? (Mety ho tianao ny hanasa ny mpianatra hamaky ny teny nolazain’ny Loholona isany D. Todd Christofferson sy Neil L. Andersen ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

Azonao zaraina mandritra ny fifanakalozan-kevitra ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity:

Mety tsy ho takatrareo foana ny fanambarana rehetra ataon’ny mpaminany velona. Kanefa rehefa fantatrareo fa mpaminany ny mpaminany iray dia afaka manatona ny Tompo amim-panetrentena sy amim-pinoana ianareo ary mangataka fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenanareo manokana momba izay nambaran’ny mpaminaniny na inona izany na inona. (Russell M. Nelson, “Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona, ôkt. 2016, 53.)

Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo mpaminany velona sy ireo fitahiana azo avy amin’ny fanarahana azy ireo amin’ny faharetana sy finoana.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa ny fotoam-pianarana manaraka dia hifantoka amin’ny lohahevitra iray izay nantsoin’ny Filoha Russell M.Nelson hoe ny fanamby “lehibe indrindra sy ny tanjona lehibe indrindra ary ny asa lehibe indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao” (“Fanantenana ho an’i Isiraely” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], pejy fanampiny ao amin’ny New Era sy Ensign, 4–5, ChurchofJesusChrist.org; amin’ny sora-mandry amin’ny fomba nanoratana azy voalohany). Asao ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka ary ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hiresadresaka ireo tanjona handraisana anjara amin’ilay asa lehibe mba hanangonana an’i Isiraely sy ny fitahiana azo avy amin’izany.