Institiota
Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fifandimbiasan-toerana tao amin’ny Fiadidiana sy ny dia niankandrefana


“Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fifandimbiasan-toerana tao amin’ny Fiadidiana sy ny dia niankandrefana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Sary
Forging Onward, Ever Onward (Manefy hatrany, hatrany hatrany), nataon’i Glen S. Hopkinson

Mijery ny Olomasina mandao an’i Nauvoo i Brigham Young.

Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Fifandimbiasan-toerana tao amin’ny Fiadidiana sy ny dia niankandrefana

Taorian’ny nanambarana ny fahafatesan’i Joseph sy i Hyrum Smith dia nifarana toy izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety iray: “Tapitra ny amin’ny Môrmôna” (Weekly Herald, 13 jolay 1844, 220). Tamin’ny fahafatesan’ny Mpaminany Joseph, dia maro tamin’ireo mpandinika tety ivelany no nino fa ho rava ny Fiangonana. Ary nanontany momba izay hitarika azy ireo ny mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao dia tadiavo ny fomba hanohizan’ny Tompo mitarika ny Fiangonany aorian’ny fahafatesan’ny mpaminany.

Fizarana 1

Iza no mitarika ny Fiangonan’ny Tompo rehefa maty ny mpaminany?

Ataovy ny iray amin’ireto safidy manaraka ireto amin’ity fizarana ity:

  1. Halalino ity tahirin-kevitra manaraka ity, dia tontosao ilay atrikasa hoe saintsaino.

Nanerana an’i Nauvoo ny fahatsapana alahelo rehefa maty i Joseph sy i Hyrum Smith. Nandritra io fotoana nampisavorovoro io dia maro ireo olona nilaza fa manan-jo hitarika ny Fiangonana. Iray tamin’ireo olona ireo i Sidney Rigdon.

Tamin’ny fotoana nahafatesan’i Joseph dia nanao asa fitoriana tany atsinanan’i Etazonia i Brigham Young sy ny Apôstôly hafa. Tamin’ny 16 jolay 1844 vao nahazo taratasy nilaza ny famonoana an’i Joseph sy i Hyrum Smith i Brigham.

Rehefa namaky ilay taratasy izy dia tsapan’i Brigham toy ny ho vaky ny lohany. Tsy mbola nahatsiaro kivy toy izany mihitsy izy.

Nivadika avy hatrany tany amin’ny fisoronana ny eritreriny. Nohazonin’i Joseph ireo fanalahidy rehetra ilaina mba hanafiana masina ny Olomasina sy hamehezana azy ireo ho mandrakizay. Raha tsy misy ireo fanalahidy ireo dia tsy afaka mandroso ny asan’ny Tompo. Nandritra ny fotoana fohy dia natahotra i Brigham sao nentin’i Joseph tany am-pasana ireo.

Avy eo, tao anatin’ny fotoan’ny fanambarana iray, dia tsaroan’i Brigham ny fomba nanoloran’i Joseph ireo fanalahidy tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo. Nakapony mafy tamin’ny lohaliny ny tanany dia nilaza izy hoe: “Ny fanalahidin’ny fanjakana dia eto anivon’ny fiangonana.” (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, boky 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 559)

Ny 7 aogositra 1844 dia nivory nanao filankevitra ny Roambinifololahy sy ireo mpitarika ny Fiangonana hafa. Nandritra ity fihaonana ity dia nanamafy i Sidney Rigdon, izay efa nesorina tsy ho amin’ny Fiangonana, fa noho izy efa nantsoina sy natokana ho mpitondratenin’i Joseph Smith teo aloha (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100: 9), dia andraikiny no “miantoka fa voatantana araka ny tokony ho izy ny fiangonana” (ao amin’ny History, 1838–1856 [Tantaran’ny Fiangonana natao sora-tanana], boky F-1, 295, josephsmithpapers.org).

Rehefa namarana ny resaka nataony i Sidney Rigdon, dia nanambara i Brigham Young hoe:

Sary
Filoha Brigham Young

Nomen’i Joseph teo ambonin’ny lohanay [Apôstôly Roambinifolo] avokoa ireo fanalahidy sy hery rehetra amin’ny maha-apôstôly izay nohazoniny izy tenany talohan’ny nahalasana azy. (Brigham Young, ao amin’ny History, 1838–1856, boky F-1, 296, josephsmithpapers.org)

Ny ampitson’io, dia niangona ireo Olomasina tany Nauvoo mba hihaino an’i Sidney Rigdon hanao ny fitakiany mba ho lasa mpitarika. Taorian’ny lahateniny dia niresaka fohy i Brigham Young, ary nanambara fa ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, izay miara-mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra naverina tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, no nitarika ny Fiangonana tamin’izay.

Rehefa nihaino an’i Brigham niteny i Emily [Hoyt] dia tonga saina fa nijery azy tampoka mba hahazoana antoka fa tsy i Joseph io miteny io. Toy ny an’i Joseph ny fiteniny, ny fomba fisainany, eny fa na dia ny feony aza. …

Fito taona taty aoriana dia noraketin’i Emily ny zavatra niainany tamin’ny fahitana an’i Brigham niresaka tamin’ny Olomasina, nijoro ho vavolombelona fa tena mitovy tamin’ny an’i Joseph ny endriny sy ny feony teo amin’ny lampihazo. Tao anatin’ny taona maro manaraka, dia Olomasina am-polony maro no nanampy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona tamin’ny an’i Emily, izay mamariparitra ny fomba nahitan’izy ireo ny anjara asa maha-mpaminany an’i Joseph nifindra tamin’i Brigham tamin’io andro io. (Saints, 1:565–66)

Nanoratra i Wilford Woodruff hoe: “Raha tsy nanatri-maso [an’i Brigham] aho, dia tsy nisy afaka nandresy lahatra ahy fa tsy i Joseph Smith izany” (ao amin’ny History of the Church, 7:236).

Niaraka tamin’ny fanambarana nataon’i Brigham Young momba ny fanomezan’i Joseph ireo fanalahidy sy ireo fahefan’ny apôstôly tamin’ny Roambinifololahy sy ny fijoroana ho vavolombelona manamafy nataon’ny Fanahy Masina dia takatry ny Olomasina ny sitrapon’ny Tompo ka nanohana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’ny maha-mpitarika ny Fiangonan’i Jesosy Kristy naverina tamin’ny laoniny izy ireo.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Saintsaino ny fomba nampahafantaran’ny Ray any An-danitra ny sitrapony sy ny fitiavany ho an’ny Olomasina tamin’ny fanehoany tamin’izy ireo fa i Brigham Young sy ny Roambinifololahy no hitarika ny Fiangonana. Ahoana no nahalalanao fa ireo izay mitarika ny Fiangonana ankehitriny dia nofinidy sy nantsoin’ Andriamanitra?

Fizarana 2

Ahoana no fomba hitarihan’ny Tompo antsika rehefa toa tsy azo antoka ny hoavy?

Tamin’ny janoary 1846, teo anivon’ny fanenjehana tsy an-kijanona ny Olomasina, dia namarana ireo drafitra ny handao an’i Nauvoo ka handeha hiankandrefana ny Apôstôly Roambinifolo. Tamin’ny 1842, ny Mpaminany Joseph Smith dia naminany fa “hitohy hijaly amin’ny fangirifiriana ireo Olomasina ary henjehina eny amin’ny Tendrombohitra Harambato … ary hanorina fialofana sy hanangana tanàna ary … ho vahoaka matanjaka eo afovoan’ny Tendrombohitra Harambato” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 517).

Sary
Mijery ny Olomasina mandao an’i Nauvoo i Brigham Young.

Nitarika ny Olomasina hiala tao Nauvoo i Brigham Young.

Raha niomana ny handao an’i Nauvoo ny Olomasina dia niasa koa izy ireo mba hamitana ny Tempolin’i Nauvoo. Rehefa akaiky ho vita izany dia nisy Olomasina an’arivony tonga tao amin’ny tempoly andro aman’alina mba handray ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana. Hoy rahavavy Sarah Rich:

Sary
Sarah Rich

Raha toa ka tsy noho ny finoana sy ny fahalalana izay nomena anay tao amin’io tempoly io tamin’ny alalan’ny fitaomana sy ny fanampian’ny Fanahin’ny Tompo, dia ho toy ny zavatra natao an-jambany ihany ilay dianay. … Saingy nanana finoana ny Raintsika any An-danitra izahay ary nametraka ny fitokisanay Azy, ka nahatsapa fa vahoaka voafidy. (Sarah Rich, ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’Histoire et l’œuvre de la Société de secours [2011], 30)

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ireo Olomasina izay tao Nauvoo tamin’izany fotoana izany:

Sary
Loholona Robert D. Hales

Nitondra fiarovana ho azy ireo nandritra ny diany niankandrefana ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo, tahaka izany koa ho antsika tsirairay ankehitriny sy mandritra ny fiainantsika. (Robert D. Hales, “Temple Blessings,” New Era, Feb. 2014, 4)

Rehefa nihamafy ny fanenjehana dia namita ny drafiny ny Olomasina ka ny andian’ Olomasina lehibe voalohany dia nanomboka ny dia niampita an’i Iowa tamin’ny febroary 1846. Natrehan’izy ireo ny andro ririnina, sy ny vatsy tsy ampy ary ny tsy filaminana. Nitondra orana nikija, sy fiakaran-drenirano ary fotaka ny lohataona, ka mametra ny Olomasina tsy hanao dia ankoatra ny 480 kilometatra monja tao anatin’ny 131 andro. Vokatr’ireo fanemorana sy vatsy tsizarizary ireo dia nampijanona ilay dia i Brigham Young ka nanangana toeram-piantsonana iray nantsoina hoe Winter Quarters. Ka hatramin’ny fararano dia nitombo faingana nihoatra ny 7,000 ny mponina tao Winter Quarters.

Sary
Winter Quarters, nataon’i Greg Olsen

Betsaka ny narary noho ny tsy fahampian-tsakafo sy noho ny zavatra niainana, ary nosedraina ny finoan’ny sasany. Ireo toe-javatra sarotra ireo dia nahatonga ny ririnin’ny taona 1846–47 ho isan’ireo fotoan-tsarotra indrindra teo amin’ny fiainan’i Brigham Young. Nahatsapa ho “toy ny raim-pianakaviana manana zanaka marobe manodidina azy izy” ary tsaroany taty aoriana fa ny andraikiny dia nitambesatra taminy toy ny “lanja dimy amby roapolo taonina” (“This Shall Be Our Covenant,” Revelations in Context [2016], 307–8; jereo ihany koa ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, boky 2, No Unhallowed Hand, 1846–1893 [2020], 40–44, 46–51).

Raha nahatsapa io vesatra io i Brigham Young dia nitalaho tamin’ny Tompo izy mba hahazo fitarihana ka dia nahazo fanambarana iray nahitana ny “Teny sy ny sitrapon’ny Tompo momba ny tobin’i Isiraely amin’ireo fandehanany miankandrefana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136: 1) izy. Rehefa mandinika ireto ampahany manaraka amin’ity fanambarana ity ireto ianao dia eritrereto ny hanisy marika ireo torolalana sy fampanantenan’ny Tompo tamin’ireo Olomasina.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:2, 8, 10–11, 21–22.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanolotra fomba fijery manan-danja momba ny fotoana nahazoana ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136. Hoy izy:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Ny fototry ny ezaka rehetra hahazoana fanambarana dia ny fanoloran-tena hanao izay azontsika atao amin’ny ezaka ataontsika sy ny fanapahan-kevitsika manokana. Midika izany fa mila manompo sy miasa isika.

Fomba iray manan-danja hahatongavana ho mendrika ny hahazo fanambarana ny mandroso miaraka amin’ny fanompoantsika sy ny asantsika. Tamin’ny fandalinako ny soratra masina dia nahatsikaritra aho fa ny ankabetsahan’ny fanambarana ho an’ny zanak’ Andriamanitra dia tonga rehefa eny am-pihetsehana izy ireo, fa tsy rehefa mitoetra any an-tranon’izy ireo ka miandry ny Tompo hilaza amin’izy ireo ny dingana voalohany tokony hatao.

Ohatra: manan-danja ny manamarika fa ilay fanambarana fantatra amin’ny hoe “ny Teny sy ny sitrapon’ny Tompo momba ny tobin’i Isiraely” (F&F 136:1) dia tsy nomena tao Nauvoo rehefa nanao drafitra ny hifindra avy tao Nauvoo ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. … Ary tsy nomena teny amin’ny morony andrefan’ny Renirano Mississippi. … Ny fanambarana mba hitarihana ny fikisahan’ny Olomasina manerana ny lemaka dia nomena tamin’ny 14 Janoary 1847, rehefa efa nahavita teo amin’ny ampahatelon’ny lalana mankany amin’ny lohasahan’ny tendrombohitra ny Olomasina. (Dallin H. Oaks, “In His Own Time, in His Own Way,” Ensign, Aug, 2013, 22, 24)

Eritrereto iray minitra ny fomba mety hiharan’io hevitra avy amin’ny Filoha Oaks io amin’ireo fanontaniana sy fanapahan-kevitrao manokana izay misy fiantraikany amin’ny hoavinao.

Sary
Mpisava lalana miditra ny Lohasahan’i Salt Lake, nataon’i King Driggs

Tany amin’ny fiandohan’ny aprily 1847, dia nandao an’i Winter Quarters niaraka tamin’ny andian’Olomasina voalohany i Brigham Young. Nandeha 1,660 kilômetatra izy ireo tao anatin’ny efa-bolana ary tonga tao amin’ny Lohasan’i Salt Lake tamin’ny 24 jolay 1847. Noraketin’i Wilford Woodruff fa rehefa nahita ilay lohasaha i Brigham Young dia “voasaron’ny fahitana tanteraka izy nandritra ny minitra maro. … Rehefa tapitra ilay fahitana, dia hoy izy hoe: -Ampy izay. Ity no ilay toerana. Tohizo ny dia-” (ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 146). Tamin’ny ôktôbra dia teo amin’ny 1,700 teo ho eo ireo Olomasina nanorim-ponenana tao Utah. Saingy, nisy hafa nanodidina ny 10,000 no mbola nipetraka teny amoron’ny reniranon’i Missouri tany Iowa sy Nebraska ka handeha hiankandrefana ao anatin’ny dimy taona manaraka (jereo ny “Sustaining a New First Presidency in 1847,” ChurchofJesusChrist.org).

Nandritra ny telo taona mahery dia nitarika ny Fiangonana tsy nisy Fiadidiana Voalohany ny Apôstôly Roambinifolo. Tamin’ny desambra 1847 dia nihaona tao Council Bluffs Iowa ireo Apôstôly, toerana izay mbola nipetrahan’ny Olomasina maro. Nivory tao anaty trano hazo kely izy ireo mba hiresaka momba ny fananganana indray ny Fiadidiana Voalohany. “Nisy fahatsapana lehibe ny Fanahy Masina narotsaka tamin’ireo nanatrika teo,” ary ny Roambinifololahy dia niara-nanohana an’i Brigham Young, ilay Apôstôly efa ela niasana indrindra, ho Filohan’ny Fiangonana (Autobiography of Bathsheba W. Smith, 12, Church History Library, Salt Lake City; manara-penitra ny fanoratra; jereo koa ny Saints, 2:87–89, 92–95).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Saintsaino ny fomba nitarihan’ny Tompo ny Olomasina rehefa nandeha nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao ny Tompo nitarika ny fiainanao? Inona no azonao ifantohana mba hahazoana fitarihana lehibe kokoa avy amin’ny Tompo?