Institiota
Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna


“Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna

Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia niseho tamin’ny fomba mahagaga. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ny fomba nandikana ny Bokin’i Môrmôna “araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3). Ny mpianatra dia handinika ihany koa ary homena fahafahana hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

Sosokevitra enti-mampianatra

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Mampianara mba hanova fo. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Tsy maintsy mametraka tanjona ambony isika. Tsy maintsy mihazona ireo tanjona izay efa nananantsika hatrany isika: fisoratana anarana, fanatrehana tsy tapaka, fahavitan’ny fianarana, fahalalana ny soratra masina, fiainana ny fahatsapana ny Fanahy Masina manamarina ny fahamarinana. Ankoatra izany dia tsy maintsy mametraka tanjona hanampy ny mpianatra hiomana hanao asa fitoriana sy hiditra ny tempoly isika. Mila zavatra bebe kokoa anefa ireo mpianatra mandritra ny fotoana maha-mpianatsika azy ireo. …

“Tokony ho latsa-paka ao am-pon’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny filazantsara madion’i Jesoa Kristy. … Ny tanjontsika ho azy ireo dia ny mba hiovan’izy ireo fo marina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny mandritra ny fotoana iarahany amintsika” (“We Must Raise Our Sights” [fihaonamben’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana mikasika ny Bokin’i Môrmôna, 14 aog. 2001], 2).

Ny Bokin’i Môrmôna dia navoaka “noho ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny.”

Manehoa sarin’i Môrônia mandevina ireo takelaka.

Sary
I Môrônia mandevina ireo takelaka, nataon’i Tom Lovell

Asaivo milazalaza izay fantany momba ny zava-mitranga eo amin’ny sary ny mpianatra. Azonao anontaniana azy ireo ihany koa ny zavatra izay heverin’izy ireo fa fantatr’i Môrônia mikasika ny mety ho fiantraikan’ilay rakitsoratra amin’ireo taranaka ho avy.

Asao ny mpianatra hamaky ny Môrmôna 8:12–16, ary hitady ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no zavatra tian’i Môrônia nazavaina tsara momba ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna?

Asehoy ity teny nambaran’i Joseph Smith manaraka ity izay naveriny matetika rehefa nanontaniana mikasika ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna izy:

Nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra aho. (Joseph Smith, ao amin’ny James Palmer, Journal, 75, Church History Library, The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, Salt Lake City, Utah; natao sora-bavety maoderina)

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mikasika ny fomba nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna “noho ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny.” (Raha ilaina dia amporisiho ny mpianatra mba hamerina fohy ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Azonao asaina ihany koa izy ireo hametraka izay fanontaniana mety ananany avy amin’ny fandalinany ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.

Asao ny mpianatra hamerina izay nianarany avy amin’ireo teny nambaran’i Joseph Smith sy ny Loholona Neal A. Maxwell any amin’ny fiafaran’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. (Azonao asaina ny mpianatra iray hamaky mafy ireo teny nambara ireo.)

  • Nahoana isika araka ny hevitrao no tokony ho liana kokoa amin’ny “votoatin’ny boky fa tsy “amin’ny dingana izay nahazoana izany”?

Mampanantena Andriamanitra fa ny olona tsirairay dia afaka mandray fijoroana ho vavolombelona manamafy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

Anontanio ny mpianatra hoe firy amin’izy ireo no te hahita mivantana ny takela-bolamena ary inona no anton’izany.

  • Nahoana ny Tompo, araka ny eritreritrao, no tsy manaporofo ny fisian’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny famelana ireo takelaka sy ireo zavatra sarobidy manan-tantara hafa mba haseho amin’izao tontolo izao?

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:3, 6–7 ary hitady ny antony tsy nampisehoan’i Joseph ireo takelaka tamin’ireo izay nitady porofo. Asaivo hazavain’ny mpianatra ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo.

Hazavao fa ity fanambarana ity dia nomena an’i Joseph vokatry ny fangatahan’i Martin Harris vavolombelona fa tena manana ireo takela-bolamena marina i Joseph. Naman’i Joseph i Martin ary nanana ny fahafahana ara-bola hoenti-manampy tamin’ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna izy raha vao voadika izany. I Lucy vadin’i Martin dia nandefa fitoriana tany amin’ny mpitsara tao an-toerana, izay niampangany an’i Joseph ho nisoloky ny vadiny sy olon-kafa koa mba hahazoana vola. Ny volana martsa 1829 dia nankany Harmony Pennsylvanie mba hangataka ny porofon’ny fisian’ireo takelaka tamin’i Joseph Smith i Martin.

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:11–15, ary hitady ny fomba iray hanorenan’ny Tompo ny fahamarinan’ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna. Asaivo hazavain’ny mpianatra ny zavatra nianarany avy tamin’ireo andininy ireo.

Hazavao fa ny Tompo dia nanambara fa i Martin Harris dia afaka ny ho anisan’ireo Vavolombelona Telo raha toa ka “miankohoka” sy “manetry tena amin’ny faherezana mivavaka sy ny finoana mahery” izy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:24). Telo volana taty aoriana i Joseph dia nanasa an’i Martin Harris mba hiaraka amin’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer mba hikatsaka ilay fahafahana hahita manokana izay nampanantenain’ny Tompo.

Asehoy ilay sarin’i Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia angataho ny mpianatra hamerina hitantara ny zava-nitranga rehefa nivavaka mba hahita ireo takelaka ireo lehilahy ireo.

  • Inona no tsapan’i Joseph ny amin’ny nahitan’ireo Vavolombelona Telo an’ireo takelaka? (Raha ilaina dia asaivo mamerina ny zavatra notantarain’i Lucy Mack Smith ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra.)

  • Manamafy ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo amin’ny fomba ahoana ny tsy nandavan’izy ireo mihitsy ny tenivavolombelona nomeny, na dia nisara-bazana tamin’ny Mpaminany sy ny Fiangonana aza ny tsirairay avy tamin’izy ireo?

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:15–16 sy ny Môrônia 10:3–5, ary hitady ny fomba hahafahan’ny olona rehetra mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Eo am-panazavan’ny mpianatra ny zavatra nianarany avy tamin’ireo soratra masina ireo dia ampio izy ireo mba hamantatra fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao: Ny Tompo dia haneho ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny Fanahy Masina amin’ireo rehetra izay mikatsaka fijoroana ho vavolombelona.

  • Manao ahoana ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina raha ampitahaina amin’ny porofo azo tsapain-tanana, toy ny hoe mahita maso ny takelaka na manana fahalalana feno mikasika ireo antsipirian-javatra rehetra tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka avy amin’ny Rahalahy Tad R. Callister ity, izay efa Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany:

Nandao ny Fiangonana nandritra ny fotoana fohy ny iray tamin’ireo namako akaiky sy mahira-tsaina. Izao no nosoratany tamiko vao haingana mikasika ny fiverenany: “Tamin’ny voalohany dia naniry ny hahazo porofo ara-tantara, ara-jeografika, sy ara-pitsikerafiteny ary ara-kolontsaina momba ny Bokin’i Môrmôna aho. Saingy rehefa novaiko hoe, izay ampianarin’izany mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny asa famonjena nanirahana Azy no hifantohan’ny saiko, dia nanomboka nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany aho. Indray andro raha namaky ny Bokin’i Môrmôna tao amin’ny efitranoko aho, dia nijanona kely, dia nandohalika ary nanolotra vavaka avy amin’ny fo, ka nahatsapa mazava tsara ny fibitsihan’ny Ray any An-danitra tamin’ny fanahiko fa tena marina ny Fiangonana sy ny Bokin’i Môrmôna. Ilay telo taona sy tapany namerenako nanadihady ny Fiangonana dia nitarika ahy tanteraka sy tamim-paharesen-dahatra indray tany amin’ny fahamarinany.”

Raha toa ny olona iray ka manokana fotoana hamakiana sy hisaintsainana amim-panetrentena ny Bokin’i Môrmôna, toy ny nataon’ilay namako, sy mihaino ny vokatra soa avy amin’ny Fanahy, dia hahazo ilay tenivavolombelona nirina izy amin’ny farany.

Ny Bokin’i Môrmôna dia iray amin’ireo fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ho antsika. (Tad R. Callister, “Vavolombelona mahery vaika avy amin’ Andriamanitra: Ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, nôv. 2017, 109)

  • Inona no zavatra niainana izay nanampy anao ho tonga amin’ny fahafantarana fa marina ny Bokin’i Môrmôna? (Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra nosoratany tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarany any amin’ny faran’ny fizarana 2.)

Farano amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona fa na dia tsy nahita ireo takela-bolamena aza isika, ary na dia tsy tany aza isika tamin’ny fotoana nandikana ny Bokin’i Môrmôna, dia afaka mamaky sy mandalina ny boky isika ary mahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ho antsika fa tena tenin’ Andriamanitra marina ilay izy.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ny mpianatra handinika ny antony hanaovan’ireo mpitsikera ny Fiangonan’ny Tompo lasibatra ny Bokin’i Môrmôna. Amporisiho ny iray kilasy handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka, ary hitady ny fomba hahafahan’izy ireo mampitombo ny fahafahany miaro ny Bokin’i Môrmôna.