Institiota
Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Mpaminany Joseph Smith: Mpahita nofinidy


“Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Mpaminany Joseph Smith: Mpahita nofinidy,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokinʼny mpampianatra (2019)

“Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny Mpaminany Joseph Smith: Mpahita nofinidy

Nanoritsoritra ny Mpaminany Joseph Smith ho “mpahita nofinidy” izay “hohajain[’ny olony] fatratra” ny Tompo (2 Nefia 3:7). Saingy na dia teo aza ny zavatra tsara rehetra nataon’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith dia betsaka ireo mpitsikera ny Mpaminany. Ity lesona ity dia hanomana ny mpianatra hamaly amim-pinoana ny fitsikerana atao amin’i Joseph Smith ary hanamafy ny faharesen-dahatr’izy ireo fa ny Tompo dia mampivoatra be ny olona antsoiny.

Sosokevitra enti-mampianatra

Niantso an’i Joseph Smith tao amin’ny fahalemeny ny Tompo ary nampivoatra azy mba hahatonga azy ho mpahita nofinidy.

Asehoy ity sary hosodokonn’i Joseph Smith tamin’izy tanora ity.

Sary
Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, nataon’i Walter Rane

Asao ny mpianatra hizara teny na andian-teny avy ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izay mamariparitra ny zavatra tsapan’i Joseph momba ny fahaizany tamin’ny fotoana niantsoana azy mba hanampy amin’ny famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny.

Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana izay nahatsapany ho novesaran’ny zavatra nangatahan’ny Tompo na ny mpanompony mba hataony na nahatsapany ho tsy mahavita azy nanoloana izany.

Hazavao fa ny fiantsoan’ny Tompo an’i Joseph Smith dia mampianatra fitsipika mahery vaika izay afaka manampy antsika rehefa mahatsiaro ho malemy na tsy mahavita azy isika eo anatrehan’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Ny mpaminany Lehia dia mamerina mitantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny faminaniana iray momba an’i Josefa tany Egypta. Vakio miaraka amin’ny iray kilasy ny 2 Nefia 3:6–11, 15 ary mitadiava teny na andian-teny nampiasan’ny Tompo mba hamariparitana ny mpaminany amin’ny hoavy iray izay hantsoina hoe Joseph ihany koa.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny sasany ampiasain’ny Tompo mba hamariparitana an’i Joseph Smith sy ny asa izay hanampiany azy mba hotanterahany?

  • Inona no anjara asa nampanantenain’ny Mpamonjy fa ho tanany ao amin’ilay asa izay hiantsoana an’i Joseph mba hotanterahiny?

Vakio miaraka amin’ny iray kilasy ny 2 Nefia 3:13 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1 hitadiavana ny famariparitan’ny Tompo an’i Joseph Smith. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Ahoana araka ny hevitrao no nanehoana ny fahendren’ny Tompo tamin’ny fiantsoana ny “zava-malemy amin’ny tany” mba hanatanteraka ny asany? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1).

  • Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny fiantsoan’ny Tompo an’i Joseph Smith ao amin’ny fahalemeny?

Asehoy ity fitsipika manaraka nampianarin’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, dia asao ny mpianatra iray hamaky izany amin’ny feo mafy:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

Isan’ny hafatra lehibe indrindra izay mikoriana avy amin’ny fampiasan’ny Tompo an’i Joseph Smith ho -mpahita nofinidy- amin’ny andro farany ny hoe mbola misy fanantenana tokoa ny momba antsika tsirairay avy! Ny Tompo dia afaka miantso antsika ao anatin’ny fahalementsika kanefa manatsara antsika ho an’ ireo tanjony. (Neal A. Maxwell, “A Choice Seer,” Ensign, Aug. 1986, 14; nampiana sora-mandry)

  • Ahoana no mety hanampian’ity fitsipika ity ny olona izay manana olana amin’ny fahalemena amin’ny maha-olombelona hitany ao aminy, sy ao amin’ny mpitarika azy ao amin’ny Fiangonana, ary ao amin’ny mpikambana hafa?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nampitombo ny fahaizanao mba hanatontosana ny asany ny Tompo, na dia eo aza ireo fahalemenao? Oviana ianao no nahita ny nanaovan’ny Tompo an’izany tamin’olon-kafa?

  • Inona no nataon’i Joseph Smith mba handraisana ny hery mampatanjaky ny Tompo? (Azonao asaina ny mpianatra hamerina hamaky ny teny voalazan’ny Loholona Marcus B. Nash izay hita ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Omeo fotoana kely ny mpianatra handinihana ombam-bavaka ary angamba mihitsy handraisana an-tsoratra izay azony atao mba hanasana eo amin’ny fiainany ny herin’ny Tompo hanatsarana azy ireo ho an’ny tanjony.

Ny anaran’i Joseph Smith dia “ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena … rehetra.”

Hazavao fa na dia teo aza ny zavatra tsara rehetra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith, dia maro ireo mpanaratsy sy mpitsikera azy. Tsy nahataitra an’i Joseph anefa izany. Rehefa niseho voalohany tamin’i Joseph fony izy 17 taona i Môrônia dia nanome an’i Joseph fahalalana momba ny hoaviny izy. Asao ny mpianatra hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:33 hitadiavana ny zavatra ho tsapan’ny olona momba an’i Joseph.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io andalan-tsoratra masina io? (Ampio ny mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Ny anaran’i Joseph Smith dia ho tsara sy ho ratsy laza eo anivon’ny olona rehetra.)

  • Amin’ny fomba ahoana avy no ahitantsika ny fahatanterahan’io faminaniana io amin’izao andro izao?

Hazavao fa ny Tompo dia nankahery an’i Joseph nandritra ny iray tamin’ireo fotoana maloka indrindra teo amin’ny fiainany, raha nigadra tao amin’ny fonjan’i Liberty Missouri izy. Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–3 hitadiavana ny fomba nankaherezan’ny Tompo an’i Joseph.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io andalan-tsoratra masina io mikasika izay hasetrin’ny olona mahatoky eo anatrehan’i Joseph Smith sy ny iraka amin’ny maha-mpaminany azy? (Raha haneso an’i Joseph Smith ny olona sasany, ny madio am-po kosa dia tsy hivadika aminy fa hikatsaka kosa ireo fitahiana manjary afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny asa fanompoana nataony.)

Angataho ny mpianatra hamerina hijery ireo teny nambaran’ireo olona nahafantatra ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hizara izay manaitra azy ireo.

  • Inona no fahatsapana sy fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny Mpaminany Joseph Smith?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Hitombo ireo fanaratsiana atao momba ny Mpaminany Joseph Smith arakaraka ny hanakaikezantsika ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Tsy hihena ny filazana zavatra tsy tena marina sy ny famitahana miharo hafetsena. Hisy olona ao amin’ny fianakaviana sy namana izay hila ny fanampianao. (Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 30)

Hiaraho miresaka amin’ny mpianatra rehetra na ao anaty vondrona kelikely kokoa ny fomba hanampian’ny mpianatra ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na ny namana iray izay sahiran-tsaina momba ireo fanaratsiana izay reny na vakiany momba ny Mpaminany Joseph Smith. Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io ihany, ny vondrona dia afaka manao famerenana ny teny avy amin’ny Loholona Andersen ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Mety hanampy ihany koa ny hampidirana ireto fanontaniana ireto ao amin’ny fifanakalozan-kevitra:

  • Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny mamporisika ny olona iray mba handalina loharano azo antoka miaraka amin’ny fanasana an’io olona io hisaintsaina sy hivavaka rehefa mikatsaka valim-panontaniana mikasika an’i Joseph Smith sy ny asany amin’ny maha-mpaminany azy?

  • Hamporisihinao hanao inona ny olona iray mba hahazoany fijoroana ho vavolombelona ara-panahy na mba hampatanjahany ny fijoroana ho vavolombelona efa ananany momba ny asa masina nampanaovina an’i Joseph Smith?

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fandraisana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy avy amin’ Andriamanitra fa i Joseph Smith dia mpaminaniny, voantso tao amin’ny fahalemeny ary nampitomboin’ny Tompo mba ho lasa ny mpahita nofinidin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Ho an’ny lesona manaraka

Anontanio ny mpianatra hoe efa niahiahy sy nivavaka momba ana fanapahan-kevitra izay hisy fiantraikany amin’ny hoaviny ve izy ireo. Asao izy ireo handalina ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho fanomanana ny fotoana manaraka. Ao ny mpianatra dia hianatra mikasika ny fiahiahiana niainan’ireo Olomasina taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith sy ny finoana tena mahavariana nananan’izy ireo tamin’ny fanarahana mpitarika vaovao hankany amin’ny tany foana. Asao ny mpianatra hivonona hifanakalo hevitra momba izay nianarany avy amin’ireo Olomasina nanditra izany fotoan-tsarotra izany.