Institiota
Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny tempolin’i Kirtland sy ireo fanalahidin’ny fisoronana


“Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny tempolin’i Kirtland sy ireo fanalahidin’ny fisoronana,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokinʼny Mpampianatra (2019)

“Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny tempolin’i Kirtland sy ireo fanalahidin’ny fisoronana

Nandidy ireo Olomasina ny Tompo hanangana tempoly ao Kirtland Ohio, ary nampanantena Izy ny hampitafy azy ireo amin’ny “hery avy any ambony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8). Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra handinika ny fomba hahafahany mankatò feno kokoa ny didy avy amin’ny Tompo mahakasika ny tempoly. Izany ihany koa dia hanampy azy ireo hanazava ny lanjan’ireo fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny tempolin’i Kirtland.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny Tompo dia nanampy ireo Olomasina hanatanteraka ny didiny mba hanangana tempoly ao Kirtland.

Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny zavatra iray izay angatahan’ny Tompo, amin’ny alalan’ireo mpanompony, amin’ny mpikamban’ny Fiangonana mba hataon’izy ireo izay zavatra toa sarotra na mavesatra. Angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara ohatra iray amin’ny iray kilasy.

Mampisehoa sarin’ny tempolin’i Kirtland. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny desambra 1832 dia nandidy ny Olomasina mba hanangana “tranon’ Andriamanitra” ao Kirtland ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119).

Sary
Tempolin’i Kirtland

Hazavao fa dimy volana mahery taorian’ilay didy avy amin’ny Tompo, dia mbola tsy nanomboka foana ny fananganana ilay tempoly ny mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana. Vakio miaraka amin’ny mpianatra rehetra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1–3 hitadiavana ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny fanemoran’ny Olomasina ny fananganana ny tempoly.

  • Nahoana araka ny hevitrao no mety ho azo raisina ho “fahotana lehibe” ny tsy fananganana ny tempoly? (andininy 3; jereo ihany koa ny andininy 6).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mariky ny fitiavan’ny Tompo ny Olomasina ny famaizany azy ireo noho ny tsy nanamboaran’izy ireo ny tempoly? (jereo ny andininy 1).

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8 mba hitadiavana ny antony iray nanirian’ny Tompo ny hananganana tempoly tao Kirtland.

Hazavao fa ny hoe mampitafy dia midika hoe manome fanomezana olona iray. Ny fanafiana resahina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 dia ahitana ireo fanomezam-pahasoavana sy hery ara-panahy. Ny fombafomban’ny fanafiana masina ao amin’ny tempoly araka ny hanaovana azy ankehitriny dia tsy nambara raha tsy tamin’ny 1842 tao Nauvoo Illinois.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:11–12.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ny Olomasina ao amin’ny andininy 11? (Amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny avy amin’ny mpianatra dia manorata fitsipika mitovy amin’ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Rehefa miezaka mitandrina ny didin’ny Tompo isika dia hanome antsika hery hanatanterahana ny sitrapony Izy.)

  • Nahoana ity fampanantenana avy amin’ny Tompo ity no tena mety nankahery ny Olomasina tany Kirtland? (Jereo ny teny nolazain’i Eliza R. Snow ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Ahoana no hankaherezan’ity fitsipika ity anao eo amin’ny fiainanao ankehitriny?

  • Inona avy ireo fahafoizan-tena sasantsasany nataon’ireo Olomasina mba hahafahan’izy ireo mankatò ny didin’ny Tompo mba hanangana tempoly? (Raha ilaina dia amporisiho ny mpianatra hamerina hamaky ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Ahoana no nanomezan’ny Tompo hery sy nanampiany an’ireo Olomasina mba hanangana ny tempolin’i Kirtland?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny teny voalazan’ny Filoha Thomas S. Monson ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hieritreritra momba izao manaraka izao: Ahoana no hanampian’ny Olomasina ankehitriny amin’ny fanorenana tempoly? Inona no karazana fahafoizan-tena ataoko mahakasika ny fitsaohana any amin’ny tempoly?

  • Nahoana ny fahafoizan-tena araka ny hevitrao no ampifandraisina matetika amin’ny fitahian’ny tempoly?

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Omeo fotoana hieritreretana ireo mpianatra Rehefa omena fotoana handinihana ireo zavatra niainany tamin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny mpianatra dia afaka manome fahatsiarovana ao an-tsain’izy ireo ny Fanahy Masina. Ny fampitambarana ity fomba fanao ity miaraka amin’ny fanasana ny mpianatra handray an-tsoratra ny zavatra ao an-tsainy mialoha ny hizarany izany dia afaka mitondra mankamin’ny valinteny matotra kokoa ary faniriana bebe kokoa hizara.

Omeo fotoana ny mpianatra hieritreritra (ary hanoratra mihitsy angamba) momba ny (1) fahafoizan-tena efa nataony izay mifandray ny tempoly, (2) ny fitahiana efa azony avy amin’ny tempoly, ary (3) ny zavatra azony atao mba hitandremana amim-pahazotoana kokoa ny didin’ny Tompo mifandray amin’ny tempoly.

Nanaiky ny tempolin’i Kirtland ny Tompo, ary nomena an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery ny fanalahidin’ny fisoronana.

Fanamarihana: Ny mpianatra dia handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109, dia ilay vavaka natao nandritra ny fanokanana ny tempolin’i Kirtland izany, ao amin’ny lesona 20.

Hazavao fa tamin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasina sy ny fanampian’ny Tompo, ny tempolin’i Kirtland dia vita ary natokana tamin’ny 27 martsa 1836. Ny fanafian’ny Tompo hery dia tonga noho ny fankatoavan’ny Olomasina tamin’ny fananganana ny tempoly.

  • Inona avy ireo fisehoana ara-panahy sasany niainana nandritra ny fanokanana ny tempolin’i Kirtland? (Amporisiho ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Hazavao fa herinandro taty aoriana dia niseho tamin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy sy ireo iraka masina hafa avy any an-danitra. Asao ny mpianatra hamaky mafy ny teny fampidirana fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110.

Asehoy ity sary manaraka ity:

Sary
Miseho ao amin’ny tempolin’i Kirtland ny Tompo, nataon’i Del Parson

Vakio miaraka amin’ny mpianatra rehetra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–10 hitadiavana famariparitana ny Mpamonjy ary ny hafany ho an’i Joseph sy Oliver. Asao ny mpianatra hizara izay zavatra manaitra azy ireo. Rehefa mizara ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hiresadresahana momba ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo avy amin’ny fisehoany sy ireo fampianarany tao amin’ilay tranony vao natsangana?

  • Inona no ampianarin’ireo teny sy fampanantenan’ny Tompo ao amin’ireo andininy 7–8 momba ny fahamasinan’ireo tempoliny?

  • Inona no fiantraikan’ny tempolin’i Kirtland teo amin’izao tontolo izao? (jereo ny andininy 9–10).

Asao ny mpianatra hizara izay fantany momba ireo anjely iraka hafa izay niseho tao amin’ny tempolin’i Kirtland. Azonao aseho ity fahamarinana manaraka ity: Nandefa iraka masina hankao amin’ny tempolin’i Kirtland ny Tompo mba hanome ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina amin’ny asa famonjena.

Mangataha mpianatra mba hanazava ihany koa ny momba ireo fanalahidy izay nomen’ireo iraka ireo an’i Joseph sy Oliver. Asaivo mijery ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra raha ilaina izany. Eo am-pizaran’ny mpianatra dia hevero ny hampisehoana ny anaran’i Mosesy, Elià, ary Elia miaraka amin’ireo fanalahidy mifandraika amin’izy ireo.

  • Inona no fitahiana azontsika ankehitriny noho ny nanomezana ireo fanalahidin’ny fisoronana tao amin’ny tempolin’i Kirtland?

Asehoy ity teny manaraka avy amin’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity, dia asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Ny tempolin’i Kirtland dia manana toerana manokana eo amin’ny tantaran’ireo tempoly naorina. Tsy toy ny tempoly rehetra izy. Naorina voalohany indrindra ilay izy mba ho an’ny famerenana amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fahefana. (Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie [1955], 2:242)

Hevero ny hizara ohatra iray momba ny fomba manokana nitahiana ny fiainanao avy amin’ny nanomezana ireo fanalahidy tao amin’ny tempolin’i Kirtland. Ijoroy ho vavolombelona fa ireo fanalahidin’ny fisoronana nomena ny Mpaminany Joseph Smith sy Oliver Cowdery dia misy mihazona ary ampiasaina ankehitriny, dia ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izany, eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa ho fanomanana ny fotoam-pianarana manaraka dia hanana fahafahana handalina momba ny iray tamin’ireo fotoana maizina indrindra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana ny mpianatra, tamin’ny fotoana niatrehan’ireo Olomasina fitsapana sy fanenjehana ary fivadiham-pitokisana. Asao ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hivonona hizara ao an-dakilasy ny fitsipika izay afaka manampy azy ireo hiatrika ny fanoherana sy ny fotoan-tsarotra amim-pinoana an’ Andriamanitra.