Institiota
Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ôrdônansy sy fitsaohana any amin’ny tempoly


“Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ôrdônansy sy fitsaohana any amin’ny tempoly” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Sary
vehivavy eo anoloan’ny tempoly

Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ôrdônansy sy fitsaohana any amin’ny tempoly

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra hoe: “Olona mpanangana tempoly sy mpankany amin’ny tempoly isika.” (“Tonga soa eto amin’ny Fihaonambe,” Liahona, mey 2014, 5). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia diniho ny antony maha-singa tena manan-danja an’ireo ôrdônansin’ny tempoly ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany. Fantaro izay azonao atao mba hahatonga ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho ampahany manan-danja kokoa eo amin’ny fiainanao manokana.

Fizarana 1

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly mitahy ny fiainantsika?

Tamin’ny 2019 dia nizara izao ny Fiadidiana Voalohany:

Isaky ny nanana olona teto ambonin’ny tany vonona hankatò ny teniny ny Tompo, dia nodidiana izy ireo hanangana tempoly. Ny soratra masina dia mirakitra lamina momba ny fitsaohana any amin’ny tempoly hatramin’ny andron’i Adama sy Eva, Mosesy, Solomona, Nefia ary olon-kafa.

Miaraka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao andro farany izao dia naverina tamin’ny laoniny koa ny fitsaohana any amin’ny tempoly mba hitahiana ny fiainan’ny olona manerana an’izao tontolo izao sy any amin’ny lafiny hafa amin’ny voaly. … Ny tempoly iray natokana no toerana masina indrindra amin’ny toerana fitsaohana rehetra eto an-tany.First Presidency Statement on Temples,” Jan. 2, 2019, newsroom.ChurchofJesusChrist.org)

Sary
I Adama sy Eva manolotra fanatitra, nataon’i Keith Larson

I Adama sy Eva manolotra fanatitra (Mosesy 5:5–7)

Sary
Ny tabernakelin’i Mosesy tany an-tany foana, nataon’i Jerry Thompson

Ny tabernakely (Eksodosy 26–28)

Sary
Sarin’ny Tempolin’i Solomona, nataon’i Sam Lawlor

Ny Tempolin’i Solomona (1 Mpanjaka 6)

Sary
Mitory amin’ny Nefita ny Mpanjaka Benjamina, nataon’i Gary L. Kapp

Mitory amin’ny Nefita ny Mpanjaka Benjamina (2 Nefia 5:16; Môzià 2:1; 3 Nefia 11)

Ny tempoly voalohany izay naorina tamin’ity fotoampitantanana misy antsika ity dia ny tempolin’i Kirtland tamin’ny 1936. Ny fanokanana an’io tempoly io no nanombohan’ny vanim-potoana niavaka tamin’ny fisehoana ara-panahy. Nahatsapa ny Fanahy Masina ny olo-marina, ary nisy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, nahita fahitana na nahita anjely. Ny zava-nitranga lehibe indrindra tamin’io vanim-potoana io dia ny fisehoan’ny Mpamonjy tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland fotoana fohy taorian’ny nanokanana azy. Tamin’io fotoana io dia nilaza ny Mpamonjy hoe: “Nekeko ity trano ity” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:7).

Sary
Tempolin’i Kirtland
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Saintsaino ny fahatsapana sasany nanananao na tianao hananana rehefa miditra ny tempolin’ny Tompo ianao.

Tamin’ny 27 martsa 1836, dia nanolotra vavaka fanokanana (azony tamin’ny alalan’ny fanambarana avy tamin’ny Tompo ny teny tao amin’izany) ho an’ny Tempolin’i Kirtland i Joseph Smith. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109 io vavaka fanokanana io. Tao anatin’ity vavaka ity, dia nangataka tamin’ny Tompo i Joseph mba hanome fitahiana manokana ho an’ireo izay mitsaoka ao amin’ny tempoly.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13, 22–26.

Ny rahavavy Jean A. Stevens, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga dia nilaza izao momba ireo fitahiana raisintsika any amin’ny tempoly:

Sary
Rahavavy Jean A. Stevens

Raha te handray ireo fitahiana rehetra omen’ Andriamanitra antsika amin’ny fahalalahan-tanana lehibe tokoa isika dia tokony hitondra antsika any amin’ny tempoly ny lalana izorantsika. Fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra ny tempoly. Manasa antsika rehetra Izy mba hianatra Aminy sy hahatsapa ny fitiavany ary handray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ilaina amin’ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy. Atao ho an’ny tsirairay ny fanekempihavanana tsirairay avy. Manan-danja amin’ny Tompo ny fiovam-po mahery vaika tsirairay avy. Dia izay no hitondra ny fiovana rehetra eo amin’ny fiainanareo. Satria rehefa mandeha mankao amin’ny tranony masina isika dia afaka “mitondra ny heriny … … ny anarany ho eo amintsika, … ny voninahiny hanodidina antsika, ary ny anjeliny hikarakara antsika” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22].

… Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Zanany Malala, no ahatanterahan’ireo fanantenana sy fampanantenana ary fitahiana rehetra avy amin’ny tempoly. (Jean A. Stevens, “Zanakavavin’ Andriamanitra nanao fanekempihavanana Taminy,” Liahona, nôv. 2014, 117)

Sary
sary famantarana, fifanakalozan-kevitra

Miresaha amin’ny hafa

Anontanio ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray ireo fitahiana manokana tsapany teo amin’ny fiainany tamin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly sy ny fandraisana anjara tamin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly. Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapan’io olona io ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny fandehanana tany amin’ny tempoly?

Fizarana 2

Nahoana ny Tompo no mandidy ny olony hanangana tempoly?

Na dia talohan’ny nandidian’ny Tompo ny Olomasina mba hanangana tempoly tao Kirtland aza, dia nanokana toerana hananganana tempoly iray tany Independence Missouri ireo Olomasina tany Missouri. Taty aoriana dia nametraka vato fehizoro ho an’ny tempoly iray tany Far West, Missouri izy ireo. Samy nijanona tsy vita ireo satria noterena handao ny tranony sy ny fananany ireo Olomasina. Tamin’ny fihaonambe tamin’ny ôktôbra 1840 dia nanaiky ny antson’ny Mpaminany mba hanangana tempoly tao Nauvoo ny Olomasina. Teo indray, niaraka tamin’ny fanahin’ny fahafoizan-tena, dia nanomboka nanome fanomezana arak’asa, vola ary loharano hafa ny Olomasina mba hanampiana tamin’ny fananganana. Tamin’ny janoary 1841, dia nahazo fanambarana izay nanome antony fanampiny nahatonga ny Tompo hitaky ny hanorenana ity tempoly ity i Joseph Smith. Io torohevitra io dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124. Rehefa mandalina ireto andininy manaraka ireto ianao dia eritrereto ny sasany amin’ireo antony nandidian’ny Tompo antsika mba hanorina tempoly amin’ny andro farany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:27–28, 40–42.

Nahazo ôrdônansy manan-danja izay nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany ny Olomasina tao amin’ny tempoly, anisan’izany ny fombafomba amin’ny fanafiana masina.

Anisan’ireny ôrdônansy [any amin’ny tempoly] ireny ny fombafomba iray antsoina hoe fanafiana masina, izay nanohy ny fombafomban’ny fanasana sy fanosorana izay nampahafantarin’i Joseph tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 1836. Noho ny fahatahorany ny hamonoana azy mialoha ny hahavitan’ny tempoly, dia niantso lehilahy vitsivitsy i Joseph Smith tamin’ny 3 mey 1842, mba handamina ny efitrano ambony tao amin’ny Magazay vita amin’ny biriky mena mba haneho ny “anatin’ny tempoly iray araka izay avelan’ny toe-javatra hitranga.” Ny ampitson’io dia nanatanteraka ny fanafiana masina voalohany tamin’ny andiana lehilahy sivy i Joseph. (“Temple Endowment,” Church History Topics, ChurchofJesusChrist.org/study/church-history)

Sary
Magazay vita amin’ny biriky mena

Ity fombafomba fanafiana ity dia “nampianatra fahamarinana momba ny fisandratana. Niainga avy tamin’ireo fitantarana ao amin’ny soratra masina momba ny Fahariana sy ny Saha Edena izany … mba hitarihana ireo lehilahy amin’ireo dingana tsirairay ao amin’ny drafitry ny famonjena. Toa an’i Abrahama sy ireo mpaminany hafa fahiny, dia nahazo fahalalana izay ahafahany miverina eo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo. Tao anatin’izany dia nanao fanekena ireo lehilahy mba hiaina araka ny fahamarinana, sy hanana fitondrantena madio ary hanokana ny tenan’izy ireo amin’ny fanompoana ny Tompo” (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 453).

Tamin’ny [na talohan’ny] 28 Septambra 1843 dia i Emma Smith no vehivavy voalohany nandray ny fanafiana masina. Ny fampanantenana nataon’i Joseph fa ny mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia hahita “ny fitahian’ny fahazoana ny fanafiana masina hitohy” dia voamarina rehefa nanomboka nanampy nanatanteraka ilay ôrdônansy tamin’ny vehivavy hafa i Emma. (Jill Mulvay Derr sy ireo others, eds., The First Fifty Years of Relief Society: Key Documents in Latter-day Saint Women’s History [2016], 10)

Sary
sary manan-tantaran’ny Tempolin’i Nauvoo

Na dia nanasa olona vitsivitsy fotsiny aza i Joseph tany am-boalohany mba handray anjara amin’ny fanafiana masina, dia tena niriany ny hanokatra ireo fombafomba any amin’ny tempoly ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mendrika rehetra. … Nanazava i Willard Richards hoe: “Tsy nisy zavatra nampahafantarina anay ankoatra izay hampahafantarina ny Olomasina rehetra amin’ny andro farany, ka raha vantany vao vonona ny handray izy ireo dia misy [tempoly] omanina ampahafantatra ireo.” (“Anointed Quorum (‘Holy Older’),” Church History Topics, ChurchofJesusChrist.org/study/church-history)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo avy amin’ny didiny mba hanamboaran’ny Olomasina tempoly? Nahoana ny Tompo no maniry ny hanafiana ny olony amin’ny fanafiana masina ao amin’ny tempoly?

Fizarana 3

Ahoana no fomba hitahiana ahy sy ireo olon-tiako amin’ny alalan’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly?

Tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 2019, ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanasa ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana mba hifankazatra amin’ireo loharanom-pitaovana hita ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org (jereo ny “Vonona hahazo ny zavatra rehetra ilaina,” Liahona, mey 2019, 103–4). Hianarantsika avy amin’io tranokala io izao manaraka izao momba ny fanafiana masina any amin’ny tempoly:

Ny andian-teny hoe fanafiana masina dia midika hoe “fanomezana”. Amin’izany sahan-kevitra izany, ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia fanomezana ara-bakiteny avy amin’ Andriamanitra izay hanolorany fitahiana masina eo aminao [amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy]. Ny fanafiana masina dia tsy azo raisina raha tsy amin’ny fombany sy ao amin’ny tempoliny masina ihany. Ny sasany amin’ireo fanomezana azonao amin’ny alalan’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia ahitana ny:

  1. Fahalalana lehibe kokoa momba ireo tanjon’ny Tompo sy ireo fampianarany.

  2. Hery hanaovana izay rehetra tian’ Andriamanitra hataontsika.

  3. Torohevitra sy fiarovana avy amin’ Andriamanitra rehefa manompo ny Tompo sy ny fianakaviantsika ary ny hafa isika.

  4. Fanantenana sy fampaherezana ary fiadanana mitombo.

  5. Fitahiana nampanantenaina ankehitriny sy mandrakizay. …

Miaraka amin’ireo ôrdônansy ireo, dia asaina ianao hanao fanekempihavanana manokana amin’ Andriamanitra. Tafiditra ao amin’ireo fanekempihavanana ireo:

  • Ny lalàn’ny fankatoavana

  • Ny lalàn’ny fahafoizana

  • Ny lalàn’ny filazantsara

  • Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

  • Ny lalàn’ny fanokanana

Ho setrin’izany, Andriamanitra dia mampanantena fitahiana mahatalanjona amin’ity fiainana ity ary fahafahana hiverina hiaina hiaraka Aminy mandrakizay. (“About the Temple Endowment,” temples.ChurchofJesusChrist.org)

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson mikasika ny lanja ara-panahin’ny fanafiana masina:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana. Noho izany dia mora takatra tokoa izy raha amin’ny alalan’ny fanambarana ary tokony hokatsahina amin’ny alalan’ny fo madio. Nanazava ny Filoha Brigham Young fa “ny fanafiana masina dia ny fandraisanao ireo ôrdônansy rehetra ireo ao amin’ny tranon’ny Tompo izay ilainao aorian’ny fandaozanao ity fiainana ity mba hahafahanao handeha hiverina eo anatrehan’ny Ray sy handalo ireo anjely izay mijoro ho mpiambina, … ary hahazo ilay fisandratanao mandrakizay” [Discourses of Brigham Young, nofantenan’i John A. Widtsoe (1954), 416]. (Russell M. Nelson, “Miomana handray ireo fitahian’ny Tempoly,” Liahona, ôkt. 2010, 47.)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Inona no torohevitra omena ny olona mba hataony hiomanany handray ny fanafiana masina? Nahoana no zava-dehibe aminao manokana ny tempoly sy ireo ôrdônansy atao ao? Soraty ao anatin’ny diarinao na eo amin’ny faritra malalaka etsy ambany ireo eritreritrao.