Institiota
Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fanavotana ny maty


“Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fanavotana ny maty,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fanavotana ny Maty

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa isan’ireo andraikitra lehibe indrindra nomen’ Andriamanitra ny Olomasin’ny Andro Farany ny mitondra fanampiana amin’ny fanavotana ny maty (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 475). Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hizara ny antony maha ampahany tena manan-danja ny fanavotana ny maty ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra sy hampitombo ny fanirian’izy ireo handray anjara feno kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny fanompoana any amin’ny tempoly.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nanambara ny fotopampianaran’ny fanavotana ny maty tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo.

Asehoy ity sary miaraka amin’ny lesona ity dia hazavao fa maneho an’i Alvin Smith mibaby an’i Joseph zandriny lahy izany, taorian’ny nandidina ny tongotr’i Joseph. Asao ny mpianatra hitantara avy amin’ny fanomanan’izy ireo ny fotoam-pianarana ny zavatra fantany momba ny zavatra tsapan’i Joseph momba an’i Alvin rahalahiny sy ny zavatra nitranga tamin’i Alvin.

Sary
I Alvin Smith mibaby an’i Joseph Smith kely
  • Inona no tian’ny mpitandrina presbyteriana iray nambara tamin’ny fianakaviana Smith tamin’ny fandevenana an’i Alvin?

  • Inona no mety ho tsapanao rehefa nandre ireo teny ireo raha isan’ny fianakavian’i Joseph ianao?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny tenin’ilay mpitandrina dia ahitana taratra ilay finoana, araka izay ampianarina ao amin’ny Testamenta Vaovao, fa tena ilaina ho an’ny famonjena ny batisa (jereo ny Jaona 3:5). Angataho ny mpianatra hijery ny fahitana hitan’i Joseph Smith tamin’ny 1836 momba ny fanjakana selestialy araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1, 5–8, dia tadiavo ny zavatra nianaran’i Joseph Smith momba an’i Alvin rahalahiny. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany.

  • Inona no fahamarinana momba ny drafitry ny famonjena izay averin’io fanambarana io amin’ny laoniny na hazavainy? Inona araka ny hevitrao no eritreritra sy fahatsapana mety ho nananan’i Joseph rehefa nahalala ireo fahamarinana ireo izy?

Hazavao fa efa-taona sy tapany taorian’ny nahitany an’i Alvin tao amin’ny fanjakana selestialy dia nampianatra ny Olomasina tao Nauvoo i Joseph momba ny fomba ahafahan’ny olona iray tahaka an’i Alvin izay tsy vita batisa teto amin’ity fiainana ity ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Nampahafantatra ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty ny Mpaminany nandritra ny lahateny tamin’ny fotoam-pandevenana iray tamin’ny 15 aogositra 1840 (jereo ny Church History Topics, “Baptism for the Dead,” ChurchofJesusChrist.org).

Asao ny mpianatra hiara-hamaky tsiroaroa na ao anatina vondrona kely an’ilay ampahan-dahatsoratra avy amin’ny taratasin’i Vilate Kimball izay hita ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Dia asehoy eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto (izay hita ihany koa ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana), ary asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba izany:

  • Inona no mahatonga ny fanavotana ny maty ho “fotopampianarana be voninahitra” toy izany?

  • Inona no azon’io fotopampianarana io ampianarina ny olona iray momba ny toetra sy ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15. Asao ny mpianatra rehetra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny antony maha tena manan-danja amintsika ny fandraisana anjara amin’ny asa fanavotana ny maty.

  • Araka io andininy io dia nahoana no ilaina ny hanatanterahantsika ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ny maty? (Mety hahita fahamarinana vitsivitsy ny mpianatra, anisan’izany ity manaraka ity: Raha tsy misy ireo ôrdônansin’ny famonjen’ny filazantsara dia tsy afaka mandroso mankany amin’ny fisandratana ireo razambentsika efa nodimandry kanefa tsy nahalala ny filazantsara.) Tena ilaina ho an’ny famonjena antsika ny famonjena ireo razambentsika efa maty.)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no “ilaina sady zava-dehibe” ho an’ny famonjena antsika manokana ny famonjena ireo razambentsika?

Asehoy mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonareo ity teny manaraka izay nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Raha toa ka manana hery hitahiana ireo izay any ambadiky ny voaly ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, dia manana hery mitovy mba hitahiana ny velona koa izany. Izany dia mitondra fiantraikany tena tsara eo amin’ireo izay manolo-tena hanao izany. Manampy marina amin’ny fanatanterahana ny fisandratan’ny fianakaviany izy ireo.

Misandratra isika rehefa afaka miara-miaina amin’ny fianakaviambentsika eo anatrehan’ Andriamanitra Tsitoha. (Russell M. Nelson, “Taranaka mifandray amin’ny alalan’ny fitiavana,” Liahona, mey 2010, 93–94; nampiana sora-mandry).

Nahita fahitana momba ny fanavotana ny maty i Joseph F. Smith.

Hazavao fa na dia taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith aza dia mbola nanohy nanambara fahamarinana “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:12) momba ny drafiny mba hanavotana ny maty ny Tompo. Tamin’ny taona 1918 dia nahazo fahitana momba ny fanavotana ny maty ny Filoha Joseph F. Smith.

  • Inona no zavatra niainan’ny Filoha Joseph F. Smith sy ny trangan-javatra teto amin’izao tontolo izao ka nahatonga io fahitana io ho nitontona tsara tamin’ny fotoana naha-nety izany? (Amporisiho ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany avy ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandritra ny fotoana nisaintsainan’ny Filoha Smith ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fampianaran’ny Apôstôly Petera momba ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny tontolon’ny fanahy no nahazoany ilay fahitany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11). Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:28–34 ka hitady ny zavatra nataon’ny Mpamonjy nandritra ny fitsidihana fohy nataony tao amin’ny tontolon’ny fanahy sy ny fiantraikan’izany.

  • Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana ao amin’io soratra masina io antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany?

Antitrantero ilay andian-teny hoe “batisa isoloana tena” (andininy 33). Hazavao fa ny hoe isoloana tena dia midika hoe misolo toerana olona iray.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson izay hita ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Angataho ny mpianatra hitady ny zavatra nampianarin’ny Loholona Christofferson momba ny asa famonjena isoloana tena izay tanterahintsika ao amin’ny tempoly ho an’ireo fianakaviana efa nodimandry.

  • Ahoana no hamintinanao fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Loholona Christofferson? (Mety hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika rehefa mandray anjara amin’ny asa hoentina manampy amin’ny fanavotana ireo fianakaviantsika efa nodimandry.)

  • Nahoana ny fandraisana anjara amin’ny asa fanavotana ireo havantsika nodimandry no fanehoana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

  • Ahoana no hanampian’ny fandraisana anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny fanompoana any amin’ny tempoly antsika mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa?

Mampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay manampy amin’ny fanavotana ny maty ireo mpaminanin’ny Tompo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika tsy feno ity: Rehefa mandray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny fanompoana ao amin’ny tempoly aho …

Asehoy ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly izay noresahan’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny lahateniny hoe “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana” (Liahona, mey 2018).”   Hevero ny hanoratra ireo fitahiana hitan’ny mpianatra eo ambanin’ilay fehezan-teny eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona no fitahiana nampanantenaina izay manan-danja indrindra aminao, dia nahoana?

  • Ahoana avy ireo fomba nandraisanao sy ny fianakavianao anjara tamin’ny tantaram-pianakaviana sy ny fanompoana any amin’ny tempoly? Inona avy ireo fitahiana azonareo noho ny fanaovana izany?

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hieritreritra olona iray azon’izy ireo angatahana mba hanoro azy ireo amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Raha misy mpianatra efa havanana amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana dia asao izy ireo hanoro olona hafa ao an-dakilasy. Raha ampy ny fotoana dia azonao atao koa ny mampiseho ny mpianatra ny tranonkalan’ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/family-history ary amporisiho izy ireo hikaroka hevitra fanampiny ao amin’io tranonkala io mikasika ny fomba ahafahana mandray anjara bebe kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Araho ireo bitsiky ny Fanahy. Raha ianarana ny fotopampianaran’ny filazantsara sy ny fitsipiky ny filazantsara iray kanefa tsy ampiharina dia tsy feno ilay fianarana. Mampihatra ny fianarana ny filazantsara isika rehefa manaiky fahamarinana iray ao am-pontsika ary avy eo manao zavatra mifanaraka amin’io fahamarinana io. Asao ny mpianatra hanaraka ny bitsiky ny Fanahy izay voarainy mba hampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara izay ianaran’izy ireo.

Zarao ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson ity:

Manasa anareo aho mba hieritreritra ombam-bavaka ny karazana fahafoizan-tena, tsara kokoa raha fahafoizana fotoana, azonareo atao mba hanaovana tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly bebe kokoa amin’ity taona ity. (Russell M. Nelson, RootsTech Family Discovery Day—Opening Session 2017, ChurchofJesusChrist.org)

Farano amin’ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina ombam-bavaka ary avy eo dia hanoratra ny fahafoizan-tena manokana handeha hataon’izy ireo na ireo dingana manokana handeha hataon’izy ireo mba handraisana anjara bebe kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny fanompoana any amin’ny tempoly.

Ho an’ny lesona manaraka

Manehoa sarina tempoly iray. Hazavao fa efa hatramin’ny taloha ny Tompo no nandidy ny olony hanorina tempoly. Nampianatra ireo mpaminanin’ny andro farany fa ny fitahiana lehibe indrindra avy amin’ny filazantsara dia raisina ao amin’ireo tempolin’ny Tompo. Asao ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka ary ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hifanakalo hevitra momba ny fomba hitahian’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ny fitsaohana any amin’ny tempoly.