Institiota
Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fiangonana tany Andrefana


“Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fiangonana tany Andrefana” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokinʼny Mpampianatra (2019)

“Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny Fiangonana tany Andrefana

Ny fanorenana ny Fiangonana tany andrefan’i Etazonia dia tantaram-pinoana tena mahavariana. Ity lesona ity dia manome fahafahana ny mpianatra hianatra lesona avy amin’ireo Olomasina mahatoky izay niorim-paka teo amin’i Jesoa Kristy ary nanokana ny fiainan’izy ireo ho amin’ny fananganana ny fanjakany. Izany ihany koa dia hanampy azy ireo hahatakatra tsaratsara kokoa ny tranga iray mampalahelo teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana nandritra io vanim-potoana io izay nahitana fialana mampidi-doza tamin’ny fampianaran’ny filazantsaran’ny Mpamonjy: dia ny Fandripahana tany Mountain Meadows izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nanohy ny fanorenana ny fanjakan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny finoana sy ny fahafoizan-tena ny Olomasina.

Asehoy ilay sarina temitra ao amin’ny bokin’ny mpianatra, na mitondrà anankiray avy aminao. Alaivo antoka ny hahatakaran’ny mpianatra fa ny temitra dia vita avy amin’ny fanenomana kofehy marobe amin’ny fomba mirenty sy tena sarotra mba hahazoana sary na endrika tsara tarehy.

Sary
temitra maneho mpaminany sy tempoly

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny nambara manaraka avy amin’ny Loholona Steven E. Snow ao amin’ny Fitopololahy ity, izay Mpahay tantara sy Mpirakitra tantara an’ny Fiangonana teo aloha.

Sary
Steven E. Snow

Raha eritreretina ho toy ny bodofotsy na temitra ny tantaran’ny Fiangonana dia izany no zavatra feno zava-tsoa sy tsara tarehy indrindra nodinihako hatramin’izay. Raha dinihanao akaiky kely izany dia hahita kofehy miavaka ao amin’izany bodofotsy na temitra tsara tarehy izany ianao, ary raha mitsipona azy ireo ianao ka mifantoka amin’ireo kofehy ireo dia tsy hahita ny hafatra mahafinaritra ampiatain’ny tantarantsika ianao. Fa raha mihemotra kosa ianao ka mijery ny bodofotsy na temitra iray manontolo dia tsara tarehy ilay izy. (Steven E. Snow, “Start with Faith: A Conversation with Elder Steven E. Snow,” Religious Educator, no. 3 [2013], 11)

Hazavao fa hatrany am-boalohandohan’ny tantaran’ny Fiangonana tany Andrefana dia nisy tantara an’arivony momba ana Olomasina mahatoky, ka ny ezaka nataon’izy ireo hanarahana an’i Jesoa Kristy sy hananganana ny Fiangonan’ny Tompo dia niteraka temitry ny finoana.

Fantaro hoe iza avy ireo mpianatra namaky ireo tantara ao amin’ny fizarana 1 tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Ho an’ny tantara tsirairay dia asao ny mpianatra hanao izao zavatra manaraka izao:

  1. Mamintina ilay tantara novakiany.

  2. Manazava ny fomba nanehoan’ny Olomasin’ny Andro Farany na ny Olomasina ao amin’ilay tantara ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

  3. Mizara lesona na fitsipika nianarany avy amin’ilay tantara.

Mamela ny mpianatra hafa izay namaky ny tantara mitovy amin’izay novakiany hanampy ny fahatakarany mialoha ny firesahana momba ny tantara manaraka.

Nikasa sy nanatanteraka ny Fandripahana tao Mountain Meadows ireo Olomasin’ny Andro Farany sasany

Asehoy ilay sary ao amin’ny boky ary hazavao amin’ny mpianatra fa izy io dia sarin’ny tsangambato fahatsiarovana naorin’ny Fiangonana tao Utah atsimo ao amin’ny toerana misy ny fasana nitrangan’ny Fandripahana tany Mountain Meadows. Hazavao fa ny loza nitranga tao Mountain Meadows dia mampalahelo fa kofehy ratsy miavaka iray teo amin’ny tantaran’ny Olomasina.

Sary
Tsangambaton’i Mountain Meadows

Anontanio ny mpianatra izay nianarany avy tamin’ny zavatra novakiany mikasika ny Fandripahana tany Mountain Meadows. Alaivo antoka ny hahatakaran’ny mpianatra fa tamin’ny 11 septambra 1857 dia milisy tao an-toerana miisa 50 hatramin’ny 60 teo ho eo tany atsimon’i Utah, nampian’ireo Indiana Amerikana mpiara-dia tamin’izy ireo, no nanao famonoana mahatsiravina tamin’ireo mpifindra monina miisa 120 izay nandeha sarety ho any Californie. Ankizy miisa 17 ihany no tafavoaka velona.

  • Inona avy ireo tranga sy safidy sasantsasany izay nitarika tamin’ilay loza mahatsiravina tao Mountain Meadows? (Raha ilaina izany dia omeo minitra vitsy ny mpianatra hamerenana ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Hevero ny hangataka ny mpianatra hizara fitsipika sy fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina izay mety ho nanampy ireo mpiorim-ponenana ireo hanao safidy hafa. (Ny ohatra ny amin’izany dia mety ahitana ny Ohabolana 28:13; 3 Nefia 12:24–25, 43–44; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11.)

  • Inona avy ny sasany amin’ireo lesona izay azontsika ianarana avy amin’ilay tranga mahatsiravin’ny Fandripahana tany Mountain Meadows (Hevero ny hanoratra eo amin’ny solaitrabe ny valin-teny omen’ireo mpianatra.)

Mety hanome iray na roa minitra ny mpianatra ianao hanoratan’izy ireo na hizarany ny fomba hisorohana ny alahelo tsy ilaina eo amin’ny fiainany manokana amin’ny alalan’ireo fitsipika ireo.

Hazavao fa noho ny maha-tompon’andraikitra an’ireo mpikambana sy mpitarika tao amin’ny Fiangonana sasany tao an-toerana tamin’ny fikasana sy fanatanterahana ny Fandripahana tany Mountain Meadows, dia mamela an’io zava-nitranga io hanaratsy ny fijeriny ny Fiangonana ny olona sasany.

  • Inona no holazainao ny olona iray izay manana eritreritra tsy dia tsara momba ny Fiangonana noho ilay Fandripahana tany Mountain Meadows? (Asao ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Asao ny mpianatra hamaky sy hamantatra fitsipika iray avy ao amin’ny Helamàna 5:12. Asehoy ity teny nambara manaraka ity. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy ary asaivo jeren’ny iray kilasy ny fomba hanehoan’izany ny fitsipika nampianarina tao amin’ny Helamàna 5:12.

I James Sanders dia mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary zafiafin’i Nancy Saphrona Huff, iray amin’ireo ankizy izay tafavoaka velona tamin’ilay fandripahana. Nizara ny toy izao mahakasika ilay fandripahana ny Rahalahy Sanders: “Mbola mahatsapa fanaintainana foana aho; mbola mahatsapana hatezerana sy alahelo foana fa nitranga ilay fandripahana. … Kanefa fantatro fa ny olona izay nanao izany dia ho tompon’andraikitra eo anoloan’ny Tompo, ary nitondra fiadanam-po ho ahy izany.” Nilaza ny Rahalahy Sanders fa “ny fahafantarany fa maty tao amin’ilay fandripahana ny razambeny dia -tsy nampiova ny finoany satria mifototra amin’i Jesoa Kristy izany, fa tsy amin’iza na amin’iza izay ao amin’ny Fiangonana-” (ao amin’ny Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, Sept. 2007, 21).

  • Amin’ny fomba ahoana no nanehoana ilay fitsipika ao amin’ny Helamàna 5:12 tamin’ny alalan’ny teny nambaran’i James Sanders? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Ny fanorenantsika ny finoantsika eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia afaka manampy antsika hijanona ho matanjaka na dia eo aza ny tsy fahalavorariana amin’ny maha-olombelona an’ireo mpikamban’ny Fiangonana.)

  • Afaka manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fanorenantsika ny finoantsika eo amin’i Jesoa Kristy rehefa mahita na mahare isika fa tsy miaina araka ny fampianaran’ny filazantsara ny mpikamban’ny Fiangonana?

  • Inona no zavatra ataonao izay manampy anao hanorina sy hihazona ny finoanao ifototra amin’i Jesoa Kristy?

Omeo fotoana hieritreretana sy hanoratana ny zavatra hataony mba hihazonana sy hampatanjahana ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny mpianatra.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-manan-danja ny miaina ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ny fampifotorana ny finoantsika Aminy sy amin’ny filazantsarany, na dia eo aza ny tsy fahalavorariana amin’ny maha-olombelona an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa manao izany isika dia afaka mampandroso ny fanjakan’i Kristy tahaka ny nataon’ireo Olomasina mpamaky lay mahatoky.

Ho an’ny lesona manaraka

Anontanio ny mpianatra raha toa ka efa nisy nanontany izy ireo hoe nahoana ny Fiangonana no nisy fotoana tsy nanome ny fahefan’ny fisoronana sy ôrdônansin’ny tempoly sasany an’ireo mpikambana taranaka Afrikana mainty hoditra. Hazavao fa ho fanomanana ny fotoam-pianarana manaraka dia hanana fahafahana hianatra momba an’io lohahevitra io sy ny fanambarana mifandraika aminy ao amin’ny Filazana Ôfisialy 2 izay efa nandrandrain’ireo mpaminany nandritra ny taona maro ny mpianatra. Asao ny mpianatra hivonona hifanakalo hevitra momba izay nianarany sy izay mety ho fanontaniana ananany mikasika an’io lohahevitra io.