Institiota
Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ôrdônansy sy fitsaohana any amin’ny tempoly


“Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ôrdônansy sy fitsaohana any amin’ny tempoly,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ôrdônansy sy fitsaohana any amin’ny tempoly

Rehefa naorina ny Tempolin’i Nauvoo dia nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy voalamina tanteraka ny Fiangonana … mandra-pahavitan’ny Tempoly” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007],416). Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hampiorim-paka ny fahatakaran’ny mpianatra ny maha-zava-dehibe ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly sy hanasana azy ireo hanatsara ny fanatrehan’izy ireo (araka izay avelan’ny toe-java-misy) sy ny kalitaon’ny fitsaohan’izy ireo any amin’ny tempoly.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny Tompo dia namerina tamin’ny laoniny ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny tempoly tamin’ny alalan’i Joseph Smith.

Asehoy ny sarin’ny tempoly iray izay ho fantatry ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy izay nankafy ny fitsaohana tao amin’ny tempoly mba hizara ny fahatsapan’izy ireo rehefa niditra ny tranon’ny Tompo izy ireo. Azonao atao koa ny manontany ny fahatsapan’izy ireo rehefa nivoaka ny tempoly izy ireo.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Mametraha fanontaniana izay mitaona any amin’ny fampiharana Asao ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana izay mitaona any amin’ny fampiharana. Ireny karazana fanontaniana ireny dia mitana anjara toerana manan-danja amin’ny fanampiana ireo mpianatra sady hahita fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny toe-javatra iainany ankehitriny no hitady fomba ahafahany mampihatra azy ireo any amin’ny fiainany ho avy ihany koa (jereo ny Fampianarana sy fianarana ny filazantsara [2012], 5.1.4).

Hazavao fa nahazo didy mba hanorina tempoly ny Mpaminany Joseph Smith taorian’ny nitoeran’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois. Tahaka ny tempoly tao Kirtland, dia nitaky fahafoizana lehibe avy tamin’ireo Olomasina ity asa ity. Rehefa naorina ny Tempolin’i Nauvoo dia nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy voalamina tanteraka ny Fiangonana … mandra-pahavitan’ny Tempoly” (Teachings: Joseph Smith, 416).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy feno ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy raha tsy misy tempoly? (Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hizara ny sasany amin’izay nianarany avy amin’ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Hazavao fa tao amin’ny fanambarana iray izay nandidy ny Olomasina mba hanorina ny Tempolin’i Nauvoo, dia nambaran’ny Tompo ny antony hahatonga ny tempoly ho zava-dehibe ho an’ny Olomasina. Nohazavainy fa ireo fanasana, ireo fanosorana, ireo batisa ho an’ny maty ary ireo ôrdônansy hafa dia atao ao amin’ny tranony masina. Asao ny mpianatra handany minitra vitsivitsy handalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:31, 34, 40–41, 55, ka hitady ny fomba nampanantenain’ny Tompo hitahiany ny olony ao amin’ny tempoly.

Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra dia asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ny fahamarinana iray izay mitovy amin’ity manaraka ity: Ao amin’ny tempoly, ny Tompo dia mitahy antsika amin’ireo ôrdônansy tena ilaina mba hahazoantsika satroboninahitra arahin’ny voninahitra, ny tsy fahafatesana, ary ny fiainana mandrakizay.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao no hanomanan’ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly antsika hahazo voninahitra, tsy fahafatesana, ary fiainana mandrakizay?

Sary
Magazay biriky mena

Asehoy ny sarin’ilay magazay biriky mena an’i Joseph tany Nauvoo, ary angataho ireo mpianatra hanazava ny zavatra fantany momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fombafomba amin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra hamerina mijery ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana raha ilaina.

  • Inona no nianaranao momba ireo fitahiana avy amin’ny fanafiana masina avy ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana?

Rehefa mifanakalo hevitra momba ny fanafiana masina ianareo dia azonao atao ny mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana voatanisa eto ambany ireto. Hazavao fa ny Loholona Bednar dia nampianatra fa rehefa miresaka momba ny tempoly isika dia tsy tokony “haboratsika na ampahafantarintsika ireo famantarana manokana mifanaraka amin’ireo fanekempihavanana raisintsika mandritra ireo fombafomba masina ataontsika any amin’ny tempoly,” saingy afaka mifanakalo hevitra momba ireo tanjona sy ny fotopampianarana fototra mifandray amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana any amin’ny tempoly isika” (“Miomana hahazo ny zavatra rehetra ilaina,” Liahona, mey 2019, 103).

  • Inona no tafiditra ao amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fanafiana masina? (Jereo ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

  • Inona no ifandraisan’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana?

  • Rehefa nandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ianao dia inona no nianaranao momba ireo fanekempihavanana ataontsika mandritra ny fombafomba atao amin’ny fanafiana masina?

  • Nahoana araka ny hevitrao no irin’ny Tompo ny hanafiana ny olony amin’ny fanafiana masina ao amin’ny tempoly?

Omeo iray na roa minitra ny mpianatra hizarana amin’ny mpianatra iray hafa izay mipetraka eo akaikiny ny eritreriny momba ireto fanontaniana manaraka ireto izay hita any amin’ny fiafaran’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana:

  • Inona no torohevitra omena ny olona mba hataony hiomanany handray ny fanafiana masina? Nahoana no zava-dehibe aminao manokana ny tempoly sy ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly?

Ny fitsaohana any amin’ny tempoly dia manasa ny hery sy ireo fitahian’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika.

Sary
Tempolin’i Kirtland

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Tempolin’i Kirtland no tempoly voalohany naorina tamin’ity fotoampitantanana misy antsika ity. Ny tanjon’izany dia tsy nitovy tamin’ny an’ireo tempoly taty aoriana: izany dia nanome toerana iray hamerenan’ny Tompo indray ny fahalalana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana ho an’ny fitsaohana any amin’ny tempoly amin’ny hoavy. Nandritra ilay vavaka fanokanana io tempoly io, dia nangataka tamin’ny Tompo i Joseph Smith mba hanome fitahiana manokana ho an’ireo izay mitsaoka ao amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109: 13, 22–26 ary hitady ireo fitahiana azon’izy ireo raisina amin’ny alalan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly.

  • Araka ireo andininy ireo, inona avy ireo fitahiana azontsika raisina rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly isika? (Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra ary angataho izy ireo hanazava ny antony maha-zava-dehibe ireo fitahiana ireo amin’izy ireo. Azonao atao ny manampy ny mpianatra hamantatra fitsipika toy izao manaraka izao: Rehefa mitsaoka ao amin’ny tempolin’ny Tompo isika dia hampitafy antsika amin’ny heriny sy ny fiarovany Izy.)

Iaraho midinika amin’ny mpianatra ireo antony ilantsika ny hery sy fiarovan’ny Tompo antsika amin’izao androntsika izao. Asao ireo mpianatra izay nanontany ny olona iray tao amin’ny fianakaviany na ny namany ny fitahiana manokana izay tsapan’io olona io tamin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fitsaohana any amin’ny tempoly mba hizara izay nianarany (jereo ny fanasana any amin’ny faran’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Azonao atao koa ny manasa ireo mpianatra mba hijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana tsapan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitsaohan’izy ireo manokana tany amin’ny tempoly.

Asehoy ary vakio miaraka amin’ny mpianatra ity teny manaraka ity izay nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Miangavy anareo aho mba hijery ombam-bavaka ny fomba fandanianareo ny fotoanareo. … Raha tsy lavitra be ny tempoly ny misy anareo dia mamporisika anareo aho mba hanamboatra fotoana hihaonana matetika amin’ny Tompo, ho ao amin’ny tranony masina, ary hihazona izany fotoana izany tsy hiovaova ary am-pifaliana. Mampanantena anareo aho fa hitondra ireo fahagagana izay fantany fa ilainareo ny Tompo rehefa manolo-tena hanompo sy hitsaoka Azy any amin’ny Tempoly ianareo. Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 1140

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra lalina momba ny fanoloran-tenany amin’ny Tompo sy ny traikefany manokana amin’ny tempoly dia asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana izay mihatra amin’ny toe-javatra iainany ankehitriny. Omeo fotoana ampy hieritreretana ny mpianatra ary mety koa hoe hiraketany ny fahatsapana ananany.

  1. Moa ve misy zava-manelingelina na olana momba ny tsy fahamendrehana mihazona ahy tsy hankany amin’ny tempoly? Inona no tokony hataoko hanafoanana ireny sakana ireny?

  2. Inona no karazana fahafoizan-tena mety irin’ny Tompo hataoko mba hahazoako bebe kokoa amin’ireo fitahiana azo amin’ny alalan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly?

  3. Ahoana no fomba hanaovako ny fitsaohako any amin’ny tempoly ho manan-danja kokoa?

  4. Amin’ny fomba ahoana avy no mety irin’ny Tompo hanampiako ny hafa mba hiaina ireo fitahian’ny tempoly?

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa mandritra ny fotoam-pianarana manaraka dia hanana fotoana hiresahana momba ny ôrdônansin’ny tempoly manan-danja indrindra dia ny fanambadiana mandrakizay ny mpianatra. Amporisiho ny mpianatra hamaky tsara ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 21 ary handinika ny antony mahatonga ny fanambadiana sy ny fianakaviana ho tena ivon’ny drafitry ny fahasambarana an’ny Ray any An-danitra.