Institiota
Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fanambarana mikasika ny Fisoronana


“Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fanambarana mikasika ny Fisoronana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fanambarana mikasika ny Fisoronana

Tamin’ny 1 jona 1978 dia nahazo fanambarana avy tamin’ny Tompo ny Filoha Spencer W. Kimball izay nanala ny famerana amin’ny fanendrena ho amin’ny fisoronana sy amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany taranaka Afrikana. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hanazava ny toe-javatra nisy sy ireo fahamarinana mifandraika amin’io fanambarana io, hanao zavatra amim-pinoana rehefa miatrika fanontaniana na toe-javatra sarotra izy ireo, ary hahazo fahatakarana bebe kokoa fa Andriamanitra dia mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ireo mpaminaniny velona.

Sosokevitra enti-mampianatra

Afaka mamaly ireo fanontaniana momba ny famerana ny fihazonana ny fisoronana sy ny fidirana ao amin’ny tempoly amin’ny fomba fijery feno finoana isika.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Afaka manamafy orina ny finoana ny tantara. “Afaka manampy amin’ny fanorenana ny finoan’ny mpianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny tantara. Miteraka fahalianana izy ireo ary manampy ireo mpianatra hahatakatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny fihainoana na famakiana zavatra niainan’olona fa tsy niainan’ny mpianatra mivantana. Fomba mahomby manokana koa ny tantara eo amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay hita ao amin’ny andian-tsoratra masina iray. Amin’ny alalan’ny fampisehoana ny fitsipiky ny filazantsara iray ao anatin’ny toe-javatra iainana amin’izao fotoana izao, ho fanampin’ny hevitra manodidina ny soratra masina, dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ifandraisan’ny fitsipiky ny filazantsara iray amin’ny fiainany ny tantara, ary koa manampy azy ireo hanana faniriana hampihatra izany” (Gospel Teaching and Learning Handbook [2012], 5.5).

Asehoy ity sarin’ny Rahalahy George Rickford manaraka ity:

Sary
Rahalahy George Rickford

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka momba ny lehilahy iray nantsoina hoe George Rickford ity:

Nifanena tamin’ny misiôneran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i George Rickford tamin’ny 1969. Tsy nanaiky ny hafatr’izy ireo i George tamin’ny voalohany, saingy nanomboka nihaona tamin’ny misiônera izy nony farany. Taorian’ny telo volana nanaovana famotorana lalina, dia nifoha i George indray maraina niaraka tamin’ny faharesen-dahatra fa marina ny Fiangonana.

Vonona ny hizara ny fijoroany ho vavolombelona vaovao vao azony tamin’ireo elders i George, saingy talohan’ny nahafahany nanao izany dia nampahafantarin’izy ireo azy fa tsy afaka hahazo ny fisoronana izy raha toa ka hiditra ao amin’ny Fiangonana noho ny firazanany mifangaro, izay ahitana ireo razambe Afrikana mainty fihodirana.

Vala-ketraka tamin’ilay vaovao i George. Notantarainy hoe: “Nanana fihetsika feno fankahalana aho. Lasa feno hatezerana aho ary rehefa avy nanao adihevitra be dia be dia noroasiko izy ireo. … Nanaovako teny mafy momba ny fanavakavahana sy ny fanavakavaham-bolonkoditra ary ireo karazana teny rehetra toy izany izy ireo.”

Raha vantany vao lasa ireo misiônera, dia nitomany i George. (Jereo ny Elizabeth Maki, “I Will Take It In Faith,” history.ChurchofJesusChrist.org.)

Angataho ny mpianatra mba hijery ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Anontanio azy ireo izao fanontaniana manaraka izao, ka avelao izy ireo handinika mandritra ny fotoana fohy ny fomba hamalian’izy ireo izany:

  • Raha misy olona manontany anao ny antony nahatonga ny famerana amin’ny fihazonana ny fisoronana sy ny fidirana ny tempoly dia inona no hevi-dehibe tianao horesahina? (Hevero ny hanoratra eo amin’ny solaitrabe ny valin-teny omen’ireo mpianatra.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana mety hananany momba ny famerana amin’ny fihazonana ny fisoronana sy ny fidirana ny tempoly. Amporisiho izy ireo hitadidy ireo fanontaniana ireo mandritra ny lesona ary handinika tsara ny fifanakalozan-kevitra sy ny fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina izay mety hanampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo.

Asehoy ity teny manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Ankehitriny dia mandà ireo fomba fijery naroso tany aloha tany ny Fiangonana, fa ny hoditra mainty dia famantarana ny tsy fankasitrahan’ Andriamanitra na ozona avy Aminy, fa fahotana ny fanambadian’ny samy hafa firazanana; na, fa ny mainty hoditra na ny olona izay avy amin’ny firazanana na foko iray hafa dia ambany kokoa, na amin’inona na amin’inona. Manameloka mazava tsara ny fanavakavahana rehetra, na taloha na ankehitriny, na amin’ny endriny manao ahoana na amin’ny endriny manao ahoana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. (“Race and the Priesthood,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny miala amin’ny faminavinana momba ireo antony nomena teo aloha mikasika ny nahatonga ny famerana amin’ny fihazonana ny fisoronana sy ny fidirana ny tempoly?

Asao ireo mpianatra hitantara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny toe-javatra izay nitarika ilay fanambarana avy amin’ny Tompo izay nanaisotra ny famerana amin’ny fihazonana ny fisoronana sy fidirana ny tempoly.

Hazavao fa ny Filazana Ôfisialy 2 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana ny filazana ôfisialy ny fanambarana izay noraisin’ny Filoha Spencer W. Kimball sy nekena ary nankatoavin’ny mpanolotsaina azy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny jona 1978.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny andiam-pehezan-teny roa voalohany amin’ny Filazana Ôfisialy 2 eo ambanin’ny teny hoe “Ry rahalahy malala.” Asao izy ireo hitady ny zavatra nolazain’ireo mpitarika ny Fiangonana fa efa natrehin’izy ireo maso sy hanao tatitra ny zavatra hitany.

Manaraka izany dia asao ireo mpianatra hitantara ny tantaran’ny Rahalahy Billy Johnson sy ny vondrona mpiangona ao Ghana avy amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Ahoana no nanehoan’ireo olona ireo “ny fahatokian’ireo izay tsy nomena ny fisoronana”?

Angataho ny mpianatra iray hamaky bebe kokoa amin’ny tantaran’i George Rickford, ary asao ny iray kilasy hihaino ny fomba nisafidianan’i George ny hanao asa amim-pinoana taorian’ny nahalalany ny famerana amin’ny fihazonana ny fisoronana:

Indray andro dia niresaka tamin’ny namana akaiky iray ny zavatra niainany niaraka tamin’ireo misiônera i George ka nanomboka nampianatra ny namany momba ny Mpaminany Joseph Smith. Nitantara izy hoe: “Raha nitantara an’izany tantara izany aho dia lasa nientanentana tsotra izao, dia nisy zavatra nandrakotra ka namirapiratra aho.”

Nanamafy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i George ilay zavatra niainany saingy mbola nijanona ny ahiahiny mikasika ny famerana amin’ny fihazonana ny fisoronana. Rehefa nivavaka mba hahazo fahatakarana bebe kokoa izy, dia tonga taminy ity hafatra ity: “Tsy mila mahatakatra ny zava-drehetra momba ny filazantsarako ianao alohan’ny hanoloranao tena amin’izany. Fa maninona ianao no tsy maneho ny finoanao amin’ny fanekena izay renao ary manolotra ny ambiny ho eo an-tanako?”

Nahazo fampiononana tamin’ilay hafatra i George ka namaly tamim-bavaka hoe: “Eny, Tompo, hataoko izany. Ho raisiko am-pinoana izany. Ary misaotra Anao, tena misaotra Anao.” Roa volana taty aoriana dia natao batisa i George ary lasa mpikamban’ny Fiangonana mahatoky.

Nanoratra i George tamin’ny 1975 (telo taona talohan’ilay fanambarana momba ny fisoronana) fa nanaiky ny fandrarana amin’ny fisoronana “amin’ny finoana, tsy misy ahiahy” izy ary naneho ny finoany fa, na inona na inona toe-javatra niainany tamin’izany, dia marina Andriamanitra. “Feno fankasitrahana fotsiny aho fa eto an-tany indray ny fisoronan’ny Tompo, miaraka amin’ny fitahiana sy fahefana ary andraikitra mifanaraka aminy rehetra. Tsy dia zava-dehibe amiko na iza na iza manana na tsy manana izany, fa ny fomba ampiasana izany no manan-danja kokoa.” (Tao amin’ny Maki, “I Will Take It in Faith,” history.ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i George Rickford izay afaka manampy antsika rehefa manana fanontaniana tsy voavaly momba ny filazantsara isika? (Rehefa avy mizara ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa manana fanontaniana tsy voavaly isika dia afaka mandroso amin’ny finoana sady miantehitra amin’ny fahazavana sy ny fahalalana nomen’ Andriamanitra antsika.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahamarinana lazaina amin’ny fomba hentitra manampy olona izay mety manana olana amin’ny finoany noho ny fanontaniana tsy voavaly momba ny filazantsara?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Ny finoana dia tsy mangataka velively ny hahazo valiny ho an’ny fanontaniana rehetra fa mikatsaka ny antoka sy ny herimpo mba hirosoana hatrany, sady manaiky indraindray hoe: “Tsy mahafantatra ny zavatra rehetra aho, saingy ampy ny zavatra fantatro mba hanohizako ny lalana maha-mpianatry ny Tompo.” (Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,Liahona, nôv. 2015, 65–68)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fahazavana sy ny fahalalana nomen’ Andriamanitra anao handroso amin’ny finoana rehefa niatrika ireo fanontaniana tsy voavaly ianao na toe-javatra tsy fantatra?

  • Ahoana no fomba hanampiantsika ny olona izay manana olana amin’ireo fanontaniana tsy voavaly mba handroso amin’ny finoana?

Omeo fotoana hisaintsainana ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ny fitsipiky ny fanaovana asa amim-pinoana eo amin’ny fiainany manokana ny mpianatra na hampiasana izany mba hanampiana ny olona izay fantany. Asao ny mpianatra hanoratra ny drafiny ao amin’ny diariny.)

Ny fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly dia atolotra ho an’ny olona mendrika rehetra ao amin’ny Fiangonana ankehitriny.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andiam-pehezan-teny fahatelo sy fahaefatra ao ambanin’ny hoe “Ry Rahalahy malala:” ao amin’ny Filazana Ôfisialy 2, izay manomboka amin’ny hoe “Efa nihaino ny fivavakay Izy.”

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andiam-pehezan-teny ireo mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ny Fiangonany? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny mpaminaniny ny Tompo.)

  • Oviana ianao no nahita ny Tompo nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny mpaminaniny teo amin’ny androm-piainanao?

Hazavao fa ny ampitson’ny nandraisana ny fanambarana momba ny fisoronana dia notendrena ho mpisorona tao amin’ny Fisoronana Aharôna i George Rickford ary nandray ny Fisoronana Melkizedeka izy taoriana kelin’izay. Tamin’ny ôktôbra 1978 dia nofehezina mba ho fianakaviana mandrakizay tao amin’ny Tempolin’i Londres Angletera i George sy i June vadiny, niaraka tamin’ny zanany efatra (jereo ny Maki, “I Will Take It in Faith,” history.ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona no fiantraikan’ilay fanambarana teo amin’ny Fiangonana sy ny mpikambana tao aminy ary ny olona eran’izao tontolo izao?

Asehoy ity teny manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Ho an’ny rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny Bokin’i Môrmôna dia milaza hoe: “na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; … ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra”(2 Nefia 26:33). Izany no fampianarana ôfisialin’ny Fiangonana. (“Race and the Church: All Are Alike Unto God,” Feb. 29, 2012, newsroom.ChurchofJesusChrist.org)

Mba hamaranana ny lesona dia asao ny mpianatra handinika (na hanao), miainga avy amin’ny zavatra nianarany androany, ny fomba mety hamaliany raha nanontaniana azy ireo ny antony tsy nanendren’ny Fiangonana ny lehilahy taranaka Afrikana mainty hoditra ho amin’ny fisoronana mandritra ny fotoana iray. Antitrantero fa mety kokoa ny manazava amin’ny hafa fa tsy fantatsika ny antony nanombohan’ny famerana amin’ny fihazonana ny fisoronana sy ny fidirana ny tempoly. Na izany aza dia afaka mizara sy mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana fantatsika isika, anisan’izany ireo noresahina androany.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao amin’ny mpianatra fa ho fiomanana amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia handalina izay ampianarin’ny mpaminany, na taloha na maoderina, momba ny hoavin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Amporisiho ny mpianatra ho tonga vonona hiresaka momba ny fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny asa famonjen’ny Tompo amin’ny andro farany.