Institiota
Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mampiorina ny foto-kevitr’i Ziona


“Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mampiorina ny foto-kevitr’i Ziona” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mampiorina ny foto-kevitr’i Ziona

Sary
sarivongan’ny anjely Môrônia

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa: “Tokony ho ny fananganantsika an’i Ziona no tanjontsika lehibe indrindra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 186). Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy anao hahatakatra ny atao hoe Ziona, sy ny antony ilantsika hanorenana an’i Ziona, ary izay azonao atao mba hanampiana ao amin’io ezaka io.

Fizarana 1

Inona no dikan’ny hoe mampiorina an’i Ziona?

Tamin’ny volana desambra 1830, raha nanao ny fandikana ny Baiboly i Joseph Smith, dia nambaran’ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin’ny Mosesy 7 ankehitriny, fa nanangana tanàna iray nantsoina hoe Ziona i Enoka tao amin’ny Testamenta Taloha.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Mosesy 7:18–21.

Sary
Tanànan’i Ziona novàna, nataon’i Del Parson

Jereo ilay horonan-tsary “Teachings of Joseph Smith: Preparing for Zion” (1:42), na halalino ity fanambarana nataon’i Joseph Smith eto ambany ity:

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

Ny fananganana an’i Ziona dia antony izay mahaliana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny taonany rehetra; … efa nandrandrain’izy ireo tamim-pifaliana tokoa ny vaninandro izay hiainantsika izao; ary niredareda ny fanantenan’ny lanitra sady faly, nihira izy ireo ary nanoratra sy naminany ity androntsika ity; … isika no olona niavaka nosafidian’ Andriamanitra hitondra ny voninahitry ny andro farany.

Na aiza na aiza ivondronan’ny Olomasina dia Ziona, izay haorin’ny lehilahy [sy vehivavy] olo-marina rehetra ho toerana fialofana ho an’ny zana[k’izy ireo]. …

… Ho avy haingana ny fotoana, izay tsy ahitan’ny olona fiadanana raha tsy ao amin’i Ziona sy ny tsatòkany. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 186)

Tao anatin’ny fanambarana iray ho an’ny Mpaminany Joseph Smith, ny Tompo dia nanambara fa i Ziona dia ilazana ny “madio am-po” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21).

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

I Ziona dia sady toerana no vahoaka. …

I Ziona dia Ziona noho ny toetra sy ny fahatokian’ireo mponina ao aminy. … Raha te-hanorina an’i Ziona isika ao an-tokantranontsika, any amin’ny sampantsika, ny paroasintsika sy ny tsatòkantsika dia … ho tena ilaina (1) ny ho tonga iray fò sy iray saina; (2) ny ho tonga vahoaka masina, na ny olona tsirairay na ny daholobe; ary (3) ny fikarakarana ireo mahantra sy sahirana amim-pahombiazana tsara mba hamongorana ny fahantrana eo anivontsika. Tsy afaka miandry ny fahatongavan’i Ziona isika vao hanatontosa ireo—tsy ho tonga i Ziona raha tsy mitranga ireo. …

Ho lasa iray fo sy iray saina isika rehefa mametraka ny Mpamonjy eo afovoan’ny fiainantsika tsirairay ary manaraka ireo izay notendreny hitarika antsika. (D. Todd Christofferson, “Avia aty Ziona,” Liahona, nôv. 2008, 37–38)

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny vahoaka manana toetra tahaka ny an’i Ziona dia jereo ny 4 Nefia 1:1–4, 15–18.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no ahafahan’ny fametrahana ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainako sy ny fanarahana ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana manampy ahy ho tonga tahaka ireo olona voalaza ao amin’ny Mosesy 7:18 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21?

Fizarana 2

Inona no nitranga tamin’ireo Olomasina tao Missouri izay niezaka nanorina an’i Ziona?

Herintaona taorian’ny niorenan’ny Fiangonana, dia notendren’ny Tompo ho “toerana afovoany” ao Ziona i Independence, Fivondronan’i Jackson, Missouri (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3) izay hiangonan’ny Olomasina sy hanorenany ny tanàna masin’i Ziona, izay antsoina koa hoe Jerosalema Vaovao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:64–66; 57:1–3).

Sary
Ny toerana misy ny tanànan’i Ziona

Ny sarin-tanin’ny tanànan’i Ziona dia nomanina teo ambany fitarihan’ny Mpaminany Joseph Smith ary nalefa tany amin’ireo Olomasina tany Missouri tamin’ny jona 1833, niaraka tamin’ny drafitry ny maritrano ho an’ny tempoly voalohany tao Ziona.

Teo ambany fitarihan’ny Mpaminany dia nanandrana nanangana ny tanànan’i Ziona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny mpikambana tany am-piandohana saingy nananosarotra ho azy ireo ny fikolokoloana fifandraisana tsara tamin’ny olom-pirenena tany. Ny tsy fitovian-kevitra momba ireo olana momba ny fivavahana, ny fanandevozana, ny pôlitika, ary ny fitomboan’ny vahoaka Olomasina no nanosika ny olom-pirenena maro hafa tao amin’ny Fivondronan’i Jackson hangataka ny fandroahana ireo Olomasina hiala tao amin’io fivondronana io.

Tamin’ny 20 jolay 1833 dia nifanehatra tamin’ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana teo an-toerana ny andian’olona iray tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ary nangataka ny hanidian’ny Olomasina ny birao fanontam-pirinty sy fivarotan’izy ireo ary hiala ao amin’ilay fivondronana. Nolavin’ireo mpitarika ny Fiangonana izany, ka nanimba ny biraon’ny fanontana an’ny Fiangonana ilay andian’olona mpihetraketraka ary nanisy tara sy volom-borona tamin’ny Eveka Edward Partridge sy i Charles Allen izay mpikamban’ny Fiangonana. Telo andro taty aoriana dia nanao fandrahonana hanao herisetra bebe kokoa ilay andian’olona. Noho ny faneriterena dia nanaiky ny handao ilay fivondronana ny lohataona manaraka ireo mpitarika ny Fiangonana teo an-toerana. Na izany aza, rehefa nanapa-kevitra ny hijanona sy hiady ho an’ny zon’izy ireo ireo mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana taty aoriana, tamin’ny fararano 1833, dia nitohy ny herisetra nataon’ny andian’olona mpihetraketraka.

Nitantara i Parley P. Pratt hoe:

Nisy andiana jiolahim-boto nanerana ilay fivondronana tamin’ny lafiny rehetra; nirohotra tao anaty trano tsy nisy tahotra, … nampatahotra ny vehivavy sy ny ankizy, ary nandrahona ny hamono azy ireo raha tsy nandositra avy hatrany izy ireo. …

… Nandositra tamin’ny lafiny rehetra ny vehivavy sy ny ankizy. Nisy andiany iray tokony ho dimampolo amby zato eo ho eo nandositra tany an-tsaha, izay nivezivezeny nandritra ny andro maromaro, saika tsy nisy sakafo; ary tsy nisy afa-tsy ny [lanitra] midadasika ihany no ho fialofan’izy ireo. Nisy andiany hafa nandositra nankany amin’ny Reniranon’i Missouri. Nandritra ny fiparitahan’ny vehivavy sy ny ankizy dia nisy andiany nihaza ny lehilahy, nitifitra ny sasany, namatotra sy nikapoka ny hafa, ary nisy ny nanenjika azy ireo an-kilaometatra maromaro. …

Ny moron’ [ny reniranon’i Missouri] dia nanomboka nahitana lehilahy, vehivavy sy ankizy; entana, sarety, boaty, vatsy, sns nitandahatra teo amin’ny andaniny roan’ilay baka, raha toa kosa ilay baka ka nampiasaina tsy tapaka. Olona an-jatony no hita teny rehetra teny, ny sasany tao anaty lay ary ny sasany teny ankalamanjana nanodidina ny afony, rehefa nirotsaka mafy iny ny orana. Nitady ny vadiny ny lehilahy, nitady ny vadiny ny vehivavy, nitady ny zanany ny ray aman-dreny ary nitady ny ray aman-dreniny ny zanaka. Ny sasany dia nanana vintana tsara afaka nandositra niaraka tamin’ny fianakaviany, ny fananany, ary ny vatsy sasany; raha ny hafa kosa tsy nahalala izay niafaran’ny namany, ary namery ny fananany rehetra. …

 … Ny mpikambana tsirairay tao amin’ny fiarahamonintsika dia voaroaka tao amin’ilay fivondronana, ary noravana sy nopotehina ny tanin-katsaka; nodorana ny varimbazaha nivangongo, nangalarina ny fanaka an-tokantrano, ary nosimbaina izay fampivoarana natao sy karazam-pananana rehetra. (Autobiography of Parley Parker Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 101–3)

Sary
Nohazaina tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ireo Olomasina, nataon’i C. C. A. Christensen

C. C. A. Christensen (1831–1912), Nohazaina tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ireo Olomasina, c. 1878, tempera sur mousseline, 196.85 x 287.02 inches. Musée des arts, Oniversiten’i Brigham Young, fanomezana avy tamin’ireo zafikelin’i C.C.A. Christensen, 1970.

Olomasina mihoatra ny 1000 no nohazaina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, ary tokantranon’izy ireo mihoatra ny 200 no nodorana.

Fizarana 3

Inona no nanakana ny Olomasina tsy hanorina an’i Ziona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri?

Tao anatin’ny volana vitsivitsy taorian’ny fandroahana an-kerisetra ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny antony namelany ny olony ho enjehina sy horoahina hiala tamin’ny taniny sy ny tranony ny Tompo. Rehefa mandalina ireto soratra masina manaraka ireto avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 sy 105 ianao dia jereo ireo fihetsika sy toetra nanakana ny Olomasina tsy hanorina an’i Ziona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:2–3, 6–8, sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:3–6.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Raha mamerina mijery ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia asio marika na ataovy lisitra ireo fihetsika sy toetra izay takian’ny Tompo amin’ireo izay maniry ny hanorina an’i Ziona amin’ny andro farany.

Fizarana 4

Hanao ahoana ny hoavinʼi Ziona?

Nampianatra ny Loholona Christofferson fa rehefa manorina an’i Ziona isika dia manomana ny tenantsika sy izao tontolo izao handray ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany:

[Ny] tena manan-danja ho an’ny fiverenan’ny Tompo, dia ny fisian’ny vahoaka iray eto ambonin’ny tany vonona ny handray Azy amin’ny Fiaviany. …

Fahiny dia nalain’ Andriamanitra ho any Aminy ny tanànan’i Ziona izay marina. Mifanohitra amin’izany, amin’izao andro farany izao dia hisy Ziona vaovao handray ny Tompo amin’ny fiverenany. …

Rehefa miezaka ny hazoto isika amin’ny fananganana an’i Ziona, tafiditra ao anatin’izany ny anjara andraikitsika amin’ny fanangonana an’ireo nofinidin’ny Tompo sy ny fanavotana ny maty, dia tokony hiato kely isika mba hahatsiaro fa asan’ny Tompo izany ary Izy no manao izany. …

Ity fotoampitantanana lehibe sady farany ity dia mihazakazaka manatratra ny tanjony faratampony, dia i Ziona eto an-tany, izay hohatevenin’i Ziona avy any ambony amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy amim-boninahitra. … Andeha isika hiasa mba hanorenana an’i Ziona mba hanafainganana ny fahatongavan’izany andro izany. (D. Todd Christofferson, “Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 82–84)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no ataonao mba hanampiana amin’ny fanorenana an’i Ziona hiomanana amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany? Inona ihany koa no mbola azonao atao?