Institiota
Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahazo fahalalana ara-panahy


“Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahazo fahalalana ara-panahy,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mahazo fahalalana ara-panahy

Nanambara fitsipika izay afaka mitarika antsika ao amin’ny fikarohantsika ny fahamarinana ny Tompo (jereo ny “Mahazo fahalalana ara-panahy,” Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2018]). Ity lesona ity dia hampitombo ny fahafahan’ny mpianatra mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy hanombantombana ny maha-azo antoka ireo loharanom-pahalalana.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Ampahafantaro ny mpianatra ny vokatra andrandraina avy amin’ny fianarana. Ny vokatra andrandraina avy amin’ny fianarana dia ao anatina fehezan-teny mamaritra ny fahalalana sy ny fahaiza-manao izay tokony ho azon’ny mpianatra ianarana avy amin’ny fandrantoana fianarana iray izay ataony. Ny vokatra andrandraina ho an’ny lesona tsirairay ato amin’ity taranja ity dia voalaza mazava tsara ao amin’ny fampidirana ny lesona. Aza misalasala mampahafantatra ny mpianatra an’ireo vokatra andrandraina ireo. Avelao ireo vokatra andrandraina avy amin’ny lesona hitarika anao rehefa mampifanaraka ny lesona amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra sy manao ny tomban’ezaka momba ny fahombiazan’ny fianaran’ny mpianatra ianao.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nanolotra lamina mba hahazoana fahalalana ara-panahy ny Tompo.

Asehoy an’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto: Tsy maninona ve izany hoe mametra-panontaniana mikasika ny Fiangonana izany? Nahoana, na nahoana no tsia? Manasà mpianatra roa na telo hizara ny heviny.

Iaraho mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:8–10, mba hitadiavana ireo teny na andian-teny izay nampiasain’i Joseph mba hamaritana ny fanontaniana sy ny olana nananany momba ny fivavahana. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany sy nianarany avy amin’ny tantaran’i Joseph momba ny fametrahana fanontaniana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny manaraka ity: Afaka mahazo fahalalana ara-panahy aho rehefa …

Angataho ny mpianatra hitady ireo fitsipika telo avy ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izay mameno io fehezan-teny io. (Rehefa mamaly ny mpianatra dia alaivo antoka fa hita ireto fitsipika manaraka ireto ary haseho eny amin’ny solaitrabe:

  1. Manao asa amim-pinoana.

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Angataho ny mpianatra hanazava ny zavatra takatr’izy ireo mikasika ny tsirairay avy amin’ireo fitsipika ireo. Raha ilaina dia omeo fotoana kely izy ireo hamakiana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Asao ny mpianatra hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:11–14, ary hitady ny fomba hanehoan’ny zavatra nataon’i Joseph Smith an’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ireo rehefa nitady ny valin’ny fanontaniany sy ny olany izy. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany.

Fidio na asehoy eny amin’ny solaitrabe ny iray na mihoatra amin’ireo fanontaniana voarainao avy amin’ny mpianatra ka azon’izy ireo hampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy (jereo ilay atrikasa hoe “Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao” ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Hazavao fa na dia vitsy monja aza no azonao nampiasaina tamin’ireo fanontaniana nalefa tany aminao nandritra ity fotoam-pianarana ity dia hitady fotoana ianao ao aoriana ao mandritra ny fianarana ilay taranja mba hiresahana ireo fanontaniana hafa voarainao.

Fanamarihana: Ny tanjon’ity atrikasa ity dia ny hanome fahafahana ny mpianatra hiresaka mikasika ny fomba hampiharan’izy ireo ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny fanontaniana isan-karazany. Tsy natao hanolotra valinteny ho an’ireo fanontaniana manokana izany. Mitandrema tsy handany fotoana be loatra amin’ny antsimpirian-javatra momba ny fanontaniana na olana iray.

Hifanakalozy hevitra ny fomba hampiasan’ny mpianatra ireo fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe mba hitadiavana ny valin’ilay na ireo fanontaniana voafidy. Ireto fanontaniana fanaraha-maso manaraka ireto dia azo ampidirina ao amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo:

  • Ahoana no ahafahantsika manao asa amim-pinoana rehefa mitady ny valin’io fanontaniana io isika?

  • Ahoana no ahafahan’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy antsika mamaly io fanontaniana io? Inona no fantatsika momba ny Ray any An-danitra sy ny drafitry ny famonjeny izay afaka manampy antsika hahatakatra io fanontaniana io amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay afaka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa io lohahevitra io? Inona koa ireo loharanom-pahalalana azo antoka afaka manampy? (Fanamarihana: Mety hahazoana tombony ny fanasana ny mpianatra hijery ny pejy Sujets de l’Evangile ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hanehoana loharanom-pahalalana iray azo antoka izay mandefa ihany koa any amin’ireo rohy mankany amin’ireo soratra masina sy lahateny nataon’ny mpaminany.)

Manasà mpianatra iray na roa hizara ny fomba nitahian’ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy azy ireo tamin’ny fikarohany fahalalana ara-panahy.

Afaka mandrefy ny maha-azo antoka ireo loharanom-pahalalana isika.

Mandefasa ampahany amin’ny horonan-tsary hoe “Fifehezana fotopampianarana: ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” (minitra faha-0:00 ka hatramin’ny 4:19).

Asao ny mpianatra hijery izay karazana loharanom-pahalalana azo antoka indrindra sy izay mety hanimba ny fahatakarantsika fahamarinana.

Rehefa avy mampiato ilay horonan-tsary ianao dia hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny maha-samy hafa ny loharanom-pahalalana avy amin’Andriamanitra, ny loharanom-pahalalana azo antoka, amin’ny loharanom-pahalalana tsy azo antoka na manimba mihitsy aza:

  • Inona avy ireo loharanom-pahalalana madio indrindra izay azontsika hitadiavana valim-panontaniana?

  • Ahoana no hahaizanao manavaka hoe azo antoka ve ny loharanom-pahalalana iray sa tsia?

  • Inona no ataonao rehefa sendra loharanom-pahalalana izay natao mba hanimbana ny finoana?

Mba hanehoana ny maha-zava-dehibe ny fampiasana loharanom-pahalalana azo antoka rehefa mandalina ny tantaran’ny Fiangonana, dia asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ity toe-javatra iainana manaraka ity: Mitady fampahalalana bebe kokoa momba ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna ianao. Rehefa nanao fikarohana ianao dia sendra ity teny nolazain’i Stephen Burnett, izay niaina tamin’ny fotoana niainan’i Martin Harris ity, ary tsy azonao antoka raha marina io teny voalaza io na tsia:

Efa nisaintsaina ela sy an-tsitrapo ny tantaran’ity fiangonana ity aho ary namakafaka ny porofo izay manamarina sy manohitra izany. … Saingy rehefa nahare an’i Martin Harris nilaza teo imasom-bahoaka aho fa tsy mbola nahita mivantana ireo takelaka mihitsy izy fa tamin’ny fahitana na tao an’eritreriny fotsiny ihany, ary tsy mbola nahita koa na i Oliver na i David … dia rava ny ampahany farany tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananako. (Stephen Burnett, ao amin’ny Richard Lloyd Anderson, Investigating the Book of Mormon Witnesses [1981], 155)

  • Inona no dingana azonao atao alohan’ny hanapahanao hevitra na hanaiky na tsia ny zavatra nambaran’i Stephen Burnett momba an’i Martin Harris?

Asao ny mpianatra hanao tatitra ny zavatra nianarany momba ny fanombantombanana ireo loharanom-pahalalana avy ao amin’ilay fizarana ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana antsoina hoe “Fanontaniana hanombantombanana ireo loharanom-pahalalana.”

Eo am-pisaintsainana ireo toromarika hanombantombanana ireo loharanom-pahalalana, dia omeo ny mpianatra ilay taratasy zaraina hoe “Zava-niseho ara-tantara momba ny teny nambaran’i Stephen Burnett,” ary asao ny mpianatra (izy rehetra miaraka na mizarazara ho vondrona kely maromaro) mba hitady fampahalalana izay hanampy azy ireo handrefy ny fahamarinan’ny fiampangana nataon’i Stephen Burnett fa tsy nahita ireo takela-bolamena i Martin Harris.

Zava-niseho ara-tantara momba ny teny nambaran’i Stephen Burnett

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny taona 1830 i Stephen Burnett ary notendrena ho loholona tamin’ny 1831. Nanao asa fitoriana tany Etazonia Atsinanana izy teo anelanelan’ny taona 1832 sy 1834 (jereo ny “Burnett, Stephen,” The Joseph Smith Papers, interim content). Tamin’ny taona 1838 dia niala tao amin’ny Fiangonana izy ary nieritreritra fa “fikambanana nitoeran’ny lainga sy ny fitaka fotsiny” izany.

Tamin’ny fotoana nahafantaran’i Burnett mivantana an’i Martin Harris dia tsy isan’ireo Vavolombelona Telo na Valo izy.

Tamin’ny taona 1838 dia nanoratra taratasy i Burnett izay nilazany fa i Martin Harris dia niteny hoe “tsy mbola nahita mivantana ireo takelaka mihitsy izy, fa tamin’ny fahitana na tao an’eritreriny fotsiny ihany.” Nanoratra i Burnett fa nisy olona telo hafa “nanaiky” io fitantarany io. Niala tao amin’ny Fiangonana koa ireo olona telo ireo.

Nandà mafy ny fomba namariparitan’i Burnett ny fijoroana ho vavolombelona nataony i Martin Harris ary nanohy nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny fiainany.

Mifanohitra amin’ny tantara notantarain’i Burnett, ny “fitovian’ireo fakana am-bavany maro natao tamin’i Martin Harris dia manaporofo fa ny fahazoany [i Harris] antoka lalina ny amin’izany dia tsy mbola niova mihitsy nanomboka tamin’ny fotoana nahitany an’ilay anjely sy ireo takelaka tamin’ny taona 1829 ka hatramin’ny nahafatesany tamin’ny taona 1875.” Tao anatin’ny taratasy ho an’olon-tsotra iray nosoratana tamin’ny taona 1871, dia nanambara i Harris hoe: “Tsy mbola nisy olona efa nahare ahy nandà na tamin’ny fomba ahoana na ny fitantanan’ilay anjely izay nampiseho ahy an’ireo takelaka, na ny fanorenana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (Richard Lloyd Anderson, Investigating the Book of Mormon Witnesses [1981], 107–20, 155–57).

Zava-niseho ara-tantara momba ny teny nambaran’i Stephen Burnett

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa ampy ny fotoana namakian’ny mpianatra sy nifanakalozany hevitra momba ny zavatra tao amin’ilay taratasy zaraina, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Fampahalalana inona tato amin’ity taratasy zaraina ity no mahatonga anao hiahiahy ny amin’ny maha-azo antoka ny zavatra nolazain’i Stephen Bernett?

  • Ankoatra ny fanadihadiana ny maha-azo antoka ireo loharanom-pahalalana, dia ahoana koa no fomba ahafahanao mahafantatra raha marina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo Vavolombelona Telo?

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany avy amin’io zavatra niainana io. Hevero ny hamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fandefasana ny sisa tavela amin’ilay horonan-tsary “Fifehezana fotopampianarana: ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” (minitra faha-4:20 ka hatramin’ny 9:16) sy ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny lanjan’ny fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

Ho an’ny lesona manaraka

Anontanio ny mpianatra raha efa sahirana tamin’ny famantarana hoe oviana ny Tompo no niresaka tamin’izy ireo, na raha toa izy ireo ka efa naniry ny hahafantatra ny fomba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana sy fitarihana bebe kokoa teo amin’ny fiainany. Asao izy ireo handalina tsara ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka mikasika ny fotopampianaran’ny fanambarana ary ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hizara ao am-pianarana ny zavatra hitan’izy ireo.