Institiota
Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mijanona ho mahatoky eo anivon’ny fanoherana sy ny fahoriana


“Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mijanona ho mahatoky eo anivon’ny fanoherana sy ny fahoriana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mijanona ho mahatoky eo anivon’ny fanoherana sy ny fahoriana

Nandritra ilay fotoana teo anelanelan’ny 1837 ka hatramin’ny 1839 dia niaina fanahin’ny apôstazia nampatahotra tao Kirtland Ohio ny Olomasina, ary fanenjehana feno herisetra tao Missouri. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hanapa-kevitra ny amin’ny fomba ahafahan’izy ireo mitodika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, sy matoky ary miantehitra bebe kokoa amin’ Izy Ireo ao anatin’ny fotoan-tsarotra sy ny fanoherana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Niala tsy ho mpikamban’ny Fiangonana ny mpikambana sasany tao Kirtland Ohio, raha toa kosa ny hafa ka nijanona ho mahatoky.

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hamariparitra ny fihetsika nasetrin’ny olona fantatr’izy ireo nanolona ireo fitsapana sarotra teo amin’ny fiainan’izy ireo. Afaka manontany ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny ohatra toy izany koa ianao.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fitsapana izay lalovan’izy ireo na ireo olona tian’izy ireo amin’izao fotoana izao ary hieritreritra ny zavatra mety ho ampianarin’ny Tompo azy ireo amin’izao fotoana izao mikasika ny fihetsika tokony hasetry ny fitsapana toy izany.

  • Inona avy ireo olana sy fitsapana niainan’ireo Olomasina teo aloha tany Ohio? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hijery ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izay azy ireo mba hanampiana azy ireo hitadidy.) Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo izay voakasik’ireo fitsapana tao Ohio?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny fahavaratry ny taona 1837 dia niainga avy any Missouri nankany Kirtland i Thomas B. Marsh, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hihaona tamin’ireo mpikambana tao amin’izany kôlejy izany sy ny Mpaminany Joseph Smith.

  • Inona avy ireo fanamby sy olana natrehan’i Thomas B. Marsh talohan’ny nahatongavany tany Kirtland?

Hazavao fa rehefa avy nihaona i Thomas B. Marsh sy i Joseph Smith ary namaha ny olan’izy ireo, dia naharay fanambarana avy amin’ny Tompo ho an’i Thomas ny Mpaminany. Asao ny mpianatra mba hamaky na hamerina hijery mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–15 ka hitady ny torohevitra sy ny fitsipika nampianarin’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Asao ireo mpianatra hizara sy hiresaka ny zavatra hitany.

Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hitady fitsipika iray avy ao amin’ny andininy 13 sy hifanakalo hevitra momba izany amin’ny alalan’ny fametrahana ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo fa hataony ho an’ireo mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy izay nifidy ny tsy hanamafy ny fony rehefa notsapaina ny finoan’izy ireo? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha tsy manamafy ny fontsika isika rehefa tsapaina ny finoantsika, dia hiaraka amintsika ny Tompo ary hampitombo ny fiovam-pontsika.)

  • Ahoana no mety hanamafisan’ny olona sasany ny fony rehefa tsapaina ny finoany? Inona ny loza ateraky ny fanaovana izany?

  • Oviana ianao no nahita olona iray naneho fo feno fanetrentena sy fahalalahan-tsaina ho setrin’ny fizahan-toetra ny finoany? Inona no tsikaritrao fa nitranga tamin’ilay olona rehefa naneho fihetsika toy izany izy?

Notahiana noho ny fahatokiany nandritra ny fitsapana azy tao amin’ny Fonjan’i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith.

Asehoy ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ireo zavatra ratsy no avelan’ Andriamanitra hitranga amin’ny olona tsara?

Anontanio ireo mpianatra raha efa nametraka izany fanontaniana izany izy ireo na efa nisy nanontany azy ireo izany. Hazavao fa nametraka fanontaniana mitovy amin’izany i Joseph Smith taorian’ny nanagadrana azy tsy ara-drariny tao amin’ny Fonjan’i Liberty Missouri. Rehefa mifanakalo hevitra momba ny zavatra niainan’i Joseph ny mpianatra dia asao izy ireo hieritreritra ny fomba hamalian’izy ireo raha misy namana iray mametraka amin’izy ireo io fanontaniana io.

Asehoy ity sarin’ny Fonjan’i Liberty ity:

Sary
Ririnin’ny Fonjan’i Liberty, nataon’i Al Rounds
Sary
Tahadikan’ny Fonjan’i Liberty

Asao ny mpianatra hitantara ireo zava-nitranga izay nitarika ho amin’ny famonjana an’i Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty. (Raha ilaina dia omeo toromarika ny mpianatra mba hamaky ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Toy ny ahoana ny toe-javatra niainan’i Joseph Smith sy ireo olona hafa tao amin’ny Fonjan’i Liberty?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Mpaminany Joseph Smith dia voafonja nandritra ny efa-bolana mahery tao amin’ny Fonjan’i Liberty nandritra ny hatsiaka mamirifirin’ny ririnina. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–3. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo fanontaniana napetraky ny mpaminany tao anatin’ilay taratasiny izay mirakitra tonom-bavaka.

  • Inona no ambaran’ireo fanontaniana ireo momba ny zavatra izay mety ho tsapan’i Joseph Smith tamin’izany fotoana izany?

  • Ahoana no mety ho naha fizahana toetra ny finoan’i Joseph an’io vanim-potoana io?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandefa taratasy roa ho an’ny Fiangonana i Joseph Smith fony izy tao am-ponja. Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra. Asao izy ireo hamerina hijery na hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–10; 122:7–9 ary avy eo dia hizara ireo andian-teny sy fitsipika nanan-danja indrindra tamin’izy ireo.

Rehefa ampy ny fotoana nomena dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara andian-teny iray na fitsipika izay nifanakalozan’izy ireo hevitra tao amin’ny vondrona nisy azy. Hevero ny haneho ireto fitsipika na andian-teny manaraka ireto na ny hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Azo lazaina na fintinina amin’ireto fomba manaraka ireto ny sasany amin’ireo fitsipika hitan’ny mpianatra: Rehefa mitodika any amin’ny Tompo sy miantehitra Aminy isika mandritra ny fitsapana antsika, dia hanome antsika fanambarana sy hampionona antsika ary hankahery antsika Izy. Raha mitoetra ho mahatoky isika dia afaka manome antsika traikefa ny fahoriana sy ny fijaliana, ary ho soa ho antsika.

  • Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika sy andian-teny hitanao manampy olona izay miaina fahoriana na mandalo fitsapana ny finoana?

Azonao haseho mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonareo ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy.

Afaka manana traikefa masina sy feno fanambarana ary tena feno fampianarana lalina ianao miaraka amin’ny Tompo ao anatin’ireo zavatra mahafadiranovana anao indrindra eo amin’ny fiainanao—ao anatin’ny tontolo ratsy indrindra, rehefa miaritra ny tena tsy rariny indrindra, rehefa miatrika ireo olana sy fanoherana tsy hay ihoarana indrindra ianao. …

… Ireo lesona nianarana avy amin’ny ririnin’ny taona 1838–39 dia mampianatra antsika fa afaka ny ho lasa traikefa mitondra fanavotana ny traikefa rehetra raha mifamatotra hatrany amin’ny Raintsika any An-danitra isika ao anatin’izany fahasarotana izany. Ireo lesona sarotra ireo dia mampianatra antsika fa rehefa miaina ao anatin’ny toe-javatra tena sarotra ny olona dia fotoana ahafahan’ Andriamanitra mampianatra azy ireo izany, ary raha manetry tena sy mahatoky isika, raha mino isika fa tsy hanozona an’ Andriamanitra noho ireo olantsika, dia afaka manova ireo fonjan’ny fiainantsika izay tsy rariny sy lozabe ary mampalemy ho lasa tempoly Izy, na farafaharatsiny manova izany ho toe-javatra iainana izay afaka mitondra fiononana sy fanambarana, fiarahan’ Andriamanitra amintsika ary fiadanana. (Jeffrey R. Holland, “Lessons from Liberty Jail,” Ensign, Sept. 2009, 28)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe afaka ny ho tonga traikefa “mitondra fanavotana” ny fitsapana?

  • Rehefa miaritra amim-pahatokiana ireo fitsapana eo amin’ny fiainana isika dia ahoana no hanampian’izany antsika ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika bebe kokoa?

  • Inona avy ireo fomba nitodihanao sy nianteheranao feno kokoa tamin’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy nandritra ireo fitsapana izay nitsapa ny finoanao? Inona ny zavatra nianaranao avy amin’ny fanaovana izany?

Asao ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny fomba hamalian’izy ireo ilay fanontaniana nasehonao teo aloha momba ny antony hamelan’ Andriamanitra ny zavatra ratsy hitranga amin’ireo zanany.

Dia asao avy eo ny mpianatra hieritreritra ny hametaka ireo teny sy andian-teny izay nosafidiany avy ao amin’ireo soratra masina noresahina teo aloha teo eny amin’ny toerana izay ahafahan’izy ireo mahita izany matetika, na hanao tsianjery izany, na hizara izany amin’ny tambazotra ifaneraserana. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mitodika any amin’ny Mpamonjy isika ao anatin’ny fitsapana antsika dia hanome antsika fiadanana Izy, sy hankahery antsika, ary hampitombo ny fiovam-pontsika.

Ho an’ny lesona manaraka

Eo am-pamarananao ny fotoam-pianarana dia hevero ny hanazava fa ny Fikambanana Ifanampiana, izay isan’ireo fikambanam-behivavy lehibe indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao, dia naorin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1842. Ampahafantaro ny mpianatra fa rehefa miomana ho amin’ny fotoam-pianarana manaraka izy ireo dia hanana fahafahana hianatra bebe kokoa momba ny fomba sy ny antony namoronana io fikambanana maneran-tany io. Amporisiho ny mpianatra mba ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hizara ny zavatra nianarany.