Institiota
Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ireo lalàn’ Andriamanitra


“Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ireo lalàn’ Andriamanitra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ireo lalàn’ Andriamanitra

Ny Tompo dia efa nanambara indray ny lalàny sy ny didiny amin’ity fotoampitantanana ity tamin’ny alalan’i Joseph Smith sy ireo mpaminany nifandimby taoriany. Ity lesona ity dia hanomana ireo mpianatra hanazava ireo tanjona masin’ Andriamanitra amin’ny fanomezana didy an’ireo zanany. Hasaina ihany koa ireo mpianatra hanapa-kevitra ny amin’izay azony atao mba hitandremany am-pahatokiana bebe kokoa ireo didin’ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manome lalàna sy didy ho antsika ny Tompo ho famonjena antsika.

Ampisehoy ny mpianatra ilay horonan-tsary hoe “Why Does God Give Us Commandments?” (0:39), ary angataho izy ireo hitady ny zavatra asehon’izany momba ny fomba mety hiheveran’ny olona ireo didin’ Andrimanitra.

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’io horonan-tsary io ny fihetsika mety ananan’ny tanora sasany manoloana ireo lalàna sy didin’ Andriamanitra?

  • Inona no mety tsy takatry ny olona sasany izay mihevitra ny lalàn’ Andriamanitra ho maneritery?

Hazavao fa misy tanjona lehibe kokoa amin’ny fanomezana ny lalàn’ Andriamanitra fa tsy vitan’ny hoe fiarovana ara-batana na fitsapana eto an-tany fotsiny izany. Ao amin’ny fanambarana nataony tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, ny Tompo dia nampianatra ny Olomasina ireo antony sasany ambony kokoa izay anomezan’ Andriamanitra lalàna sy didy ho an’ny zanany. Asao ny antsasaky ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–20 ary ny antsasany hafa hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21. Angataho ny mpianatra hijery ireo fampanantenan’ny Tompo amin’ireo izay mitandrina ny lalàna sy didin’ Andriamanitra. Asaivo milaza izay zavatra hitany ireo mpianatra.

Hazavao fa ny “fahafenoan’” Andriamanitra voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–20 dia ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay—hiditra eo anatrehan’ Andriamanitra sy tonga tahaka ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:94).

  • Ahoana no hamintinanao ny fahamarinana iray avy ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo momba ny antony hanomezan’ny Ray any An-danitra didy ho an’ireo zanany? (Soraty eny amin’ny solaitrabe na asehoy ny fanambarana fotopampianarana iray mitovy amin’izao manaraka izao, amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra: Omen’ny Ray any An-danitra didy ny zanany mba hahafahany mitahy azy ireo sy manampy azy ireo ho tonga toa Azy.)

Mba hampiorenam-paka ny fahatakaran’ny mpianatra io fahamarinana io dia asehoy ity teny nolazain’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Ny drafitr’ Andriamanitra dia ahitana torolalana ho antsika, izay antsoina hoe didy ao amin’ny soratra masina. Ireo didy ireo dia sady tsy fitambarana fitsipika napetraka fahatany no tsy hoe nangonina araka izay tiany natao hanazarana antsika ho mpankatò fotsiny. Izy ireo dia mifandray amin’ny fampivoarana antsika hanana ireo toetra araka an’ Andriamanitra, sy ny fiverenantsika any amin’ny Raintsika any An-danitra, ary amin’ny fahazoantsika fifaliana maharitra. (“Misafidiana ianareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 105)

  • Nahoana ireo didy no fanehoana ny fitiavan’ny Raintsika sy ny Mpamonjy antsika?

  • Inona ny fahasamihafana mety entin’izany eo amin’ny fiainantsika raha mahita ny didy ho toy ny torolalana feno fitiavana izay hanampy antsika hahazo ireo toetra araka an’ Andriamanitra sy hanampy antsika hahazo fifaliana isika?

Manome ny lalàny ho an’ny Olomasina ny Tompo.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa taoriana kelin’ny nifindran’ny Mpaminany Joseph Smith tany Kirtland Ohio dia nahazo fanambarana nahitana ny lalàn’ny Tompo ho an’ny Fiangonany izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42). Nandritra ireo taona taorian’izay dia nampianatra ny Olomasina bebe kokoa momba ny lalàny ny Tompo.

  • Inona avy ireo lalàna sy didy taloha izay naverin’ny Tompo tato amin’ny fotoampitantanana misy antsika?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ny asa atao nomena azy ireo ao anatin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Omeo minitra vitsy izy ireo hamerenana mijery ny lalàna na ireo lalàna nohalalin’izy ireo. Asao ireo mpianatra izay mety tsy nianatra ny iray amin’ireo lalàna voasoritra tao anatin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hanao izany mandritra izao fotoana izao.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Ny fifanakalozan-kevitra sy fanaovana asa ao anatin’ny vondrona kely dia afaka manampy ireo mpianatra hianatra lalindalina kokoa. Ny fizarazarana ny kilasy hiasa tsiroaroa na ao anatin’ny vondrona kely dia mamela ny mpianatra haneho bebe kokoa ny heviny sy ny fahatsapany ary koa hifampianatra. Mba hanampiana ny mpianatra hanana traikefa manan-danja miaraka, dia ataovy izay ahatakaran’izy ireo ny antony sy ny zava-kinendry momba izay hifanakalozan’izy ireo hevitra mialoha ny hanombohan’izy ireo. Azonao atao koa ny manendry mpitarika fifanakalozan-kevitra na manendry mpianatra iray hizara voalohany.

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia zarao ho vondrona kely maromaro ny kilasy (mpianatra roa ka hatramin’ny dimy isaky ny vondrona) araka ny lalàna nosafidian’izy ireo hohalalinina. Ohatra: ny mpianatra roa ka hatramin’ny dimy nisafidy ny handalina ny lalàn’ny fanokanana dia ho vondrona iray. Mety misy vondrona maromaro mifanakalo hevitra momba io lalàna io raha mihoatra ny mpianatra dimy no nisafidy ny handalinana an’io lalàna io. (Raha vitsy ny mpianatrao na hoe mpianatra iray ihany no nisafidy ny handalina lalàna iray manokana dia amboary io asa atao io mba hifanaraka amin’ny filan’ny kilasinao. Ohatra: azonao atao ny manasa ilay mpianatra iray hizara izay nianarany aminao na amin’ny vondrona iray izay nianatra lohahevitra hafa.)

Angataho ireo mpianatra mba hanendry olona iray ao amin’ny vondrona mba ho mpitarika. Omeo ny tahadikan’ny taratasy zaraina nampiarahina etoana mitondra ny lohateny hoe “Ireo lalàn’ Andriamanitra” ny mpitarika vondrona tsirairay.

Ireo lalàn’ Andriamanitra

Toromarika ho an’ny mpitarika vondrona: Tariho ho amin’ny fifanakalozan-kevitra manan-danja momba ireto fanontaniana manaraka ireto ny vondrona misy anao. Makà antoka fa mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo ny mpikambana tsirairay ao amin’ilay vondrona.

  1. Inona no fahamarinana na ireo fahamarinana nianaranao avy tao amin’ny fandalinanao?

  2. Inona avy ireo fanamby mifandray amin’ny fankatoavana io lalàna io ankehitriny, ary ahoana no fomba handresena azy ireny?

  3. Inona no fitahiana azonao sy ny fianakavianao tamin’ny alalan’ny fitandremana io lalàna io?

  4. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’io lalàna io anao ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra kokoa?

Eo am-pamarananao dia manondroa olona iray izay hizara amin’ny iray kilasy ny zava-misongadina vitsivitsy avy tao amin’ny fifanakalozan-kevitry ny vondrona misy anao.

Ireo lalàn’ Andriamanitra

Sary
taratasy zaraina, Ireo lalàn’ Andriamanitra

Omeo 10 minitra ireo vondrona, na fotoana sahaza hanaovan’izy ireo fifanakalozan-kevitra manan-danja. Rehefa ampy ny fotoana dia asao ny solontena avy amin’ny vondrona tsirairay hizara amin’ny kilasy manontolo ireo zavatra vitsivitsy misongadina avy tao amin’ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo. Hevero ny amporisika ny solontena tsirairay hizara ny fomba ahafahan’ny fankatoavana ilay lalàna nohalalininy manampy antsika ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra kokoa.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona sy ny zavatra niainanao momba ny fomba nitahian’ny fankatoavana ireo lalàna sy didin’ Andriamanitra ny fiainanao sy nanampian’izany anao ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra kokoa.

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto. Omeo fotoana hisaintsainana ireo fanontaniana ireo sy hanoratany ny fahatsapany, ary hamantarana ireo asa tsapan’izy ireo fa tokony ataony ny mpianatra. Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ombam-bavaka ny fanampiana sy ny fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra ary hanao zavatra araka ireo fitaomam-panahy azony. Azonao atao koa ny manasa azy ireo hamaritra fotoana hanaovana jery todika ny amin’izay asa nanolorany tena.

  • Iza amin’ireo didin’ny Tompo izay noresahina androany no azoko tandremana amim-pahatokiana bebe kokoa?

  • Inona no fanovana tena ilaiko atao, na atomboka, na ajanona mba hitandremana bebe kokoa io didy io?

  • Inona ireo fitahiana, toetra araka an’ Andriamanitra, ary fifaliana ho tonga eo amin’ny fiainako amin’ny alalan’ny fanarahana akaiky sy amin-kitsimpo lehibe kokoa io didy io?

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa ny iray amin’ireo finoana tsy manam-paharoa an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hoe manohy mitarika ny zanany Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanomezana soratra masina fanampiny. Asao ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka ary ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hifanakalo hevitra momba ny fomba hanazavan’ny soratra masina fanampiny sy hampitomboan’izany ny fahatakarantsika ny filazantsaran’ny Mpamonjy.