Institiota
Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany sy ny Fikambanana Ifanampiana


“Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany sy ny Fikambanana Ifanampiana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany sy ny Fikambanana Ifanampiana

Sary
vehivavy miresaka sy mifamihina

Raha niresaka momba ny Fikambanana Ifanampiana ny Mpaminany Joseph Smith, dia nanambara hoe: “Tsy ho lavorary mihitsy ny firafitry ny Fiangonana raha tsy voarindra toy izao ny vehivavy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 451). Saintsaino ilay hafatra entin’io fanambarana io ho an’izao tontolo izao momba ny toerana misy ny vehivavy ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Rehefa mandalina ireo tahirin-kevitra ireo ianao dia saintsaino ny maha-manan-danja ny asan’ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany sy ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Fizarana 1

Ahoana no fomba hanorenan’ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany ny fanjakan’ Andriamanitra?

Sary
I Jesoa mankahery vehivavy iray

Nilaza ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo indray mandeha hoe: “Ny mpanohana lehibe indrindra ny vehivavy sy ny toetra maha-vehivavy eto amin’izao tontolo izao dia i Jesoa ilay Kristy” (ao amin’ny Filles dans mon Royaume [2011], 3).

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Ireo rahavavy ato amintsika dia manan-danja sy tena ilaina amin’ny asan’ny Tompo. Vehivavy mahatoky maro no niasa tamim-pahavitrihana ho an’ny fahamarinana sy ny fahitsiana hatramin’ny talohan’ny niorenan’ity tontolo ity. … Manana ireo vehivavy maherifony ny fotoampitantanana misy antsika. (M. Russell Ballard, “Women of Righteousness,” Ensign, Apr. 2002, 69)

I Emma Smith, vadin’ny Mpaminany Joseph Smith, dia ohatra amin’ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany izay nanatanteraka andraikitra mandan-danja tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Tao anatin’ny fanambarana iray ho an’i Joseph Smith, ny Tompo dia niantso an’i Emma hoe “vehivavy nofinidy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3). Eo am-pamakianao ny sasany amin’io fanambarana io dia asio marika ireo andraikitra sy torohevitra nomen’ny Tompo an’i Emma. Jereo fa nanambara ny Tompo ao amin’ny andininy 16 fa mihatra amintsika tsirairay ihany koa ny torohevitra nomeny an’i Emma.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:5–7, 10–11, 13, 15–16.

Niaritra fitsapana lehibe i Emma sy i Joseph nandritra ny fotoana niarahan’izy ireo. Nifampahery sy nifampitondra fifaliana ihany koa izy ireo. Nahatoky tamin’ny antsony i Emma ka dia nitondra fampiononana lehibe ho an’i Joseph izy tamin’ny alalan’ny famporisihana sy ny fankaherezana azy tao anatin’ireo fanenjehana sy fitsapana mafy. Raha nisaintsaina momba ny fotoana iray namangian’i Emma azy raha niafina mba tsy ho azon-doza ny Mpaminany, dia nanoratra izy hoe: “Mbola eo foana izy, na inona na inona fitsapana nolalovanay dia tsy mba kivy, mafy orina, tsy voahozongozona, tsy miova, ary feno fitiavana i Emma” (“Journal, December 1841–December 1842,” 135, josephsmithpapers.org).

Sary
Joseph sy Emma Smith

Nanompo tamin’ny naha-mpitantsoratr’i Joseph azy nandritra ny fotoana fohy i Emma, nanampy tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nijoro ho vavolobelona tamim-pahasahiana momba ny Bokin’i Môrmôna izy nandritra ny androm-piainany. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany dia nilaza tamin’ny zanany lahy izy hoe: “Ny finoako dia hoe tena avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, tsy manana ahiahy na dia kely momba izany aho” (Emma Smith, in “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, Oct. 1, 1879, 290). Noho izy nankatò ny didin’ny Tompo dia nanambatra ny fihirana voalohany an’ny Fiangonana ihany koa i Emma.

Nampianatra tamin’ny ohatra i Emma: “Tao New York dia nanjaitra akanjo ho an’ny … misiônera nantsoina hitory ny filazantsara izy. … Tao Kirtland dia niara-niasa tamin’ny vehivavy hafa izy mba hanangonana bodofotsy, sakafo ary akanjo hampitondraina ireo mpanao diaben’ny Tobin’i Ziona ho an’ireo Olomasina sahirana tany Missouri. Nanampy nikarakara sakafo sy nanamboatra [akanjo] ho an’ireo mpiasa nanangana ny tempolin’i Kirtland izy. Nampiantrano mpiasan’ny tempoly be dia be izy ka voatery natory teo amin’ny tany izy sy i Joseph. Taoriana kelin’ny nanorenana an’i Nauvoo, dia nanokana be dia be tamin’ny fotoany sy ny fifantohany tamin’ny fitsaboana ireo voan’ny tazo moka izay nitoby teo ivelan’ny tranony teo amoron’ny Renirano Mississippi izy. Tamin’ireo sy tamin’ny fomba hafa no nanehoany tamin’ny alalan’ny ohatra amin’ny fanompoana natolotry ny rahavavy maro tamin’ny androny” (Teachings: Joseph Smith, 450).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mieritrereta vehivavy iray tsara alain-tahaka fantatrao izay mampiasa ny fitaomany, ny teny ambarany, ary ireo fahaizany manao zavatra mba hanolorana anjara biriky manan-danja amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana avy no ananganany ny fanjakan’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao?

Fizarana 2

Inona no mampiavaka ny rafitry ny Fikambanana Ifanampiana?

Sahirana nanangana ny Tempolin’i Nauvoo tao anatin’ny fahantrany ireo Olomasina tamin’ny lohataona 1842. Rahavavy maro no naniry hanao zavatra bebe kokoa hoentina manampy. Nisy andiana rahavavy maromaro, notarihin’i Sarah Kimball sy Margaret Cook, nivondrona mba hamorona lalam-panorenana sy fitsipika dia ny hanjairan’ny fikambanam-behivavy vaovao akanjo ho an’ireo mpiasa ao amin’ny tempoly. Rehefa niresaka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo dia nilaza tamin’izy ireo izy fa ny lalam-panorenan’izy ireo “no tsara indrindra hitany hatrizay” (Teachings: Joseph Smith, 450). “Saingy,” hoy izy, “tsy izany no irinareo. Teneno ireo rahavavy fa eken’ny Tompo ny fanatitr’izy ireo, ary manana zavatra tsara kokoa ho azy ireo Izy. … Asaiko izy rehetra mba hihaona amiko sy ny sasantsasany amin’ireo rahalahy … dia handrafitra ireo vehivavy eo ambanin’ny fisoronana aho araka ny lamin’ny fisoronana” (ao amin’ny Filles dans mon royaume, 12). Nitantara i Eliza R. Snow fa i Joseph Smith dia nampianatra ny Fikambanana Ifanampiana fa “nisy tao amin’ny fiangonana fahiny ny fikambanana toy izany” (ao amin’ny Filles dans mon royaume, 7).

Sary
Ndeha isika hifaly, nataon’i Walter Rane.

Ny Rahavavy Julie B. Beck, izay efa Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nampianatra ny dikan’ny hoe arafitra araka ny lamin’ny fisoronana:

Tsy manam-paharoa ny Fikambanana Ifanampiana satria naorina araka ny “lamin’ny fisoronana” [Joseph Smith, nindramina ny teniny ao amin’ny Sarah M. Kimball, “Auto-biography,” Woman’s Exponent, Sept. 1, 1883, 51]. … Miasa araka ny fomban’ny fisoronana isika, izay midika fa isika dia mikatsaka sy mandray ary miasa araka ny fanambarana azo, mandray fanapahan-kevitra mandritra ny filankevitra ary mifampiahy amin’ny fikarakarana ny isam-batan’olona tsirairay. Ny tanjontsika dia ilay tanjon’ny fisoronana hoe mba hanomana ny tenantsika hahazo ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana sy ny fitandremana izany. Noho izany, tahaka ireo anadahintsika izay mihazona ny fisoronana, ny asantsika dia asa famonjena sy asa fanompoana, ary ny fahatongavana ho vahoaka masina. (Julie B. Beck, “Relief Society: A Sacred Work,” Ensign or Liahona, Nov. 2009, 110)

Ny Filoha Dallin H.Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanamafy bebe kokoa fa ny asan’ny Fikambanana Ifanampiana dia atao miaraka amin’ny fahefan’ny fisoronana:

Tamin’ny lahateny iray ho an’ny Fikambanana Ifanampiana dia nilaza izao ny Filoha Joseph Fielding Smith, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany: “Na dia tsy [notendrena ho amin’] ny Fisoronana aza ireo rahavavy, ka tsy natolotra teo ambony lohan’izy ireo izany, dia tsy midika akory izany hoe tsy nomen’ny Tompo fahefana izy ireo. … Afaka miteny ombam-pahefana ianareo satria nametrahan’ny Tompo fahefana ianareo.” Nilaza ihany koa izy fa ny Fikambanana Ifanampiana “dia nomena hery sy fahefana hanao zavatra lehibe maro. Atao amin’ny alalan’ny hery avy amin’ Andriamanitra ny asa ataon’izy ireo” [“Relief Society--An Aid to the Priesthood,” Relief Society Magazine, Jan. 1959, 4–5]. …

… Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am-panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy. (Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny FisoronanaLiahona, mey 2014, 49–50).

Fizarana 3

Ahoana no hanampian’ny vehivavy sy ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fanatontosany ireo tanjon’ Andriamanitra sy ny Fiangonany?

Natao tamin’ny 17 martsa 1842 tao amin’ny efitrano ambonin’ny Tranombarotra vita tamin’ny biriky mena an’i Joseph Smith tao Nauvoo Illinois ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana voalohany. Nofinidy sy notohanana ho filohan’ilay fikambanana vaovao i Emma. Nitsangana sy nanazava i Joseph Smith fa izany dia fahatanterahan’ilay fanambarana nataon’ny Tompo hoe i Emma dia “vehivavy nofinidy, izay efa nantsoiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3). Fotoana fohy taty aoriana dia nilaza ny Mpaminany hoe: “Ity Fikambanana ity dia hahazo toromarika amin’ny alalan’ny lamina izay natsangan’ Andriamanitra, tamin’ny alalan’ireo izay voatondro hitarika, ary atolotro anareo izao ny fanalahidy amin’ny anaran’ny Tompo, ary ity fikambanana ity dia hifaly, ary ny fahalalana sy ny faharanitan-tsaina no hirotsaka manomboka amin’izao fotoana izao” (ao amin’ny Filles dans mon royaume, 14–15).

Nanambara ny Rahavavy Emma Smith fa hiara-hanao “zavatra miavaka” ny vehivavin’ny Fiangonana (“Joseph Smith’s Teachings about Priesthood, Temple, and Women,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org). Rehefa mandalina an’ireto fanambarana manaraka ireto ianao dia asio marika ny zavatra manan-danja indrindra aminao momba ireo tanjona sy ny asa nanirahana ny Fikambanana Ifanampiana.

Nitantara toy izao i Zina D. H. Young, izay efa Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Ny Fikambanana Ifanampiana … dia natsangana voalohany indrindra … mba hitondra fitahiana ara-nofo ho an’ny mahantra sy ny sahirana: ary hanome fankaherezana ho an’ny ketraka, hitazona ireo izay nania, ary ho an’ny fandrosoana tsara kokoa, sy ho an’ny fampiasana ny fangorahana sy ny fiantran’ny vehivavy, mba hananany fahafahana mahatratra ny tanjaka ara-panahy, sy ny hery hanatanterahana soa lehibe kokoa ao amin’ny asa fanavotana ny fianakaviamben’ny olombelona. (“First General Conference of the Relief Society,” Woman’s Exponent, Apr. 15, 1889, 172)

Nampianatra Rahavavy Beck hoe:

I Joseph Smith dia nilaza fa ireo vehivavy ato amin’ity Fiangonana ity dia nalamina mba hanolotra “fanampiana ho an’ny mahantra, ny sahirana, ny mananotena sy ny kamboty, ary ho fanatanterahana ny tanjon’ny fiantrana ny olon-drehetra” [ao amin’ny Histoire de l’Eglise, 4:567] ary “tsy hanampy ny mahantra ihany fa hamonjy fanahy koa” [ao amin’ny Histoire de l’Eglise, 5:25]. Ny Loholona John A. Widtsoe dia namaritra bebe kokoa izany fanampiana izany ho “fanamaivanana ny fahantrana, fanamaivanana ny aretina, fanamaivanana ny ahiahy ary fanamaivanana ny tsy fahalalana—fanamaivanana ireo zavatra rehetra izay manakantsakana ny fifaliana … sy ny fivoarana. …” [Evidences and Reconciliations, nar. G. Homer Durham, boky 3 mitambatra (1960), 308]

Amin’ny alalan’ny Fikambanana Ifanampiana no ampiharantsika ny maha-mpianatr’i Kristy antsika. Ianarantsika izay tiany hianarantsika, ataontsika izay tiany hataontsika, ary tonga olona izay tiany hahatongavantsika isika. (Julie B. Beck, “What Latter-day Saint Women Do Best: Stand Strong and Immovable,” Ensign and Liahona, Nov. 2007, 111, 109)

Sary
I Jesoa manasitrana vehivavy mandeha rà

Nohazavain’ny Filoha Spencer W. Kimball ny antony tsy maintsy ahatakaran’ny lehilahy sy ny vehivavy ireo tanjona sy ny herin’ny Fikambanana Ifanampiana:

Misy hery ao anatin’ ity rafitry ny Fikambanana Ifanampiana ity izay tsy mbola nampiasaina tanteraka mba hanamafisana orina ireo tokantrano ao Ziona sy hanorenana ny Fanjakan’ Andriamanitra—ary tsy ho ampiasaina tanteraka izany raha tsy efa samy mahatakatra ny hery ananan’ny Fikambanana Ifanampiana ireo rahavavy sy ny fisoronana [rahalahy]. (Spencer W. Kimball, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 142, nampiana soratra misompirana)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azon’ny vehivavy sy ny lehilahy atao mba hahatakarana ny hery ananan’ny Fikambanana Ifanampiana sy hiarahana miasa mba hanatontosana ireo tanjony?