Institiota
Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manambara soratra masina fanampiny ny Tompo


“Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manambara soratra masina fanampiny ny Tompo,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokinʼny mpampianatra (2019)

“Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 14, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manambara soratra masina fanampiny ny Tompo

Toy ny tamin’ny fotoampitantanana teo aloha rehetra dia manohy ny fanambarana soratra masina fanampiny amin’ny alalan’ny mpaminaniny velona ny Tompo. Ity lesona ity dia manome fahafahana ny mpianatra hizara ny fomba hamerenan’ny soratra masin’ny andro farany amin’ny laoniny ny fahamarinan’ny filazantsara sy hanampian’ireo soratra masina ireo amin’ny fanazavana izany. Ireo mpianatra ihany koa dia ho vonona kokoa hiatrika ireo fanontaniana mifandraika amin’ny bokin’i Abrahama

Sosokevitra enti-mampianatra

Manambara soratra masina fanampiny amin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo.

Sary
ny Baiboly

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe manontany amim-pahatsorana azy ireo ny namany iray manao hoe: “Nahoana ny fiangonana misy anao no manana soratra masina fanampiny ankoatra ny Baiboly? Noheveriko fa mirakitra ny tenin’ Andriamanitra rehetra ny Baiboly.” Asao ny mpianatra hanangana ny tanany raha efa nametrahana fanontaniana tahaka izany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba namaliany an’izany (na ny fomba mety hamaliany an’izany).

Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana rakitsoratra nosoratan’i Nefia momba ny fahitana iray izay nahitany ny tenin’ny Baiboly niparitaka maneran-tany. Hitany ihany koa fa maro ireo zavatra “tsotra” sy “sarobidy” (1 Nefia 13:26) ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy no nesorina tao amin’ny Baiboly (jereo ny 1 Nefia 13:24–26).

Vakio miaraka amin’ny rehetra ny 1 Nefia 13:38–41 dia tadiavo hoe rakitsoratra inona no hitan’i Nefia fa ho azon’ny olona amin’ny andro farany. Afaka miato kely ianao aorian’ny andininy tsirairay ary mamela ny mpianatra hanazava ilay rakitsoratra resahan’i Nefia. Ohatra, ny “boky hafa” voalaza ao amin’ny andininy 39 dia ahitana ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy, ary ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Baiboly.

  • Araka ny andininy 40 sy 41, inona no tanjon’ireo soratra masina fanampiny ireo izay nambara tamin’ny alalan’i Joseph Smith? Amin’ny alalan’ny fampiasana ny valin-teny omen’ny mpianatra dia asongadino ny fahamarinana toy ity manaraka ity: Tamin’ny alalan’i Joseph Smith, ny Tompo dia nanambara soratra masina fanampiny izay manamafy ireo fahamarinan’ny Baiboly, mamerina amin’ny laoniny fahamarinana tsotra sy sarobidy, ary mitondra ny olona ho amin’i Jesoa Kristy.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa io fahamarinana io dia hevero ny hampiasa ny iray amin’ireto hevitra hoenti-mampianatra ireto mba hanamorana ny fizarana sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpianatra.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandritra ny fivoriana iray tamin’ny 1831 dia nanapa-kevitra i Joseph Smith sy ny loholona maromaro hafa mba hamoaka ireo fanambarana azo hatramin’io fotoana io. Nandritra io fivoriana io dia nanambara ny sasin-teniny manokana ho an’ny Bokin’ireo Didy (izay ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ankehitriny) tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo. Io sasin-teny io dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1.

Omeo iray minitra ny mpianatra hamakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 21–23, 37 avy amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asao izy ireo hijery ny zavatra nampianarin’ny Tompo mikasika ireo fanambarana (izay antsoina hoe “didy” ao amin’ilay lahatsoratra). Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Ao amin’ny andininy 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia nasaina nitady andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay nampatanjaka ny finoany an’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Omeo fotoana ny mpianatra hifampizara ny andalan-tsoratra masiny. Azonao ampanaovina ao anaty vondrona kely na ataon’ny iray kilasy manontolo izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mifampizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity:

  • Amin’ny fomba ahoana no hanaovan’ireo soratra masina ireo ireto manaraka ireto: manamafy ny fahamarin’ny Baiboly, mamerina amin’ny laoniny fahamarinana tsotra sy sarobidy, na mitondra antsika ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Baiboly sy ny Voahangy Lafo Vidy

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny zavatra nolazain’i Joseph Smith momba ny Baiboly ao amin’ny andininy 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Hazavao fa tamin’ny alalan’ny dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Baiboly no namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny fahamarinana tsotra sy sarobidy maro izay very.

Tao anatin’ny fanomanany ny fotoam-pianarana dia nandalina ireo fanazavana ny hoe inona no atao hoe Dikantenin’i Joseph Smith sy Voahangy Lafo Vidy ny mpianatra. Mangataha mpianatra vitsivitsy hamintina ny zavatra nianarany momba ny boky tsirairay avy.

Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa tafiditra ao anatin’ny Voahangy Lafo Vidy ny ampahany amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, izay fantatra amin’ny hoe bokin’i Mosesy sy Joseph Smith—Matio. Ny fanitsiana nentanim-panahy hafa dia hita eny amin’ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy ao amin’ny tovana ao amin’ireo edisiônan’ny Baiboly sasany, ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ary ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org. Hevero ny hangataka ny mpianatra mba hanokatra izay mety ho loharanon-kevitra ananany mba hahazoana antoka fa mahafantatra tsara ny fomba hidirana ao amin’ireo soratra masina ireo izy ireo.

Asehoy ny lisitry ny andalan-tsoratra masina avy ao amin’ireo bokin’i Mosesy sy Abrahama ary ny Dikantenin’i Joseph Smith izay hita ao amin’ny andininy 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Angataho ny mpianatra hanao famerenana fohy ny andalan-tsoratra masina izay nosafidiany manokana na avy amin’io lisitra io.

Rehefa avy nomenao iray minitra izy ireo hanaovana izany famerenana izany dia asao ny mpianatra hifampizara amin’ny namana iray ny fahamarinana tsotra sy sarobidy izay ampianarin’ireo soratra masina ireo na ny fomba nanatevenan’izany ny fahalalany an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Azonao zaraina amin’ny iray kilasy ihany koa ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny soratra masin’ny andro farany sy ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao.

Afaka mampihatra finoana isika rehefa hiresaka momba ireo fanontaniana mikasika ny nandikana ny bokin’i Abrahama.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Mampatanjaka finoana eo am-pampianarana tantaran’ny Fiangonana. Rehefa mampianatra tantaran’ny Fiangonana ianao dia ataovy izany amin’ny fomba izay hankahery ny finoan’ny mpianatra fa i Jesoa Kristy dia namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany tety an-tany tamin’izao andro farany izao. Ampio ny mpianatra hahita ny fomba nanatontosan’i Joseph Smith tamim-pahatokiana ny iraka nampanaovina azy amin’ny maha-mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny azy. Mampiasà loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra (toy ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany), ny fitaovana fampianarana nomena, ary loharanom-pitaovana azo itokisana hafa mba hanampiana ny mpianatra hijery ny fizotry ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny masom-pinoana.

Asehoy ity sary manaraka ity ary hazavao fa izy io dia sombina papirosy Egyptiana iray izay efa an’i Joseph Smith.

Sary
papirosy Egyptiana

Asao ny mpianatra hanazava ny zavatra fantany mikasika ny nahazoana ilay papirosy sy ny tantaran’izany (jereo ny fizarana 3 sy 4 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

  • Inona no fanontaniana nipoitra avy tamin’ny fandalinana ireo sombina papirosy izay nisy teo am-pelatanana? (Asao ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany avy amin’ny fizarana 4 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no ho zarainao amin’ny olona iray izay manana olana amin’ny ankapobeny amin’ny nandikana ny bokin’i Abrahama?

Rehefa mamaly ilay fanontaniana teo aloha teo ny mpianatra dia mampiasà ny iray na ny mihoatra izany amin’ireo fanontaniana hoentina hanaovana fanarahamaso etsy ambany mba hanohizana ny fifanakalozan-kevitra. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ihany, omeo fahafahana ny mpianatra handinika izay novakiany tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hametraka izay fanontaniana mety hananany momba ny bokin’i Abrahama.

  • Inona no ataonao rehefa tsy afaka mahazo valim-panontaniana mazava tsara amin’ny fanontaniana ara-pilazantsara anananao ianao, toy ireo mahakasika ny bokin’i Abrahama?

  • Inona avy ireo porofo sasany izay nivoaka hatramin’ny nivoahan’ny bokin’i Abrahama ka manohana ny fahamarinany? (Jereo “Ny Bokin’i Abrahama sy ny Tontolo Fahagola” ao amin’ny fizarana 4 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray fa fomba azo antoka indrindra hanamarinana ny fahamarinan’ny bokin’i Abrahama? Nahoana?

Farano amin’ny fanomezana ny mpianatra fahafahana hizara ny andalan-tsoratra masina ankafiziny indrindra ao amin’ny bokin’i Abrahama sy hijoro ho vavolombelona momba an’io boky io sy ny soratra masin’ny Famerenana amin’ny laoniny hafa.

Ho an’ny lesona manaraka

Asaivo dinihan’ny mpianatra hoe toy ny ahoana indraindray no fiheverany ny tenany. Asao ihany koa izy ireo handinika ny mety ho fitaomana afaka ny hananan’izy ireo eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny mandrakizay? Amporisiho ireo mpianatra hivonona hifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny momba ny drafitr’ Andriamanitra ho azy ireo sy ny hoaviny amin’ny fotoana manaraka.