Institiota
Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fahitana Voalohany


“Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fahitana Voalohany,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny Fahitana Voalohany

Niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany tamin’ny taona 1820. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra tsara ny fitantaran’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany izay hitany, hamantatra fotopampianarana sy fitsipika izay azon’izy ireo ianarana avy amin’ilay fahitany, ary hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo fa nahita ny Ray sy ny Zanaka i Joseph Smith.

Fanamarihana: Ny fitadiavan’i Joseph Smith ny fahamarinana araka izay notantaraina ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:5–13 dia horesahina amin’ny antsipiriany kokoa ao amin’ny lesona 3 ato amin’ity taranja ity.

Sosokevitra enti-mampianatra

Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ity teny nambara ity, izay nalaina tao ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:21:

“Ny zavatra toy ny fahitana sy ny fanambarana dia tsy misy intsony amin’ izao andro izao.”

  • Inona no zavatra tsapanao momba ireo teny ireo?

  • Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha nino ireo teny ireo ianao?

Hazavao fa mpitory teny Metôdista iray no nilaza ireo teny ireo rehefa nitantara taminy ny Fahitana Voalohany i Joseph Smith. Asao ny mpianatra hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:15–19, dia asao izy ireo hieritreritra momba ny fomba hanoheran’ny fitantaran’i Joseph ny zavatra niainany an’ireo teny nolazain’ilay mpitory teny ireo. Rehefa avy mamaky ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny eritreriny.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Asao ny mpianatra hamaky teny ao an-dakilasy. Azo atao amin’ny fomba isan-karazany ny famakian-teny ao an-dakilasy, toy ny famakian’ny mpianatra amim-pahanginana ny soratra masiny, ny famakian’ny mpianatra iray teny amin’ny feo mafy, ny fifandimbiasan’ny mpianatra mamaky mafy ireo andininy, ny fiarahan’ny mpianatra mamaky mafy, sy ny sisa.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary niresaka taminy.

Manasà mpianatra vitsivitsy izay maniry ny hijoro ho vavolombelona momba ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith mba hamaly ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no fomba nahazoanao fijoroana ho vavolombelona ara-panahy momba ny Fahitana Voalohany?

Mianatra fahamarinana manan-danja avy amin’ireo tantara momba ny Fahitana Voalohany isika.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa fitantarana efatra samy hafa momba ny Fahitana Voalohany no fantatsika fa nozarain’i Joseph Smith. Manana fitantarana dimy ankoatra izay momba io fahitana io koa isika izay noraketin’ireo izay nahare an’i Joseph niresaka izany. Tahaka ny maha-samy hafa ny tantara momba ny fiainan’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny Matio, Marka, Lioka ary Jaona, dia manamafy ireo lafin-javatra samihafa momba ny zavatra niainan’i Joseph ny fitantarana tsirairay momba ny Fahitana Voalohany izay hitany. Kanefa dia samy mizara zavatra manan-danja momba ny zavatra hitan’i Joseph sy reny avokoa izy ireo. Manandrana mandà ny fisian’ny Fahitana Voalohany ny olona sasany noho ny fahasamihafan’ireo fitantarana isan-karazany. (Ohatra hoe, ilay fitantarana tamin’ny 1832 dia manamafy fa nikatsaka famelana ny fahotany i Joseph ary nampiasa ihany koa ilay anarana fiantsoana hoe “ny Tompo” fa tsy niresaka ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny fomba miavaka tsara. Ilay fitantarana tamin’ny 1835 dia mitantara fa ny Ray any An-danitra no niseho voalohany, ary nanakara Azy avy eo ny Mpamonjy.)

Mba hanazavana ny antony hisian’ny fahasamihafana eo amin’ireo fitantarana ireo, dia angataho ny mpianatra hieritreritra zavatra niainana lehibe na manan-danja iray izay efa nitranga teo amin’ny fiainany.

  • Ahoana no mety hiovan’ny fitantarana izany zavatra niainana izany arakaraka izay olona mihaino anao? Ahoana no mety hiovan’izany arakaraka ny fotoana na ny antony nitantaranao an’ilay zavatra niainana?

  • Inona no havalinao ny olona iray izay miady hevitra fa ny fahasamihafana eo amin’ireo fitantarana isan-karazany momba ny Fahitana Voalohany dia mahatonga anao hisalasala ny amin’ny tena fisian’ny zavatra niainan’i Joseph? (Raha ilaina, dia amporisiho ny mpianatra hieritreritra momba ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno ity: Ianarantsika avy amin’ny Fahitana Voalohany fa …

Hazavao fa afaka mianatra fahamarinana mahatalanjona avy amin’ny fitantaran’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany isika. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina niomana ho amin’ity fotoam-pianarana ity izy ireo tamin’ny alalan’ny fanaovana ny lisitr’ireo fahamarinana hitan’izy ireo avy amin’ireo fitantarana ny Fahitana Voalohany ireo. Raha ilaina dia omeo fotoana ny mpianatra hijerena ny zavatra nasian’izy ireo marika sy ireo fahamarinana nosoratany. (Mety ilainao ny manome fotoana ny mpianatra handalinany ireo fitantarana ao an-dakilasy raha manambatra ireo lesona roa voalohany ianao ary tsy afaka nanomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra.)

Asao ny mpianatra hizara ny sasantsasany amin’ireo fahamarinana hitany sy ny andininy, na ireo andininy, na ny ampahany amin’ilay fitantara izay mampianatra ireo fahamarinana ireo. Soraty eo ambanin’ilay fehezan-teny tsy feno vao nosoratanao teny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.

Fanamarihana: Mba hahitana ohatra amin’ireo fahamarinana izay azontsika ianarana avy amin’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith, dia jereo ilay lahateny hoe “La Première Vision : la clé de la vérité” (Liahona, juin 2017, 27–31) nataon’ny Loholona Richard J. Maynes ao amin’ny Fitopololahy, izay asaina vakina ao amin’ny fizarana “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Rehefa mizara ireo fahamarinana hitany ny mpianatra, dia hevero ny hametraka amin’izy ireo ny iray na ny mihoatra amin’ireto fanontaniana fanaraha-maso ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny mahafantatra sy mahatakatra io fahamarinana io?

  • Inona no fitahiana azonao avy amin’ny fahafantarana izany fahamarinana izany?

  • Inona no ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny zavatra nianaranao momba ny Fahitana Voalohany?

Afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Fahitana Voalohany isika.

Hazavao fa olona maro teo amin’ny fiarahamonina nisy an’i Joseph no nitsipaka ny fijoroany ho vavolombelona momba ny zavatra hitany sy reny ary maro no nanenjika azy noho izany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:21–23).

Asao ny mpianatra hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25, ary hitady ny fomba namalian’ny Mpaminany Joseph Smith an’ireo izay nanaraby ny fijoroany ho vavolombelony momba ilay fahitana.

  • Andian-teny inona avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith no toa nanan-danja taminao? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith manampy anao raha misy manaraby na mitsipaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fahitana Voalohany sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny?

Asehoy eny amin’ny solaitrabe na zarao amin’ny mpianatra ity teny nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Nandritra ny 150 taona mahery, dia nandany ny androm-piainany tamin’ny fiezahana nanohitra ny fahamarinan’izany fahitana izany ireo fahavalo sy ny mpitsikera ary ireo olona sasany izay milaza ho manam-pahaizana. Mazava ho azy fa tsy afaka nahatakatra izany izy ireo. Ny Fanahin’ Andriamanitra no mahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra. Tsy mbola nisy zavatra azo nampitahaina tamin’izany ny halehibeny hatramin’ny naha-tety an-tanay ny Zanak’ Andriamanitra nandritra ny fiainana an-tany. Raha tsy nisy izany amin’ny maha-vato fototry ny finoantsika sy ny fiangonantsika azy, dia tsy nisy ny fiangonantsika. Noho ny fisian’izany dia manana ny zavatra rehetra isika.

Maro ireo zavatra efa nosoratana, ary maro no mbola hosoratana, mba hiezahana hanamarina raha nisy izany. … Saingy ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy Masina, izay tsapan’ny olona tsy tambo isaina nandritra ireo taona maro hatramin’ny nitrangan’izany dia mijoro ho vavolombelona fa marina izany, fa nitranga araka izay nolazain’i Joseph Smith fa nitrangany izany. (Gordon B. Hinckley, “Four Cornerstones of Faith,” Ensign, Feb. 2004, 5)

Amporisiho ireo mpianatra izay mety maniry ny hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba an’i Joseph Smith sy ny Fahitana Voalohany mba hanaraka ny ohatr’i Joseph tamin’ny fikatsahana ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fanohizana mandalina ireo tantara ireo sy ny fangatahana an’ Andriamanitra mba hanamafy amin’izy ireo ny tena fisian’ny Fahitana Voalohany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Azonao atao ny mamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Ho an’ny lesona manaraka

Angataho ny mpianatra hieritreritra ireo fanontaniana manahirana izay mety ananan’izy ireo na ny hafa momba ireo fampianarana, na ireo fomba amam-panao, na ny tantaran’ny Fiangonana. Hazavao fa amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia hianatra ny zavatra tokony hatao izy ireo rehefa misy fanontaniana na olana sarotra miseho. Amporisiho ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 3 mba hahafahan’izy ireo ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hifanakalo hevitra momba ireo fitsipika izay hanampy azy ireo hahazo fahalalana ara-panahy misimisy kokoa.