Institiota
Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fahafahantsika ho tonga andriamanitra


“Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fahafahantsika ho tonga andriamanitra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra (2019)

“Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fahafahantsika ho tonga andriamanitra

Ny Tompo dia nanambara tamin’i Joseph Smith ny voninahitry ny drafitry ny fanavotan’ny Ray any An-danitra sy ny fahafahana ananantsika ho tonga tahaka Azy. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hampitombo ny fankasitrahany ny drafitry ny Ray sy hahatakatra lalindalina kokoa ny hoe iza izy ireo ary inona no azon’izy ireo atao mba hanatrarana ny fahafahany ho tonga andriamanitra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nandray fahamarinana manan-danja mikasika ny drafitry ny famonjena i Joseph Smith.

Asao ny mpianatra hanazava izay mety ho fahatakaran’ny ankamaroan’ny Kristiana sy ireo mpikambana vaovao tany am-boalohandohan’ny Fiangonana mikasika an’ Andriamanitra sy ny fiainana any an-koatra talohan’ny nahazoana ireo fanambarana nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith momba ireo lohahevitra ireo. (Afaka mamerina mijery ny fizarana 1 sy 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra.)

  • Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia oviana ary ahoana no nanambaran’ny Tompo an’ireo fahamarinana momba ny drafitry ny famonjena tamin’i Joseph Smith?

  • Inona avy ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny sasany momba ilay drafitra izay eritreretinao fa mety ho tena nanova ny fiainan’ireo Olomasina tany am-boalohany indrindra? Noraketina taiza ireo fahamarinana ireo? (Jereo ny fizarana 1 sy 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Eo am-pamalian’ny mpianatra an’ireo fanontaniana teo aloha dia azonao ampijerena indray ireo andalan-tsoratra masina voalaza ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, toy ny Mosesy 1:39 sy ny Abrahama 3:22–26 ny mpianatra. Ampio ny mpianatra hamantatra ary hanazava fahamarinana tahaka ity manaraka ity: Ny asa sy voninahitr’ Andriamanitra dia ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona (jereo ny Mosesy 1:39). Fanahy niara-niaina tamin’ny Ray any An-danitra isika talohan’ny nahaterahantsika (jereo ny Abrahama 3:22–23). Ny Tompo dia nahary ny tany ho toerana hisafidianantsika ny hankatò na tsy hankatò an’ Andriamanitra (jereo ny Abrahama 3:24–25).

  • Alaivo sary an-tsaina hoe hanao ahoana ny fiainanao raha tsy nahafantatra momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ianao. Araka ny hevitrao dia nitondra fiantraikany teo amin’ny fomba fieritreretanao sy fandraisanao fanapahan-kevitra ary fandraisanao andraikitra tamin’ny fomba ahoana ny fahafantaranao momba ilay drafitra?

Nampianatra momba ny fahafahana ananantsika ho tonga andriamanitra i Joseph Smith.

Hazavao fa tamin’ny “7 aprily 1844 dia nijoro i Joseph Smith mba hanao lahateny, izay lasa ny fihaonambe farany natrehany. Rehefa avy nangataka ny Olomasina mba -hifantoka tsara,- … i Joseph dia nampianatra ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ny fivoarana mandrakizay izy” (“King Follett Discourse,” Church History Topics, ChurchofJesusChrist.org/study/church-history).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny teny voalazan’i Joseph Smith avy ao amin’ilay lahateny King Follett izay hita ao amin’ny fiantombohan’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Inona no ianaranao avy amin’ny fampianaran’i Joseph momba ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra?

Hazavao fa tamin’ny 1995 dia namoaka lahatsoratra iray antsoina hoe “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ao anatin’izany izy ireo dia nanambara hoe:

Ny olombelona rehetra—lahy sy vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra. …

Tany amin’ny fanjakana talohan’ny nahaterahana, ireo fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy dia nahafantatra sy nanompo an’ Andriamanitra tahaka ny Rainy mandrakizay ary nanaiky ny drafiny izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahakan’ Andriamanitra amin’ny maha mpandova ny fiainana mandrakizay azy. (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org)

  • Amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika dia afaka ny ho lasa inona isika amin’ny mandrakizay? (Ampio ny mpianatra hamantatra fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity: Amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra antsika dia manana fahafahana ny ho lasa tahaka Azy isika.)

Asehoy na apetraho ireto fantontaniana manaraka ireto ary omeo iray na roa minitra ny mpianatra hisaintsainana momba azy ireo ary hanoratana izay fahatsapana mety ho tonga ao amin’izy ireo.

  • Ahoana no hiantefan’izany fahamarinana izany amin’ny fomba fijerinao ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra? Inona no fiantraikan’izany amin’ny fomba fijerinao ny tenanao sy ireo olona manodidina anao? Ahoana no hahafahan’izany miantefa amin’ny fomba hiainanao ny fiainanao?

Nampiseho antsika ny fomba hahafahantsika mandray ny fahafenoan’ny voninahitr’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana selestialy i Jesoa Kristy.

Soraty eny amin’ny solaitrabe na asehoy ny teny hoe Lanitra sy Afobe, dia anontanio ny mpianatra ny zavatra ninoan’ny ankamaroan’ny Kristiana tamin’ny taonjato faha-19 momba ny hoe iza no handeha hankaiza.

Asao ny mpianatra hitadidy izay nianarany avy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 momba ny fiainana any an-koatra sy ny fahazoana voninahitra selestialy. (Mety mila mamerina mamaky kely ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–54 ny mpianatra.) Azonao anontaniana ny mpianatra ihany koa ny zavatra nianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ireo fahamarinana nambara tao amin’ny fizarana 76.

Asehoy izao fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka izao:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Maheno olona maro izay sahirana amin’ity olana ity aho manerana ny Fiangonana: “Tsy tsara tsotra izao aho.” “Mora lavo loatra aho.” “Tsy ho mendrika mihitsy aho.” Henoko lazain’ireo zatovo izany. Henoko lazain’ireo misiônera izany. Henoko lazain’ireo vao niova fo izany. Henoko lazain’ireo vao mpikambana efa hatrizay izany. (Jeffrey R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 40)

Azonao asaina ny mpianatra handinika ireo fotoana teo amin’ny fiainan’izy ireo izay nahatsapan’izy ireo tahaka izany.

Manasà mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42, 69 hitadiavana ilay anjara asa tena ifotoran’ny zava-drehetra izay ananan’i Jesoa Kristy ao amin’ilay drafitra.

  • Inona no anjara asa ananan’i Jesoa ao amin’ny fikatsahantsika ny fiainana mandrakizay? (Ampio ny mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Tsy afaka ny ho lasa tanteraka isika raha tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny mahatsiaro fa ny fahalavorariana sy ny fisandratana dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany?

Vakio miaraka amin’ny iray kilasy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–13, hitadiavana izay ampianarin’ilay andalan-tsoratra masina momba ny lalana nodiavin’ny Mpamonjy mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra.

  • Araka ny eritreritrao, dia inona ny dikan’ny hoe ny Mpamonjy dia “nanohy ny fahasoavana niampy fahasoavana ambara-pandraisany ny fahafenoana” ?

  • Ahoana no hahafahan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy manampy anao handresy ireo fahatsapana fahakiviana eo am-pikatsahanao ny fiainana mandrakizay?

Asehoy ary vakio ity teny manaraka avy amin’ny Loholona Holland ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Izaho dia mijoro ho vavolombelona ny amin’izany anjara goavana izany izay atolotra ho antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo, izay Izy Tenany aza nanohy “fahasoavana niampy fahasoavana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:13] mandra-pandraisany tao amin’ny tsy fahafatesany [jereo ny Lioka 13:32] ny fahafenoan’ny voninahitra selestialy. Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’izao ora izao sy amin’ny ora rehetra, miaraka amin’ny tanany misy holatra, dia manolotra izany fahasoavana izany amintsika Izy, tsy kivy amintsika ary mankahery antsika, tsy handao antsika raha tsy tonga soa aman-tsara any amin’ilay fonenantsika eo an-tsandrin’ny Ray aman-dReny any An-danitra isika. Tohiziko ny ezaka na dia mitavozavoza aza aho mba hahatongavana amin’izany fotoana tonga lafatra izany. Tohiziko ny fanehoana fankasitrahana na dia tsy ampy fahaizana aza, noho izany fanomezana tonga lafatra izany. Ataoko izany amin’ny anaran’ilay Tonga Lafatra, Ilay tsy mba nitavozavoza velively na Ilay tsy mba hoe tsy ampy fahaizana, kanefa dia tia antsika rehetra, dia i Jesoa Kristy Tompo izany. (Jeffery R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 42)

Asao ny mpianatra hisaintsaina mandritra ny iray minitra momba ny hoe inona no tena hanampy azy ireo indrindra handroso mankamin’ny fiainana mandrakizay amin’izao fotoana izao indrindra. Farano amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona fa amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehony dia afaka mandray ny fiainana mandrakizay sy miditra ao amin’ny fanjakana selestialy isika.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Tohizo hatrany ny famporisihana ny fanomanana ataon’ny mpianatra. Noho ny mpianatra efa dilan’ny antsasadalana ao amin’ity fandaharam-pianarana ity izao dia azonao asaina izy ireo hizara ny fiantraikan’ny fiomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana eo amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao amin’ilay taranja. Azonao zaraina ity teny famporisihana manaraka avy amin’ny Loholona Kim B. Clark ao amin’ny Fitopololahy ity: “Rehefa manao ny anjaranao ianao, izany hoe mivavaka amim-pinoana, miomana, mandalina, mandray anjara mavitrika, ary manao izay tsara indrindra vitanao, dia hampianatra anao ny Fanahy Masina, sy hampitombo ny fahaizanao mampihatra ny zavatra nianaranao, ary hanampy anao ho lasa tahaka izay tian’ny Tompo hahatongavanao” (“Learning for the Whole Soul,” Ensign, Aug. 2017, 27).

Ho an’ny lesona manaraka

Angataho ny mpianatra mba handinika ny zavatra niova teo amin’ny fiainany noho ireo tempoly sy ôrdônansin’ny tempoly. Hazavao fa amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia hianatra ny antony nisehoan’ireo mpaminany fahiny tamin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery tao amin’ny tempolin’i Kirtland izy ireo. Amporisiho izy ireo handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 16 mba hahafahan’izy ireo mivonona hifanakalo hevitra momba ireo fitsipika izay hanampy azy ireo hanao ny tempoly ho ampahany lehibe kokoa eo amin’ny fiainany.