Institiota
Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fanangonana an’i Isiraely


“Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fanangonana an’i Isiraely,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fanangonana an’i Isiraely

Nampanantena i Jesoa Kristy ny hanangona ny olony amin’ny andro farany (jereo ny 3 Nefia 21: 22–29). Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny anjara andraikiny amin’ny fanampiana ny Tompo hanangona an’i Isiraely. Hanampy ireo mpianatra ihany koa izany mba handrafitra ny fomba handraisan’izy ireo anjara bebe kokoa ao amin’izany fanangonana izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nandidy ny Olomasiny mba hiangona ny Tompo.

Ampisehoy ity sary manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1-2 .

Sary
Impiry, nataon’i Liz Lemon
  • Inona no mety ho ampianarin’ny kisary ao amin’ireo andininy ireo momba ny Mpamonjy? Inona no tian’i Jesoa Kristy hataon’ny vahoakany?

Resaho ilay teny hoe “nanonitra” ao amin’ny andininy 1. Hazavao fa ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa “amin’ny fiteny Hebreo, ny teny fototra ampiasaina amin’ny sorompanavotana dia kaphar, matoateny iray izay midika hoe -manarona- na -mamela.-” (“The Atonement,” Ensign, nôv. 1996, 34).

  • Araka ny andininy 2, iza no vahoakan’ny Tompo tiany hangonina sy horakofany amin’ny sandrin’ny famindram-pony?

Hazavao fa ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ary ireo fanambarana maro nomena an’i Joseph Smith dia mampianatra avokoa fa hanangona ny vahoakany, i Isiraely miely patrana, ny Tompo amin’ny andro farany (jereo ny Ezekiela 28:25; 2 Nefia 10:8; sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:6).

Asao ireo mpianatra hanazava ny zavatra takatr’izy ireo momba ny fanangonana an’i Isiraely. (Amporisiho izy ireo hampiasa ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Azonao atao ihany koa ny mametraka fanontaniana toy izao manaraka izao mba hanamafisana ny fifanakalozan-kevitra:

  • Nahoana araka ny hevitrao no ho antsoin’ny Filoha Nelson hoe “ilay fanamby lehibe indrindra sy tanjona lehibe indrindra ary asa lehibe indrindra eto ambonin’ny tany ankehitriny” ilay fanangonana? (“Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018, fanampin-dahatsoratra ao amin’ny New Era sy Ensign, 8, ChurchofJesusChrist.org;), efa nisy hatrany am-boalohany ireo sora-mandry).

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo sy ny toetrany amin’ny alalan’ny fanaparitahana sy ny fanangonana ny olon’ny fanekempihavanany?

  • Inona avy ny sasantsasany amin’ireo antony hanirian’ny Tompo ny Olomasiny mba hiara-hiangona?

Hazavao fa tamin’ny volana desambra 1830, i Joseph Smith dia nandray fanambarana iray izay nandidy ny Olomasina hifindra tany Ohio (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1–3). Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny janoary 1831, dia nahazo fanambarana fanampiny i Joseph nanome ny antony nandidian’ny Tompo ny Olomasina mba hiangona sy nanazava ireo fitahiana nampanantenaina amin’ny fanaovana izany.

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:28, 31–33, ka hitady ireo fomba hitahiana ny Olomasina raha toa ka nankatò ny didy mba hiangona tany Ohio izy ireo. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Azonao atao ny manantitrantitra ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia manangona ny olony mba hiarovana sy hanatanjahana azy ireo ara-panahy.

  • Ahoana no ahafahantsika mahazo fiarovana sy tanjaka ara-panahy avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fiarahana miangona amin’izao fotoana izao ao amin’ny paroasintsika, ny tsatòkantsika ary ny tempolintsika?

  • Karazana fiarovana toy ny ahoana no efa azonao noho ny fiarahanao miangona amin’ireo Olomasina hafa?

Miantso sy manampy ny mpanompony mba hanangona an’i Isiraely ny Tompo.

Resaho indray ilay sarina reniakoho manangona ny zanany eo ambany elany. Asehoy ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia niantso antsika ary hanampy antsika hanangona an’i Isiraely.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:4–7 sy ny 84:86–88, ka hitady ireo fomba hanampian’ny Tompo antsika rehefa manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely isika. Asaivo mizara izay zavatra hitany ireo mpianatra.

Mba hahitana ohatra iray amin’ny fomba hanampian’ny Tompo antsika mba hanangona an’i Isiraely, dia asao ireo mpianatra hitantara na hamaky miaraka ny tantaran’ny asa fitoriana nataon’i Heber C. Kimball tany Angletera izay hita ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Azo atao ao anatina vondrona kely maromaro izany. Asao ny vondrona tsirairay (na ny iray kilasy) hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy nijery ny tantaran’i Elder Kimball:

  • Inona no azoko ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Heber C. Kimball izay mety hanome ahy fahatokisana bebe kokoa amin’ny fanampiana mba hanangona an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa?

  • Oviana aho no nahatsapa ny fanampian’ny Tompo rehefa nitory ny filazantsara?

  • Inona no azoko atao entina mampihatra ny finoako sy hizarako bebe kokoa ny filazantsara amin’ny hafa?

Asehoy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny mpianatra hamaky ilay teny nambara ary avy eo dia hizara ny fomba nizarany ny hafatry ny filazantsara tamin’ny hafa tamin’ny fomba mahomby kanefa toy ny mandeha ho azy.

Na aiza na aiza misy anao eto an-tany dia misy fahafahana marobe hizarana ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona mifanena sy miara-mianatra, miara-mipetraka, miara-miasa na mifanerasera aminao. … Maro ireo fomba tsotra sy voajanahary hanaovana izany. Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 17)

Afaka mirotsaka ao amin’io asa mahatalanjona fanangonana an’i Israely io isika.

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Nelson ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Isaky nymanao zavatraizay hanampy olona amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao, hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. (Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” 15; efa nisy hatrany am-boalohany ireo sora-mandry)

  • Araka ny fampianaran’ny Filoha Nelson, inona koa no azontsika atao mba hanampiana ny Tompo hanangona an’i Isiraely? (Ampio ny mpianatra hahita fitsipika iray mitovy amin’ity manaraka ity: Manangona an’i Isiraely isika rehefa manampy ireo zanak’ Andriamanitra hanao dingana amin’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana natao Taminy.)

Fanamarihana: Ny mpianatra dia afaka miresaka momba ny fanangonana ny Isiraely amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny fanompoana ao amin’ny tempoly ao amin’ny lesona 19, “Fanavotana ny maty.”

Asao ireo mpianatra hamantatra ireo fomba manokana maromaro ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hizara ireo zavatra niainan’izy ireo izay mifandray amin’ireo zavatra hita tao anatin’ilay lisitra.

Manomeza fotoana ho an’ny mpianatra mba hisaintsaina izao fanontaniana manaraka izao izay hita ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy hanoratana tanjona iray izay tsapan’izy ireo fa azony tontosaina. Azon’izy ireo atao ny manao drafitra iray hanatanterahana ny tanjon’izy ireo miaraka amin’ny namana na vondrona ao amin’ny kilasy. Azonao atao koa ny manontany raha vonona hanao tatitra momba ny zavatra niainany nandritra ny fifanakalozan-kevitra manaraka ny mpianatra sasany.

  • Inona no hataonao ao anatin’ny andro sy herinandro ho avy mba handraisana anjara mavitrika kokoa amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Farano amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona fa manangona an’i Isiraely ny Tompo amin’ny andro farany. Omeo toky ireo mpianatra momba ny fiarovana sy tanjaka homen’ Andriamanitra azy ireo rehefa miangona miaraka amin’ny Olomasina hafa izy ireo sy rehefa manampy manangona an’i Isiraely.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa ny fanangonana an’i Isiraely dia mifandray akaiky amin’ny asan’ny Tompo amin’ny fanorenana an’i Ziona eto an-tany ho fanomanana ny Fiaviany fanindroany. Asao ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka ary ho tonga vonona hifanakalo hevitra momba ny atao hoe Ziona sy ireo fitahiana azo avy amin’ny fanampiana amin’ny fananganana an’i Ziona ao amin’ny tokantrano sy ny tsatòkan’izy ireo.