Institiota
Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanambarana mikasika ny Fisoronana


“Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanambarana mikasika ny Fisoronana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Sary
fianakaviana eo anoloan’ny tempoly

Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fanambarana mikasika ny Fisoronana

Moa ve ianao efa nanontany tena na nangatahina mba hanazava ny antony namerana ny Olomasin’ny Andro Farany taranaka afrikana mainty fihodirana tsy hotendrena ho amin’ny fisoronana sy handray ireo ôrdônansin’ny tempoly nandritra ny fotoana iray? Rehefa mandalina ianao dia fantaro izay fantatsika sy tsy fantatsika momba ny famerana tsy hihazona ny fisoronana sy ny ho ao amin’ny tempoly. Tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa io lohahevitra io ary hazavao amin’ny hafa amin’ny fomba marina sy mahatoky izany.

Fizarana 1

Inona no fantatsika momba ny fiandohan’ny famerana tsy hihazona ny fisoronana sy ny ho ao amin’ny tempoly?

“Ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra fa -ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra- anisan’izany -ny mainty sy ny fotsy, na andevo na olona afaka, na lahy na vavy- (2 Nefia 26:33). Mandritra ny tantaran’ny Fiangonana, ireo olona avy amin’ny fiaviana rehetra sy ny foko ao amin’ny firenena maro dia natao batisa ary miaina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mahatoky. Nandritra ny fiainan’i Joseph Smith dia mpikamban’ny Fiangonana mainty hoditra vitsivitsy no nahazo ny fisoronana. Tamin’ny fiandohan’ny tantarany, ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana dia nanajanona ny fanomezana ny fisoronana ireo mainty hoditra taranaka Afrikana. Tsy manome fampahalalana mazava momba ny fiandohan’io fomba fanao io ny tahirintsoratry ny Fiangonana” (fampidirana ny Filazana Ôfisialy 2).

Sary
sarin’i Elijah Able

I Elijah Abel dia iray amin’ireo lehilahy mainty fihodirana vitsivitsy notendrena ho amin’ny fisoronana teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana tany am-piandohana.

Nandritra io fotoana io, ireo lehilahy sy vehivavy mainty fihodirana dia noferana tsy handray ny ôrdônansin’ny tempoly, fa navela hatao batisa sy handray ny fanomezana ny Fanahy Masina kosa izy ireo. Na dia betsaka aza ny tsy fantatra momba ny fiandohan’ny famerana tsy hihazona ny fisoronana sy ny ho ao amin’ny tempoly, ireo mpaminanin’ny andro farany, anisan’izany i Brigham Young, David O. McKay, ary Harold B. Lee, dia nampianatra fa ho avy ny fotoana hahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra, na inona na inona firazanany, mahazo ny fitahian’ny filazantsara rehetra (jereo ny “The Long-Promised Day,” Ensign, June 2018, 34).

Nandritra ny taona maro dia nisy ny mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana sasany nanolotra ireo mety ho antony nahatonga ny famerana ny fihazonana ny fisoronana sy ny fidirana ao amin’ny tempoly. Na izany aza, ireo fanambarana ireo dia hevitra manokana fotsiny ary tsy maneho ny fotopampianaran’ny Fiangonana.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, izay tsy mbola Apôstôly tamin’ny fotoana nanesorana ny famerana hihazona ny fisoronana sy hiditra ny tempoly, dia nilaza momba ny fihetseham-pony talohan’ilay fanambarana izay nanaisotra ireo famerana ireo:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Nodinihiko ny fijaliana sy ny fahasorenana niainan’ireo izay niharan’ireo famerana ireo ary ireo izay … niezaka nitady antony [ho an’izany]. Nandalina ireo antony nomena tamin’izany aho ary tsy afaka ny nahatsapa fanamafisana ny fahamarinan’izy ireny. Tao anatin’ny fandalinana ombam-bavaka nataoko dia nianatra aho fa amin’ny ankapobeny dia mahalana ny Tompo no manome ny antony anomezany ireo didy sy torolalana ho an’ireo mpanompony. Nanapa-kevitra aho ny tsy hivadika amin’ireo mpitarika antsika voafidin’ Andriamanitra ary hivavaka, araka ny nampanantenana hatrany am-piandohan’ireo famerana ireo, ny hiavian’ilay andro izay hahazoan’ny rehetra ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly. (“President Oaks Remarks at Worldwide Priesthood Celebration,” Aoka ho iray—fankalazana ny fanambarana momba ny Fisoronana, 1 jona 2018, newsroom.ChurchofJesusChrist.org)

Fizarana 2

Inona ireo toe-javatra nahatonga ilay fanambarana avy amin’ny Tompo izay nanitatra ny fanolorana ny fisoronana ho an’ny lehilahy mendrika rehetra ao amin’ny Fiangonana sy ny fitahian’ny tempoly ho an’ny mpikambana mendrika rehetra?

Tamin’ny 1964, i Joseph William Billy Johnson avy tany Cape Coast, Ghana, dia nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny rehefa avy namaky ny Bokin’i Môrmôna sy ireo bokin’ny Fiangonana hafa izay nomena azy. Ny Rahalahy Johnson sy ireo hafa izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia nandefa taratasy ho an’ny Filoha David O. McKay nangataka ny handefasana misiônera tany Afrika mba hanao batisa azy sy ireo hafa izay nizarany ny filazantsara. Namaly ny Filoha McKay fa ny misiônera dia halefa “amin’ny fotoana voatondron’ny Tompo,” fa mandra-pahatonga izany dia tokony hanohy ny handalina ny filazantsara sy hanampy ireo mpiray finoana aminy Rahalahy Johnson (ao amin’ny E. Dale LeBaron, “Steadfast African Pioneer,” Ensign, Dec. 1999, 45–49).

Na dia tsy nanana fahafahana ny hatao batisa aza Rahalahy Johnson tamin’izany fotoana izany, dia nanaparitaka ny hafatry ny filazantsara tao Ghana tamim-pahazotoana nandritra ny taona maro izy sy ny olon-kafa vitsivitsy. Nanangana fivondronan’ny mpino maromaro Rahalahy Johnson ary nitarika azy ireo hanao fifadian-kanina tsy tapaka ka nanditra izany dia nitalaho mba hahatongavan’ireo misiônera tany amin’ny taniny sy hananganana ny Fiangonana eo anivon’izy ireo (jereo ny Elizabeth Maki, “‘A People Prepared’: West African Pioneer Preached the Gospel before Missionaries,” history.ChurchofJesusChrist.org).

Tahaka ireo mpino tao Ghana, dia afrikana mainty fihodirana an’arivony no nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny rehefa niely eran-tany ny asa fitoriana nandritra ny taonjato faha-20. Ireo mpitarika ny Fiangonana dia nahazo aingam-panahy avy tamin’ny finoan’ireto olona ireto ary naniry ny hanomezana azy ireo ny fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly (jereo Filazana Ôfisialy 2).

Nahatsapa faniriana lehibe manokana ny Filoha Spencer W. Kimball hamahana ny famerana ny fihazonana ny fisoronana sy ny fidirana ao amin’ny tempoly nandritra ny fitarihany tamin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy. Notantarainy hoe:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

Nahafantatra aho fa misy zavatra teo anoloanay izay tena manan-danja tokoa ho an’ny zanak’ Andriamanitra maro. … Nandeha irery aho isan’andro isan’andro, tamin’ny fomba mendrikaja sy tamin-kafanam-po lehibe tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny tempoly, ary tao aho no nanolotra ny fanahiko sy nanolotra ny ezako hampandroso ilay fandaharanasa. Te hanao ny zavatra tiany aho. Noresahiko taminy izany ka hoy aho hoe: “Tompo ô, izay mety ihany no tadiaviko. … Izay zavatra tianao ihany no tadiavinay, ka tianay izany amin’ny fotoana itiavanao azy ary tsy alohan’izay” … Nataon’ny Tompo nazava tsara tamiko izay tokony natao. (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 238–39)

Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia: “Tonga tamin’ny Filoha Spencer W. Kimball Filohan’ny Fiangonana ny fanambarana ary nambara tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake ny 1 jona 1978 ” (fampidirana ny Filazana ôfisialy 2).

Tao anatin’ny filazana ampahibemaso nataon’izy ireo dia nilaza ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Ny Filoha Kimball sy ireo mpanolotsainy

Efa nitalaho ela sy tamin-kafanam-po tokoa ho an’ireo rahalahinay mahatoky ireo izahay, ka nandany ora maro tao an’ Efitra Ambony Rihan’ny Tempoly, niangavy ny Tompo hanome ny fitarihany.

Efa nihaino ny fivavakay Izy, ary tamin’ny fanambarana no efa nanamafisany fa efa tonga ilay andro nampanantenaina ela izay ahazoan’ny lehilahy mahatoky rehetra ao amin’ny Fiangonana mandray ny fisoronana masina sy ny hery hampiasa ny fahefan’ Andriamanitra ka hianoka miaraka amin’ny havan-tiany ny fitahiana rehetra azo amin’izany, anisan’izany ireo fitahian’ny tempoly. (Filazana Ôfisialy 2)

Ny Filoha Gordon B. Hinckley, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny fotoana nahazoana ilay fanambarana, dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny hoe toy ny ahoana izany tao amin’ny tempoly izany tamin’io andro io:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

Niara-nanao vavaka tao anatin’ny toe-javatra niainana masina indrindra izahay. Ny Filoha Kimball mihitsy no nanonona ilay vavaka. … Nisy rivotra masina niainana tao amin’ilay efitra. Tamiko izany dia tahaka ny fahatsapana hoe nisokatra ny lalana nankany amin’ny seza fiandrianana masina any an-danitra avy amin’ny fandohalihana sy ny fitalahoan’ny Mpaminanin’ Andriamanitra izay nampian’ny Rahalahiny avy teo. Teo ny Fanahin’ Andriamanitra. Ary tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia tonga tamin’izany mpaminany izany ny fanomezan-toky fa ny zavatra izay nivavahany dia marina. …

Nahafantatra izahay rehetra fa efa tonga ny fotoana izay hisian’ny fiovana ary ilay fanapahan-kevitra dia avy any an-danitra. Nazava ny valinteny. Nisy firaisankina feno teo anivonay tamin’ny zavatra niainanay sy tao amin’ny fahatakaranay. (“Priesthood Restoration,” Ensign, Oct. 1988, 69–70)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Oviana ianao no nahita ny Tompo nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny mpaminaniny? Teo amin’ny androm-piainanao, inona avy ireo fiovana hitanao nataon’ny Tompo eo amin’ny fomba anatanterahan’ny Fiangonany ny asa nanirahana izany? Raha azo atao dia jereo ny ampahany na izy rehetra amin’ny filazana momba ny fanambarana tamin’ny 1978 mikasika ny fisoronana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ary raiso an-tsoratra ny fahatsapanao.

Fizarana 3

Inona no fiantraikan’ilay fanambarana tamin’ny Fiangonana sy ny olona manerana izao tontolo izao?

Rehefa nifarana ny andro sarotra iray, dia nahatsapa ho voatery nandefa ny vata fandraisam-peony ny Rahalahy Billy Johnson teo amin’ny misasak’alina teo nialoha ny handriany. Teo am-pihainoana izy dia naheno ilay vaovao fa nesorina ny famerana tsy hihazonana ny fisoronana. Nitantara izy hoe: “Nitsambikina aho ary nanomboka nitomany sy nifaly tao amin’ny Tompo niaraka tamin’ny ranomaso fa izao no fotoana handefasan’ny Tompo ny misiônera ho any Ghana sy any amin’ny faritra hafa any Afrika mba handray ny fisoronana. … Tena faly aho.” Rehefa tonga tany Ghana ireo misiônera dia nahita vondron’olona izay efa nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ireo. Natao batisa Rahalahy Johnson niaraka tamin’ny mpikambana 600 teo ho eo tao amin’ny vondrona mpivavaka nisy azy. “Taorian’ny naha-filohan’ny sampana voalohany azy tany Cape Coast dia lasa filohan’ny distrika, misiônera tamin’ny fotoana feno, ary patriariky ny tsatòka tany Cape Coast Ghana [Rahalahy Johnson] (jereo ny Elizabeth Maki, “‘A People Prepared’: West African Pioneer Preached the Gospel before Missionaries,” history.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
Elder Cannon manao batisa olona niova fo

Elder Edwin Q. “Ted” Cannon Zanany manao batisa Nijeriana niova fo.

Vokatry ny fanambarana namarana ny famerana ny fihazonana ny fisoronana sy ny fidirana ao amin’ny tempoly dia mitory ny filazantsara any amin’ny firenena maro any Afrika ny misiônera ankehitriny, natsangana ao amin’izany kaontinanta izany ny tempoly, ary an-jatony ny taranaka Afrikana mainty fihodirana nandray ny ôrdônansin’ny filazantsara ho azy ireo manokana ary ho an’ireo razambeny efa nodimandry. Ankehitriny, ireo mpikamban’ny Fiangonana taranaka Afrikana mainty fihodirana dia mitondra anjara biriky sarobidy ho an’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao rehefa miray hina amin’ny Olomasina namany izy ireo ary miezaka ny ho “iray ao amin’i Kristy Jesosy” (Galatiana 3:28).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azonao ianarana avy amin’ny fahavononan’ny Rahalahy Johnson handray sy hiaina ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny na dia nolavina taminy aza ireo tsodranon’ny fisoronana sy ny tempoly nandritra ny fotoana fohy?