Institiota
Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fotopampianaran’ny fanambarana


“Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fotopampianaran’ny fanambarana” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fotopampianaran’ny fanambarana

Sary
zatovovavy mivavaka

Saintsaino ity fanasan’ny mpaminany manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka. … Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96).

Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hampitombo ny fahafahanao ara-panahy mandray fanambarana sy mamantatra fanambarana.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahako mamantatra hoe miresaka amiko Andriamanitra?

Sary
sarin’i Oliver Cowdery

Ny ririnina 1828–29 dia nahare momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo takela-bolamena ny mpampianatra an-tsekoly 22 taona iray antsoina hoe Oliver Cowdery raha tafara-dia tamin’ny ray aman-drenin’i Joseph hankany Palmyra New York izy. Rehefa avy nivavaka samirery i Oliver mba hahafantarany raha marina ny zavatra reny, dia nahatsapa fanomezan-toky feno fiadanana izay nandresy lahatra azy izy. Nankany Harmony Pennsylvanie izy, dia nihaona tamin’ny Mpaminany tany. Koa satria resy lahatra izy fa marina ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny nozarain’i Joseph taminy, dia lasa mpitantsoratr’i Joseph tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Oliver. Tsy ela taorian’ny nanombohan’i Oliver nanampy tamin’ny fandikan-teny, dia nandray fanambarana ny Mpaminany izay nanome toromarika ho an’i Oliver ary niompana tamin’ny faniriany hanampy tamin’ny fandikan-teny. Ireo teny avy amin’ny Tompo ho an’i Oliver izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–15, 22–23 dia manampy antsika hahatakatra kokoa ireo fomba mety hiresahany amintsika.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–15, 22–23.

Rehefa nandray ity fanambarana ity i Joseph dia “nitolagaga i Oliver. Avy hatrany izy dia nilaza tamin’i Joseph momba ny vavaka manokana nataony [teo aloha] ary ny fijoroana ho vavolombelona avy any an-danitra azony. Tsy misy afaka nahalala momba izany ankoatra an’ Andriamanitra” (Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 62).

Rehefa naniry ny handika ampahany tao amin’ny takelaka i Oliver dia nampianatra azy misimisy kokoa mikasika ny fandraisana fanambarana ny Tompo.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–4. Azonao asiana marika ao amin’ny soratra masinao ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Raha niresaka momba ny fomba sady ifandraisan’ny Tompo amin’ny saintsika no ifandraisany amin’ny fontsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nanazava ny fomba iray mety hitrangan’izany izy:

Ny fampitana teny ao am-po dia fahatsapana amin’ny ankapobeny kokoa. Matetika ny Tompo no manomboka izany amin’ny fanomezana fahatsapana. Rehefa misy ny fanekena ny maha-manan-danja azy ireny ary rehefa ankatoavina ireny dia mahazo fahafahana hahazo torolalana amin’ny antsipiriany kokoa ao an-tsaina ny olona iray. (Richard G. Scott, “Helping Others to Be Spiritually Led” [lahateny ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, 11 aog. 1998, 4], ChurchofJesusChrist.org)

Nampianatra ihany koa ny Loholona Craig C. Christensen ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Samy manana traikefa miaraka amin’ny Fanahy Masina avy isika rehetra, na dia mety tsy fantatsika foana aza izy ireny. Rehefa misy eritreritra notaomin’ny Fanahy tonga ao an-tsaintsika dia fantatsika fa marina izy ireny amin’ ny alalan’ny fahatsapana ara-panahy izay miditra ao am-pontsika. (Craig C. Christensen, “Fanomezana iray tsy hay lazaina avy amin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2012, 14)

Indraindray ianao dia mety manontany tena hoe tena avy amin’ Andriamanitra tokoa ve ny eritreritra na fahatsapana iray.

Fizarana 2

Inona no azoko atao mba hanasana ny fanahin’ny fanambarana ho eo amin’ny fiainako?

Sary
zatovolahy mandalina soratra masina

Misy fotoana ianao mety ho sorena satria toa tsy mety tonga ilay fanambarana katsahinao. Rehefa mitranga izany dia azonao atao ny mandinika ny toromariky ny Tompo ho an’i Oliver Cowdery raha nahatsapa fahasosorana izy noho ny tsy fahafahany mandray ny fanambarana ilaina amin’ny fandikana ireo takelaka (jereo ny Olomasina, 1:62–64).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny fomba nampianaran’ny Tompo an’i Oliver araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–8.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Tompo ho an’i Oliver Cowdery:

Hahazo bitsika avy amin’ny Fanahy isika rehefa nanao izay rehetra vitantsika, rehefa miasa any ivelany any miaritra ny masoandro fa tsy maka alokaloka fotsiny dia mivavaka mba hahazo torolalana amin’izay dingana voalohany tokony horaisina. …

Noho izany dia manao izay rehetra azontsika atao isika. Dia miandry ny Tompo isika avy eo mba hanome ny fanambarany. Manana ny fotoany manokana Izy.

… Mitaky fanaovana zavatra izany hoe ampianarin’ny Fanahy izany. Matetika ny fifandraisana avy amin’ny Tompo dia tsy tonga raha tsy efa nandalina manokana ilay zavatra tao an-tsaintsika isika. Aorian’izay vao tonga ny fanamafisana. (Dallin H. Oaks, “In His Own Time, in His Own Way,” Ensign, Aug. 2013, 24, 26)

Na dia efa nampiomana ny tenanao aza ianao mba handray fanambarana amin’ny alalan’ny fahamendrehanao sy ireo asa feno fahatokiana ataonao dia mety tsy ho tonga avy hatrany ilay valiny avy amin’ny Tompo.

Nanoro hevitra ny Loholona Scott hoe:

Inona no ataonao rehefa niomana tsara ianao, nivavaka mafy, niandry valinteny nandritra ny fotoana maharitra, ka tsy mbola nahatsapa ho nahazo valinteny ihany? Azonao atao ny maneho fisaorana rehefa mitranga izany, satria porofon’ny fatokiany anao izany. Rehefa miaina amim-pahamendrehana ianao ka mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny safidinao ary mila manao asa ianao dia tohizo amin’ny fananana fitokiana izany. … Rehefa miaina amim-pahamarinana ianao ka manao asa amim-pitokiana dia tsy hamela anao hanohy lavitra loatra izany Andriamanitra ka hoe tsy hanome fampitandremana iray raha toa ka nandray fanapahan-kevitra diso ianao. (Richard G. Scott, “Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign or Liahona, May 2007, 10)

Sary
sary famantarana, sary maneho fifanakalozan-kevitra

Saintsaino sy hifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nahoana araka ny hevitrao no manantena antsika handalina ilay zavatra ao an-tsaintsika ny Tompo ao anatin’ny fikatsahana fanambarana?

Raha azo atao dia angataho ny namana na olona ao amin’ny fianakaviana iray hizara aminao ny zavatra nataony mba hanasana ny fanambarana. Azonao anontaniana an’io olona io ny fomba nahatongavan’ny fanambarana teo aminy tamin’ny lasa raha nandray fanapahan-kevitra goavana izy. Miomàna hizara ao an-dakilasy ny zavatra sasany nianaranao.

Fizarana 3

Ahoana no fomba mahazatra hahatongavan’ny fanambarana?

Halalino ity teny manaraka avy amin’ny Loholona Bednar ity:

Ny fanambarana sasany dia voaray eo no ho eo sy amin’ny fomba mahery vaika. Ny sasany dia fantatra tsikelikely sy amin’ny fomba malefaka. …

Ny jiro arehitra ao amin’ny efitra maizina iray dia tahaka ny fandraisana hafatra avy amin’ Andriamanitra amin’ny fomba haingana sy feno, ary indray mandeha miaraka. Maro amintsika no efa niaina izany lamin’ny fanambarana izany rehefa nahazo valiny tamin’ny vavaka natao tamin-kitsim-po isika na nomena fitarihana na fiarovana nilaina, araka ny sitrapo sy ny fotoan’ny Tompo. … Kanefa io lamin’ny fanambarana io dia toa lasa tsy dia mateti-pitranga.

Ny fitomboan’ny fahazavana tsikelikely miparitaka avy amin’ny masoandro miposaka dia tahaka ny mandray hafatra avy amin’ Andriamanitra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30). Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraka ny faniriantsika sy ny fahamendrehantsika ary ny fiomanantsika. … Io lamin’ny fanambarana io no mateti-pitranga kokoa. …

Misy toe-javatra iray hafa mateti-pitranga mikasika ny fahazavana izay manampy antsika hianatra fahamarinana fanampiny mikasika ilay lamin’ny fanambarana “an-dalan-tsoratra anampy an-dalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika”. Indraindray ny masoandro dia miposaka amin’ny maraina feno rahona na zavona. Noho ny fisian’ny rahona dia sarotra kokoa ny mahita ny fahazavana, ary ny famantarana ny fotoana marina iposahan’ny masoandro eny amin’ny faravodilanitra dia tsy hay fantarina. Saingy amin’ny maraina tahaka izany dia manana fahazavana ampy ihany anefa isika ahafantarana ny fisian’ny andro vaovao iray izay hanatanterahana ny asa aman-draharahantsika.

Torak’izany koa isika matetika dia mandray fanambarana im-betsaka fa tsy mahafantatra mazava ny fomba na ny fotoana andraisantsika fanambarana. (David A. Bednar, “Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona, mey 2011, 88–89)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Saintsaino dia raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ireo fotoana nandraisanao fitarihana sy fanambarana. Diniho izay nianaranao avy amin’ny zavatra niainanao manokana amin’ny fandraisana fanambarana ary avy amin’ny fandalinanao manokana androany ihany koa. Dia makà minitra vitsivitsy hanoratana ao amina diary na ny faritra voatokana ho amin’izany ao amin’ity boky ity momba ny fomba ahafahan’ireo fitsipika ireo miantraika amin’ny fikarohanao ny valin’ireo fanontaniana anananao ankehitriny.