Institiota
Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fotopampianaran’ny fanambarana


“Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fotopampianaran’ny fanambarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fotopampianaran’ny fanambarana

Nanambara fahamarinana manan-danja mikasika ny fotopampianaran’ny fanambarana tamin’i Joseph Smith sy tamin’olon-kafa ny Tompo tany am-boalohandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahafahany mandray fanambarana sy mamantatra tsaratsara kokoa rehefa miresaka aminy ny Fanahy Masina.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manambara fitsipika mikasika ny fanambarana amin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery ny Tompo.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Manorena tontolo fianarana hanjakan’ny fitiavana sy ny fifanajana ary ahitana tanjona. Rehefa fantatr’ireo mpianatra fa manan-danja sy hajain’ny mpampianany sy ireo mpianatra hafa izy ireo dia azo antoka kokoa fa ho tonga ao an-dakilasy ary ho vonona ny hianatra izy ireo. Ny fahatsapan’ny mpianatra fa tsy mifanilikilika izy ireo dia afaka manalefaka ny fo, mampihena ny tahotra, ary mamporisika ny fizarana zavatra niainana sy zavatra tsapa amin’ny iray kilasy.

Asehoy ity fanontaniana manaraka ity: Inona no toe-javatra misy anao, na fanapahan-kevitra, na fanontaniana anananao ankehitriny izay irianao hahazoana torolalana sy fanambarana avy amin’ny Rainao any An-danitra?

Asao ny mpianatra hieritreritra momba ilay fanontaniana ary hanoratra ny eritreriny. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany raha tsy dia zavatra an’ny tena manokana loatra izany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny lanjan’ity lesona ity eo amin’ny fiainany dia hazavao ireo vokatra iriana ho azo izay voasoritsoritra ao amin’ny fampidirana ity lesona ity.

Asehoy ity sary manaraka ity dia manontania hoe:

Sary
Ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny, nataon’i Joshua Dennis
  • Inona no toe-javatra nitarika an’i Oliver Cowdery hanampy an’i Joseph Smith tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna? (Asao ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana raha ilaina.)

  • Ahoana no namporisihan’ny fanambarana ny fandraisan’i Oliver fanapahan-kevitra hanampy an’i Joseph?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ho setrin’ny fanirian’i Oliver hanampy tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, dia nampianatra azy mikasika ny fandraisana fanambarana ny Tompo. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1–3 . Angataho ny iray kilasy mba hanaraka ny vakiteny ary hitady fahamarinana izay nila notakarin’i Oliver mba hahazoana fanambarana handikana teny.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Mamantatra fitsipika sy fotopampianarana. Ny fitsipika sy fotopampianarana nofantarina mazava tsara dia manampy ny mpianatra hahita ny fahamarinana amin’ny fomba tsotra sy manan-danja. Rehefa misy fotoana azo hanaovana izany dia amporisiho ny mpianatra hitady sy hizara fitsipika sy fotopampianarana avy amin’ny zavatra izay ianarany. Ny fanoratana sy fampisehoana fitsipika, na ny fangatahana ny mpianatra hanoratra fahamarinana ao amin’ny soratra masiny dia hanampy ny mpianatra hisaintsaina izany lalindalina kokoa ary handray fanambarana ny amin’ny fomba azony ampiharana izany.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny fikatsahana sy ny fandraisana fanambarana? (Mety hahita fahamarinana vitsivitsy ny mpianatra, anisan’izany ity manaraka ity: Miresaka ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny Tompo.)

  • Miainga avy amin’ny fandalinanao samirery sy ny traikefanao, dia ahoana avy ireo fomba sasany hiresahan’ny Tompo ao an-tsaintsika? ao am-pontsika? (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Raha ilaina dia asao ny mpianatra hamaky indray ireo soratra masina sy fanamarihana izay nohalalininy tao amin’ny fizarana 1 ao ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misafidy ny hifandray amintsika sady ao an-tsaintsika no ao am-pontsika ny Tompo? (Amporisiho ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany sy nosaintsaininy nandritra ny fandalinany sy fanomanany manokana.)

Hazavao fa rehefa nanandrana nandika teny i Oliver dia sahirana izy tamin’ny fandraisana ny fanambarana nilainy mba hahafahany manohy. Nanontanian’i Joseph sy Oliver ny Tompo ny hoe nahoana i Oliver no sahirana tamin’ilay izy. Asao ny mpianatra hamaky mangiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–9 ary hitady ny lamina nampianarin’ny Tompo an’i Oliver mikasika ny fomba handraisana fanambarana.

  • Inona no lamina nambaran’ny Tompo tamin’i Oliver izay afaka manampy antsika handray sy hamantatra fanambarana? (Matetika ny fanambarana dia tonga aorian’ny fandalinana ireo fanontaniana sy antsipirian-javatra ao an-tsaintsika, sy ny fakana tsoa-kevitra iray, ary avy eo ny fangatahana amin’ Andriamanitra raha toa ka marina izany tsoa-kevitra izany.)

Hazavao fa ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza fa ny hoe “mahamay ny ao anatin’ny tratra” dia mety hilaza “fahatsapana fiadanana sy filaminana” (“Teaching and Learning by the Spirit,” Ensign, Mar. 1997, 13).

Asao ny mpianatra hizara ny eritreriny momba ireto fanontaniana sy fanasana manaraka avy amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ireto.

  • Nahoana araka ny hevitrao no manantena antsika handalina ilay zavatra ao an-tsaintsika ny Tompo ao anatin’ny fikatsahana fanambarana?

  • Inona no nampianarin’ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana anao mikasika ny fanasana sy ny fandraisana fanambarana? Inona no nianaranao avy amin’ireo zavatra niainanao manokana mikasika ny fanasana sy fandraisana fanambarana?

Fanamarihana: Ity asa atao manaraka ity dia natao mba hanomezana ny mpianatra fotoana ampy tsara handinihany ny zavatra ianarany ary hampiharany izany. Amboary araka izay ilaina ny lesona mba hanomezana ny mpianatra fotoana betsaka hisaintsainana, hanoratana, hamakiana, na hivavahana.

Asao ny mpianatra hisaintsaina sy hanoratra mandritra ny minitra vitsivitsy momba izay nianarany mikasika ny fanambarana ary ny ifandraisan’izany amin’ireo eritreritra nosoratany teny am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Na, afaka mivavaka am-pahanginana ihany koa izy ireo mba hahazo fitarihana amin’ireo zavatra nosoratany. Azonao aseho ihany koa ity teny manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity ary asao ny mpianatra hamaky izany am-pahanginana, ka hitady fomba fanampiny hahafahana manasa fanambarana.

Mivavaha amin’ny anaran’i Jesoa Kristy momba ny zavatra manahirana ny sainareo, ny tahotrareo, ny fahalemenareo, eny, ny zavatra tena irin’ny fonareo. Dia mihainoa avy eo! Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo. Rehefa mamerimberina izany dingana izany ianareo isan’andro, isam-bolana, ary isan-taona, dia -hitombo ny fahaizanareo mampihatra ny fitsipiky ny fanambarana” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 132). …

Mamporisika anao aho hampitombo ny fahafahanao ara-panahy amin’izao fotoana izao handray fanambarana ho an’ny tenanao manokana. …

Tsy misy na inona na inona manokatra ny lanitra tahaka ny fitambaran’ny fahadiovana lehibe, ny fankatoavana marina, ny fikatsahana amin-kitsim-po, ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fanokanana fotoana matetika hanaovana asa any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana. (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95–96)

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia manome lamina mikasika ny fandraisana fanambarana.

Hazavao fa ireo fitsipiky ny fanambarana nianaran’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery dia nambara tsikelikely tamin’izy ireo araka ny fitrangan’ny toe-javatra sy ny fanontaniana napetrak’izy ireo. Izany dia maneho fahamarinana lehibe iray nampianarin’ny Tompo ao amin’ny maro amin’ireo fanambarana ireo.

Manasà mpianatra telo hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61; 50:24; 98:12. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ary hitady ny zavatra ampianarin’ireo soratra masina ireo mikasika ny fomba fanambaran’ny Tompo ny fahamarinany sy ny sitrapony amintsika.

  • Ahoana no hamintinanao ny fahamarinana iray ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Tompo? (Amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra dia asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ny fahamarinana iray izay mitovy amin’ity manaraka ity: Manambara fahamarinana amintsika “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” ny Tompo.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izy ireo dia nianatra momba ireo lamina mikasika ny fandraisana fanambarana, avy amin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Manasà mpianatra hizara izay zavatra nanan-danja tamin’izy ireo avy amin’ny fampianarany. Azonao anontaniana azy ireo ihany koa ny fomba hahafahan’io fanoharana mifandraika amin’ny fanambarana io manampy azy ireo hahatakatra kokoa ilay fahamarinana aseho na voasoratra eny amin’ny solaitrabe.

  • Afaka manampy ny olona iray izay mahatsapa ho tsy mandray valiny na fitarihana avy amin’ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana io fahamarinana io?

  • Toy ny ahoana no efa niainanao ilay hoe mahazo valim-panontaniana na fitarihana tonga tsikelikely nandritra ny fotoana ela?

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona na ny fanasana izay mpianatra terem-panahy hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana mikasika ny fanambarana izay nampianarina tao amin’ny lesona.

Ho an’ny lesona manaraka

Anontanio ny mpianatra izay heveriny fa fahagagana lehibe indrindra tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Asao izy ireo handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka mikasika ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ary handinika ireo fahagagana nifamatotra tamin’ny fiarovana sy fandikana ary famoahana ny Bokin’i Môrmôna.