Institiota
Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ilay iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith sy ny nahafatesany ho maritiora


“Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ilay iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith sy ny nahafatesany ho maritiora” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ilay iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith sy ny nahafatesany ho maritiora

Novonoina ho maritiora tao Carthage, Illinois i Joseph sy Hyrum Smith tamin’ny 27 jona 1844. Nanampy famehezana mahery vaika ny tenivavolombelon’izy ireo momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fahafatesan’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1, 3). Ity lesona ity dia natao mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpianatra momba ny iraka amin’ny maha-mpaminany nampanaovina an’i Joseph Smith.

Sosokevitra enti-mampianatra

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Mampiasà hira ao amin’ny fihirana. Ny hira masina, indrindra fa ny hira ao amin’ny fihiran’ny Fiangonana dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny filazantsara izy ireo. Mba hanampiana amin’ny fanolorana hevitra fanampiny mandritra ny lesona iray, dia afaka misafidy fihirana iray mba hohiraina any am-piandohan’ny fotoam-pianarana ianao, izay mifandray amin’ny votoatin’ilay lesona.

Novonoina ho maritiora tao Carthage, Illinois i Joseph sy Hyrum Smith.

Hevero ny hihira andininy vitsivitsy (anisan’izany ny andininy 7) amin’ny fihirana “Je rencontrais sur mon chemin.” Hazavao fa io fihirana io sy ny hafatra entiny momba ny fanompoana ny Mpamonjy dia hira tian’i Joseph Smith indrindra. Nangatahin’ny Mpaminany i John Taylor mba hihira izany tao amin’ny Fonjan’i Carthage mialoha indrindra ny nanafihan’ireo olona mpihetraketraka.

Asao ny mpianatra hanazava ny zavatra fantany momba ireo zavatra nitranga izay nitarika ho amin’ny fisamborana sy ny famonjana an’i Joseph sy i Hyrum Smith tao Carthage Illinois. (Amporisiho ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany avy ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no mety hanehoan’ny tonon’ny “Je rencontrais sur mon chemin” ny fanolorantenan’i Joseph ho an’ny Mpamonjy? (Raha ilaina dia azonao atao ny manome fotoana kely ny mpianatra hijerena ny tonon’ilay fihirana eo am-pamaliany an’io fanontaniana io.)

Hazavao fa i Joseph dia nahafantatra fa tena hiatrika fahafatesana marina izy raha nandeha tany Carthage mba hotsaraina. Nampahatsiahy i Dan Jones mpikamban’ny Fiangonana, izay niaraka tamin’ny Mpaminany tao Nauvoo rehefa niomana ny hankany Carthage izy hoe:

Tsy ho adinoko mihitsy ilay zavatra nitranga rehefa nijoro [ny Mpaminany] … nijery ny manodidina azy, ary avy eo dia nijery ilay tanàna sy ny mponina tao izay tena tiany tokoa, dia hoy izy hoe: “Raha tsy mandeha [any Carthage] aho, dia ny fandringanana ity tanàna ity sy ireo mponina misy eo aminy no ho vokany; ary tsy afaka mieritreritra an’ireo rahalahy sy anabavy malalako sy ny zanak’izy ireo hiaritra ireo zava-nitranga tany Missouri ao Nauvoo indray aho. Tsia, tsaratsara ny hahafatesan’i Joseph rahalahinareo ho an’ireo rahalahiny sy anabaviny, satria vonona ny ho faty ho azy ireo aho. “Vita ny asako.” (Dan Jones, ao amin’ny Ronald D. Dennis, trans., “The Martyrdom of Joseph Smith and His Brother, Hyrum,” BYU Studies, vol. 24, no. 1 [1984], 85)

  • Inona no ambaran’ny teny sy ny fihetsika nataon’ny Mpaminany momba ny toetrany?

Sary
ivelan’ny Fonjan’i Liberty

Azonao atao ny manazava fa nanaraka ny ohatry ny fanehoam-pitiavana nataon’ny Mpamonjy i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fahavononany hanolotra ny ainy mba hiarovana ny Olomasina (jereo ny Jaona 15:13).

Manehoa sarin’ny Fonjan’i Carthage. Asao ny mpianatra hitantara ny zavatra fantany momba ireo zavatra nitranga tao amin’ny Fonjan’i Carthage tamin’ny 27 jona 1844, rehefa novonoina i Joseph sy i Hyrum. (Amporisiho ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany avy ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Hazavao fa ny filazana momba ny fahafatesan’ny Mpaminany, izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, dia nalaina avy ao amin’ny fitantaran’ny Loholona isany John Taylor sy Willard Richards izay nanatri-maso izany.

Vakio miaraka amin’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–2, 4–6.

  • Inona no tonga ao an-tsainao sy ny fahatsapana anananao rehefa mieritreritra ny fahafoizan-tena vonona ny ho ataon’i Joseph sy Hyrum Smith ho an’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo momba ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara?

Asao ny mpianatra hamaky ireo fehezan-teny roa farany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3 (manomboka eo amin’ny hoe “Lehibe izy teo amin’ny …”) sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:39, mba hitadiavana ny zavatra azontsika ianarana momba ny fahafatesan’i Joseph sy i Hyrum.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny maha-zava-dehibe ny fahafatesan’i Joseph sy Hyrum? (Mety hahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Namehy ny tenivavolombelon’izy ireo momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny rany i Joseph sy i Hyrum Smith.

Hazavao fa io famehezana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona tamin’ny ran’izy ireo io dia nanorina maharitra ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona sy ny iraka masina nampanaovina azy ireo mifandray amin’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny.

  Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fanolorantena tsy voahozongozona nasehon’i Joseph sy i Hyrum tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny na dia teo ambavahoan’ny fahafatesana aza.

  • Mampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith amin’ny maha mpaminanin’ny Tompo azy amin’ny fomba ahoana ny fahavononany hanolotra ny ainy ho an’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny?

Misy fitahiana avy amin’ Andriamanitra nanjary afaka ny ho azon’ny zanaky ny Ray any An-danitra avy amin’ny alalan’ny fanompoana nataon’i Joseph Smith tamin’ny naha-mpaminany azy.

Asao ny mpianatra hamaky ny fehezan-teny voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3, izay mampianatra fa Nahavita zavatra betsaka kokoa ho an’ny famonjena ny olona eto amin’ity tontolo ity mihoatra ny olona hafa i Joseph Smith, afa-tsy i Jesoa Kristy irery ihany. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny.)

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny fomba hanazavan’izy ireo io fahamarinana io amin’ny namana iray izay ao amin’ny fivavahana Kristianina hafa.

Asao ny mpianatra hamaky ny ambin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3, ary hitady ny anjara biriky nentin’i Joseph Smith mba hanampiana ireo zanaky ny Ray any An-danitra hahazo ny famonjena. Asaivo mizara izay zavatra hitany ireo mpianatra. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

  • Inona koa no ho ampidirinao ao amin’ny lisitr’ireo anjara biriky nentin’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny famonjena izao tontolo izao?

Asao ny mpianatra hisafidy ny iray amin’ireto fanontaniana ireto mba hovaliany: Omeo fotoana hanoratana ny zavatra tonga ao an-tsainy ny mpianatra.

  • Inona no zavatra izay efa niainanao ka nanampy anao hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith?

  • Niova toy ny ahoana sy notahiana tamin’ny fomba ahoana ny fiainanao noho ny fanatanterahan’i Joseph Smith ny iraka tamin’ny naha-mpaminany azy?

Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratan’izy ireo. Farano amin’ny fizaranao ny fijoroana ho vavolombelonao momba ny Mpaminany Joseph Smith izany.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany voantso mba hitarika ao amin’ny Fiangonana izany kanefa zara raha manana traikefa ary manana fahalemena maro? Asao izy ireo hisaintsaina raha toa ka hanana finoana sy hatoky ny Tompo fa hanampy azy ireo ao anatin’ny antso toy izany Izy. Amporisiho ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka sady mitadidy io fanontaniana io.