Institiota
Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mampiorina ny foto-kevitr’i Ziona


“Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mampiorina ny foto-kevitr’i Ziona,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mampiorina ny foto-kevitr’i Ziona

Taorian’ny nandidian’ny Tompo azy ireo mba hampiorina ny foto-kevitr’i Ziona dia nanomboka nanangana toeram-pivoriana tao amin’ny fivondronan’i Jackson, Missouri ireo Olomasina tany am-piandohana. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra ireo fomba ahafahany manampy amin’ny fananganana an’i Ziona amin’izao androntsika izao.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mandidy ny vahoakany ny Tompo mba hampiorina ny foto-kevitr’i Ziona.

Angataho ireo mpianatra mba hieritreritra hoe impiry izy ireo no nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra, nangataka fanampiana mba hahafantarana izay tiany hataon’izy ireo eo amin’ny fiainany.

Hazavao fa tamin’ny lohataonan’ny 1829, izay talohan’ny nananganana ny Fiangonana mihitsy, dia nahazo fanambarana ho an’i Oliver Cowdery, Hyrum Smith, ary Joseph Knight i Joseph Smith. Samy naniry hahalala izay tian’ny Tompo hataon’izy ireo ireo lehilahy tsirairay ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:6; 11:6; 12:6.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ireo andininy ireo, hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny tsirairay avy tamin’ireto lehilahy ireto.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’i Joseph Smith ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Na azonao aseho ilay horonan-tsary hoe “Teachings of Joseph Smith: Preparing for Zion” (1:42). Angataho ny mpianatra hitady ny zavatra nampianarin’i Joseph Smith momba an’i Ziona.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nahatonga an’i Ziona ho foto-kevitra izay nahaliana ny vahoakan’ Andriamanitra isaky ny vanim-potoana rehetra? (Asao ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Afaka manangana an’i Ziona isika amin’ny alalan’ny …

Hazavao fa tamin’ny volana nôvambra sy desambra 1830, rehefa nanao ny fandikana nentanim-panahy ny Baiboly i Joseph Smith dia nahazo fanambarana momba an’i Enoka mpaminany fahiny sy ny vahoakany izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Mosesy 7:18–19, 21 ary asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21. Angataho ny mpianatra hihaino ny famaritan’ny Tompo ny Ziona.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny famaritan’ny Tompo ny Ziona izay manampy antsika hahalala ny fomba hananganana an’i Ziona amin’izao androntsika izao? (Tanisao eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fehezan-teny tsy feno ny valintenin’ny mpianatra. Hiovaova ny valintenin’ny mpianatra saingy mety ahitana ohatra toy izao manaraka izao izany: Afaka manangana an’i Ziona isika amin’ny alalan’ny fahatongavantsika iray fo sy iray saina, amin’ny alalan’ny fiainana araka ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana, ary amin’ny alalan’ny fiezahana ho madio am-po.)

  • Inona no zavatra mety hiova ao amin’ny fianakaviana sy ny paroasy na sampana izay ahitana ny rehetra ho “iray fo sy iray saina”?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Angataho ireo mpianatra hitady ny fomba mety hahatongavantsika ho iray fo sy iray saina. Rehefa avy manao tatitra izy ireo dia azonao ampiana hoe mametraka ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika ary manaraka ireo mpitarika ny Fiangonana eo amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fametrahana ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika sy ny fanarahana ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana manampy antsika ho vahoaka tahaka ny an’i Ziona?

Niezaka nanorina ny tanànan’i Ziona tao amin’ny fivondronan’i Jackson, Missouri ny Olomasina.

Hazavao fa ny Olomasina dia nianatra avy tao amin’ny Mosesy 7 fa alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany dia hangonina miaraka indray ny vahoakan’ny Tompo ary hanangana tanànan’i Ziona iray hafa (jereo ny Mosesy 7:62). Volana vitsivitsy taorian’ny nahazoany ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Mosesy 7, ny Mpaminany Joseph Smith dia nahazo fanambarana hafa nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana izay nanambara bebe kokoa momba an’io tanànan’i Ziona amin’ny hoavy io (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45).

Asao ny iray kilasy hamaky miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66–71 sy hitady ireo famaritana ny tanànan’i Ziona.

  • Inona no mety ho fiantraikan’izany fanambarana izany tamin’ireo Olomasina tany am-piandohana araka ny eritreritrao?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Joseph Smith dia nahafantatra taty aoriana tamin’ny alalan’ny fanambarana fa “ny toerana afovoany” ho an’ny tanànan’i Ziona dia ao Independence, fivondronan’i Jackson, Missouri (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3).

  • Inona ireo olana nanakana ny Olomasina tsy hanorina an’i Ziona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson? (Amporisiho ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany avy tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona avy ireo fanontaniana mety napetraky ny Olomasina taorian’ny nandroahana azy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson?

I Ziona dia tsy azo aorina afa-tsy eo ambonin’ny fitsipiky ny fahamarinana.

Hazavao fa tao anatin’ny volana vitsivitsy taorian’ny fandroahana an-kerisetra ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson izay nataon’ny andian’olona mpihetraketraka tao Missouri, dia sahiran-tsaina i Joseph Smith tamin’ireo fanontaniana toy ny hoe “naninona Andriamanitra no namela ny loza lehibe ho tonga amin’i Ziona” sy hoe “amin’ny fomba ahoana no hamerenany an’i [Ziona] ho amin’ny lova[ny]” (“Taratasy ho an’i Edward Partridge sy ny hafa, 10 desambra 1833,” josephsmithorning.org). Nanome hevitra an’i Joseph ny Tompo taty aoriana ny amin’ny antony nanenjehana sy nandroahana ny Olomasina.

Asao ny antsasaky ny mpianatra hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:2–3 ary ny antsasany hafa hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:3–6, izay soratra masina nohalalin’izy ireo tao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hizara ny eritreriny momba ireto fanontaniana izay nasaina hosaintsaininy ireto:

  • Inona no nanakana ny Olomasina tsy hanorina an’i Ziona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri?

  • Inona avy ireo fihetsika sy toetra izay takian’ny Tompo amin’ireo izay maniry ny hanorina an’i Ziona amin’ny andro farany? (Ampidiro eo amin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra eo ambanin’ilay fehezan-teny hoe: Afaka manangana an’i Ziona isika amin’ny alalan’ny …)

Hazavao fa na dia i Independence Missouri aza no “toerana afovoan”’i Ziona (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3), ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa “na aiza na aiza toerana hiangonan’ny Olomasina dia Ziona izany” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 186). Ankehitriny izany dia ahitana ireo tsatòkan’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.

Asehoy ity teny manaraka ity izay nolazain’i Joseph Smith:

“Tokony ho tanjontsika lehibe indrindra ny fanorenana an’i Ziona” (Teachings: Joseph Smith, 186).

  • Raha miainga amin’ny zavatra nianaranao momba an’i Ziona, nahoana araka ny eritreritrao no tokony ho isan’ireo tanjontsika lehibe indrindra ny fananganana an’i Ziona?

Omeo fotoana ny mpianatra hamerenany ny zavatra nianarany avy tamin’ny zavatra niainan’ny Olomasina tany am-boalohany sy ireo fanambarana momba ny fananganana an’i Ziona. Asao izy ireo mba hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao izao dieny izao mba hanampiana amin’ny fanorenana an’i Ziona ao an-tokantranony, sy ao amin’ny paroasiny ary ao amin’ny sampany. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hirakitra an-tsoratra ny eritreritra sy ny fahatsapana azony. Azonao atao koa ny mangataka mpianatra maromaro hizara izay hataon’izy ireo. Ampahatsiahivo azy ireo ny tsy tokony hizarany zavatra izay mahakasika loatra ny tenany manokana.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa mba hanampiana ireo Olomasiny hanorina an’i Ziona, ny Tompo dia nanambara ireo lalàna momba ny fanokanana, ny fitsipi-pitondrantena, ny fahasalamana ary ny Sabata, niaraka tamin’ireo lalàna hafa. Antitrantero fa ny mpianatra dia hanana fahafahana handalinana ny iray na mihoatra amin’ireo lohahevitra ireo rehefa miomana amin’ny fotoam-pianarana manaraka. Amporisiho izy ireo mba ho tonga amin’ny kilasy manaraka sady vonona ny hizara zavatra miavaka izay hitan’izy ireo momba ny iray na maromaro amin’ireo lalàna ireo.