Institiota
Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ireo lalàn’ Andriamanitra


“Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ireo lalàn’ Andriamanitra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ireo lalàn’ Andriamanitra

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Eritrereto ireo fomba fihetsika manoloana ireo lalàna sy didin’ Andriamanitra izay tsikaritrao eo amin’ny tontolo manodidina anao. Tsara ve ireo fihetsika ireo, sa ratsy, sa tsy miraharaha? Rehefa mandalina ireo lalàna sy didy naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ianao dia mitadiava fomba azon’izy ireny hitondrana fiadanana sy fiarovana ho anao ary hanampiany anao ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra mitahy ny fiainako?

Tamin’ny desambra 1830 dia nandidy ny Olomasina izay nonina tao New York ny Tompo mba hiara-hivondrona tamin’ny Olomasina tao Ohio. Nampanantena ny Tompo fa raha nankatò izy ireo dia ho nambarany tamin’izy ireo ny lalàny ary ho notafiany “amin-kery avy any ambony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32). Fotoana fohy taorian’ny nahatongavana tany Ohio ny febroary 1831, dia naharay fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith, izay nanambaran’ny Tompo ny lalàny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42). Nohamafisin’ny Tompo indray tao anatin’ilay fanambarana ny ilàna ny hitandremana ireo didy izay efa nomeny ny olony fahiny, anisan’izany ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Nampianatra ny Olomasina ihany koa ny Tompo mba hikarakara ireo mahantra sy hanangana ny fanjakany amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàn’ny fanokanana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–35). Tahaka ny nampianarany an’ireo Apôstôliny fahiny mihitsy no nanazavan’ny Tompo fa rehefa manompo Azy sy mitandrina ny didiny ny Olomasina, dia maneho ny fitiavany Azy izy ireo (jereo ny Jaona 14:15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29).

Tao anatin’ireo taona taorian’izay dia namerina misimisy kokoa tamin’ireo lalàny fahiny tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo, ka anisan’izany ny lalàn’ny Sabata (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59; 68:29) sy ny lalàn’ny fahafolonkarena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:23119). Nanambara lalàn’ny fahasalamana ihany koa Izy, izay fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89).

Mba hiomanana amin’ny fotoam-pianarana dia halalino azafady ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto lalàna izay nohamafisin’ny Tompo na nambarany amin’izao androntsika izao ireto: (1) ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, (2) ny lalàn’ny fanokanana, (3) ny lalàn’ny Sabata, na (4) ny lalàn’ny fahasalamana, izay fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena. Ampiasao ireto loharanom-pahalalana etsy ambany rehefa mandalina ny lalàna na ireo lalàna izay nosafidinao ianao. Afaka mikaroka loharanom-pahalalana fanampiny ihany koa ianao ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Miomàna hiresadresaka ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa tonga ao an-dakilasy:

  1. Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’ny fandalinanao?

  2. Inona avy ireo olana mifandray amin’ny fankatoavana io lalàna io amin’izao fotoana izao, ary ahoana no fomba azo handresena izany?

  3. Inona no fitahiana azonao manokana tamin’ny alalan’ny fitandremana io didy io?

  4. Ahoana no ahafahan’io lalàna io manampy anao ho lasa tahaka ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany bebe kokoa?

Fizarana 2

Lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Sary
mpivady tanora mifampitantana
  1. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–25, ka tadiavo ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ampianarin’ny Tompo momba ny fahadiovana ara-pitondrantena.

  2. Diniho ny zavatra nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny maha-zava-doza ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ Andriamanitra sy ny maha masina ny firaisana ara-nofo. Halalino ireo andiam-pehezan-teny 9–16 amin’ilay lahateniny hoe “Personal Purity” (Ensign, Nov. 1998, 75–79), dia tadiavo ireo antony tokony hiarovantsika amim-pitandremana ny fahadiovantsika mahakasika ny firaisana ara-nofo.

Fizarana 3

Lalàn’ny fanokanana

Sary
mpilatsaka antsitra-po miisa roa

Mianara misimisy kokoa momba ny lalàn’ny fanokanana amin’ny alalan’ny fanaovana izao manaraka izao:

  1. Vakio ny zavatra ampianarin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina momba ny lalàn’ny fanokanana.

  2. Jereo ny fomba nikatsahan’ny Olomasina teo aloha sasantsasany mba hankatò ny lalàn’ny fanokanana. Talohan’ny nahatongavan’i Joseph Smith tao Kirtland Ohio, tamin’ny febroary 1831 dia maro tamin’ireo Olomasina tao Kirtland no niezaka nanaraka ny ohatr’ireo Olomasina tao amin’ny Testamenta Vaovao izay niombona tamin’ny zavatra rehetra nananany (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:32) noho ny ezaka nataon’izy ireo mba hifampizara ny fananany toy ny fianakaviana lehibe iray. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–35, ary tadiavo ny torolalan’ny Tompo izay manazava ny fomba tokony hifampikarakaran’ireo Olomasina teo ambanin’ny lalàn’ny fanokanana.

Fizarana 4

Lalàn’ny Sabata

Sary
zatovo ao amin’ny Sekoly Alahady
  1. Rehefa tafapetraka tao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny fahavaratry ny taona 1831 dia nahita mpiara-monina nipetraka teny akaikin’ny sisin-tany izy ireo, ary zavatra niainana an-davanandro tao an-toerana ny filokana, ny fimamoana, ny herisetra, ary ny tsy fanajana ny andro Sabata. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19, ary tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ny Olomasina mba hanampiana azy ireo hanohitra ny fitaoman’ny faharatsian’izao tontolo izao.

  2. Nampianatra momba ny lanjan’ny Andro Sabata ny Filoha Russell M. Nelson. Vakio ny andiam-pehezan-teny 3–16 amin’ny lahateniny hoe “Fahafinaretana ny Sabata” (Liahona, mey 2015, 129–30). Mitadiava torohevitra izay afaka manampy anao hanao izay hahatonga ny Sabata ho fahafinaretana.

Fizarana 5

Lalàn’ny fahasalamana

Sary
voankazo sy legioma
  1. Ny Sekolin’ireo Mpaminany, izay naorina tamin’ny janoary 1833, dia nanomboka nivory tamin’ny fotoana raikitra tao amin’ny efitrano iray tao ambony tao amin’ny fivarotana Newel K. Whitney tao Kirtland Ohio. Nandritra ireo fivoriana ireo dia matetika ireo rahalahy no nampiasa sigara sy paraky. Rehefa avy nilaza ny olana nananany i Emma vadiny dia nanontany ny Tompo i Joseph Smith ary naharay ilay fanambarana fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena izy (jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 167–68). Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–14, 18–21, ary hevero ny hanisy marika ny fampianarana sy ny fampanantenana nomen’ny Tompo ny Olomasina.