Institiota
Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fotoana mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny


“Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fotoana mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ mpampianatra (2019)

“Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fotoana mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny

Namarana ny Apôstazia Lehibe i Jesoa Kristy Tompo rehefa namerina tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy nanorina indray ny Fiangonany teto an-tany. Rehefa avy mandray anjara amin’ity lesona ity ny mpianatra dia tokony ho afaka hamantatra ny tanan’ny Tompo tao anatin’ireo zava-nitranga mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny sy hanazava ny antony ilana ny hamerenana indray ny fahamarinana amin’ny zanak’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao.

Fanamarihana: Raha azo atao dia mifandraisa amin’ireo mpianatra izay nisoratra anarana hanao ity taranja ity mialoha ny andro voalohany hianaran’izy ireo dia asao izy ireo hamaky ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 1 alohan’ny hanatrehany ny fotoam-pianarana. Raha hampianatra ny lesona 1 sy 2 indray miaraka ianao dia asao ny mpianatra handalina ihany koa ny fitaovana ho an’ny lesona 2.

Sosokevitra enti-mampianatra

Asehoy an’ireo mpianatra izay tsy mbola zatra mampiasa ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny fomba hahazoana izany amin’ny fitaovana elektrônika. Afaka manome ihany koa tahadika amin’ny taratasy ho an’ireo mpianatra izay tsy manana fitaovana elektrônika ianao.

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Eritrereto ny mpianatra rehefa manomana lesona ianao. Rehefa miomana hampianatra ianao dia diniho ny zavatra antenainao fa ho tsapan’ny mpianatra sy hataony sy ny fomba antenainao hiovan’ny fiainan’izy ireo vokatry ny lesona sy ilay taranja. Diniho ombam-bavaka ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ary henoy ny fitarihan’ny Fanahy rehefa manomana ianao. Nampianatra ireo mpampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa: “ny mpianatra dia tsy fitoeran-javatra hofenoina. Fa ny mpianatra dia afo ilaina arehitra.” (“Anjely sy fahagagana,” Fampitana ny fivoriam-piofanana ataon’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 12 jona 2019).

Nahatonga ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ho nilaina nitranga ny Apôstazia Lehibe.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampidirana ny lesona 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Mampisehoa zava-maniry velona iray sy zava-maniry maty na malazo iray (na rantsankazo maina ao anaty vovoka). Na asehoy ireo sary ao amin’ny lesona raha tsy misy zava-maniry tena izy azo ampiasaina.

Sary
zava-maniry velona
Sary
zava-maniry maty
  • Araka ny eritreritrao dia nahoana no tsy mitovy ireo zava-maniry ireo? Inona no karazana fanoharana momba ny toe-piainantsika ara-panahy izay azontsika atao amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zava-maniry ireo?

Hazavao fa misy mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha nantsoina hoe Amosa izay nampitandrina ireo vahoakan’i Isiraely ratsy fanahy fa hiaina mosary izy ireo. Asao ireo mpianatra hamaky ny Amosa 8:11–12, dia hitady ny karazana mosary nampitandremana azy ireo.

Asao ireo mpianatra hanadihady ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, ka hitady ny zavatra very nandritra ny Apôstazia Lehibe. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

Asehoy an’ny mpianatra ilay horonan-tsary hoe “Fotoampitantanana: Ny fisehon’ny apôstazia sy ny famerenana amin’ny laoniny” (6:52). Rehefa mijery izany ny mpianatra dia asao izy ireo hieritreritra ny zavatra ampianarina antsika momba ny Ray any An-danitra avy amin’ny fisehon’ny apôstazia sy ny famerenana amin’ny laoniny izay aseho ao amin’ilay horonan-tsary.

  • Inona araka ny eritreritrao no ampianarin’io fisehon’ny apôstazia sy ny famerenana amin’ny laoniny io antsika momba ny Ray any An-danitra?

  • Nahoana ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana no miavaka amin’ny fotoampitantanana hafa? Inona no hevitrao na ny zavatra tsapanao mikasika ny fahavelomana mandritra izao fotoana izao?

Nanomana ny lalana ho an’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ny Tompo.

Ampisehoy ity fahamarinana manaraka ity: Nanomana ny lalana ho an’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ny Tompo.

Asao ny mpianatra hizarazara ho vondrona kely maromaro ary avy eo dia hifandimby hamaky ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, ka hitady ireo tranga izay nanomana ny lalana ho an’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. (Raha afaka namaky ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mialoha ny fotoam-pianarana ny ankamaroan’ny mpianatrao dia azonao asaina izy ireo hamintina ny votoatin’ny fizarana 2.) Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, ary omeo fotoana ny vondrona tsirairay avy mba hiara-hifanakalo hevitra momba izany.

  • Ahoana no nanomanan’ny Tompo ny lalana mba hitrangan’ny Famerenana amin’ny laoniny?

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo amin’ny alalan’ny fomba nanomanany ny lalana ho an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny?

Afaka mandray anjara mavitrika amin’ny fianarany ny filazantsara ny mpianatra.

Mampisehoa lisitr’ireo lohatenin’ny lesona ho an’ity taranja ity (azonao jerena ao amin’ny votoatiny izany). Hazavao fa ity taranja ity dia hiompana amin’ireo tranga sy fotopampianarana fototra ary soratra masina momba ny Famerenana amin’ny laoniny, ary hiresaka ihany koa ireo lohahevitra sarotra izay mipoitra indraindray ao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny lisitr’ireo lesona manaraka sy hizara amin’ny kilasy ny lohahevitra izay tian’izy ireo hianarana indrindra. Raiso an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo mba hahafantaranao izay lesona tokony hohamafisinao kokoa mandritra ny fianarana ilay taranja.

Hazavao fa ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia ampahany feno amin’ity taranja ity ary afaka manatsara ny fianarana ny filazantsara izay ataon’ny mpianatra manokana sy manomana azy ireo handray anjara biriky manan-danja mandritra ny fotoam-pianarana.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fitahiana izay afaka ny ho tonga avy amin’ny fiomanana amin’ny fanatrehana ny fotoam-pianarana tsirairay, dia asehoy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Kim B. Clark ao amin’ny Fitopololahy:

Raha tena maniry ny handalina misimisy kokoa ianao, raha misokatra amin’ny fianarana ny fonao sy ny sainao, ary raha arahinao asa izany faniriana izany, dia hitahy anao ny Tompo. Rehefa manao ny anjaranao ianao, izany hoe mivavaka amim-pinoana, miomana, mandalina, mandray anjara mavitrika, ary manao izay tsara indrindra vitanao, dia hampianatra anao ny Fanahy Masina, sy hampitombo ny fahaizanao mampihatra ny zavatra nianaranao, ary hanampy anao ho lasa tahaka izay tian’ny Tompo hahatongavanao. (Kim B. Clark, “Learning for the Whole Soul,” Ensign, Aug. 2017, 27)

Asao ny mpianatra hisaintsaina tsara ny fomba hamalian’izy ireo an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Manampy ny fivoarako ara-panahy amin’ny fomba ahoana ny fandraisana anjara amin-kitsimpo amin’ity taranja ity?

  • Vonona ny hanefa ny saran’ny fandalinana samirery mialoha ny fotoam-pianarana tsirairay ve aho mba hahafahako tonga manatrika ny kilasy amim-pahavononana hianatra lalindalina kokoa? Rahoviana ao anatin’ny fandaharam-potoako aho no hanolo-tena hanao ny fandalinako manokana sy ny fiomanako ho laharam-pahamehana?

Hevero ny hamporisika ny mpianatra hanoratra ny tanjon’izy ireo mifandray amin’ireo fanontaniana ireo. Azonareo atao koa ny miara-mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mifanampy mba ho tonga ao an-dakilasy amim-pahavononana ny hianatra lalindalina kokoa. (Mety ho isan’ny hevitra amin’izany ny manangana vondrona maromaro mpifandefa hafatra an-tsoratra ao an-dakilasy, na fomba hifampahatsiahivana ny tanjon’izy ireo, na sehatra hifanakalozan-kevitra amin’ny internet izay ahafahan’izy ireo mizara hevitra avy amin’ny fandalinana nataony.)

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka dia ahitana ampahany amin’ny fitantaran’ny Mpaminany Joseph Smith mivantana ny Fahitana Voalohany izay hitany. Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ireo tantara samihafa sy ny maha-zava-dehibe ny fananantsika fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana momba ny tena fisian’ny Fahitana Voalohany.