Fampitana fanao isan-taona
Anjely sy fitalanjonana


Anjely sy fahagagana

Fampitana ny fivoriam-piofanana ataon’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana • 12 jona 2019 • Efitrano fivoriana malalaka ao amin’ny rihana ambany ao amin’ny tranobe misy ny biraon’ny Fiangonana

Nampiasa ny teny hoe “fianakaviana” ny Rahalahy Peterson tao anatin’ny vavaka fanombohana nataony ka nanohina ahy izany teo ka hatramin’izao. Tena faly aho miaraka aminareo ao anatin’ny hetsika iray fanao isan-taona izay amiko dia toy ny fivoriam-pianakaviana. Nampientam-panahy avokoa ny teny tsirairay voalazan-dRahalahy Webb sy Rahavavy Cordon ary ny Loholona Clark. Ary mivavaka aho mba hifanaraka amin’ny zavatra izay efa nolazain’izy telo ireo ny ho lazaiko.

Eto am-piarahabako anareo raha miresaka momba an-dRahalahy Peterson aho dia io hevitra hoe fianakaviana io tokoa no tena tsapako marina momba anareo, ary tiako ianareo mba hino izany. Fantatro fa izany koa no avy amin’ireo mpiandraikitra ao amin’ny filankevi-pitantanana, fa amin’ny fomba tena miavaka ny avy aty amiko.

Nanao sonia ny fifanekena arak’asa voalohany nataonay tamin’ny DFF izaho sy i Pat 54 taona lasa izay amin’ity fahavaratra ity, ary nanomboka tamin’izay izahay dia azo lazaina fa tafaraka tamin’ny fomba samihafa taminareo foana isan-taona teo amin’ny fiainanay. Raha nandray ilay fanapahan-kevitra izahay hoe hiezaka hampifanaraka ny fiainanay sy ny lalanay ary ny fombanay amin’ny Seminera sy Institiota dia tsy nahafantatra fa ho fifamatorana matanjaka sy maharitra izany ho anay. Raha ny fanahiana nanananay tamin’izany dia tena mino aho fa mety tsy ho nanana ny fatokiana hanohy izahay raha tsy noho ny finamanana sy ny tena fitiavan’ny mpirahalahy natolotr’ireo mpampianatra namana sy mpandrindra ary mpiandraikitra sy ny hafa nandritra ireo taona voalohany. Ireo fifandraisana nandritra ny fotoana voalohany naha-tato anatin’ity fandaharan’asa ity anay ireo no mbola an’isan’ireo finamanana mamy indrindra anananay amin’izao 50 taona mahery aty aoriana. Manginy fotsiny ireo mpianatra an-jatony, ary inoako fa mety ho an’arivony aza, izay nampianarinay sy notiavinay nandritra izany. Mivavaka aho mba tsy ho very mihitsy izany fahatsapana ho ao anatina fianakaviana izany ato amin’ny Departemanta Fampianarana an’ny Fiangonana. Anisan’ny antony nahatonga anay te hanompo tao izany.

Ary amin’izany fitiavana izay nentiko ho fampidirana taminareo izany dia anisan’ny zavatra tiako ampitaina anio ny halehiben’ny fitiavan’ireo Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony rehetra anareo sy ny fianteheran’izy ireo aminareo. Ao anatin’ireo filankevitra sy kômity ataontsika, ary ampahany tena betsaka amin’ny fotoantsika no laniantsika amin’izany, araka ny hita taratra amin’ny habetsaky ny Mpiandraikitra Ambony ao amin’ireo Vondrona Fanampiny manatrika etoana androany, dia manao izany miaraka isika. Tsy fantatro hoe ampahany firy amin’ny fotoantsika no lanintsika, fa ho vinavinaiko (azon’izy ireo ahitsy aho avy eo) hoe mety hahatratra hatrany amin’ny 30 na 35 isan-jaton’ny fotoana rehetran’ireo manampahefana sy mpiandraikitra ambony no lany amin’ny fomba samihafa hiresahana momba ireo tanoran’ny Fiangonana, ireo sokajin-taona ireo, izay amin’ny ankapobeny iarahanareo miasa, izay ampiasana anareo mba hoampianarinareo, miampy an’ireo izay eo am-piomanana ny hanatona anareo. Miresaka momba ny tontolo izay misy azy ireo isika, ny fanamby atrehan’izy ireo, ireo zavatra miavaka izay toa mahazo ireo tonorantsika amin’ny taona izay miha aloha kokoa hatrany. Izao anefa, tsy ireo zava-misy rehetra ireo akory dia ratsy avokoa, fa ny sasany amin’izy ireo dia ratsy. Mila ny fanampiana rehetra izay mety ho azony ireo tanora ireo, ary soa ihany fa afaka mahazo izany izy ireo. Andriamanitra no mpanamory ity sambo ity, ary ho tonga soa aman-tsara an-tseranana izany. Efa nataony avokoa ny fanomanana rehetra ilaina amin’izany.

Sary
Joseph Smith sy ny Fahitana Voalohany

Ohatra, tsy mbola nihevitra mihitsy aho hoe kisendrasendra ny nampanombohantsika ireo mpianatsika ho ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny seminera amin’ilay taona izay nandraisan’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany mihitsy. Ataoko angamba fa nahatsapa ny Raintsika any An-danitra fa tokony ho teo amin’ny 14 taona teo i Joseph no nahatratra ny fahamatorana ampy hampanombohana azy ho eo amin’ilay làlan’ny asa nanirahana azy amin’ny maha-mpaminany azy. Azontsika raisina koa ve izany fa io amin’ny ankapobeny no taona ahafahan’ireo tanora hafa mahazo ny fanombohan’ny fijoroana ho vavolombelona matotra momba ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, ka hahita izany fijoroana ho vavolombelona izany hitombo (enga anie) mandritra ireo taona hoavy ka ho lasa ilay hery mitarika mahery vaika izay tokony hahatongavany any amin’ny mandrakizay?

Sary
zatovo mandeha an-tongotra

Azo antoka fa izany no antony nandrafetan’ny Tompo ny fandaharam-pianarantsika tahaka ny firafiny amin’izao, izay mahakasika ny fon’ny ankizilahy na ny ankizivavy iray eo am-panombohan’izy ireo ilay lalana mahafinaritra mankany amin’ny fahamatorana, manamafy ny fifandraisantsika aminy, manome azy ireo zavatra iainana manan-danja eny an-tenantenan’ny herinandro fa tsy hiankina fotsiny amin’ny zavatra tokana iainana mandritra ny Sabata. Eo am-pandrosoan’ny Fiangonana ho amin’ny fandaharam-pampianarana mifantoka kokoa amin’ny tokantrano sy hamafisin’ny Fiangonana, dia afaka mirehareha isika fa nifantoka tamin’izany foana ny DFF tamin’ny fifantohany amin’ny fandalinana andavanandro sy ny fandalinana any an-tokantrano. Io fanatsarana amin’izao io dia mampanakaiky kokoa ny seminera sy ny institiota amin’ilay ezaka amin’ny fandaharam-pampianarana ataon’ny Fiangonana mihoatra noho ny nisy hatramin’izay.

Ary mahakasika izay ihany, dia mamelà ahy hilaza ny dera mahafinaritra izay nomen’ireo rahalahy mpiahy tamin’ny nangatahana antsika hampifanaraka ny fandaharam-pampianaran’ny seminera amin’ny tetiandron’ny Fiangonana eo amin’ny fandaharam-pampianarana soratra masina miverimberina isaky ny efa-taona. Tsara ny mahazo dera toy izany, saingy mitondra soa manokana ny mahazo izany avy amin’ny filohan’ny filankevi-pitantanantsika. Mamelà ahy ianareo hampahatsiahy hoe iza no filohan’ny filankevi-pitantanantsika. Toy izao ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson raha nampahafantatra izany:

“Manomboka amin’ny taona 2020 dia hiova ka hanaraka tetiandrom-pianaran’izany taona izany ny taranja ho an’ny seminera. Ireo kilasy dia handalina ny bokin-tsoratra masina ampiasaina ho an’ny Avia, hanaraka Ahy. Io fanovana io dia hanatsara ilay fomba handalinana ny filazantsara mifototra any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fandalinana zavatra mitovy any an-tokantrano, sy any amin’ny Sekoly Alahady, ary any amin’ny seminera.

“Eo am-pieritreretanareo io fanovana io dia manasa anareo aho hisaintsaina ny hoavinareo. Ny fahafahanareo mitondra fanovana lehibe kokoa eo amin’izao tontolo izao mihoatra ny vitan’ireo taranaka teo aloha dia miankina tanteraka amin’ny tahan’ny fanolorantenanareo ho an’i Jesoa Kristy Tompo. Ny tsirairay avy aminareo dia tompon’andraikitra amin’ny fanampiana amin’ny fampianarana ny filazantsarany any an-tokantranonareo amin’ireo izay miara-miaina aminareo. Ny Seminera sy ny Institiota dia hanampy anareo hamolavola indray ny tokantranonareo ho lasa toerana hanjakan’ny finoana, dia toerana izay hampianarana, hianarana, hiainana ary hitiavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”

Tsy azoko antoka ny aminareo fa efa ela aho no tato amin’ity fandaharan’asa ity ary efa an-taonany maro angamba izay isika no nanana filohan’ny Fiangonana niresaka manokana tokoa sy tamim-pankaherezana tokoa momba io zavatra io mihitsy ary niresaka izany tamintsika manokana. Velom-pankasitrahana aho noho ny amin’izany ry Filoha Nelson. Aoka hambara etoana ary fa mandritra izao vanim-potoan’ny fiovana lehibe sy kely izao ireo Rahalahy dia niresaka kokoa sy nieritreritra kokoa, ary nifantoka mivantana kokoa tamin’ireo mpiasa sy fitsipika ao amin’ny seminera sy institiota mihoatra noho izay nisy hatrizay taona nanompoako tato izay raha ny fitadidiako. Tena fotoana mahafinaritra tokoa izany hoe ato anatin’ity fianakaviamben’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana izany.

Mamelà ahy izao hiresaka momba ny tanjon’izany rehetra izany, ny antony ivoriantsika anio sy ny antony hampianarantsika isan’andro sy isan-kerinandro: dia ny mpianatra, izay ifantohan’ny fanahiantsika sy ny fitiavantsika.

Sary
vehivavy manao fandalinana

Noho izao tontolo izao miha araka ny nofo hatrany, dia tsy maintsy mianatra ny ho lasa fakàna fanampiana sy ohatra kokoa hatrany isika ho an’ireo zatovolahy sy zatovovavintsika izay mila miaro ny finoany raha miaina ao anaty kolontsaina izay matetika mandà izany na manivaiva izany mihitsy aza. Mihamitombo isan’andro amin’ny ankapobeny ny elanelana misy eo amin’ireo tanorantsika mahatoky sy izao tontolo izao manodidina azy ireo izay be fanoherana indraindray, farafaharatsiny raha raisina amin’ny ankapobeny. Mazava ho azy fa zavatra efa “voalaza” izany ao amin’ireo faminaniana amin’ny andro farany, saingy tsy midika izany hoe lasa mora resahana kokoa na mahafinaritra kokoa ny mihatrika azy. Ao anatin’ity tontolo kely ity ireo mpianatsika dia antsoina hoe Taranaka Z noho ny toetoetra sasantsasany ananany. Ireo toetoetra ireo dia mampivohitra ny sasany amin’ireo fanambintsika eo amin’ny fampianarana:2

Sary
zazalahy mihaino écouteurs
  • Tsy misaraka amin-javatra elektônika izy ireo. “Tsy mbola nahalala izany tontolo tsisy Internet na telefaonina [na écouteurs] izany izy ireo. … Nisy foana ny Google hatrizay [ho azy ireo].”3 Mety tsy mbola nahita telefaonina misy quadran ahodina izy ireo hatrizay na niantso avy tamin’ny zavatra antsoina hoe “cabine.” Tsy maninona anefa izany satria ny fandefasana hafatra an-tsoratra ary no tian’izy ireo kokoa.

  • Amin’ny alalan’io tambazotra elektrônika izay hita na aiza na aiza io dia mbola tena kely dia kely izy ireo dia efa nifanehitra tamin’ny pôrnôgrafia mibaribary sy manimba.

  • Izy ireo dia mirona amin’ny “[fanohanana] ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy sy ny zon’ireo lehilahy mihevi-tena ho vavy na vehivavy mihevi-tena ho lahy … [ho] isan’ny fiainana andavanadro. Ho mahalana izany hoe olona iray taranaka Z ka tsy hanana namana [akaiky] iray ao amin’ny fiarahamonin’ny LGBT”4 Noho izany fifandraisana aman’olona izany dia manomboka manjavona sy ho sarotra faritana ilay tsipika manify mampisaraka ny finamanana sy ny fitondran-tena mora milefitra.

  • “Efa aty aorian’ny vanimpotoana nanjakan’ny fijery kristianina izy ireo. Efa ho ny ampahefany,” (tsy ireo mpianatra Olomasin’ny Andro Farany akory izany fa eo amin’izao tontolo izao izay jerentsika, “Efa ho ny ampahefany (23 isan-jato) amin’ireo olon-dehibe Amerikana, ary ny ampahatelon’ireo teraka talohan’ny taona 2000, no milaza ho tsy manana fironana ara-pivavahana mihitsy. Maro amin’ireo taranaka Z no lehibe ao anatina tokantrano tsy misy fivavahana mihitsy, [ka tsy manome azy ireo] traikefa na tontolo hanjakan’ny fivavahana”5 eo amin’ny fiainany.

  • Nisy fikarohana natao vao tsy ela momba ny fijerin’ny zatovo aostraliana momba ny fivavahana izay lasa matoan-dahatsoratra tamin’ny gazety noho ny vokany izay nilaza fa 52 isan-jaton’izy ireo no tsy manana fivavahana arahana ary 37 isan-jato ihany no mino an’ Andriamanitra.6

  • I James Emery White, izay pastora sy mpanoratra, dia nanoratra betsaka momba ny toe-javatra ara-panahy iainan’izy ireo. Nilaza izy hoe: “Voalohany dia diso lalana izy ireo. Tsy vitan’ny hoe miaina ao anatina kolotsaina efa aorian’ny vanimpotoana kristianina sy hoe efa voavolavon’izany izy ireo. Tsy manana fahatsiarovana momba ny filazantsara akory aza izy ireo [na momba ny tontolon’ny filazantsara]. Tena mahavariana tsotra izao ny tsy fahalalan’izy ireo ara-panahy. … [Faharoa], tsy manana mpitarika izy ireo. Kely raha misy aza ny fitarihana azon’izy ireo avy amin’ny fianakaviany, ary vao mainka kely izany raha noho ny fiezahany hitady fitarihana avy amin’ny internet.”7

  • Araka ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny USA Today dia ny Taranaka Z no vondron’olona manirery indrindra fantatra teo anivon’ny fiarahamonina hatrizay.8 Mitanisa ny fikarohana iray nataon’ny BYU tamin’ny 2010 ilay lahatsoratra izay milaza hoe: “Ny fiantraikan’ny fanirery eo amin’ny olombelona dia mitovy amin’ny fiantraikan’ny fifohana sigara 15 isan’andro eo amin’ny taham-pahavatesana, ka mahatonga izany ho mbola mampidi-doza kokoa noho ny hatavezana be.”9

  • Manodidina ny 53 isan-jaton’ireo ankizivavy amerikana 13 taona no tsy faly amin’ny vatan’izy ireo. Mitombo ho 78 isan-jato io tarehimarika io rehefa mahatratra 17 taona ireo ankizivavy, mbola antsika ihany io. Mihoatra ny 50 isan-jaton’ireo zatovovavy ary 30 isan-jaton’ireo zatovolahy no mampiasa fomba fifehezana ny habeny izay tsy ara-pahasalamana toy ny fandinganana sakafo, ny fifadian-kanina, ny fifohana sigara, ny fandoavana ary ny fihinanana fanafody mampivalana.10

  • Ary farany dia latsaka ambany ny fahafahan’izy ireo mifantoka. Misy mitatitra fa ny tahan’ny fahafahan’ny Taranaka Z mifantoka dia eo ho eo amin’ny valo segondra eo.11 Mety efa tsy ho nihaino ahy intsony izy ireo tamin’ireo teboka telo voalohany nasehontsika teto.

Ireo mpampianatra seminera sy institiota akory dia tsy handeha hamaha ireo olana rehetra ireo eo no ho eo, saingy miandrandra anareo ireo Rahalahy mba haharaka tsara, sy ho vonona tsara, sy haharaka ny bitsiky ny Fanahy, ary ho afaka mamaly tsara ireo fanontaniana momba ireo olana ireo rehefa mitranga izany ary afaka hamaha izany amin’ny fotoany raha ilaina. Noho ny fihaonanareo amin’ny andavanandro dia mora amin’ireo mpianatra kokoa ny manatona anareo noho ny ankamaroan’ny mpampianatra hafa rehetra ato am-piangonana, koa aoka manàna fahendry ianareo eo amin’ny fomba hanaovanareo izany, saingy mahazoa antoka fa mila anareo ireo Rahalahy ary miandrandra ny fanampianareo, na amin’ny fomba ôfisialy na tsy ôfisialy, na ao an-dakilasy na ivelany, eo amin’ny fampianarana ireo fenitra sy fomba amam-panao ary fotopampianaran’ny Fiangonana.

Mahaiza mihaino, mahaiza mihaino ny Fanahy indrindra indrindra. Asio fotoana azo ivalamparana ny drafitry ny lesonareo. Raha mila somary manafohy lesona iray ianareo mba ahafahana mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo sy mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny olana iray mitranga amin’izao fotoana izao dia ataovy izany rehefa tarihin’ny Fanahy ambarany fa izany no tokony hatao.

Mazava ho azy fa tsy tokony hataonareo hihoatra ny fahefanareo izany ka hanjary haka ny toeran’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana na ny vondrona fanampiny ianareo, izay tsy andraikitsika. Fanamby iray eo amin’ny rafitra misy antsika hatrany amboalohany izany hoe manao zavatra mitaky fitandremana izany, ary mbola ho izany hatrany. Mila fahaiza-mitsara sy ny fitarihan’ny Fanahy ny mandeha amin’izany, saingy fanamby mendrika ny ekena izany ary midera anareo ireo Rahalahy noho ny ezaka ataonareo. Ilaina avokoa ny rehetra ary ny hafatra dia tokony hazava sy tsy hiovaova amin’ny ambaratonga rehetra.

“Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady? … Dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.”12

Mazava ho azy fa noho ireo hery miasa amin’izao fotoana misy antsika izao dia mitaky fampianarana filazantsara mahery vaika tokoa izany ka tsy hisy na inona na inona afaka hanozongozona ny finoana na hampivily lalana an’ireo tanorantsika rehefa mivoaka ny kilasinareo izy ireo ka hiverina indray ho any amin’izao tontolo izao. Mora lazaina izany karazana fampianarana izany fa tsy mora atao, mampanantena anareo aho, ary fantatrareo izany, saingy afaka ny ho tsaratsara kokoa isika tsirairay. Afaka ny ho mpampianatra mahery kokoa isika mihoatra noho izay ataontsika indraindray. Rehefa manatanteraka andraikitra mampatahotra toy izany ianao dia tsarovy izao zavatra tokana izao amin’ny fotoana iarahako aminareo androany: tsarovy fa ny mpianatra dia tsy fitoeran-javatra hofenoina. Fa ny mpianatra dia afo ilaina arehitra.

Sary
fitoeran-javatra foana
Sary
afokasoka mirehitra

Amin’ny maha-mpampianatra filazantsara antsika dia tokony ho mpampirehitra afo ara-panahy isika. Ny lesona ataontsika no tokony ho fitaovana fampirehetana afo. Tokony ho adala mpandrehitra afo isika fa esorina fotsiny ilay hoe “adala” dia ilay hoe mpandrehitra afo sisa. Mamelà ahy izao hanazava mialoha ny handazanareo ahy any amin’ireo Rahalahy na any amin’ny mpitandro filaminana, raikitra?

Tena nahavariana ahy foana hatrizay fa isaky ny misy fampianarana manan-danja ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny andian-teny ampiasaina hamariparitana izany fotoana izany dia hoe mampianatra amin’ny “hery sy fahefana”13 ilay olona. Izany no tena faniriako lehibe ao amin’ny fampianarako ary manantena aho fa toy izany koa ny anareo.

Miangavy aho, aza diso fandray ianareo. Tsy fampiakarana ny hamafin’ny feonareo akory no tiako hambara, na hoe fanaovana ny fampianaranareo ho toy ny seho an-tsehatra. Ary indrindra indrindra, tsy ny fanehoana fihetsehampo tsy tena izy akory no tiako hambara. Fa ny tiako hambara dia zavatra izay raha bongoina dia resaka fanahy tsotra fotsiny, fanahy izay hiasa amin’ny fomba maro samy hafa araka ny maha-samy hafa anareo. Mila ianareo mijanona amin’ny maha-ianareo anareo. Tsy afaka ny ho i Bruce McConkie na i Boyd Packer na i Russell Nelson ianareo, na izany aza dia tsara raha manontany tena isika hoe nahoana ireo mpampianatra ireo no mitondra fiantraikany toy izany amintsika. Ianaro izay rehetra azonareo ianarana avy amin’ireo mpampianatra lehibe (na taloha na ankehitriny), saingy mazava ho azy, amin’ny farany dia mila mampianatra amin’ny fomba voajanahary ianareo, mila mampianatra amin’ny fombanareo. Na izany aza, na inona na inona fomba ampiasainareo dia tokony ho mahery vaika sy feno fahefana ny vokatr’izany.

Mamelà ahy hampiasa ohatra vitsivitsy voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny Helamàna 5:1 dia mirakitra ny tantaran’i Nefia sy i Lehia, izay nomena ny anaran’ireo raibeny fahiny, ary nomena andraikitra hampianatra ireo Lamanita tany amin’ny tanin’i Zarahemlà. Ankoatra ny fampianarana izany vondron’olona sarotra ampianarina izany i Nefia sy i Lehia dia nanatona ireo “mpiendaka” ihany koa, ireo Nefita nihemotra izay nandeha ka nanaraka ireo Lamanita teo amin’ireo tanjon’izy ireo hanohitra ireo mpaminanin’Andriamanitra. Tsy haiko ny aminareo fa ireo vondron’olona roa ireo dia maneho ny karazan’olona feno fankahalana izay tsy dia tiako hihaonana loatra rehefa alatsinainy maraina. Tamin’io fotoana io ny Lamanita dia feno fankahalana, sy fahatezerana, feno fahavononana ny hamaly faty ireo Nefita noho ny antony iray izay efa ela no hadinony. Ary avy eo, tsy vitan’izay ihany fa ao koa ireo mpiendaka Môrmôna ho an’i Jesosy (ry zareo no mampiasa ilay teny hoe Môrmôna eto fa tsy izaho), ireo olona mpihemotra eo an-toerana izay tao anatin’ny kôlejin’ny mpisorona tany aloha, izay mety efa nahavita asa fitoriana tamim-pahatokiana ny iray na ny roa saingy amin’izao efa niala tamin’ny lalana. Efa nampianatra ho antsika izy ireo taloha fa izao izy ireo dia mampianatra manohitra antsika, manohitra ny fanjakan’ Andriamanitra.

Na dia teo anefa izany dia milaza ny soratra masina momba an’i Nefia sy i Lehia tamin’ireo vondron’olona roa izay tena sarotra ireo manao hoe: “nitory tamin-kery lehibe izy ireo, hany ka nampangaihaiziny ny maro tamin’ireny mpiendaka ireny izay efa niala avy tany amin’ny Nefita. … Ary ny zava-nitranga dia nitory tamin’ny Lamanita tamin’ny hery sy fahefana lehibe toy izany [izy ireo], satria nananany ny hery sy ny fahefana nomena azy ireo mba hahazoany miteny ary nananany koa izay tokony hoteneniny nomena azy ireo.”14 Izao dia andao hiara-hiato kely. Miatoa hisaintsainana hoe akory ny hatsaran’izany raha toa ka ny mpampianatra rehetra ato amin’ny Departemanta Fampianarana an’ny Fiangonana, na ato amin’ny Fiangonana, no mahafantatra ireto zavatra roa ireto: ahoana no fomba firesahana ary inona no horesahina rehefa miresaka. Izany no ho tena fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny na dia efa fitenin-drazanao aza izany. Ary raha ny fahatakarako azy dia izany mazava ho azy no fanomezam-pahasoavana nomena ireo olona roa ireo rehefa nampianatra izy ireo. Nanana “ny hery sy ny fahefana [lehibe] nomena azy ireo [izy] mba hahazoany miteny, sy … izay tokony hoteneniny. … Noho izany izy ireo dia niteny ho fahagagana lehibe ho an’ny Lamanita.”15

Ahatsiarovanareo zavatra any am-boalohan’ny tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ve io teny hoe fahagagana io? Diniho ny Môzià 27, izay ahitana an’i Almà sy ireo zanak’i Môzià “nandeha tetsy sy teroa … nikomy tamin’ Andriamanitra.” Ao amin’ny andininy 11 dia “Niseho taminy ny anjelin’ny Tompo; ary nidina toy ny tao anaty rahona izy; ary niteny izy miova tsy ny feon’ny kotrobaratra, izay nahatonga ny tany hihorohoro teo amin’ny toerana nijoroan’izy ireo.”16

Sary
Anjely niseho tamin’i Almà

Mamelà ahy raha hisarika anareo amin’ny fanamarihana iray hafa avy hatrany aho. Mihevitra ve ianareo fa tena horohorontany ara-bakiteny izany? Mihevitra ve ianareo fa raha nisy maridrefin’i Richter natsatoka isaky ny 12 metatra dia ho nahitana dimy na enina na valo na sivy izany, ka ho niteraka tsunami any amin’ny ranomasina lalina any sy manerana izao tontolo izao ka ho nanova ny tany? Mety izay tokoa angamba. Mety ho izay indraindray. Mety ho izay tokoa no nitranga, saingy amin’ity tranga iray ity manokana, raha ny toe-javatra voalaza, dia te hieritreritra aho hoe tsy izay no izy. Mieritreritra aho hoe anisan’ireo horohorontany izay alefan’ny Tompo amin’ny olona tsirairay izany, natao nifanaraka amin’ny tsirairay. Mieritreritra aho fa nihozongozona ny tany ho an’i Almà sy ireo zanak’i Môzià, fa iza no mahalala raha nihetsika koa izany tamin’ny olona hafa.

Tena azo antoka fa miaina zavatra toy izany ianareo rehefa mampianatra kilasy. Misy zavatra voalazanao izay manohina mafy tokoa ny mpianatra iray ka lasa ankona izy, na manganohano, na izy roa, mihetsi-po hatrany amin’ny ati-panahiny, kanefa toa tsy dia voakasik’izany akory ilay mpianatra avy eo an-kavanana sy ilay avy eo ankavia. Mitranga foana izany any amin’ny sahan’ny Misiôna. Fantatrareo izany, efa nataonareo izany! Mampianatra fianakaviana iray ny mpiara-mitory iray any anatina trano iray. Mitondra lesona mampihorohoro tany sy manova fo izy ireo ho an’ny mpivady iray izay nampientana ny tao amin’ny trano laharana 106, kanefa ny olona ao ambadika ao amin’ny 105 dia faly mijery Série, ary ry zareo ao amin’ny 107 kosa dia mijery ny voka-dalao baolina. Tsy haiko raha azo ampanantenaina ny horohorontany ara-bakiteny, raha ny ara-jeôlôjia no resahina, fa mihevitra aho fa ny Tompo sy ny soratra masina dia mampanantena foana horohorontany an-tena manokana izay manova ny mpianatra iray hatrany amin’ny fotony mihitsy ka hihovitrovitra eo an-tongony ny tany. Saingy mamelà ahy, fa mivaona kely aho!

Raha tohizana ao amin’ny andininy 12 ao amin’ny Môzià 27:

“Lehibe loatra ny fitalanjonan’” i Almà sy ireo zanak’i Môzià, “lehibe loatra ny fitalanjonany ka nianjera tamin’ny tany izy ireo ary tsy nahatakatra ny teny izay nolazainy taminy. …

“… Ary ankehitriny lavo tamin’ny tany indray i Almà sy ireo izay niaraka taminy, fa lehibe ny fitalanjonany;fa tamin’ny masony mihitsy no efa nijereny ny anjelin’ny Tompo iray; ary ny feony dia toy ny kotrobaratra izay nampihorohoro ny tany.

“… Ary ankehitriny lehibe loatra ny fitalanjonan’i Almà ka nanjary moana izy ka tsy afaka nanokatra ny vavany; eny, ary nanjary osa izy fa tsy afa-nampihetsika ny tanany.”17

Ny zavatra eritreretiko sy entiko am-bavaka ary antenaiko fa afaka ny ho tonga amin’ny Departemanta Fampianarana an’ny Fiangonana dia ny fampianarana mitondra fitalanjonana. Mila mampitalanjona ireo mpianatra ireo isika ary manao izany amin’ny “hery sy fahefan’Andriamanitra”18 izay omena ny mpampianatra, na ireo mpikarama izany na ny mpirotsaka an-tsitrapo, izay mampianatra amim-pahasahiana sy amim-pahamarinana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Fantatrareo ve ny fototenin’ny hoe talanjona? Tsy haiko mihitsy izany amin’ny fiteny Egyptiana nohavaozina na Hebreo, saingy amin’ny anglisy izany dia nalaina avy tamin’ny fototeny hoe “tonare,” izay midika hoe kotro-baratra.19

Moa ve izany manampy anareo hahatakatra ny antony mahatonga an’i Almà taorian’izany rehefa vita io resaka io hiteny hoe: “Ô, inay anie aho anjely, ary nety nanana ny fanirian’ny foko mba hahazoako mandeha sy miteny miaraka amin’ny trompetran’ Andriamanitra, amin’ny feo mampihorohoro ny tany sy miantsoantso fibebahana amin’ny vahoaka tsirairay!

“Eny, holazaiko ny fanahy tsirairay, miova tsy ny feon’ny kotro-baratra, ny fibebahana sy ny drafitry ny fanavotana mba hibebahany sy hanatonany an’ Andriamanitsika, mba tsy hisy alahelo intsony eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny tany.20

Ry namako malala ato amin’ny DFF, tsy saro-pantarina ny antony mahatonga an’i Almà nitady fisehoan’ anjely, feon-kotroka izay toy ny trompetran’ Andriamanitra ka manozongozona ny tany. Tsotra izany, rehefa nety taminy dia afaka ny ho mety amin’ny hafa! Mpianatra mitsilany mibebaka mandritra ny telo andro, fanadiovana lehibe izay tsy ho azon’izy ireo ialana ny fiantraikany, ary tsy hialany, fiainana natolotra tanteraka ho amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra mandrakizay aorian’izany. Izany no fampianarana mahery vaika. Ho hitantsika tahaka an’i Almà fa tsy anjely isika, ary tsy ho toy izany foana ny fiantraikany isaky ny mampianatra vondrona mpianatra isika. Saingy ny zavatra lehibe momba ny antsotsika sy ny asantsika ato amin’ny DFF dia ny hoe manana ny fahafahana isika hanandrana hanao izany, sady ohatra an’ny efa naverintsika ny zavatra iainana ao an-dakilasy izay ahafahantsika manandrana.

Sary
I Nefia sy i Lehia teo anivon’ny Lamanita

Andeha hiverenana ilay Helamana 5. Tsarovy fa tsy anjely ihany koa i Nefia sy i Lehia, tsara fotsiny izy ireo, mpampianatra mety maty manana andraikitra sy hafatra izay nampianatra tamin’ny “hery sy fahefana lehibe.” Ireo olona roa ireo dia nahita Lamanitra 8.000 “natao batisa ho amin’ny fibebahana” sy nankao am-piangonan’ Andriamanitra.21 Miaraka amin’ny afo milatsaka avy an-danitra, tsaroanareo ilay tantara, sy ny afon’ny Fanahy izay mandoro ny ao anaty, ny fanahin’ireo olona tao amin’ity vondron’ny “mpianatra” iray manontolo ity dia notaomin’ny fahamarinana. Raha tamin’ny zavatra niainako dia tatitry ny faritra efa tsara izany 8000 izany raha avy amin’ireo mpiara-miasa any amin’ny sahan’ny misiôna, na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao.

Afaka mamela ahy indray mandeha ve ianareo hiresaka momba ny mpampianatra/mpianatra iray izay tsy vitan’ny hoe nandoro ny fanahiny fa nandoa ny vidin’ny fanompoany tamin’ny tenany ka nodorana ihany koa.

Efa hatry ny mbola naha-kely ahy i Abinadia no anisan’ny mpaminany izay ankafiziko indrindra ao amin’ny soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana Ny fipoitran’i Abinadia voalohany dia toy ny olona tsy fantatra izay nilaza fa tsy nandova avy tamin’ny mpaminany na naneho hoe iza no fianakaviany. Raha niharatsy ny zavatra tao amin’ny tafik’i Zenifa izay mafy loha dia nantsoina i Abinadia mba hihiaka fibebahana tamin’ny mpandimby an’i Zenifa izay nampalahelo, dia ny Mpanjaka Noa Efa fantatrareo ilay tantara.

Namoaka didy famonoana avy hatrany i Noa, dia tsy maintsy nandositra i Abinadia. Rehefa avy niafina roa taona i Abinadia dia nandroso indray mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona. Mampitsiky ahy ny toa tsy fananan-tsiny nananan’ilay mpaminany tahaka ny an’ny zaza tao anatin’izany rehetra izany. Nitoka-monina tanteraka izy tao anatin’ny 24 volana, ary nanova fitafy tamin’izay mba tsy hahafantarana azy, saingy rehefa niverina anefa izy dia toy izao ny teny voalohany nivoaka ny vavany: “Izao no efa nandidian’ny Tompo ahy, manao hoe—Ry Abinadia, mandehana ary maminania.”22 Mampanontany tena ahy eto ny fahombiazan’ilay fanovana fitafy, saingy azo antoka fa tsy manontany tena momba ny finoany sy ny fahavononany isika.

Rehefa naminany tamim-pahasahiana hanohitra ny faharatsian’i Noa mpanjaka sy ny tao an-dapany i Abinadia dia nosamborina izy nony farany ary nentina teo anatrehan’ilay fitsarana izay nomelohiny. Raha nohadihadian’io filankevitra io tamin’ny fomba tsy nisy antra ilay mpaminany lehibe dia “namaly azy ireo tamim-pahasahiana tokoa izy ary nahatohitra ny fanontaniana rehetra napetrany, … ary nampangaihaiziny izy ireo tamin’ny teny rehetra nataony.”23 Rehefa avy niaro tena izy ka niroso tamin’ny famelezana, dia nanomboka nilaza izy an’ireo toko dimy sy tapany ahitana fotopampianarana izay anisan’ny mahery vaika indrindra omena ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna manontolo. Zara raha nanomboka izy no indro niantso ny hamonoana azy i Noa, nentanin’ny fahatsapana ho meloka sy faharatsiana.

Sary
Mijoro ho vavolombelona tamin’ny fitsarana notarihan’i Noa Mpanjaka i Abinadia

Izany rehetra izany dia hanomanana ny fomba hisehoan’ilay tranga izay raiki-tampisaka mandrakizay ato anatin’ny fanahiko, tsy dia ohatra ny fomba nanehoan’i Arnold Friberg azy ao anatin’ilay sary hosodoko mahavariana nataony,24 saingy mitovitovy amin’izany ihany. Amin’ny maha-gadra an’i Abinadia dia tsy maintsy hoe voafatotra izy, tamin’ny karazana rojo vy famatorana tamin’izany andro izany. Raha ny taonany dia tsy fantatsika. Ny nanaovan’i Filberg azy dia lehilahy efa antitra saingy tsy milaza izany ny lahatsoratra. Tsy fantatro hoe firy taona izy tamin’izany. Natanjaka ara-batana ve? Tsy fantatro, fa vao avy nitoka-monina nandritra ny roa taona izy ka mety tsy dia nisy sakafo loatra. Eritrereto i Elia izay nofahanan’ny goaika.25 Efa nahita ny tongotry ny goaika ve ianareo? Tsy mino aho hoe rehefa manidina ireny namana manana elatra ireny dia ho afaka hitazona zavatra lehibe. Tsy fantatsika, saingy mety noana angamba i Abinadia, sy reraka, ary farafaharatsiny mety ho somary osa ara-batana raha jerena ny zavatra niainany.

“Ento any io olona io, ary vonoy izy,” hoy ny nataon’i Noa mpanjaka, “fa inona moa no azontsika atao aminy. …

“ … Ary nitsangana izy ireo ary nanandrana ny haninjitra ny tanany taminy; fa saingy notoheriny izy ireo, ary hoy izy taminy hoe:

“Aza mikasika ahy fa hamely anareo Andriamanitra raha maninjitra ny tananareo amiko ianareo, satria tsy mbola nahalaza ny hafatra izay nanirahan’ny Tompo ahy holazaina aho. …

“ … Satria tao aminy ny Fanahin’ny Tompo; ary namirapiratan’ny hazavana fatratra ny tavany, toy ny an’i Mosesy raha mbola tao an-tendrombohitr’i Sinay izy, ka mbola niresaka tamin’ny Tompo.

“Ary niteny tamin-kery sy fahefana avy tamin’ Andriamanitra izy.”26

“Hery se fahefana.” Io indray ilay izy. Rehefa nanomboka nanoratra ity lahateny ity aho ka naniry hampiasa an’i Abinadia, dia tsy tsaroako, na mety tsy fantatro, fa mifarana amin’izany andian-teny izany ihany ity tantara ity, hoe nampianatra tamin’ny hery sy fahefana izy. Ry namana, zavatra iray ny mamaky ireo soratra eo amin’ny pejy iray, saingy zavatra hafa mihitsy ny mahita sary ao an-tsaintsika sy maheno ao am-pontsika toy ny feon-kotroka hoe: “Aza mikasika ahy fa hamely anareo Andriamanitra raha maninjitra ny tananareo amiko ianareo.”27 Sarotra amiko ny hamaky ireo teny ireo ka tsy ho latsa-dranomaso. Mbola mmaneho hery sy herim-po ary tanjaka goavana ato am-poko izany. Tsy misy filazana hoe nihiaka izy. Tsy misy filazana hoe nihetsika izy. Teo anatrehan’ireo mpiambina mitam-piadiana dia tsy ho afaka nanao zavatra firy izy. Saingy toa nahomby ny zavatra nolazainy sy ny fomba nitenenany izany. “Toa” hoy aho satria tsy misy filazana hoe niezaka irery ve ireo mpiambina hanala azy, na koa hoe nilaza teny hafa ny mpanjaka Noa na hoe na iza na iza tamin’ireo mpisorony tao anatin’ny toko efatra fanampiny mahavariana.

Eny,tsy afaka ny handinika ireo ohatra rehetra mahatalanjona momba io karazana fampianarana ao amin’ny soratra masina io isika, saingy betsaka izy ireo. Manasa antsika tsirairay aho hitady azy ireny, handinika azy ireny, ary hangataka ho antsika ny ampahany amin’izany fanomezana izany izay mifanentana amin’ny antso ananantsika.

Io karazana fampianarana io dia mitaky zavatra betsaka sady tena sarotra takarina. Raha nahay nampianatra tamin’izany fomba izany aho, dia azo antoka fa ho nahomby kokoa teo am-panaovana izany. Fa izao no fantatro: raha tsy manana fahatsapana lalim-paka momba ana zavatra iray ianao, dia tsy ho afaka ny hahatonga ireo mpianatrao hanana fahatsapana lalim-paka momba izany koa na inona na inona teny ampiasainao. Azoko averina ve izany? Raha tsy manana fahatsapana lalim-paka momba ana zavatra iray ianao, dia tsy ho afaka ny hahatonga ireo mpianatrao hanana fahatsapana lalim-paka momba izany koa na inona na inona teny ampiasainao. Mazava ho azy fa ny loharano fototr’izany dia izay voalaza momba an’i Abinadia hoe: “satria tao aminy ny Fanahin’ny Tompo; ary namirapiratan’ny hazavana fatratra ny tavany.”28

Raha toa ka ny Fanahy no fanalahidin’ny fampianarana mitondra fitalanjonana, ary izany no izy, dia mety hitera-doza ny miresaka avy amin’ny naoty efa noraketina efa ela na ny mampiasa ny ohatr’ireo mpampianatra hafa, na ny mamerina amin’ny fomba mahamonamonaina lahateny iray tamin’ny fihaonambe maneran-tany. Tsara daholo izy ireny tamin’izany ary nahavariana tamin’ny fotoana nanaovana azy tany ifotony, koa mampiasà izay zavatra azonao entina foana mba hamelombelomana sy hitondrana fiovana eo amin’ny fampianaranao. Fa ny tena manan-danja indrindra dia ny zavatra tsapanao rehefa milaza izany ianao. Tsy hisy zavatra hafa hahasolo an’izany. “Ô, inay anie aho anjely … mba hahazoako … miteny… amin’ny feo mampihorohoro ny tany!”29 Tsarovy: ny mpianatra dia tsy fitoeran-javatra hofenoina. Ny mpianatra dia afo ilaina arehitra. Ary rehefa ataontsika tsara izany, dia ho mendrika isika indray andro any hihaona amin’ireo izay nodorana teo amin’ny tsato-kazo noho izany fahafahana mitaona ny fanahin’ny mpianatra izany indrindra. Miangavy anareo aho, mandehana ry anjelin’ny voninahitra manerana ny tany, dia ataovy ao an-tsaina ireo mpihaino izay hiresahintsika, mandehana re dia ataovy talanjona ireo mpianatrareo. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny maha masina an’ity asa ity. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny maha masia ny antsonareo. Ry rahalahy sy ranabavy malalako, asan’ilay Andriamanitra Tsitoha ity. Tsy angano angano no nanolorako ny fiainako. Tsy nanolotra ny fiainako ho an’izay nolazain’i Petera fa hiampangana antsika aho, fa izany dia ny fikatsahana zava-tsy marina, fikatsahana zavatra lainga nokolokoloina tamin-kafetsena. Izany no fahamarinana. Tsy angano noforonina tamin-kafetsena izany. Efa nanolotra ny fiainako aho, manolotra ny fiainanareo ianareo, efa nanome ny azy ireo olona tsara indrindra fantatro ary mbola manome izany. Ity no fahamarinan’ Andriamanitra Tsitoha, ary enga Izy hitahy anareo mandrakariva eo amim-pampianaranareo izany. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.