Institiota
Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ilay iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith sy ny nahafatesany ho maritiora


“Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ilay iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith sy ny nahafatesany ho maritiora,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ilay iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith sy ny nahafatesany ho maritiora

Sary
Rahalahy Joseph, nataon’i David Lindsley

Mieritrereta olona ao amin’ny soratra masina izay vonona ny hamoy ny fiainany mba hanaovana ny sitrapon’ny Tompo. Inona no ampianarin’ny sorona toy izany momba ny fijoroana ho vavolombelona sy ny faharesen-dahatra nananan’ireo olona ireo? Rehefa mandalina ny iraka nampanaovina azy sy ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith ho maritiora ianao, dia eritrereto ny fiantraikan’ny fandraisany anjara sy ny lova napetrany teo amin’ny fiainanao.

Fizarana 1

Inona no tranga nahatonga ny fampidirana am-ponja ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Carthage?

“Maty i Joseph sy i Hyrum. Maratra i [John] Taylor. … Salama aho.” Ireo teny ireo dia ampahany tamin’ny hafatra nalefan’i Willard Richards ho an’i Emma Smith sy ireo Olomasina hafa tany Nauvoo ora vitsy taorian’ny namonoana tamin-kerisetra an’i Joseph sy i Hyrum Smith tao amin’ny Fonjan’i Carthage ny harivan’ny 27 jona 1844 (taratasin’i Willard Richards, fonjan’i Carthage, 27 jona 1844, Church History Library, Salt Lake City). Alaivo sary an-tsaina ny eritreritra sy ny fahatsapana nananan’i Emma sy ny Olomasina teo am-pamakiana ireo teny ireo.

Ny fitomboan’ny hery ara-politika sy ara-toekarenan’ny Olomasina dia noraisin’ireo vondron’olona manodidina ho toy ny loza manambana. Tamin’ny fahavaratra 1844, dia nihamafy ny fanoherana an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Ny sasany izay nandao ny Fiangonana dia nikomy mba handrehitra ny fanoheran’ny vahoaka ny Mpaminany. Ny olom-pirenena sasany tao Illinois dia niresaka momba ny fandroahana ireo Olomasina hiala tao amin’ny faritany, ary ny sasany kosa namolavola tetika hamono ny Mpaminany.

Tamin’ny 10 Jona 1844, i Joseph Smith, izay ben’ny tanànan’i Nauvoo, sy ny filankevitra tao amin’ny tanànan’i Nauvoo dia nanome baiko ny handravana ny Nauvoo Expositor sy ny gazety izay nanonta izany. Ny Nauvoo Expositor dia gazety miady amin’ny Môrmôna izay manendrikendrika ny Mpaminany sy ireo Olomasina hafa ary niantso ny fanafoanana ny Nauvoo Charter. Natahotra ny tompon’andraikitra tao an-tanàna fa hiteraka hetsika asa fanakorontanana ity gazety ity. Noho ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny ben’ny tanàna sy ny filankevitry ny tanàna, dia namoaka fiampangana tsy marim-pototra ho famporisihana ho amin’ny korontana nanohitra an’i Joseph Smith, Hyrum rahalahiny sy manampahefana hafa tao an-tanànan’i Nauvoo ireo manampahefana tao Illinois. Nandidy ireo lehilahy mba hotsaraina tany Carthage, Illinois, izay toerana misy ny fitantanana ny fanjakana, i Thomas Ford, governoran’i Illinois ary nampanantena fiarovana ho azy ireo. Fantatr’i Joseph fa hiharan-doza lehibe ny ainy raha mankany Carthage izy, noho ireo mpihetraketraka izay nandrahona azy. …

… Ny 24 jona dia nanao veloma ny fianakaviany i Joseph sy i Hyrum Smith ary nandeha tany Carthage niaraka tamin’ireo manampahefan’ny tanàna tao Nauvoo. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 529–30)

Ataovy ny iray amin’ireto asa atao ireto:

  1. Halalino ny ambin’ny fizarana 1.

Rehefa nandeha niaraka tamin’ny olona hafa tany Carthage ny Mpaminany dia naminany momba ny famonoana ho maritiora azy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4.

I Joseph sy Hyrum dia “[n]anolo-tena an-tsitrapo ny tenany tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny distrika tao Carthage ny ampitson’iny. Rehefa nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpirahalahy tamin’ny fiampangana voalohany, dia noampangaina tsy ara-drariny ho mpamadika ny faritanin’i Illinois izy ireo, nosamborina ary naiditra am-ponja tao amin’ny Fonjan’i Carthage mandra-piandry ny fitsarana. Niaraka tamin’izy ireo an-tsitrapo ny Loholona John Taylor sy Willard Richards, ireo hany mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy izay tsy nanao asa fitoriana” (Teachings: Joseph Smith, 530).

Sary
ivelan’ny Fonjan’i Carthage

Fizarana 2

Inona no nitranga tao amin’ny Fonjan’i Carthage?

Ataovy ny iray amin’ireto asa atao ireto:

  1. Vakio izao tantara manaraka izao avy ao amin’ny Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao:

Nandeha tsimoramora ny fotoana tao amin’ny Fonjan’i Carthage iny tolakandro iny. Tao anatin’ny hafanan’ny fahavaratra, dia nanaisotra ny palitaony ireo lehilahy ka namoha ny varavarankely mba hidiran’ny tso-drivotra. Any ivelany, lehilahy valo … no niambina ny fonja raha nitoby teo akaiky teo kosa ireo milisy. Nisy mpiambina hafa nipetraka tao ambadiky ny varavarana ihany.

Sary
anatin’ny Fonjan’i Carthage

Namita irakiraka ho an’i Joseph i Stephen Markham, Dan Jones, sy ny hafa. Tamin’ireo lehilahy izay nijanona tao tamin’ny alina talohan’io, dia i Willard Richards sy i John Taylor irery ihany no mbola niaraka tamin’i Joseph sy Hyrum. Tamin’io andro io, talohan’io fotoana io, dia nisy mpitsidika nanolotra basy roa ho an’ireo voafonja, revolvera misy bala enina sy basy poleta bala tokana iray. I Stephen ihany koa dia namela tehina hazo mafy izay nantsoiny hoe “fikapohana maditra.”

Mba hanamaivanana ny toe-po ary handaniana ny fotoana, dia nihira fihirana britanika i John. …

[Fotoana fohy taorian’ny nihiran’i John Taylor fanindroany] dia naheno fibosesehana tao am-baravarana sy ny fanenon’ny ny poa-basy telo na efatra ireo voafonja. Nangala-pijery teo amin’ny varavarankely nisokatra i Willard ary nahita lehilahy zato teo ambany, nohamainina tamin’ny fotaka sy vanja fanao amin’ny basy ny tavan’izy ireo, nanakorontana ny fidirana teo amin’ny fonja. Nalain’i Joseph ny iray tamin’ireo basy poleta raha toa ka nalain’i Hyrum kosa ilay iray hafa. … Nirohotra nanindry ny varavarana ireo lehilahy efatra ireo raha nihazakazaka ny tohatra ireo mpanakorontana ka niezaka ny niditra tao anatiny tamin-kery.

Nanako tany an-tohatra ny poa-basy rehefa nitifitra ny varavarana ny vahoaka. … [Nisy] bala iray tadifitra ilay hazo. Namely an’i Hyrum teo amin’ny tarehy izany dia nihodina izy, lavo teo am-baravarana. Nisy bala iray hafa namely azy teo amin’ny lamosina ambany. …

“Rahalahy Hyrum!” Hoy i Joseph Smith nihiaka. Noraisiny ilay basy misy bala enina ary nosokafany santimetatra vitsivitsy ny varavarana dia napoakany indray mandeha izany. Nisy balam-basim-borona maro nisidina nankao an’efitrano, ary i Joseph dia nitifitra tampoka ireo andian’olona raha toa ka nampiasa ilay tehina mba handatsahana ireo vatam-basy kosa i John [Taylor], ary nisidina avy teo am-baravarana ny antsy maro.

Sary
Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, nataon’i Casey Childs

Rehefa diso fipoahana indroa na intelo ny basy poletan’i Joseph dia nihazakazaka nankeny amin’ny varavarankely i John ary niezaka ny nihanika ny sisim-baravarankely lalina. Nisy balam-basim-borona nanidina nanerana ny efitrano ka nahavoa azy tamin’ny tongotra, nahatonga azy tsy nahatana tena. Voly ny vatany ka niakapoka teo amin’ny sisim-baravarankely izy, ka namaky ny famantaran’ora fanao am-paosiny hijanona teo amin’ny dimy ora sy enina ambin’ny folo minitra izany.

“Voa aho!”, Hoy izy

Notaritarihan’i John niampita ny efitrano ny tenany ary nikodia tao ambanin’ny fandriana izy raha nitifitra hatrany ilay andian’olona. Nisy bala iray nandrovitra ny valahany, nanaisotra ampahana nofo. Nisy bala roa hafa nahavoa ny kihon-tanany sy ny taolana teo ambony kelin’ny lohaliny.

Tery am-pitan’ny efitrano, i Joseph sy i Willard dia niezaka mafy nanosika ny varavarana ary i Willard dia nahatosika ireo basim-borona sy antsy teo anoloany. Tampoka teo dia nalatsak’i Joseph tamin’ny gorodona ny basiny ka namonjy nankeo amin’ny varavarankely izy. Raha nihanika ny sisim-baravarankely izy dia nisy bala roa nahavoa ny lamosiny. Nisy bala iray hafa nisidina teo am-baravarankely ka nandrobaka azy teo ambanin’ny fo.

“Tompo ô, Andriamanitro ô,” hoy izy nihiaka. Nianjery nankany aloha ny vatany ka ny lohany no nivoaka voalohany avy teny am-baravarankely.

Nihazakazaka niampita ny efitrano i Willard ary namoaka ny lohany tany ivelany raha nisidina teo akaikiny ny bala maro. Hitany tao ambany ny andian’olona nirohotra nanodidina ny faty mitsi-dran’i Joseph. …

Maty i Joseph Smith, ilay mpaminany sy mpahitan’ny Tompo. (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 548–552; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–2)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona avy ireo eritreritrao sy fahatsapana anananao rehefa mandinika ny sorona nataon’i Joseph sy Hyrum Smith noho ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny?

Fizarana 3

Ahoana no nitahiana ny fiainako noho ny iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith?

Teo ambany fitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nisy filazana an-tsoratra momba ilay famonoana ho maritiora izay nomanina niainga avy tamin’ny fitantaran’ny Loholona John Taylor sy ny Loholona Willard Richards izay nanatri-maso izany. Io filazana io dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 ankehitriny.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Asio marika ireo teny na andian-teny tena manan-danja aminao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Saintsaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fomba nanovan’ny iraka amin’ny maha-Mpaminany azy ny fiainanao sy ny nitahiany izany. Raketo ao anatin’ny diarinao ireo eritreritra tonga ao an-tsainao.