Ny soratra masina
Teny fanolorana


Teny fanolorana

Ny Bokin’i Môrmôna dia bokin’ny soratra masina azo oharina amin’ny Baiboly. Izany dia rakitsoratry ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ny mponina fahiny tany Amerika ary mitahiry ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay.

Nosoratan’ny mpaminany maro fahiny ny boky, tamin’ny alalan’ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana. Notaterina sy nofintinin’ilay mpaminany sady mpahay tantara nantsoina hoe Môrmôna ny tenin’izy ireny izay voasoratra teo amin’ireo takela-bolamena. Manoritsoritra ny tantaran’ny riba lehibe anankiroa ny rakitsoratra. Ny iray nipoitra avy tao Jerosalema, 600 taona talohan’i Kristy izay nizara ho firenena roa taty aoriana ka fantatra tamin’ny hoe: ny Nefita sy ny Lamanita. Ny iray hafa nitranga elabe talohan’izany, raha nanorokoro ny fiteny teo amin’ny Tilikambon’i Babela ny Tompo. Fantatra amin’ny hoe: ny Jaredita io vondrona io. An’arivo taona maromaro taty aoriana dia fongana avokoa izy rehetra afa-tsy ny Lamanita ary izy ireo no anisan’ny razambe niavian’ny Indianina any Amerika.

Ny zava-nitranga lehibe indrindra voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy Tompo, Izy tenany, teo anivon’ny Nefita fotoana fohy taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty. Manazava ny fotopampianaran’ny filazantsara izany, manoritsoritra ny drafitry ny famonjena ary milaza amin’ny olona ny tsy maintsy hataony hahazoana fiadanana eo amin’ity fiainana ity sy famonjena mandrakizay amin’ny fiainan-ko avy.

Rehefa tontosan’i Môrmôna ny asa sorany, ny fitantarana dia natolony an’i Môrônia zanany lahy izay nanampy ny teniny vitsivitsy sy nanafina ireo takelaka tao amin’ny Havoanan’i Komôrà. Io Môrônia io ihany, izay lasa olona heni-boninahitra sy nitsangana tamin’ny maty, dia niseho tamin’ny mpaminany Joseph Smith ny 21 septambra 1823 ka nampahafantatra azy ny momba ny rakitsoratra tranainy sy ny tokony handikana izany ho amin’ny teny Anglisy.

Tamin’ny fotoana voatondro dia natolotra an’i Joseph Smith ny takelaka ka izy no nandika izany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny. Avoaka ho amin’ny fiteny marobe ny rakitsoratra ankehitriny ho toy ny vavolombelona vaovao sy fanampiny fa i Jesoa Kristy no Zanak’Ilay Andriamanitra velona, ka izay rehetra manatona Azy sy mankatò ny lalàna ary ny ôrdônansin’ny filazantsarany no azo vonjena.

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith momba io rakitsoratra io: “Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa.”

Ankoatra an’i Joseph Smith dia nataon’ny Tompo izay hahitan’ny olona iraika ambin’ny folo hafa ny takela-bolamena, ka ho vavolombelona manokana ny amin’ny fahamarinana sy ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna ireo. Voarakitra an-tsoratra etoana ny tenivavolombelon’ireo ho toy “Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo” sy “Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona valo.”

Manainga ny olona rehetra izahay, na aiza na aiza misy azy, hamaky ny Bokin’i Môrmôna, hisaintsaina ao am-pony ny hafatra raketiny, ary avy eo dia hanontany an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha marina ny boky. Ireo izay manaraka izany torolalana izany, ka mangataka amin’ny finoana dia hahazo ny fanambaran’ny fahamarinany sy ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (jereo Môrônia 10:3–5).

Ireo izay mandray izany tenivavolombelon’ Andriamanitra izany avy amin’ny Fanahy Masina dia hanjary hahafantatra koa amin’ny alalan’io hery io ihany fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao, fa i Joseph Smith no mpanambara sy mpaminaniny amin’izao andro farany izao, ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ny Tompo voaorina indray eto an-tany ho fanomanana ny Fiavian’ny Mesia Fanindroany.