Ny soratra masina
Fanazavana Fohy momba ny Bokin’i Môrmôna


Fanazavana Fohy momba ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia rakitsoratra masin’ny mponina tao Amerika fahizay ary voasokitra tamin’ny takelaka metaly. Ny loharano nakana io rakitsoratra io dia ahitana an’ireto manaraka ireto:

  1. Ny Takelak’i Nefia, izay roa karazana: ny takelaka kely sy ny takelaka lehibe. Navahana manokana ho an’ny zavatra ara-panahy sy ny asa fanompoana ary ny fampianaran’ny mpaminany iretsy voalohany fa nanoratana indrindra kosa ny tantaram-piainan’ny mponina voakasik’izany ireto faharoa (1 Nefia 9:2–4). Hatramin’ny andron’i Môzià anefa dia mirakitra ihany koa ny zavatra misongadina sy manan-danja ara-panahy ny takelaka lehibe.

  2. Ny Takelak’i Môrmôna, izay famintinan’i Môrmôna ny takelaka lehiben’i Nefia, miaraka amin’ny fanazavana maro. Mirakitra ny fanohizan’i Môrmôna ny tantara koa izany sy ireo fanampin-tsoratra nataon’i Môrônia zanany lahy.

  3. Ny Takelak’i Etera, izay mampahalala ny tantaran’ny Jaredita. Nofintinin’i Môrônia io rakitsoratra io izay nanatsofohany ny fanazavany, ary natambany tamin’ny tantara ankapobeny io rakitsoratra io araka ny lohateny hoe: “Ny Bokin’i Etera.”

  4. Ny Takela-barahina izay nentin’ny olon’i Lehia avy tany Jerosalema, 600 taona talohan’i Kristy. Ireo no nitahiry “ny boky dimin’i Mosesy, … ary koa ny rakitsoratry ny Jiosy hatrany am-piandohana … ka hatreo amin’ny fiantombohan’ny fitondran’i Zedekia, mpanjakan’i Joda; ary koa ny faminanian’ny mpaminany masina” (1 Nefia 5:11–13). Andalan-tsoratra maro avy amin’ireo takelaka ireo, izay mitanisa an’i Isaia sy ny mpaminany hafa ao anatin’ny Baiboly na tsy ao anatin’ny Baiboly, no hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Misy toko na fizarana lehibe dimy ambin’ny folo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna antsoina hoe boky, afa-tsy anankiray, ary voatondro ka mitondra ny anaran’ny mpanoratra azy amin’ny ankapobeny. Ny ampahany voalohany (ny boky enina voalohany ka hatramin’ny Ômnia) dia fandikana avy tamin’ny takelaka kelin’i Nefia. Eo anelanelan’ireo bokin’i Ômnia sy i Môzià dia misy teny natsofoka antsoina hoe ny Tenin’i Môrmôna. Io teny natsofoka io no mampifandray ny rakitsoratra voasokitra tamin’ireo takelaka kely sy ny famintinan’i Môrmôna ireo takelaka lehibe.

Ny ampahany lava indrindra, manomboka amin’i Môzià ka hatramin’i Môrmôna toko 7, dia fandikana ny famintinan’i Môrmôna ny takelaka lehiben’i Nefia. Ny ampahany farany, manomboka amin’i Môrmôna toko 8 ka hatramin’ny faran’ny boky, dia soratra nosokirin’i Môrônia, zanakalahin’i Môrmôna, izay rehefa avy namarana ny tantaram-piainan-drainy, dia nanao ny famintinana ny rakitsoratry ny Jaredita (na ny bokin’i Etera) sy nanampy ireo fizarana fantatra amin’ny hoe ny bokin’i Môrônia taty aoriana.

Tamin’ny na tokony ho teo amin’ny taona 421 taorian’i Kristy no namehezan’i Môrônia izay mpaminany sady mpahay tantara farany tamin’ny Nefita, ny rakitsoratra masina sy nanafenany izany ho an’ny Tompo mba hampisehoana izany amin’ny andro farany araka ny efa nampilazain’ny feon’ Andriamanitra mialoha tamin’ny alalan’ireo mpaminany fahiny. Tamin’ny taona 1823 taorian’i Kristy, dia nitsidika ny mpaminany Joseph Smith io Môrônia io ihany, izay olona natsangana tamin’ny maty, ka nanolotra azy taty aoriana ireo takelaka voasokitra.

Momba ity fanontana ity: Ilay pejin-dohateny avy tany ifotony izay mialoha avy hatrany ny pejy misy ny votoatiny, dia nalaina avy tamin’ireo takelaka ary anisan’ny lahatsoratra masina. Anisan’ny lahatsoratra masina koa ireo teny fanolorana tsy miendrika soramandry toa ny ao amin’ny 1 Nefia sy izay mialoha avy hatrany ny Môzià toko 9. Ireo teny fampidirana miendrika soramandry toy ny sasin-teny dia tsy lahatsoratra avy tany ifotony fa zavatra manampy amin’ny fandalinana izay nampidirina mba hahamora ny famakiana.

Nisy fahadisoana madinika ao amin’ny lahatsoratra izay niverimberina hatrany tao amin’ireo edisiôna teo aloha tamin’ny Bokin’i Môrmôna navoaka tamin’ny teny Anglisy. Ity edisiôna ity dia ahitana ireo fanitsiana izay hita fa mifanaraka amin’ny lahatsoratra talohan’ny famoahana sy tamin’ireo edisiôna voalohandohany nataon’ny mpaminany Joseph Smith.