Ny soratra masina
Tenivavolombelon’ireo vavolombelona valo


Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona valo

Aoka ho fantatry ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra izay hahatongavan’ity boky ity fa efa nasehon’i Joseph Smith zanany, mpandika tenin’ity boky ity anay, ny takelaka izay efa voalaza, izay miendrika volamena; ary izay takelaka rehetra efa nadikan’io Smith voalaza io dia nokasihinay tamin’ny tananay; ary nahita koa ireo soratra voasokitra taminy izahay, ka ireo rehetra ireo dia manana ny endriky ny asa soratra tranainy sy ny fahaizana asa kanto. Ary izahay dia vavolombelona manambara izany amin-kitsimpo fa efa nasehon’io Smith voalaza io anay izany, satria efa hitanay sy naingain’ny tananay, ka fantatray marina fa io Smith voalaza etsy aloha io no manana ireo takelaka izay efa noresahanay. Ary omenay izao tontolo izao ny anaranay ho vavolombelona amin’izao tontolo izao ny zavatra izay efa hitanay. Ary tsy mandainga izahay, fa Andriamanitra no vavolombelona manambara izany.

Christian Whitmer

Jacob Whitmer

Peter Whitmer zanany

John Whitmer

Hiram Page

Joseph Smith rainy

Hyrum Smith

Samuel H. Smith