Ny soratra masina
Tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo


Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo

Aoka ho fantatry ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra izay hahatongavan’ity boky ity: fa izahay, noho ny fahasoavan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika, dia nahita ireo takelaka izay mitahiry ity rakitsoratra ity, izay rakitsoratry ny olon’i Nefia ary koa ny Lamanita rahalahiny, ary koa ny olon’i Jareda izay avy tany amin’ny tilikambo araka ny efa voalaza. Ary fantatray koa fa efa nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny ireo, satria ny feony no efa nilaza izany taminy; noho izany dia fantatray amim-pahatokiana fa marina ny asa soratra. Ary ambaranay koa fa efa nahita ny soratra voasokitra teo amin’ireo takelaka; ary efa naseho anay ireo tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra, fa tsy araka ny herin’olombelona. Ary amin-kitsimpo tanteraka no ilazanay fa ny anjelin’ Andriamanitra iray dia nidina avy tany an-danitra ka izy no nitondra sy namelatra ireo takelaka teo imasonay, ka dia nobanjininay sy nojerenay ireo mbamin’ny soratra voasokitra taminy; ary dia fantatray fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika, dia nahita izahay ka vavolombelona manambara fa marina ireo zavatra ireo. Ary dia fahagagana teo imasonay izany. Na dia teo aza izany, dia nandidy anay ny feon’ny Tompo ho vavolombelona manambara izany; koa ho fankatoavana ny didin’ Andriamanitra, dia vavolombelona manambara ireo zavatra ireo izahay. Ary fantatray fa raha mahatoky ao amin’i Kristy izahay, dia hoesorinay amin’ny fitafianay ny ran’ny olombelona rehetra, ka ho hita tsy misy pentina izahay eo anatrehan’ny toeram-pitsaran’i Kristy ary hiara-honina Aminy mandrakizay any an-danitra. Ary ny voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, izay Andriamanitra iray. Amena.

Oliver Cowdery

David Whitmer

Martin Harris