Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133


Fizarana 133

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Hiram, Ohio, ny 3 nôvambra 1831. Rehefa nosoratana ny sasin-tenin’ity fanambarana ity izao no lazain’ny tantaran’i Joseph Smith: “Tamin’izay fotoana izay dia nisy zavatra maro nirian’ireo loholona ho fantatra momba ny fitoriana ny Filazantsara amin’ireo mponin’ny tany sy momba ny fanangonana; ary mba handehanana amin’ny tena hazavana sy hampianarina avy any ambony, dia nanontany ny Tompo aho ny 3 nôvambra 1831 ary nandray izao fanambarana lehibe manaraka izao.” Natambatra ho toy ny tovana tamin’ny bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana aloha ity fizarana ity vao nomena laharana taty aoriana.

1–6, Didina ireo Olomasina hiomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany; 7–16, Didina ny olona rehetra handositra an’i Babylona, ho tonga ao Ziona ary hiomana ho amin’ny andro lehiben’ny Tompo; 17–35, Hitsangana eo an-tendrombohitr’i Ziona Izy, hanjary tany tokana ireo kontinenta ary hiverina ireo foko very amin’i Isiraely; 36–40, Ny filazantsara dia naverina indray tamin’ny alalan’i Joseph Smith mba hotorina manerana izao tontolo izao; 41–51, Hidina hamaly ny olon-dratsy ny Tompo; 52–56, Izany dia ho taonan’ny navotany; 57–74, Havoaka ny filazantsara mba hamonjy ireo Olomasina sy ho famongorana ny olon-dratsy.

1 Mihainoa ianareo ry vahoakan’ny fiangonako ô, hoy ny Tompo Andriamanitrareo, ka henoy ny tenin’ny Tompo momba anareo—

2 Ny Tompo izay ho avy tampoka ao amin’ny tempoliny; ny Tompo izay hidina eo amin’izao tontolo izao miaraka amin’ny ozona ho fitsarana; eny, eo ambonin’ny firenena rehetra izay manadino an’ Andriamanitra sy eo amin’ireo rehetra tsy manana an’ Andriamanitra ao anivonareo.

3 Fa hampitanjaka ny sandriny masina eo imason’ny firenena rehetra Izy, ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamaniny.

4 Koa miomàna ianareo, miomàna ianareo, Ry vahoakako ô; hamasino ny tenanareo; miaraha ianareo mivondrona eo amin’ny tanin’i Ziona, ry vahoakan’ny fiangonako ô, ianareo rehetra izay tsy nodidina hitoetra.

5 Mandehana ianareo miala an’i Babylona. Madiova ianareo izay mitondra ny fanaky ny Tompo.

6 Ataovy ny fivorianareo masina ary mifampiresaha matetika. Ary aoka ny olona tsirairay hiantso ny anaran’ny Tompo.

7 Eny, lazaiko aminareo marina tokoa indray, efa tonga ny fotoana izay iantefan’ny feon’ny Tompo aminareo: Andeha ianareo miala amin’i Babylona; miangòna ianareo avy any anivon’ireo firenena, avy amin’ny vazan-tany efatra, avy amin’ny fara-vodilanitra rehetra.

8 Iraho ireo loholon’ny fiangonako ho any amin’ireo firenena any lavitra; any amin’ireo nosin-dranomasina; iraho ho any amin’ny tany vahiny; antsoy ny firenena rehetra, voalohany dia ny Jentilisa ary rehefa izany dia ny Jiosy.

9 Ary indro, ka jereo, izao no ho antson’izy ireo sy ny feon’ny Tompo amin’ny olon-drehetra: Mandehana ianareo mankany amin’ny tanin’i Ziona, mba ho azo halehibeazina ny sisin-tanin’ny vahoakako sy mba ho azo hamafisina ny tsatòkany ary mba hahazoan’i Ziona mandroso mankamin’ireo faritra manodidina.

10 Eny, aoka izao antso izao handeha any anivon’ny olon-drehetra: Mifohaza ary mitsangàna, dia mivoaha hitsena ny Mpampakatra; indro ka jereo, tamy ny Mpampakatra; andeha ianareo mivoaka mba hitsena Azy. Omano ho amin’ny andro lehiben’ny Tompo ny tenanareo.

11 Koa miambena fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

12 Koa aoka ireo izay any anivon’ny Jentilisa handositra ho any Ziona.

13 Ary aoka ireo izay avy ao Joda handositra ho any Jerosalema, ho any an-tendrombohitry ny tranon’ny Tompo.

14 Andeha ianareo mivoaka avy any anivon’ireo firenena, dia avy any Babylona, avy any anivon’ny faharatsiana, izay Babylona ara-panahy.

15 Fa toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo: aoka ny fandosiranareo tsy hatao amim-pirotorotoana, fa aoka ny zava-drehetra ho voaomana eo anoloanareo; ary izay mandeha aoka tsy hiherika fandrao hanjo azy ny famongorana tampoka.

16 Mihainoa sy mandrenesa ianareo, ô ry mponin’ny tany. Miaraha mihaino ianareo, ry loholon’ny fiangonako, ary henoy ny feon’ny Tompo; fa miantso ny olon-drehetra Izy ary mandidy ny olon-drehetra na aiza na aiza hibebaka.

17 Fa indro, efa nirahin’ny Tompo Andriamanitra ny anjely hihiaka eo afovoan’ny lanitra, manao hoe: Omaninareo ny lalan’ny Tompo ary ataovy mahitsy ny lalany fa efa antomotra ny ora hiaviany

18 Izay hitsanganan’ny Zanakondry eo an-tendrombohitr’i Ziona, ary miaraka Aminy ny efatra arivo sy efatra alina amby iray hetsy izay manana ny anaran’ny Ray voasoratra eo amin’ny handriny.

19 Koa miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra ianareo; mandehana ianareo, mivoaha ianareo hitsena Azy.

20 Fa indro hitsangana eo ambonin’ny tendrombohitra Oliva Izy, ary eo ambonin’ny ranomasina mahery, dia ny lalina indrindra, ary eo ambonin’ireo nosin-dranomasina sy eo ambonin’ny tanin’i Ziona.

21 Dia hanandratra ny feony avy ao Ziona Izy ary hiteny avy any Jerosalema; ary ny feony dia ho re any anivon’ny olon-drehetra;

22 Ary izany dia ho toy ny feon’ny rano maro ary ho toy ny feon’ny kotrokorana lehibe, izay handrodana ireo tendrombohitra, ary ireo lohasaha dia tsy ho hita.

23 Handidy ny lalina indrindra Izy, dia hoentina any amin’ny tany avaratra izany, ary ho tonga iray ihany ireo nosy;

24 Ary ny tanin’i Jerosalema sy ny tanin’i Ziona dia haverina ho eo amin’ny toerany ihany, ary ny tany dia ho tahaka ny tamin’ny andro nialohan’ny nizaràna azy.

25 Ary ny Tompo, dia ny Mpamonjy, dia hitsangana eo afovoan’ny vahoakany sy hanjaka amin’ny nofo rehetra.

26 Ary ireo izay any amin’ny tany avaratra dia hotsarovana eo anoloan’ny Tompo; ary handre ny feony ireo mpaminaniny ka tsy hahatsindry fo intsony; dia hikapoka ny vatolampy izy ireo ka hikoriana eo anatrehan’izy ireo ny ranomandry.

27 Ary hamboarina eo afovoan’ny lalina indrindra ny lalambe.

28 Ho tonga hazany ny fahavalony,

29 Ary hiforona any an’efitra tsy mahavokatra ireo farihin-drano velona; ary tsy ho tany mangentana intsony ny tany hay.

30 Ary hoentiny ho an’ireo zanak’i Efraima, mpanompoko, ny rakitra sarobidiny.

31 Ary ny sisin-tanin’ireo havoana maharitra mandrakizay dia hihorohoro eo anatrehany.

32 Ary any no hianjerany ary hampisatrohana azy ireo amin’ny voninahitra, dia any Ziona, amin’ny alalan’ny tanan’ireo mpanompon’ny Tompo, dia ny zanak’i Efraima.

33 Ary hofenoina amin’ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay izy ireo.

34 Indro izany no fitahian’ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay amin’ireo fokon’i Isiraely sy fitahiana bebe kokoa eo amin’ny lohan’i Efraima sy ny namany.

35 Ary ireo izay avy amin’ny fokon’i Joda koa, aorian’ny fahoriany, dia hohamasinina amin’ny fahamasinana eo anoloan’ny Tompo, mba hitoetra eo anatrehany andro aman’alina, mandrakizay mandrakizay.

36 Ary ankehitriny dia lazaiko marina tokoa, hoy ny Tompo, mba hahafantarana ireny zavatra ireny any anivonareo, Ry mponin’ny tany ô, dia efa nirahiko ny anjeliko hanidina eo afovoan’ny lanitra, manana ny filazantsara maharitra mandrakizay, izay niseho tamin’ny sasany ary nanolotra izany ny olona, izay hiseho amin’ny maro izay monina eto an-tany.

37 Ary izany filazantsara izany dia hotorina amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra.

38 Ary handeha ireo mpanompon’ny Tompo ka hilaza amin’ny feo mahery hoe: Matahora an’ Andriamanitra ary omeo voninahitra Izy, fa efa tonga ny ora fitsarany;

39 Ary miderà Azy izay nanao ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina sy ireo loharanon’ny rano—

40 Hiantso andro aman’alina ny anaran’ny Tompo, manao hoe: Ô enga anie ka hotriarinao ny lanitra, enga anie Ianao ka hidina, dia hiempo eo anatrehanao ireo tendrombohitra.

41 Ary hovaliana eo ambonin’ny lohany izany; fa ny fanatrehan’ny Tompo dia ho toy ny afo mpandrendrika izay mandoro, ary toy ny afo izay mahatonga ny rano hangotraka.

42 Tompo ô, hidina Ianao hampahafantatra ny anaranao amin’ny fahavalonao, ary ny firenena rehetra dia hihorohoro eo anatrehanao—

43 Rehefa manao zavatra mahatahotra Ianao, zavatra izay tsy ampoiziny;

44 Eny, rehefa midina Ianao ary miempo eo anatrehanao ireo tendrombohitra, dia hitsena izay mifaly sy miasa fahamarinana Ianao, izay mahatsiaro Anao amin’ny lalanao.

45 Fa hatry ny fiandohan’izao tontolo izao no tsy mbola nahainoan’ny olona na nandrenesan’ny sofina, na nisy maso nahita, afa-tsy Ianao Andriamanitra ô, ny halehiben’ireo zavatra efa nomaninao ho an’izay miandry anao.

46 Ary holazaina hoe: Iza ity midina avy amin’ Andriamanitra any an-danitra manao fitafiana natoina ity; eny, avy any amin’ireo faritra izay tsy fantatra, miakanjo ny akanjo ny be voninahitra, mandeha amin’ny halehiben’ny tanjany?

47 Ary hilaza Izy hoe: Izaho no Izy izay niteny tamin’ny fahamarinana, mahery ka mahavonjy.

48 Ary ny Tompo dia hanao akanjo mena, ary ny fitafiany dia mampitovy Azy amin’izay manosihosy ny famiazam-boaloboka.

49 Ary ho lehibe tokoa ny voninahitry ny fanatrehany, ka hanafina ny tavany amin-kenatra ny masoandro, ary ny volana hihazona ny hazavany, ary ny kintana hoesorina amin’ny toerany.

50 Ary ho re ny feony hoe: Efa nanosihosy irery ny famiazam-boaloboka Aho ary nitondra fitsarana tamin’ny olon-drehetra; ary tsy nisy niaraka Tamiko;

51 Ary efa nanitsaka azy ireo tamin’ny fisafoako Aho, ary nanosihosy azy ireo tamin’ny fahatezerako, ary ny rany dia efa nipitipitika tamin’ny fitafiako ka nandoto ny akanjoko rehetra; fa izany no andron’ny famaliana izay tao am-poko.

52 Ary efa tonga ankehitriny ny taonan’ny voavotro; ary izy ireo dia hilaza ny halemem-panahy sy ny fitiavan’ny Tompony ary izay rehetra efa natolony azy ireo araka ny hatsaram-panahiny sy araka ny halemem-panahiny sy ny fitiavany, mandrakizay mandrakizay.

53 Tamin’ny fijalian’izy ireo rehetra, dia nijaly Izy. Ary ny anjelin’ny tavany no namonjy azy ireo; ary tamin’ny fitiavany sy tamin’ny famindram-pony no nanavotany azy ireo sy nitondrany azy ireo ary nivimbinany azy ireo tamin’ny andro taloha ela rehetra;

54 Eny, ary i Enoka koa sy ireo izay niaraka taminy; ireo mpaminany izay talohany; ary i Noa koa sy ireo izay talohany; ary i Mosesy koa sy ireo izay talohany;

55 Ary hatramin’i Mosesy ka hatramin’i Elia, ary hatramin’i Elia ka hatramin’i Jaona, izay niaraka tamin’i Kristy tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty, ary ireo apôstôly masina, miaraka amin’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba, dia ho eo anatrehan’ny Zanakondry.

56 Ary hosokafana ireo fasan’ny olomasina; dia hivoaka izy ireo ary hitsangana eo an-tanana ankavanan’ny Zanakondry, rehefa hitsangana eo ambonin’ny tendrombohitr’i Ziona Izy ary eo ambonin’ny tanàna masina, ilay Jerosalema Vaovao; ary izy ireo dia hihira ny hiran’ny Zanakondry andro aman’alina, mandrakizay mandrakizay.

57 Ary noho izany antony izany, mba hahatonga ny olona ho mpandray anjara amin’ireo voninahitra izay mbola hambara, dia nalefan’ny Tompo ny fahafenoan’ny filazantsarany, ny fanekempihavanany maharitra mandrakizay, izay mandahatra amin’ny fahazavana sy ny fahatsorana—

58 Mba hanomana ny malemy ho amin’ireo zavatra izay ho avy ety an-tany, ary ho amin’ny fanirahan’ny Tompo amin’ny andro izay hampangaihaizan’ny malemy ny hendry, ary ny madinika ho tonga firenena matanjaka, ary ny roa hahatonga ny iray alina aminy handositra.

59 Ary amin’ny alalan’ireo zavatra malemy amin’ny tany no hamelezan’ny Tompo ireo firenena amin’ny herin’ny Fanahiny.

60 Ary noho izany antony izany no nanomezana ireo didy ireo; nodidina ny hitanana azy ireo tsy ho hitan’izao tontolo izao tamin’ny andro nanomezana azy ireo, saingy ankehitriny dia tokony handeha ho any amin’ny nofo rehetra ireo—

61 Ary izany dia araka ny saina sy ny sitrapon’ny Tompo izay manapaka amin’ny nofo rehetra.

62 Ary izay mibebaka sy manamasina ny tenany eo anoloan’ny Tompo dia homena fiainana mandrakizay.

63 Ary amin’ireo izay tsy mihaino ny feon’ny Tompo no hotanterahina izay voasoratr’i Mosesy mpaminany, fa izy ireny dia hoesorina hiala avy any anivon’ny vahoaka.

64 Ary koa izay voasoratr’i Malakia mpaminany hoe: Fa indro, avy ny andro izay handoro toy ny fatana, ary ny mpiavonavona rehetra, eny, ary ireo rehetra izay nanao ratsy, dia ho vodivary; ary ny andro izay avy dia handoro azy, hoy ny Tompon’ny Maro, ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny sampany.

65 Noho izany, izao no ho valin-tenin’ny Tompo aminy:

66 Tamin’ny andro izay nahatongavako tany amin’ny Ahy, dia tsy nisy olona tany anivonareo nandray Ahy, ary noroahina ianareo hiala.

67 Nony niantso indray Aho, dia tsy nisy taminareo namaly; kanefa tsy fohy mihitsy ny sandriko ka tsy ho afa-manavotra, na ny heriko mba hanafaka.

68 Indro, amin’ny fandevileveko no andritako ny ranomasina. Ampodiako ho tany foana ny renirano; maimbo ny hazandranony ary ho faty noho ny hetaheta.

69 Tafiako fahamaintisana ny lanitra ary lamba fisaonana no ataoko firakofany.

70 Ary izao no horaisinareo avy amin’ny tanako—handry amin’alahelo ianareo.

71 Indro ka jereo, tsy misy mba hanafaka anareo; fa tsy nankatò ny feoko ianareo fony Aho niantso anareo avy tany an-danitra; tsy nino ny mpanompoko ianareo, ary rehefa nirahina ho any aminareo izy ireny dia tsy noraisinareo.

72 Koa nasiany tombo-kase ny tenivavolombelona ary nofeheziny ny lalàna, ary natolotra ho ao amin’ny haizina ianareo.

73 Ireo no handeha ho any amin’ny haizina ivelany, any no misy ny fitomaniana sy fidradradradrana ary fikitroha-nify.

74 Indro, ny Tompo Andriamanitrareo no efa niteny izany. Amena.