Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38


Fizarana 38

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Fayette, New York, ny 2 janoary 1831. Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana no nitrangan’izany.

1–6, Nahary ny zava-drehetra i Kristy; 7–8, Eo afovoan’ny Olomasiny izay hahita Azy tsy ho ela Izy; 9–12, Efa lo ny nofo rehetra eo anoloany; 13–22, Efa natokany ho an’ny Olomasiny mandritra ny fotoam-pahavelomana sy mandrakizay ny tanin’ny fampanantenana; 23–27, Nodidiana ny Olomasina mba ho iray sy hifampitondra toy ny mpirahalahy; 28–29, Voalaza mialoha ny hisian’ny ady; 30–33, Ny Olomasina dia homena fahefana avy any ambony ary handeha any anivon’ny firenena rehetra; 34–42, Nodidiana ny Fiangonana hikarakara ny mahantra sy ny sahirana ary hikatsaka ny haren’ny mandrakizay.

1 Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitrao, dia i Jesoa Kristy, ilay Izy Aho Lehibe, ny Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, Ilay nibanjina ny velarana midadasiky ny mandrakizay, ary ny tafika rehetra an’ny serafiman’ny lanitra talohan’ny nanaovana izao tontolo izao;

2 Ilay mahalala ny zava-drehetra, satria ny zava-drehetra dia eo anoloan’ny masoko;

3 Izaho ilay niteny, dia vita izao tontolo izao, ary ny zavatra rehetra dia tonga tamin’ny alalako.

4 Izaho ilay efa naka an’i Zionan’i Enoka ho eo an-tratrako, ary lazaiko marina tokoa, dia izay rehetra efa nino ny anarako, fa Izaho no Kristy, ary amin’ny anarako, amin’ny alalan’ny rako izay efa nalatsako no efa nitalahoako teo anoloan’ny Ray ho azy ireo.

5 Nefa indro, ny sisa amin’ny olon-dratsy dia efa notanako tao amin’ny gadran’ny haizina, mandra-pahatongan’ny fitsaran’ilay andro lehibe izay ho avy amin’ny fiafaran’ny tany;

6 Dia toy izany no efa hasaiko hitanana ny olon-dratsy izay tsy te hihaino ny feoko fa manamafy kosa ny fony, ary mahatsiravina, mahatsiravina, mahatsiravina ny anjarany.

7 Nefa indro, lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa mitsinjo anareo ny masoko. Eo afovoanareo Aho, ary tsy afa-mahita ahy ianareo;

8 Nefa avy tsy ho ela ny andro izay hahitanareo Ahy sy hahafantaranareo fa Izy Aho; fa horovitina tsy ho ela ny voalin’ny haizina, ary izay tsy madio dia tsy hahatanty ny andro.

9 Koa sikino ny valahanareo ary aoka ho vonona. Indro, anareo ny fanjakana, ary tsy haharesy ny fahavalo.

10 Lazaiko aminareo marina tokoa, madio ianareo nefa tsy ny rehetra; ary tsy misy olona hafa izay tena ankasitrahiko;

11 Fa efa lo avokoa ny nofo eo anoloako; ary ny herin’ny haizina dia manjaka eto an-tany eo anivon’ny zanak’olombelona, eo anatrehan’ny miaramila rehetra an’ny lanitra—

12 Izay mahatonga ny fahanginana hanjaka ary ny mandrakizay rehetra halahelo, ary ireo anjely dia miandry ny baiko lehibe hijinjana ny tany, hanangonana ny tsimparifary mba hahazoana mandoro izany; ary indro, miray tetika ny fahavalo.

13 Ary asehoko anareo ankehitriny ny mistery iray, ny zavatra izay mitranga ao amin’ny efitra miafina ka hahatonga ny famongorana anareo rehefa afaka elaela, ary tsy fantatrareo izany;

14 Nefa ankehitriny dia lazaiko aminareo izany ary tahina ianareo, tsy noho ny helokareo, na noho ny fonareo tsy mino; satria marina tokoa fa meloka eo anoloako ny sasany aminareo, nefa ho feno famindram-po amin’ny fahalemenareo aho.

15 Koa aoka ianareo hatanjaka hatramin’izao; aza matahotra, fa anareo ny fanjakana.

16 Ary ho famonjena anareo, dia omeko anareo ny didy, fa efa nandre ny fivavakareo Aho, ary efa nitaraina teo anoloako ny mahantra ary izaho no nanao ny mpanan-karena, ary Ahy ny nofo rehetra ary tsy mizaha tavan’olona Aho.

17 Ary efa nataoko manan-karena ny tany, ary indro, fitoeran-tongotro izany, koa hitsangana indray eo amboniny Aho.

18 Ary atolotro sy sitrako homena anareo ny harena lehibe kokoa, dia ny tanin’ny fampanantenana, ny tany tondra-dronono sy tantely, izay tsy hisy ozona eo aminy rehefa ho avy ny Tompo;

19 Ary homeko anareo izany ho tany lovanareo, raha mikatsaka izany amin’ny fonareo manontolo ianareo.

20 Ary izao no ho fanekempihavanako aminareo, ho azonareo izany ho tany lovanareo sy ho lovan’ny zanakareo mandrakizay, raha mbola mijoro koa ny tany, ary hozakainareo indray izany ao amin’ny mandrakizay ka tsy ho levona intsony.

21 Nefa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hanana mpanjaka na mpanapaka ianareo amin’ny farany, fa Izaho no ho mpanjakanareo sy hiandry anareo.

22 Koa henoy ny feoko ary manaraha Ahy, dia ho olona afaka ianareo ary tsy hanana lalàna afa-tsy ny lalàko rehefa avy Aho, fa Izaho no mpanome lalàna anareo ka iza no mahasakana ny tanako?

23 Nefa, lazaiko aminareo marina tokoa, mifampianara ianareo araka ny anjara fanompoana izay efa nanendreko anareo;

24 Ary aoka ny olona tsirairay hihevitra ny rahalahiny ho toy ny tenany ary hampihatra ny hatsaram-panahy sy ny fahamasinana eo anoloako.

25 Ary lazaiko aminareo indray, aoka ny olona tsirairay hihevitra ny rahalahiny ho toy ny tenany.

26 Fa iza moa aminareo, raha manana zanakalahy roa ambin’ny folo ka tsy miangatra aminy, no tsy mizaha tavan’olona raha hiteny amin’ny iray hoe manaova akanjo lava ary mipetraha eto; ary amin’ny iray hafa kosa hoe: Miakanjoa voro-kitsay ary mipetraha eroa—ary hijery ireo zanakalahiny ka hiteny hoe: olo-marina aho?

27 Indro izany no efa nomeko anareo ho toy ny fanoharana, ary tahaka izany Aho. Lazaiko aminareo, aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy.

28 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa ny fahavalo ao amin’ny efitra miafina dia mitady ny ainareo.

29 Renareo ny amin’ny ady any an-tany lavitra, ka dia lazainareo fa hisy tsy ho ela ny ady lehibe any an-tany lavitra, saingy tsy fantatrareo kosa ny fon’ny olona izay eo amin’ny taninareo ihany.

30 Teneniko anareo ireo zavatra ireo noho ny fivavakareo; koa raketo ao an-tratranareo ny fahendrena fandrao ny faharatsian’ny olona no hanambara ireo zavatra ireo aminareo amin’ny faharatsiany, amin’ny fomba izay hitenenana eo an-tsofinareo amin’ny feo mafimafy kokoa noho ilay feo izay hampihorohoro ny tany; nefa raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra.

31 Ary izany dia ny mba hahazoanareo miala ny herin’ny fahavalo ka hangonina ho vahoaka marina, tsy manan-tsiny amam-pondro ho Ahy—

32 Koa, noho izany antony izany, dia nomeko anareo ny didy handehananareo any Ohio; ary any no hanomezako anareo ny lalàko; ary any no hanafiana anareo amin-kery avy any ambony;

33 Ary na zovy na zovy sitrako avy amin’io toerana io, dia handeha any anivon’ny firenena rehetra izy, ary hotenenina aminy izay hataony fa manana asa lehibe efa miandry Aho, fa ho voavonjy i Isiraely, ary hotarihiko izy ireo na aiza na aiza sitrako, ary tsy misy hery hahasakana ny tanako.

34 Ary ankehitriny, omeko ho an’ny fiangonana amin’ireo faritra ireo ny didy mba hotendrena ireo olona sasany eo anivony, ary ireo dia hotendren’ny feon’ny fiangonana;

35 Ary hikarakara ny mahantra sy ny sahirana ireo ka hisahana ny fanampiana azy ireny mba tsy hijaliany ary handefa azy ireny any amin’izay efa nandidiako azy ireo.

36 Ary izao no ho asany, dia ny hitantana ny raharaha momba ny fananan’ity fiangonana ity.

37 Ary ireo izay manana fambolena sy fiompiana ka tsy azo amidy dia aoka handao izany na hampanofa izany araka izay hitany fa mety.

38 Ataovy izay hitehirizana ny zava-drehetra; ary rehefa voatafy hery avy any ambony sy irahina ny olona, dia hangonina avokoa ireo zavatra ireo ho eo an-tratran’ny fiangonana.

39 Ary raha katsahinareo ny harena izay sitraky ny Ray homena anareo, dia ianareo no ho mpanankarena indrindra amin’ny olon-drehetra, fa ho azonareo ny harenan’ny mandrakizay; ary Ahy ny haren’ny tany ka tsy maintsy Izaho no manome azy; nefa mitandrema amin’ny avonavona, fandrao hanjary ho toy ny Nefita fahiny ianareo.

40 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo, omeko anareo ny didy, ka ny olona tsirairay, na loholona, na mpisorona, na mpampianatra na mpikambana, dia samy handeha amin’ny heriny, amin’ny asan’ny tanany, mba hanomana sy hanatontosa ireo zavatra izay efa nodidiako.

41 Ary aoka ny fitorianareo ho feo fampitandremana ny olona tsirairay ny namany amin’ny fahamorana sy amin’ny halemem-panahy.

42 Ary mivoaha avy eo anivon’ny olon-dratsy. Vonjeo ny tenanareo. Madiova ianareo izay mitondra ny fanaky ny Tompo. Izany tokoa. Amena.