Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35


Fizarana 35

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao an-tanàna na tao akaikin’ny tanànan’i Fayette, New York, ny volana 7 desambra 1830. Nisahana ny fanaovana ny fandikana ny Baiboly saika isan’andro ny Mpaminany tamin’io fotoana io. Natomboka tany amin’ny volana jona 1830 ny fandikana ary samy natao mpitantsoratra na i Oliver Cowdery na i John Whitmer. Noho izy ireo efa nantsoina ho amin’ny andraikitra hafa ankehitriny dia nantsoina tamin’ny alalan’ny fanendren’ Andriamanitra i Sidney Rigdon mba hatao mpitantsoratry ny mpaminany tamin’io asa io (Jereo ny andininy 20). Tao amin’ny sasin-tenin’ny rakitsorany momba ity fanambarana ity dia milaza ny tantaran’i Joseph Smith hoe: “Tonga [avy tany Ohio] i Sidney Rigdon tamin’ny volana desambra mba hanontany ny Tompo, ary niara-tonga taminy i Edward Patridge. … Fotoana fohy taorian’ny fahatongavan’ireo rahalahy roa ireo, dia niteny toy izao ny Tompo.”

1–2, Ny fomba mety hahatonga ny olona ho zanak’ Andriamanitra; 3–7, Nantsoina mba hanao batisa sy hanolotra ny Fanahy Masina i Sidney Rigdon; 8–12, Tanterahina amin’ny finoana ireo famantarana sy fahagagana; 13–16, Hively ireo firenena amin’ny herin’ny Fanahy ny mpanompon’ny Tompo; 17–19, Nihazona ny fanalahidin’ireo mistery i Joseph Smith; 20–21, Hahatanty ny andro hiavian’ny Tompo ny olom-boafidy; 22–27, Ho voavonjy i Isiraely.

1 Henoy ny feon’ny Tompo Andriamanitrao, dia ny Alfa sy ny Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, izay hodina mandrakizay ny lalany, tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

2 Izaho no Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, izay nohomboana noho ny fahotan’izao tontolo izao, mba hahatonga izay rehetra mino ny anarako ho zanak’ Andriamanitra, ho iray ato Amiko tahaka Ahy iray ao amin’ny Ray, tahaka ny Ray iray ato Amiko, mba hahatonga anay ho iray.

3 Indro, lazaiko amin’i Sidney mpanompoko marina tokoa, efa nozahako ianao sy ny asanao. Efa reko ny fivavakao ary efa nomaniko ho amin’ny asa lehibe kokoa ianao.

4 Hotahina ianao fa hanao asa lehibe. Indro, efa nalefa hialoha lalana tahaka an’i Jaona ianao, mba hanamboatra ny lalana eo anoloako, ary talohan’i Elia izay ho avy, ary tsy fantatrao izany.

5 Nanao batisa tamin’ny rano ho amin’ny fibebahana ianao, saingy tsy nandray ny Fanahy Masina izy ireo;

6 Nefa ankehitriny dia omeko anao ny didy hanaovanao batisa amin’ny rano, dia handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana izy ireo, tahaka ireo apôstôly fahiny.

7 Ary ny zavatra hitranga dia hisy asa lehibe eo amin’ny tany, dia any anivon’ny Jentilisa, fa habaribary eo imason’ny olona rehetra ny fahadalany sy ny fahavetavetany.

8 Fa Izaho no Andriamanitra ary tsy fohy ny tanako; ary haneho fahagagana, famantarana ary zava-mahatalanjona amin’ireo rehetra izay mino ny anarako Aho.

9 Ary na zovy na zovy no hangataka izany amin’ny anarako amin’ny finoana, dia izy no handroaka ny devoly; hanasitrana ny marary; hampahiratra ny jamba sy hampalady ny marenina, sy hampiteny ny moana ary hampandeha ny kilemaina.

10 Ary avy faingana tokoa ny fotoana izay hanehoana zava-dehibe amin’ny zanak’olombelona;

11 Nefa raha tsy misy ny finoana, dia tsy hisy na inona na inona haseho afa-tsy ny faharavana tamin’i Babylona, dia ilay efa nampisotro ny firenen-drehetra tamin’ny divain’ny fisafoahana ny fijangajangany.

12 Ary tsy misy olona izay manao ny tsara afa-tsy ireo izay vonona ny handray ny fahafenoan’ny filazantsarako, izay efa nalefako ho an’ity taranaka ity.

13 Koa antsoiko ireo malemy amin’izao tontolo izao, ireo tsy mahay sy hamavoina mba hively ireo firenena amin’ny herin’ny Fanahiko;

14 Ary ny sandriny no ho sandriko, ary Izaho no ho ampingany sy ho fiarovany; ary hosikinako ny valahany, ka hiady amim-pahasahiana ho ahy ireo; ary ho eo ambanin’ny tongony ny fahavalony; ary havelako hianjera ny sabatra noho ny aminy, ary amin’ny afon’ny fahavinirako no hiarovako azy ireo.

15 Ary hitoriana ny filazantsara ny mahantra sy ny malemy fanahy, ary hiandrandra ny fotoana hiaviako izy ireo fa efa antomotra izany—

16 Ary hianarany ny fanoharana momba ny aviavy, fa ankehitriny sahady dia efa antomotra ny lohataona.

17 Ary efa nalefako tamin’ny tanan’i Joseph mpanompoko ny fahafenoan’ny filazantsarako; ary tao amin’ny fahalemena no efa nitahiako azy;

18 Ary efa nomeko azy ny fanalahidin’ireo misterin’ny zavatra izay efa notehirizina, dia ny zavatra izay nisy hatry ny fanorenana izao tontolo izao sy ny zavatra izay ho avy hatramin’izao fotoana izao ka hatramin’ny fotoana hiaviako, raha mitoetra ao Amiko izy, fa raha tsy izany dia olona iray hafa no hapetrako eo amin’ny toerany.

19 Koa ambeno izy mba tsy ho lefy ny finoany, ary izany dia homen’ny Mpampionona, ny Fanahy Masina izay mahalala ny zava-drehetra.

20 Ary didy no omeko anao—dia ny hanoratanao ho azy; ary ny soratra masina dia homena, araka ny maha-izy azy ao an-tratrako, ho famonjena ny olom-boafidiko;

21 Fa ho reny ny feoko ary ho hitany Aho, dia tsy hatory izy ireo ary hahatanty ny andro hiaviako; fa hodiovina izy ireo tahaka Ahy efa madio.

22 Ary ankehitriny lazaiko aminao, mitomoera miaraka aminy, dia handeha hiaraka aminao izy, aza mahafoy azy, dia ho tanteraka marina tokoa ireto zavatra ireto.

23 Ary raha mbola tsy manoratra ianareo dia indro, homena azy ny haminany ary hitory ny filazantsarako ianao sady hitanisa an’ireo mpaminany masina mba hanamarina ny teniny araka ny hanomezana azy izany.

24 Tandremo avokoa ny didy sy ny fanekempihavanana izay amehezana anareo, dia hampihorohoroiko ny lanitra ho tombontsoanareo, ka hangovitra i Satana ary hifaly eny an-tendrombohitra i Ziona ary hiroborobo;

25 Ary ho voavonjy i Isiraely amin’ny fotoana heveriko ho mahamety izany; ary amin’ny fanalahidy izay efa nomeko no hitarihana azy, ka tsy hania intsony mihitsy izy.

26 Asandrato ny fonareo ary mifalia, fa manakaiky ny fanavotana anareo.

27 Aza matahotra ry ondry vitsy, fa anareo ny fanjakana mandra-piaviko. Indro, avy faingana Aho. Izany tokoa. Amena.