Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19


Fizarana 19

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith tao Manchester, New York, tamin’ny fahavaratry taona 1829 angamba. Ao amin’ny tantarany, ny Mpaminany dia nampahafantatra izany hoe “didin’ Andriamanitra fa tsy an’olombelona, ho an’i Martin Harris, nomen’ilay Izy izay Mandrakizay.”

1–3, Manana ny fahefana rehetra i Kristy; 4–5, Tsy maintsy mibebaka na mijaly ny olon-drehetra; 6–12, Famaizana mandrakizay ny famaizan’ Andriamanitra; 13–20, Nijaly ho an’ny rehetra i Kristy mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka; 21–28, Torio ny filazantsaran’ny fibebahana; 29–41, Ambarao ny vaovao mahafaly.

1 Izaho no Alfa sy Omega, Kristy Tompo; eny, Izaho no Izy, ny fiandohana sy ny fiafarana, ny Mpanavotra izao tontolo izao.

2 Izaho, rehefa nahatontosa sy nahavita ny sitrapon’ilay Izy izay Azy Aho, dia ny Ray, momba Ahy—nanao izany mba hahazoako mampanoa ny zava-drehetra Amiko—

3 Dia mitana ny hery rehetra, eny hatramin’ny famongorana an’i Satana sy ny asany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao, ary ilay androm-pitsarana lehibe sady farany izay hoentiko ho an’ny mponina eo aminy, ka hitsara ny olona tsirairay araka ny asany sy ny ataony izay efa vitany.

4 Ary marina fa ny olona tsirairay dia tsy maintsy mibebaka na mijaly, fa Izaho Andriamanitra dia tsisy fiafarana.

5 Koa tsy foanako ny famaizana izay hampihariko, fa ho tonga ny loza, ny fitomaniana, ny fidradradradrana ary ny fikitroha-nify, eny, ho an’ireo izay hita eo ankaviako.

6 Na dia izany aza, dia tsy voasoratra fa tsy hanam-pahataperana izany fijaliana izany, fa voasoratra fa fijaliana tsisy fiafarana izany.

7 Voasoratra koa hoe fanamelohana mandrakizay; koa izany dia hentitra kokoa noho ireo soratra masina hafa, mba hahazoany miasa amin’ny fon’ny zanak’olombelona, mba ho voninahitry ny anarako tanteraka.

8 Koa hohazavaiko aminareo izany mistery izany, fa mety aminareo ny mahafantatra, tahaka ireo apôstôliko.

9 Miteny aminareo izay voafidy ao amin’ity zavatra ity Aho, izay iray ihany, mba hahazoanareo miditra ao amin’ny fitsaharako.

10 Fa indro, ny misterin’ny toetra araka an’ Andriamanitra, akory ny halehiben’izany! Fa indro, Izaho dia tsisy fiafarana ary ny famaizana izay omen’ny tanako dia famaizana tsisy fiafarana, satria Tsisy Fiafarana no anarako. Koa—

11 Ny famaizana mandrakizay dia ny famaizan’ Andriamanitra.

12 Ny Famaizana tsisy fiafarana dia ny famaizan’ Andriamanitra.

13 Koa didiako ianao hibebaka sy hitandrina ireo didy izay efa noraisinao tamin’ny tanan’i Joseph Smith zanany mpanompoko, tamin’ny anarako;

14 Ary tamin’ny heriko tsitoha no efa nandraisanao ireo;

15 Koa didiako ianao hibebaka—mibebaha, fandrao hamely anao amin’ny tsorakazon’ny vavako sy amin’ny fisafoako ary amin’ny fahatezerako Aho ary ho mamaivay ny fijalianao—mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana, tsy fantatrao.

16 Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;

17 Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;

18 Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—

19 Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona.

20 Koa didiako indray ianao hibebaka, fandrao hanetry anao amin’ny heriko tsitoha Aho; ary hiaiky ny fahotanao ianao fandrao hiharan’ireo famaizana izay efa noteneniko ireo, izay ny madinika indrindra, eny, ny faran’izay kely indrindra no efa nandramanao tamin’ny fotoana nisintonako ny Fanahiko.

21 Ary mandidy anao Aho ny tsy hitorianao na inona na inona afa-tsy ny fibebahana, ary aza aseho izao tontolo izao ireto zavatra ireto, raha tsy fahendrena ao Amiko izany.

22 Fa tsy mahatanty hena izy ireo ankehitriny, fa ronono no tsy maintsy sotroiny; koa tsy tokony hahafantatra ireto zavatra ireto izy ireo fandrao ho faty.

23 Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao.

24 Izaho no Jesoa Kristy; tonga Aho noho ny sitrapon’ny Raiko, ary ataoko ny sitrapony.

25 Ary koa, mandidy anao Aho ny tsy hitsiriritanao ny vadin’ny namanao; na ny hifofonao ny ain’ny namanao.

26 Ary koa, mandidy anao Aho ny tsy hitsiriritanao ny fanananao ihany, fa ny hanomezanao izany malalaka ho fanontana ny Bokin’i Môrmôna, izay mirakitra ny fahamarinana sy ny tenin’ Andriamanitra—

27 Dia ny teniko ho an’ny Jentilisa, mba hahafahan’izany mandeha tsy ho ela ho any amin’ny Jiosy, izay ny Lamanita no sisa tavela, mba hahazoany mino ny filazantsara, ka tsy hiandrandrany ny hahatongavan’ny Mesia izay efa tonga.

28 Ary koa, mandidy anao Aho ny hivavahanao amim-peo avo, ary koa anakampo; eny, eo anoloan’izao tontolo izao ary koa ao amin’ny miafina, ampahibemaso ary koa mitokana.

29 Ary hanambara vaovao mahafaly ianao, eny, torio eny an-tendrombohitra izany sy eny amin’ny toerana avo rehetra ary any anivon’ny vahoaka rehetra izay havela ho hitanao.

30 Ary hanao izany amim-panetren-tena tanteraka ianao, mitoky Amiko, tsy manebaka ireo mpanebaka.

31 Ary ny amin’ny foto-pinoana, dia tsy hiteny ianao, fa hambaranao kosa ny fibebahana sy ny finoana ny Mpamonjy ary ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny batisa sy amin’ny alalan’ny afo, eny, dia ny Fanahy Masina.

32 Indro, izany no didy lehibe sady farany izay homeko anao momba ity raharaha ity; fa ho ampy ho an’ny dianao isan’andro izany, eny, hatrany amin’ny fiafaran’ny fiainanao.

33 Ary fahoriana no ho tojo anao raha ataonao an-tsirambina ireto torohevitra ireto, eny, dia ny famongorana ny tenanao sy ny fanananao.

34 Omeo ny ampahany amin’ny fanananao, eny, ny ampahany amin’ny taninao, dia ny rehetra afa-tsy izay ho famelomanao ny fianakavianao.

35 Aloavy ny trosa izay efa naraikitrao tamin’ny mpanota printy. Afaho ny tenanao hiala amin’ny fatorana.

36 Ilaozy ny tranonao sy ny tokantranonao, raha tsy hoe maniry ny hahita ny fianakavianao ianao;

37 Ary miresaha malalaka amin’ny rehetra; eny, torio, entano, ambarao ny marina, dia amin’ny feo mahery, amin’ny feon’ny hiakam-piravoravoana hoe—Hôsanà, hôsanà, hotahina anie ny anaran’ny Tompo Andriamanitra!

38 Mivavaha mandrakariva, dia haidiko aminao ny Fanahiko, ary ho lehibe ny fitahiana anao—eny, mihoatra noho izay mety ho azonao amin’ny rakitsoan’ny tany mbamin’ny fahalovana mifametra aminy aza.

39 Indro, vitanao va ny mamaky ity ka tsy hifaly sy tsy hanandratra ny fonao noho ny hafaliana?

40 Sa vitanao ny mivezika etsy sy eroa toy ny mpitari-dalana jamba?

41 Sa vitanao ny manetry tena sy ho malemy fanahy ary ny hitondra tena amim-pahendrena tokoa eo anoloako? Eny, manatòna Ahy Mpamonjy anao. Amena.