Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43


Fizarana 43

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny volana febroary 1831. Tamin’io fotoana io dia voakorontan’ireo olona nanao filazana diso ka nihambo ho mpanambara ny mpikambana sasany amin’ny Fiangonana. Nanontany ny Tompo ny Mpaminany ka nahazo ity filazana izay miantefa amin’ny loholon’ny Fiangonana ity. Ny ampahany voalohany dia mikasika ny fitondrana ny Fiangonana; ny ampahany faharoa dia mirakitra fampitandremana izay tokony hampitain’ireo loholona amin’ireo firenena eto an-tany.

1–7, Amin’ny alalan’ilay efa voatendry ihany no ahatongavan’ireo didy sy fanambarana; 8–14, Hamasinina amin’ny fiasana amim-pahamasinana tanteraka eo anoloan’ny Tompo ny Olomasina; 15–22, Nirahina ny loholona hiantsoantso fibebahana sy hanomana ny olona ho amin’ny andro lehiben’ny Tompo; 23–28, Miantso ny olona amin’ny alalan’ny feony ihany sy amin’ny alalan’ny herin’ny voary ny Tompo; 29–35, Ho avy ny Arivotaona sy ny famatorana an’i Satana.

1 Ô Mihainoa ianareo ry loholon’ny fiangonako ary mampandria sofina amin’ny teny izay hoteneniko anareo.

2 Fa indro lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, fa efa nandray didy ho lalàna ho an’ny fiangonako ianareo, tamin’ny alalan’ilay efa notinendriko ho anareo mba handray ireo didy sy fanambarana avy amin’ny tanako.

3 Ary izao no ho fantatrareo marina tokoa—fa tsy misy olon-kafa voatendry ho anareo mba handray ireo didy sy fanambarana, ambara-pakako azy raha mitoetra ato Amiko izy.

4 Nefa lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy misy olon-kafa hotendrena ho amin’ity fanomezam-pahasoavana ity raha tsy amin’ny alalany; fa raha esorina aminy izany, dia tsy hanana hery izy afa-tsy ny hanendry olona iray hafa ho eo amin’ny toerany.

5 Ary ho lalàna ho anareo izao, dia ny tsy handraisanareo ho toy ny fanambarana na didy ny fampianaran’izay ho tonga eo anoloanareo;

6 Ary izao no omeko ho anareo, dia ny tsy hahazoana mamitaka anareo, mba hahafantaranareo fa tsy avy Amiko izany.

7 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, izay voatokako dia hiditra amin’ny vavahady ka hatokana araka izay efa nolazaiko taminareo tany aloha, mba hampianatra ireto fanambarana izay efa noraisinareo ireto ary horaisinareo amin’ny alalan’ilay efa notinendriko.

8 Ary ankehitriny indro, omeko didy ianareo, fa rehefa miara-mivory ianareo dia hifananatra sy hifampahery, mba hahafantaranareo ny fomba hatao hitondrana ny fiangonako, ny tokony hatao momba ireo lafiny amin’ny lalàko sy ny didiko izay efa nomeko.

9 Ary dia toy izany no hahatonga anareo hahay ny lalàn’ny fiangonako ary hohamasinin’izay efa noraisinareo, ka hofehezinareo ny tenanareo mba handeha amin’ny fahamasinana rehetra eo anoloako—

10 Ka raha manao izany ianareo, dia hampiana voninahitra ny fanjakan’izay efa noraisinareo. Raha tsy manao izany ianareo, dia hoesorina na dia izay efa noraisinareo aza.

11 Diovinareo hiala ny faharatsiana izay eo anivonareo; hamasino eo anoloako ny tenanareo;

12 Ary raha irinareo ireo voninahitry ny fanjakana, dia tendreo i Joseph Smith zanany mpanompoko ary tohano eo anoloako amin’ny fivavaky ny finoana izy.

13 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo, fa raha irinareo ireo mistery momba ny fanjakana, dia ivatsio hanina sy fitafiana izy ary rehefa mety ho zavatra ilainy hanatontosana ny asa izay efa nandidiako azy;

14 Ary raha tsy manao izany ianareo, dia hitoetra ho an’ireo izay efa nandray azy izy mba hahazoako mitahiry ho an’ny tenako vahoaka madio eo anoloako.

15 Lazaiko indray, mihainoa ianareo ry loholon’ny fiangonako izay efa notendreko: tsy nirahina mba hampianarina ianareo fa mba hampianatra kosa ny zanak’olombelona ny zavatra izay efa napetrako eo an-tananareo tamin’ny herin’ny Fanahiko;

16 Ary hampianarina avy any ambony ianareo. Hamasino ny tenanareo, dia hotafiana amin’ny hery ianareo, mba hahazoanareo manome araka izay efa noteneniko.

17 Mihainoa ianareo, fa indro, efa antomotra sady akaiky ilay andro lehiben’ny Tompo.

18 Fa avy ny andro izay hamoahan’ny Tompo ny feony avy any an-danitra; hihozongozona ny lanitra ary hihorohoro ny tany, ary haneno maharitra sady mafy ny trompetran’ Andriamanitra ka hiteny amin’ny firenena matory manao hoe: Ianareo Olomasina, mitsangàna ary veloma; ianareo mpanota, mitomoera ary matoria mandra-piantsoko indray.

19 Koa sikino ny valahanareo fandrao ho hita eo anivon’ny olon-dratsy ianareo.

20 Asandrato ny feonareo ary aza mitsitsy. Antsoy ireo firenena hibebaka, na antitra na tanora, na mifatotra na afaka, ka ataovy hoe: Omano ny tenanareo ho amin’ny andro lehiben’ny Tompo;

21 Fa raha Izaho izay olona aza no manandratra ny feoko ary miantso anareo hibebaka, ka mankahala ahy ianareo, inona no holazainareo rehefa avy ny andro izay hamoahan’ny varatra ny feony avy any am-paran’ny tany, ka hiteny eo an-tsofin’ny rehetra izay velona, hanao hoe—Mibebaha ary miomàna ho amin’ny andro lehiben’ny Tompo?

22 Eny, ary koa, rehefa hisoritsoritra avy any atsinanana ka hatrany andrefana ny tselatra ary hamoaka ny feony amin’ny rehetra izay velona ka hampangintsina ny sofin’ny rehetra izay mandre sady hiteny ireto teny ireto hoe—Mibebaha ianareo fa efa tonga ny andro lehiben’ny Tompo?

23 Ary ankoatra izany, dia hamoaka ny feony avy any an-danitra ny Tompo, hanao hoe: Mihainoa ianareo ry firenen’ny tany ary mandrenesa ny tenin’ilay Andriamanitra izay nanao anareo.

24 Ô ianareo ry firenen’ny tany, impiry Aho no ta hanangona anareo miaraka tahaka ny reniakoho manangona ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety ianareo!

25 Impiry Aho no efa niantso anareo tamin’ny vavan’ireo mpanompoko sy tamin’ny fanompoan’ireo anjely, ary tamin’ny feoko ihany sy tamin’ny feon’ny varatra, ary tamin’ny feon’ny tselatra sy tamin’ny feon’ny tafio-drivotra, ary tamin’ny feon’ny horohoron-tany sy tamin’ny feon’ny havandra vaventy, ary tamin’ny feon’ny mosary sy ny areti-mandringana isan-karazany, ary tamin’ny fanenon’ny trompetra mafy sy tamin’ny feon’ny fitsarana, ary tamin’ny feon’ny famindram-po nandritra ny manontolo andro sy tamin’ny feon’ny voninahitra sy ny haja ary ny haren’ny fiainana mandrakizay, ary ho namonjy anareo tamin’ny famonjena maharitra mandrakizay, fa tsy nety ianareo!

26 Indro, efa tonga ny andro izay mahafeno ny kapoaky ny fisafoahan’ny fahavinirako.

27 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, fa ireo dia tenin’ny Tompo Andriamanitrareo.

28 Koa miasà ianareo, miasà farany ao amin’ny tanimboliko ianareo—antsoy farany ny mponin’ny tany.

29 Fa amin’ny fotoana mahamety izany Amiko, dia ho avy ety an-tany amin’ny fitsarana Aho, ary ho voavotra ny oloko ka hanjaka miaraka Amiko ety an-tany.

30 Fa ny Arivotaona Lehibe izay efa noteneniko tamin’ny vavan’ireo mpanompoko dia ho avy.

31 Fa hofatorana i Satana ary rehefa hovahana indray izy dia hanjaka mandritra ny fotoana fohy ihany, ary tonga ny fiafaran’ny tany avy eo.

32 Ary izay miaina ao amin’ny fahamarinana dia hovana ao amin’ny indray mipi-maso, ary ny tany dia ho levona tahaka ny amin’ny afo.

33 Ary ny olon-dratsy dia hankany amin’ny afo tsy mety maty, ary ny fiafarany dia tsy misy olona ety an-tany mahalala, na hahalala izany na oviana na oviana mandra-pahatongany eo anoloako amin’ny fitsarana.

34 Henoinareo ireto teny ireto. Indro, Izaho no Jesoa Kristy, ny Mpamonjy izao tontolo izao. Raketo ao am-ponareo ireo zavatra ireo, ary aoka ny fahamasinan’ny zavatry ny mandrakizay hitoetra ao an-tsainareo.

35 Mahonòna tena. Tandremo avokoa ny didiko. Izany tokoa. Amena.