Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51


Fizarana 51

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Thompson, Ohio, ny 20 mey 1831. Tamin’io fotoana io dia nanomboka tonga tao Ohio ireo Olomasina nifindra monina avy tamin’ireo faritra atsinanana, ka nanjary nilaina ny hanaovana fandaminana raikitra momba ny fiorenam-ponenany. Noho ny fisahanana ity raharaha ity niankina indrindra tamin’ny anjara fanompoan’ny eveka dia nitady toromarika ny amin’ity raharaha ity ny Eveka Edward Partridge, hany ka nanontany ny Tompo ny Mpaminany.

1–8, Notendrena hisahana ny fitantanan-draharaha sy ny fananana i Edward Partridge; 9–12, Tokony hitondra tena amim-pahamarinana ny Olomasina ary handray zara mitovy; 13–15, Tokony hanana trano fitehirizan’ny eveka izy ireo ary handrindra ireo fananana araka ny lalàn’ny Tompo; 16–20, Ho toerana hiangonana mandritra ny fotoana fohy i Ohio.

1 Mihainoa Ahy hoy ny Tompo Andriamanitrareo, ary Izaho hiteny amin’i Edward Partridge mpanompoko ary hanome azy toromarika; fa tsy maintsy ilaina ny handraisany toromarika ny amin’ny fomba handaminana ity vahoaka ity.

2 Fa tsy maintsy ilaina ny handaminana azy araka ny lalàko; raha tsy izany dia hosarahina hiala izy ireo.

3 Koa aoka i Edward Partridge mpanompoko sy ireo izay efa nofinidiny izay tena ankasitrahako, hanendry amin’ity vahoaka ity ny anjarany, ka hitovy ny olona tsirairay araka ny fianakaviany, araka ny toe-piainany sy ny hetahetany ary ny ilainy.

4 Ary aoka i Edward Partridge mpanompoko, rehefa hanendry ny anjaran’ny olona iray, hanome azy taratasy izay hiantoka aminy ny anjarany mba hitanany izany, dia ny zo sy ny lovany ao amin’ny fiangonana mandra-pandikany lalàna sy tsy anisana azy ho mendrika ho mpikamban’ny fiangonana amin’ny alalan’ny feon’ny fiangonana, araka ny lalàna sy ny fanekempihavanan’ny fiangonana.

5 Ary raha mandika lalàna izy ary tsy isaina ho mendrika ny ho mpikambana amin’ny fiangonana dia tsy hanan-kery hitaky ilay anjara efa natokany tamin’ny alalan’ny eveka ho an’ny mahantra sy ny sahirana ao amin’ny fiangonako; koa tsy ho voatanany ilay fanomezana, fa ny hany hananany zo dia ilay anjara izay voatolotra ho azy an-taratasy.

6 Ary dia toy izany no hiantohana ny zava-drehetra, araka ny lalàn’ny tany.

7 Ary aoka izay ananan’ity vahoaka ity hatokana ho an’ity vahoaka ity.

8 Ary raha ny momba ny vola izay mivela amin’ity vahoaka ity—dia aoka hisy mpitantana hotendrena ho an’ity vahoaka ity, haka ny vola hivatsiana hanina sy fitafiana, araka izay ilain’ity vahoaka ity.

9 Ary aoka ny olona tsirairay hifampitondra amim-pahamarinana sy hitovy eo anivon’ity vahoaka ity ary handray zara mitovy, mba hahatonga anareo ho iray araka izay efa nandidiako anareo.

10 Ary aoka izay ananan’ity vahoaka ity tsy halaina ka homena ny fiangonana iray hafa.

11 Koa raha misy fiangonana iray hafa te-handray vola avy amin’ity fiangonana ity, dia aoka izy handoa indray amin’ity fiangonana ity araka izay hifanarahany;

12 Ary izany dia hatao amin’ny alalan’ny eveka na ny mpitantana izay hotendren’ny feon’ny fiangonana.

13 Ary ankoatra izany dia aoka ny eveka hanisy trano fitehirizana ho an’ity fiangonana ity; ary aoka ny zava-drehetra, na vola na hena, ka mihoatra noho izay ilain’ity vahoaka ity, hotehirizina eo an-tanan’ny eveka.

14 Ary aoka koa izy hitahiry ho an’ny tenany, ho an’izay ilainy manokana, ary ho an’izay ilain’ny ankohonany, noho izy hampiasaina amin’ny fanaovana ity raharaha ity.

15 Ary dia toy izany no anomezako ho an’ity vahoaka ity tombontsoa handrindrany ny tenany araka ny lalàko.

16 Ary Izaho manokana ity tany ity ho azy mandritra ny fotoana fohy, ambara-panaovako Izaho Tompo fandrindrana hafa ho azy ary handidiako azy hiala eto;

17 Ary tsy omena azy ny ora sy ny andro, koa aoka izy hiasa ity tany ity toy ireny haharitra an-taona maro ireny, ary izany dia hanjary soa ho azy.

18 Indro, ho ohatra ho an’i Edward Partridge mpanompoko izany amin’ireo toeran-kafa, ao amin’ny fiangonana rehetra.

19 Ary na zovy na zovy no hita ho mahatoky, marina ary mpitantan-draharaha hendry, dia hiditra ao amin’ny fifalian’ny Tompony izy ary handova ny fiainana mandrakizay.

20 Lazaiko aminareo marina tokoa, Izaho no Jesoa Kristy izay avy faingana tokoa amin’ny ora izay tsy ampoizinareo. Izany tokoa. Amena.