Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17


Fizarana 17

Fanambarana nomena an’i Oliver Cowdery, i David Whitmer ary i Martin Harris tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Fayette, New York, ny volana jona 1829, talohan’ny nahitan’izy ireo ny takelaka misy soratra voasikotra izay nitahiry ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna. Nianaran’i Joseph sy i Oliver Cowdery mpandika sorany avy tamin’ny fandikana ny takelaky ny Bokin’i Môrmôna fa hisy vavolombelona manokana telo hotendrena (jereo Etera 5:2–4; 2 Nefia 11:3; 27:12). Nentanin’ny faniriana avy tamin’ Andriamanitra i Oliver Cowdery, i David Whitmer ary i Martin Harris mba ho izy ireo no ho ireo vavolombelona manokana telo. Nanontany ny Tompo ny Mpaminany ka nomena ity fanambarana ity ho valin’izany tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima

1–4, Amin’ny finoana no hahitan’ny Vavolombelona Telo ireo takelaka sy ireo zavatra masina hafa; 5–9, Vavolombelona manambara ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna i Kristy.

1 Indro lazaiko aminareo fa tsy maintsy miantehitra amin’ny teniko ianareo, ary raha ataonareo amin’ny fo feno finiavana izany, dia ho hitanareo ireo takelaka, ary koa ny saron-tratra, ny sabatr’i Labana, ny Orima sy Tomima izay nomena ny rahalahin’i Jareda tao an-tendrombohitra, fony izy niresaka nifanatri-tava tamin’ny Tompo ary ireo mpanondro lalana mahagaga izay nomena an’i Lehia, fony izy tany an-tany foana tany amoron’ny Ranomasina Mena.

2 Ary amin’ny finoanareo no hahazoanareo mahita ireo, dia ilay finoana izay efa nananan’ireo mpaminany fahiny.

3 Ary rehefa nahazo ny finoana ianareo ary efa nahita azy ireo tamin’ny masonareo dia hijoro ho vavolombelon’ireo ianareo amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra;

4 Ary izany no hataonareo dia ny mba tsy hahazoana mamongotra an’i Joseph Smith zanany mpanompoko, mba hahazoako manantontosa ny fikasako marina amin’ny zanak’olombelona amin’ity asa ity.

5 Ary hijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahita azy ireo, dia tahaka ny efa nahitan’i Joseph Smith zanany mpanompoko azy ireo; fa tamin’ny heriko no efa nahitany azy ireo ary izany dia noho ny nananany finoana.

6 Ary efa nandika ny boky izy, dia ilay ampahany izay efa nandidiako azy, ary raha velona koa ny Tomponareo sy ny Andriamanitrareo dia marina izany.

7 Koa efa nahazo ny hery iray ihany sy ny finoana iray ihany ary ny fanomezam-pahasoavana iray ihany amin’ny azy ianareo;

8 Ary raha tanterahinareo ireto didiko farany ireto izay nomeko anareo, dia tsy haharesy anareo ny vavahadin’ny helo; fa ampy ho anareo ny fahasoavako ary hasandratra ianareo amin’ny andro farany.

9 Ary Izaho Jesoa Kristy Tomponareo sy Andriamanitrareo no efa niteny izany taminareo, mba hahazoako manantontosa ny fikasako marina amin’ny zanak’olombelona. Amena.