Fizarana 135
Fanambarana ny naha-maty maritiora an’i Joseph Smith Mpaminany sy ny Patriarika Hyrum Smith rahalahiny tao Carthage, Illinois ny 27 jona 1844. Ity rakitsoratra ity dia nampidirina tany amin’ny faran’ny edisiônan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana nivoaka tamin’ny 1844 izay efa akaiky ho vonona hatonta tamin’ny fotoana namonoana an’i Joseph sy i Hyrum Smith.
1–2, Maty maritiora tao amin’ny fonjan’i Carthage i Joseph sy i Hyrum; 3, Ambara fa manan-tombo ny toeran’ny Mpaminany; 4–7, Ny ra tsy manan-tsinin’izy ireo dia vavolombelona manambara ny fahamarinana sy ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny asa.
1 Ho famehezana ny tenivavolombelon’ity boky ity sy ny Bokin’i Môrmôna, dia ambaranay fa maty maritiora i Joseph Smith Mpaminany sy i Hyrum Smith Patriarika. Notifirin’ny mpihetraketraka mitam-piadiana—nihosotra loko mainty—teo amin’ny 150 ka hatramin’ny 200 isa, tao amin’ny fonjan’i Carthage izy ireo ny faha-27 ny volana jona 1844, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Hyrum no voatifitra voalohany ary nilofika mora sady nihiaka hoe: Maty aho! Nitsambikina avy teo am-baravarankely i Joseph raha voatifitra teo am-panaovana izany ary nihiaka hoe: Tompo Andriamanitro ô! Samy notifirina tamin’ny fomba feno herisetra izy ireo na dia efa maty aza ka samy voan’ny bala efatra.
2 John Taylor sy Willard Richards, ny roa tamin’ny Roambinifololahy, no hany olona tao amin’ilay efitra tamin’izay fotoana izay; iry voalohany dia noratrain’ny bala efatra tamin’ny fomba feno habibiana saingy efa sitrana izy hatramin’izay; ity faharoa, noho ny fitondran’ Andriamanitra dia afa-niala ka tsy nisy loaka akory ny akanjony.
3 Joseph Smith, ilay Mpaminany sy Mpahitan’ny Tompo dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity. Tao anatin’ny fotoana fohy, roapolo taona, dia namoaka ny Bokin’i Môrmôna izy, izay nadikany araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra, ary efa nanjary fitaovana tamin’ny famoahana izany ho an’ny kontinenta roa; nandefa ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay izay noraketin’izany, ho an’ny vazan-tany efatra; namoaka ireo fanambarana sy didy izay mandrafitra ity bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity ary ireo tahirin-kevitra sy torolalana misy fahendrena hafa maro ho tombontsoan’ny zanak’olombelona; nampivondrona ny an’arivony maro tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany, nanorina tanàna lehibe ary namela laza sy anarana izay tsy hay vonoina. Lehibe izy teo amin’ny fiainana, ary lehibe izy teo amin’ny fahafatesana, teo imason’ Andriamanitra sy ny olony; ary toy ny ankamaroan’ireo olom-boahosotry ny Tompo tamin’ny andro fahizay, dia efa namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany izy; ary toraka izany koa i Hyrum rahalahiny. Teo amin’ny androm-piainany dia tsy voazarazara izy ireo ary tamin’ny fahafatesana dia tsy tafasaraka!
4 Raha nandeha nankany Carthage i Joseph, mba hanolotra ny tenany amin’izay nolazaina ho fitakian’ny lalàna, roa na telo andro talohan’ny namonoana azy, dia hoy izy: “Mandeha tahaka ny zanak’ondry ho any amin’ny mpamono azy aho, saingy tony toy ny maraim-pahavaratra; madio ny fieritreretako ary tsy meloka amin’ Andriamanitra sy amin’ny olon-drehetra aho. Ho faty tsy manan-tsiny aho, ary izao anefa no holazaina momba ahy—novonoina tsy amim-pihambahambana izy”—Ny androtr’iny maraina iny ihany, nony vitan’i Hyrum ny fiomanany handeha—holazaina ve hoe handeha hovonoina? eny, satria izay no izy—dia namaky izao andininy manaraka izao, izay eo akaikin’ny fiafaran’ny toko faharoa ambin’ny folon’i Etera, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izy ary namoritra ny takila:
5 Ary ny zava-nitranga dia nivavaka tamin’ny Tompo aho mba hanomezany fahasoavana ho an’ny Jentilisa, mba hananany fiantrana. Ary ny zava-nitranga dia hoy ny Tompo tamiko: Raha tsy manana fiantrana izy dia tsy ahoanao izany, efa nahatoky ianao; koa hodiovina ny fitafianao. Ary noho ianao efa nahita ny fahalemenao, dia hohatanjahina ianao, ka hipetraka mihitsy ao amin’ny fitoerana izay efa nomaniko any amin’ny fonenan-dRaiko. Ary ankehitriny, izaho … dia manao veloma ny Jentilisa; eny, ary koa ny rahalahiko izay tiako, ambara-pihaonantsika eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy, izay hahafantaran’ny olon-drehetra fa tsy voapentin’ny ranareo ny fitafiako. Efa maty ankehitriny ireo mpanao ny didim-pananana ary manan-kery ny didim-pananany.
6 Hyrum Smith dia feno efatra amby efapolo taona tamin’ny volana febroary 1844, ary i Joseph Smith dia feno valo amby telopolo taona tamin’ny volana desambra 1843; ary hatrizao dia horaketina eo anivon’ireo maritioran’ny fivavahana ny anarany; ary hampahatsiahivina ny mpamaky any amin’ny firenena tsirairay, fa ny Bokin’i Môrmôna sy ity Bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanan’ny fiangonana ity dia novidin’ny ra tsara indrindra tamin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folon’ny famoahana azy ho famonjena izao tontolo izao rava; ary raha ny hazo maintso aza azon’ny afo mainina, ho voninahitr’ Andriamanitra, mainka ho mora ery ny handevonany ny hazo maina hanadiovana ny tanimboaloboka amin’ny fahalovana. Velona ho an’ny voninahitra izy ireo; maty ho an’ny voninahitra; ary ny voninahitra no valisoany mandrakizay. Amin’ireo taona mifandimby no hiampitan’ny anarany mankamin’ny taranaka toy ny vatosoa ho an’ny nohamasinina.
7 Madio tamin’izay mety ho heloka izy ireo, toy ny efa nanaporofoana izany matetika teo aloha, ary tsy naiditra am-ponja izy ireo raha tsy noho ny fiokoan’ny mpamadika sy ny olon-dratsy ihany; ary ny ra tsy manan-tsininy teo amin’ny gorodon’ny fonjan’i Carthage dia kase miharihary voatomboka teo amin’ny “Môrmônisma,” izay tsy misy fitsarana eto an-tany afaka mitsipaka, ary ny ra tsy manan-tsininy tamin’ny sarim-pamantarana ny Faritanin’i Illinois, mbamin’ny toky avy amin’ny Faritany nomen’ny governora nefa rava, dia vavolombelon’ny fahamarinan’ny filazantsara maharitra mandrakizay izay tsy azon’ny eran’izao tontolo izao lavina; ary ny ra tsy manan-tsininy teo amin’ny fanevan’ny fahafahana sy teo amin’ny lalàm-panorenan’i Etazonia dia masoivohon’ny fivavahan’i Jesoa Kristy izay hanohina ny fon’ireo olo-marin-toetra any anivon’ny firenen-drehetra; ary ny ra tsy manan-tsininy, mbamin’ny ra tsy manan-tsinin’ireo maritiora rehetra, teo ambanin’ny alitara, izay hitan’i Jaona, dia hiantso ny Tompon’ny Maro ambara-pamaliany izany ra izany eto an-tany. Amena.