Ny soratra masina
Joseph Smith—Tantara 1


Joseph Smith—Tantara

Ampahany amin’ny Tantaran’i Joseph Smith Mpaminany

Toko 1

Milazalaza ny amin’ny firazanany, ny ankohonany ary ny toeram-ponenany teo aloha i Joseph Smith—Nanjaka tao New York andrefana ny fahamaimaizana tsy fahita momba ny fivavahana—Nanapa-kevitra izy fa hikatsaka fahendrena araka izay atoron’i Jakoba—Niseho ny Ray sy ny Zanaka ary voantso ho amin’ny asa fanompoan’ny mpaminany i Joseph. (Andininy 1–20.)

1 Noho ireo tsaho maro izay naelin’ireo olona ratsy saina sady mpiray tsikombakomba momba ny fitsanganana sy ny fandrosoan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, tsaho izay efa novolavolain’ny mpamorona azy ireny hoenti-miady amin’ny toetra maha-Fiangonana azy sy amin’ny fandrosoany eto an-tany—no nahatonga ahy hanoratra ity tantara ity hanazavana ny saim-bahoaka, ka ireo mpikatsaka ny fahamarinana rehetra dia mba hahalala ny zava-misy araka izay fitrangany ary araka ny fifandraisany amin’ny tenako sy amin’ny Fiangonana, araka ny fahalalako ireny zava-misy ireny.

2 Ao amin’ity tantara ity no hanehoako amim-pahamarinana sy araka ny marina ireo zava-nitranga samihafa misy ifandraisany amin’ity Fiangonana ity, toy izay efa nitranga na toy izay misy amin’izao taona [1838] izao, dia ny taona fahavalo hatramin’ny fananganana io Fiangonana voalaza io.

3 Izaho dia teraka tamin’ny taonan’ny Tompontsika, dimy amby valonjato sy arivo, ny andron’ny telo amby roapolo desambra, tao an-tanànan’i Sharon, fivondronan’i Windsor, Faritanin’i Vermont—Ny raiko, Joseph Smith rainy, dia nandao ny Faritanin’i Vermont ary nifindra tany Palmyra fivondronan’i Ontario (Wayne ankehitriny) ao amin’ny Faritanin’i New York tamin’ny fahafolon’ny taonako teo ho eo. Tokony ho efa-taona taorian’ny nahatongavan-draiko tao Palmyra, dia nifindra monina tao Manchester, tao amin’ny fivondronan’i Ontario ihany izy sy ny ankohonany—

4 Ny ankohonany dia nahitana olona iraika ambin’ny folo, dia i Joseph Smith raiko; i Lucy Smith reniko (izay i Mack, zanakavavin’i Solomon, Mack no anarany talohan’ny fanambadiany); ireo rahalahiko isany, Alvin (izay nodimandry ny faha-19 nôvambra 1823, tamin’ny faha-26 taonany) i Hyrum, ny tenako, i Samuel Harrison, i William, i Don Carlos; ary ireo anabaviko isany, i Sophronia, i Catherine ary i Lucy.

5 Fotoana fohy taorian’ny taona faharoa nifindranay tao Manchester, dia nisy fahamaimaizana tsy mbola fahita momba ny resaka fivavahana teo amin’ny toerana nonenanay. Nanomboka tamin’ireo Metôdista izany, saingy vetivety foana dia voakasika avokoa ny teo anivon’ireo antokom-pivavahana rehetra teo amin’ny faritry ny tany. Toa nisy akony marina tokoa teo anivon’ny distrika iray manontolo izany ary sesehena ireo valalabemandry nilatsaka ho mpikambana tamin’ny andiam-pivavahana, izay niteraka sahotaka sy fisarahana tsy dia madinidinika teo anivon’ny vahoaka, fa ny sasany niantso hoe “Indro, aty!” ary ny hafa “Indro, ary!” Ny sasany nifanditra ho an’ny finoana Metôdista, ny sasany ho an’ny Presbiteriana ary ny sasany ho an’ny Batista.

6 Na dia teo aza anefa ny fitiavana lehibe izay nasehon’ireo niova fo tamin’ireto finoana samy hafa ireto tamin’ny fotoan’ny fiovam-pony, mbamin’ny fahazotoana lehibe nasehon’ny mpitondra fivavahana tsirairay avy, izay navitrika tamin’ny famohazana sy ny fampiroboroboana ity fihetseham-po ara-pivavahana mampitolagaga ity, mba hahatonga ny olona tsirairay hiova fo, toy izay nitiavany hiantsoana izany, ka namela azy ireo hiditra amin’izay antokom-pivavahana tian’izy ireo; nony nanomboka nilatsaka ho mpikambana anefa ireo niova fo, ny sasany tamin’ny andiany iray ary ny sasany tamin’ny iray hafa, dia hita fa ilay toa fihetsika tsara nananan’ireo pretra sy niova fo dia fihamboana ivelany ihany fa tsy tena izy; satria fifanjevoana lehibe sy fihetseham-po ratsy no nanaraka izany—pastera tamin’ny nifanditra pastera, ary niova fo tamin’ny niova fo; hany ka ny fifampitondrana tsarany rehetra, raha toa aza ka nisy izany, dia levona tanteraka tamin’ny ady antsanga sy ny fifandirana tamin’ny hevitra.

7 Teo amin’ny fahadimy ambin’ny folon’ny taonako aho tamin’izay fotoana izay. Nanaraka ny finoana Presbiteriana ny ankohonan-draiko, ka ny efatra taminy dia nilatsaka ho mpikambana tao amin’io fiangonana io, dia i Lucy reniko, ireo rahalahiko isany, Hyrum sy Samuel Harrison ary i Sophronia anabaviko.

8 Nandritra izany fotoan’ny fisafotofotoana lehibe izany, dia voasarika ho amin’ny fandinihina lalina sy ny fahasahiranana lehibe ny saiko; nefa na dia lalina sy mazàna lehibe aza ny fihetseham-poko, dia nampanalaviriko ny tenako ireny andiany ireny na dia natrehiko matetika araka izay tratra aza ireo fivoriana maro. Rehefa nandeha teo ny fotoana, dia nanjary somary niandany tamin’ny antokom-pivavahana Metôdista ny saiko ary naniry ihany ny hilatsaka ho mpikambana tao aho; saingy lehibe izaitsizy ny fifanjevoana sy ny adilahy teo anivon’ireo fivavahana samy hafa, ka tsy ho vitan’ny tanora toa ahy izay tsy mahalala firy ny momba ny olona sy ny zavatra ny hamantatra marina hoe iza no marina ary iza no diso.

9 Nisy fotoana sasany izay nanaitaitra fatratra ny saiko fa lehibe sy sesilany izaitsizy ny antsoantso sy ny horakoraka. Ny Presbiteriana no tena nanohitra ny Batista sy ny Metôdista, ka nampiasainy avokoa ny herin’ny fandaharan-kevitra sy ny habobo mba hanaporofoana ny hadisoan’izy ireo na farafaharatsiny mba hahatonga ny olona hisaina fa diso izy ireo. Teo an-kilany dia toy izany ihany koa ny fahazotoan’ny Batista sy ny Metôdista tamin’ny fiezahana hampanjaka ny foto-pinoany ary hitsipaka ny hafa rehetra.

10 Teo afovoan’izany ady antsanga sy horakoraka teo amin’ny hevitra izany, dia hoy aho mazàna anakampo: Inona no tokony hatao? Iza amin’ireo andiany rehetra ireo no marina? Sa miara-diso avokoa izy ireo? Raha marina ny anankiray aminy, dia iza izany? Ary ahoana no hahafantarako azy?

11 Raha mbola noketrehin’ny fahasarotana faran’izay mafy indrindra tokoa aho noho ny fifandiran’ireo mpanindrahindra fivavahana ireo, indray andro aho dia namaky tao amin’ny epistilin’i Jakoba toko voalohany ary ny andininy fahadimy izay mivaky hoe: Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary homena azy izany.

12 Na oviana na oviana dia tsy nisy andalan-tsoratra masina nanohina fon’olona tamin-kery kokoa noho ny nanohinan’izany ny foko tamin’izay fotoana izay. Toy ny niditra tamin-kery tany amin’ny tsiratsiraky ny foko rehetra izany. Nieritreritra izany ombieny ombieny aho, satria fantatro fa raha misy olona mila fahendrena avy amin’ Andriamanitra, dia izaho izay; satria tsy fantatro izay tokony hatao, ary raha tsy mahazo fahendrena misimisy kokoa noho izay efa nananako tamin’izay aho dia tsy hahafantatra na oviana na oviana; satria ireo mpampianatra fivavahana avy amin’ny antokom-pivavahana samy hafa dia samy nandray ny andalan-tsoratra masina iray ihany tamin’ny fomba samy hafa, hany ka mandrava ny fahatokian-tena rehetra ny famahana ny olana amin’ny alalan’ny Baiboly.

13 Farany dia tonga teo amin’ny fanapahan-kevitra aho, fa na izaho tsy maintsy mijanona ao amin’ny haizina sy ny fifangaroan-kevitra, na manao izay atoron’i Jakoba kosa, izany hoe, mangataka amin’ Andriamanitra. Farany, dia nanapa-kevitra ny “hangataka amin’ Andriamanitra” aho noho ny fiheverana fa raha nomeny fahendrena ireo izay tsy nanana fahendrena ary omeny malalaka fa tsy latsainy, dia mba mahazo manandrana aho.

14 Koa araka izany, noho ny fahatapahan-kevitro ny hangataka amin’ Andriamanitra, dia nandeha nitokana tao anaty ala aho mba hanao ny fanandramana. Marainan’ny andro tsara sady mipoaka tamin’izay, tany amin’ny fiandohan’ny lohataonan’ny taona roapolo sy valonjato amby arivo. Sambany nanao andrana toy izany aho teo amin’ny fiainako, fa na dia teo afovoan’ny tebitebiko rehetra aza aho dia tsy mbola nanandrana na oviana na oviana ny nanao tonom-bavaka.

15 Nony efa nitokana teo amin’ny toerana izay efa nokasaiko mialoha mba handehanana aho ary nijery ny manodidina ahy ka nahita fa irery aho, dia nandohalika aho ary nanomboka nanolotra an’ Andriamanitra ny fanirian’ny foko. Raha vantany vao nanao izany aho, dia nisy hery nangeja avy hatrany izay nandresy ahy tanteraka sady nanana fahefana mahagaga tamiko izay namatotra ny lelako, hany ka tsy afaka niteny aho. Haizina matevina no niangona manodidina ahy, ary nandritra ny fotoana fohy dia toy ireny voaozona ny ho fongana tampoka ireny no fihevitro ny tenako.

16 Nampiasa ny heriko rehetra anefa aho mba hiantso an’ Andriamanitra hanafaka ahy amin’ny herin’ity fahavalo izay nangeja ahy ity, ary tamin’ny fotoana nahavonona ahy indrindra hidina ao amin’ny famoizam-po sy hamela ny tenako ho amin’ny famongorana—tsy ho amin’ny fandringanana foronin’ny saina fa ho amin’ny herin’ilay zavatra tena misy, avy amin’ny tontolo tsy hita maso, izay manana hery mahagaga toy izany, toy izay tsy mbola tsapako tamin’ny olona teo aloha—tamin’izay fotoam-pahatairana lehibe izay no nahitako andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra, nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko.

17 Raha vantany vao niseho izany, dia hitako fa nafahana tamin’ny fahavaloko izay efa nihazona ahy aho. Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana, dia nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!

18 Ny tanjoko nandehanako nanontany ny Tompo dia ny hahafantatra hoe iza amin’ireo antokom-pivavahana rehetra no marina, mba hahafantarako izay hilatsahako ho mpikambana. Koa vantany vao tompon’ny tenako aho ka afaka niteny dia nanontany ireo Olona izay nijoro teo amboniko teo amin’ny hazavana, hoe: iza amin’ireo antokom-pivavahana rehetra no marina (satria tsy tafiditra tao am-poko na oviana na oviana tamin’izay fotoana izay fa diso avokoa izy ireo)—ary iza no tokony hilatsahako ho mpikambana.

19 Novaliany aho fa tsy misy amin’izy ireo izay tokony hilatsahako ho mpikambana, fa diso avokoa izy ireo; ary nilaza ilay Olona izay niresaka tamiko fa ny fanekem-pinoany rehetra dia fahavetavetana teo imasony; fa ireo nilaza tena ho mpivavaka ireo dia manana toe-tsaina lomorina avokoa: “fa manatona Ahy amin’ny molony izy ireo nefa lavitra Ahy ny fony, mampianatra ny didin’olombelona ho fotopampianarana izy ireo sady manana ny fomban’ny toetra araka an’ Andriamanitra nefa mandà ny heriny.”

20 Norarany indray ny hilatsahako ho mpikambana ao amin’izy ireo; ary zavatra hafa maro no nolazainy tamiko, ka tsy afaka manoratra izany aho amin’izao fotoana izao. Nony efa nahatsiaro tena aho, dia hitako fa nitsirara tamin’ny lamosiko aho ka niandrandra tamin’ny lanitra. Nony efa lasana ilay hazavana, dia tsy nanana tanjaka aho; nefa tsy ela dia niverina niandalana izany ary nandeha nody aho. Ary raha niankina teo anjorom-patana aho, dia nanontany izay nanjo ahy i Neny. Novaliako izy hoe: “Aza manahy, tsy misy na inona na inona—salama tsara aho.” Dia hoy aho tamin’ny reniko: “Ny tenako manokana dia nianatra fa tsy marina ny Presbiteriana.” Toy ireny efa nahafantatra hatrany amin’ny fiandohan’ny fiainako ireny mihitsy ny fahavalo fa izaho dia efa natao ho mpanakorontana sy ho mpanelingelina ny fanjakany; fa raha tsy izany, nahoana no miray tsikombakomba hanohitra ahy ny herin’ny haizina? Nahoana ny fanoherana sy ny fanenjehana ahy no nitsangana hanohitra ahy saika tao amin’ny fahazazako mihitsy?

Ny mpitory sasantsasany sy ireo nilaza tena ho mpivavaka dia nitsipaka ny fitantarana ny Fahitana Voalohany—Nivangongo tamin’i Joseph Smith ny fanenjehana—Nijoro ho vavolombelon’ny fisehoan’ilay fahitana izy (andininy 21–26).

21 Andro vitsivitsy taorian’ny nahazoako io fahitana io, dia sendra tafaraka tamin’ny anankiray tamin’ireo mpitory teny Metôdista aho, izay tena navitrika tamin’ny fifohazam-panahy voalazako etsy aloha; ary raha niresaka fivavahana taminy aho dia nanararaotra nitantara taminy ny amin’ny fahitana izay efa azoko. Nahatalanjona ahy fatratra ny fihetsiny; tsy nanamaivana fotsiny ny resako izy, fa sady nanebaka izaitsizy no nilaza fa avy amin’ny devoly avokoa izany, fa ny zavatra toy ny fahitana sy ny fanambarana dia tsy misy intsony amin’izao andro izao; fa ireny zavatra rehetra ireny dia nitsahatra niaraka tamin’ny apôstôly ka tsy hisy intsony.

22 Hitako vetivety foana anefa fa ny fitantarako ilay tantara dia niteraka fahavoazana goavana ho ahy teo anivon’ireo nilaza tena ho mpivavaka ary anton’ny fanenjehana lehibe izay tsy nitsaha-nitombo; ary na dia tovolahy tsy fantatra, teo anelanelan’ny efatra ambin’ny folo taona sy dimy ambin’ny folo taona monja aza aho, ka ny toe-javatra teo amin’ny fiainana dia nahatonga ahy ho tovolahy tsinontsinona ho an’izao tontolo izao, ireo olona ambony fari-piainana anefa dia nanamarika ahy ihany ka nanaitra ny saim-bahoaka mba hihantsy fanenjehana mangidy; ary izany dia fahita teo anivon’ireo antokom-pivavahana rehetra—tafatambatra izy rehetra mba hanenjika ahy.

23 Nampieritreritra ahy lalina izany tamin’izay, ary efa nampieritreritra ahy matetika hatramin’izay ny maha-hafahafa ery izany hoe tovolahy tsy fantatra, vao efatra ambin’ny folo taona mahery, ary ambonin’izany, teren’ny fahasahiranana hanana antom-pivelomana tsy zarizary amin’ny asa isan’andro, no heverina ho ampy fahalehibeazana mba hisarika ny sain’ireo lehiben’ny antokom-pivavahana tiam-bahoaka indrindra amin’izao andro izao ka hamohafoha ao amin’izy ireo ny fanahin’ny fanenjehana sy ny fanendrikendrehana mivaivay indrindra. Nefa na hafahafa izany na tsia, dia izany no izy ary izany matetika no nahatonga ahy halahelo fatratra.

24 Na dia teo aza anefa izany, dia zava-nisy ny nahitako fahitana. Neritreretiko hatramin’izay fa nahatsapa tokoa izay tsapan’i Paoly aho fony izy niaro tena teo anoloan’i Agripa mpanjaka ka nitantara ny fahitana azony fony izy nahita hazavana sy nandre feo; kanefa dia tsy nisy afa-tsy vitsy no nino azy; nilaza ny sasany fa tsy azo itokiana izy; nilaza ny hafa fa adala izy; dia nesoina sy notsiratsiraina izy. Nefa izany rehetra izany dia tsy nandrava ny nisian’ny fahitana. Nahita fahitana izy; nahafantatra izy fa nahita fahitana ary ny fanenjehana rehetra ety ambanin’ny lanitra dia tsy hahova izany; ary na dia nenjehin’izy ireo hatrany amin’ny fahafatesana aza izy dia mbola nahafantatra ary hahafantatra hatramin’ny fara fofonainy fa sady efa nahita hazavana izy no nandre feo niteny taminy, ary izao tontolo izao dia tsy hahatonga azy hihevitra na hino zavatra hafa.

25 Dia toy izany koa tamiko. Nahita hazavana marina tokoa aho, ary teo afovoan’izany hazavana izany, dia nahita Olona roa aho ary niteny tamiko marina tokoa Izy ireo; ary na dia nankahalaina sy nenjehina aza aho noho ny filazana fa nahita fahitana dia izany anefa no marina; ary raha mbola nanenjika ahy izy ireo, nanaratsy ahy ary nilaza izay teny ratsy rehetra hiampangana lainga ahy noho ny nilazako fa nahita fahitana, dia voasarika aho hiteny anakampo hoe: Nahoana aho no enjehina noho ny filazana ny marina? Nahita fahitana marina tokoa aho; ary iza aho no afaka hifampitana amin’ Andriamanitra, na ahoana izao tontolo izao no mihevitra ny hampandà ahy izay zavatra efa hitako marina tokoa? Fa efa nahita fahitana aho; nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho sady tsy sahy nanao izany; nahafantatra aho farafaharatsiny fa ny fanaovako izany dia hanafintohina an’ Andriamanitra, ary ho tonga eo ambany fanamelohana aho.

26 Ankehitriny dia afa-po ny saiko raha ny tontolon’ireo antokom-pivavahana no resahina—fa tsy adidiko ny milatsaka ho mpikambana ao amin’ireny, fa ny mitozo kosa toy ny taloha ambara-panoroana ahy misimisy kokoa. Hitako fa ny tenivavolombelon’i Jakoba dia marina—fa ny olona izay tsy ampy fahendrena dia mahazo mangataka amin’ Andriamanitra ary mahazo sady tsy voalatsa.

Niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia—Ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena rehetra ny anaran’i Joseph—Nilaza taminy ny amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny amin’ny fiavian’ny Tompo i Môrônia ary nitanisa soratra masina maro—Nambara ny toera-miafin’ireo takela-bolamena. Notohizan’i Môrônia ny fampianarana ny Mpaminany (andininy 27–54).

27 Nanohy ny asa fanaoko andavanandro eo amin’ny fiainana aho ambara-pahatongan’ny iraika amby roapolo septambra, telo amby roapolo sy valonjato sy arivo, sady niaritra fanenjehana mivaivay avy tamin’ireo olon’ny saranga rehetra, na mpivavaka na tsy mpivavaka, satria nitozo tamin’ny filazana aho fa efa nahita fahitana.

28 Nandritra ny fotoana izay nandalo teo anelanelan’ny fotoana izay nahazoako ilay fahitana sy ny taona telo amby roapolo sy valonjato sy arivo—noho izaho norarana tsy hilatsaka ho mpikambana amin’ny antokom-pivavahana amin’izao andro izao sady mbola tena tanora fanahy ary nenjehin’ireo izay tokony ho namako ary tokony hitondra ahy araka ny halemem-panahy, ka raha heveriny fa diso aho, dia tokony ho noezahiny tamin’ny fomba mety sy feno fitiavana ny manitsy ahy—dia niatrika ireo karazana fakam-panahy rehetra aho; ary ny fifangaroako tamin’ireo karazana fiarahamonina rehetra dia nahalavo ahy matetika tao amin’ireo hadisoana kidaladala maro, ka nampiseho ny fahalemen’ny fahatanorana sy ny fahosan’ny toetr’olombelona, izay mampalahelo ahy ny milaza fa izany dia nitarika ahy ho amin’ny fakam-panahy samihafa, mahatafintohina eo imason’ Andriamanitra. Raha mibaboka izany aho, dia tsy tokony hisy hihevitra ahy ho meloka amin’ny fahotana lehibe na mamohehatra. Ny fironana hahavita ny toy izany dia tsy tao amin’ny toetrako na oviana na oviana. Fa meloka amin’ny hamaivanan-doha kosa aho noho ny fandraisako anjara tsindraindray tamin’ny fiaraha-mikorana, etsetra, izay tsy mifanaraka amin’ny toetra tokony hokolokoloin’ny olona izay voantson’ Andriamanitra, toa ahy voantsony. Nefa tsy ho hafahafa izany amin’izay mahatadidy ny fahatanorako sy mahalala ilay toetrako falifaly ho azy.

29 Vokatr’ireny zavatra ireny dia nahatsiaro tena ho meloka aho matetika noho ny fahalemeko sy ny tsy fahatanterahako; ary tamin’ny harivan’ny iraika amby roapolo septambra voalaza etsy ambony, rehefa namonjy ny fandriako aho nony alina, dia rafitra nivavaka sy nitalaho tamin’ Andriamanitra Tsitoha ho famelana ny fahotako sy ny hadalako rehetra, ary koa ho fanehoana amiko, mba hahafantarako ny amin’ny toetrako sy ny toerako eo anoloany; satria nananako tanteraka ny fahatokiana ny hahazo toromarika avy amin’ Andriamanitra, toy izay efa azoko teo aloha.

30 Raha mbola teo am-piantsoana an’ Andriamanitra toy izany aho dia nahita hazavana nipoitra tao an’efitranoko, izay tsy nitsaha-nitombo mandra-pahatongan’ny efitranoko hazava bebe kokoa noho ny amin’ny mitataovovonana ary niaraka tamin’izay, dia nisy olona niseho teo anilan’ny fandriako ary nitsingevaheva izy ka tsy nandia tany ny tongony.

31 Nanao akanjo lava malalaka ary fotsy mangatsakatsaka fatratra izy. Ny hafotsiany dia mihoatra ny zavatra rehetra izay efa hitako teto an-tany hatrizao; sady tsy mino koa aho fa azo atao izay hahatonga ny zavatry ny tany ho fotsy sy hamiratra fatratra toy izany. Nihanjaka ny tanany ary ny sandriny koa, hatreo ambony kelin’ny hatotanany; nihanjaka ihany koa ny tongony, ary koa ny ranjony, hatreo ambony kelin’ny kitrokeliny. Tsy misarona ihany koa ny lohany sy ny tendany. Tsikaritro fa tsy nisy afa-tsy io akanjo lava io teny aminy, ary satria vaky anoloana izany dia hitako ny tratrany.

32 Tsy ny akanjony ihany no fotsy izaitsizy fa ny tenany iray manontolo dia namirapiratra tsy hay tantaraina, ary toy ny tselatra marina tokoa ny tarehiny. Nazava fatratra tokoa ilay efitrano nefa tsy mbola tena namirapiratra noho izay manodidina avy hatrany ny tenany. Raiki-tahotra aho raha vao nahita azy; nefa tsy ela dia nandao ahy ny tahotra.

33 Niantso ahy tamin’ny anarako izy ary nilaza fa iraka avy teo anatrehan’ Andriamanitra hankaty amiko ary i Môrônia no anarany; fa manana asa hampanaovina ahy Andriamanitra, fa ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena, ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra ny anarako, fa sady hankalazaina izany no hoharatsiana eo anivon’ny olon-drehetra.

34 Nilaza izy fa misy boky iray milevina, voasoratra amin’ny takela-bolamena, izay mitahiry ny tantaran’ny mponina fahiny teo amin’ity kaontinanta ity sy ny loharano nipoirany. Nilaza koa izy fa mirakitra ny fahafenoan’ny Filazantsara maharitra mandrakizay izany, araka ny nanoloran’ny Mpamonjy izany ho an’ireo mponina fahiny ireo;

35 Fa misy koa vato roa, ao anaty tandro-bolafotsy—ary ireo vato ireo, mipetaka eo amin’ny saron-tratra iray, no manome ny antsoina hoe: Orima sy Tomima—miara-milevina amin’ireo takelaka; ary ny fananana sy ny fampiasana ireo vato ireo no maha-izy azy ny “Mpahita” tamin’ny andro fahagola na fahiny; ary efa nomanin’ Andriamanitra ireo ho an’ny tanjona dia ny fandikana ny boky.

36 Rehefa avy nilaza ireo zavatra ireo tamiko izy dia nanomboka nitanisa ireo faminanian’ny Testamenta Taloha. Notanisainy aloha ny ampahany amin’ny Malakia toko fahatelo; dia notanisainy koa ny ampahany farany amin’io toko io, amin’io faminaniana io ihany, na dia somary niova kely amin’ny fomba famakiantsika azy ao amin’ny Baibolintsika aza izany. Toy izay hitanisa ny andininy fahasivy ambin’ny folo araka ny fivakiny ao amin’ny bokintsika, dia araka izao no nitanisany azy:

37 Fa indro, avy ny andro izay handoro toy ny fatana fandoroana, ary ny mpirehareha rehetra, eny, sy izay rehetra manao ratsy dia hirehitra toy ny vodivary; fa ireo izay avy no handoro azy hoy ny Tompon’ny Maro, ka tsy hisy miangana aminy, na faka na sampana.

38 Ary ankoatra izany dia notanisainy toy izao ny andininy fahatelo amby roapolo: Indro, hanambara aminareo ny Fisoronana amin’ny tanan’i Elia aho mialoha ny fiavian’ny andro lehibe sady mahatahotra, an’ny Tompo.

39 Notanisainy koa tamin’ny fomba hafa ny andininy manaraka: Ary izy hamboly ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin-drainy ary ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy. Fa raha tsy izany dia horavana tanteraka ny tany manontolo amin’ny fiaviany.

40 Ho fanampin’ireo dia notanisainy ny Isaia toko fahiraika ambin’ny folo sady nolazainy fa efa madiva ho tanteraka izany. Notanisainy koa ny Asan’ny Apôstôly toko fahatelo ary ny andininy faharoa amby roapolo sy fahatelo amby roapolo, toy izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nolazainy fa i Kristy io mpaminany io; fa tsy mbola tonga ny andro ka “izay tsy te hihaino ny feony dia haringana tsy ho eo amin’ny olona,” saingy ho avy tsy ho ela izany.

41 Notanisainy koa ny Joela toko faharoa, manomboka eo amin’ny andininy fahavalo amby roapolo ka hatramin’ny farany. Nolazainy koa fa tsy mbola tanteraka izany saingy ho tanteraka tsy ho ela. Ary ankoatra izany dia nolazainy fa ho avy tsy ho ela ny fahafenoan’ny Jentilisa. Notanisainy ireo andalan-tsoratra masina hafa maro ary nomeny ireo fanazavana maro izay tsy hay lazaina etoana.

42 Nolazainy ahy indray fa rehefa azoko ireo takelaka izay efa noresahiny ireo—fa tsy mbola tonga ny fotoana tokony hahazoako azy ireo—dia tsy tokony hasehoko olona ireo; torak’izany koa ny saron-tratra mbamin’ny Orima sy Tomima, afa-tsy ireo izay handidiany ahy hampisehoana izany ihany; fa raha manao izany aho dia hofongorana. Raha mbola teo am-piresahana tamiko ny momba ireo takelaka izy, dia nosokafana tao an-tsaiko ny fahitana ka afaka nijery ny toerana izay nametrahana ireo takelaka aho, ary izany dia tena nazava sy niavaka hany ka fantatro indray ilay toerana nony efa notsidihako.

43 Taorian’izany filazana izany aho dia nahita ny hazavana tao an’efitrano ho nanomboka niangona manodidina avy hatrany ny tenan’ilay olona avy niresaka tamiko, ary tsy nitsahatra izany mandra-pahatongan’ny efitrano ho tavela ao anatin’ny haizina indray, afa-tsy izay manodidina azy ihany; ary tampoka teo dia hitako ho toy ny misy lalantsara misokatra, miakatra mivantana any an-danitra, ary nandeha niakatra izy mandra-pidifiny tanteraka ka dia niverina toy ny teo aloha indray, talohan’ny nisehoan’io hazavana avy tany an-danitra io, ny efitrano.

44 Nandrinandry teo aho sady nieritreritra ny amin’ny mampiavaka iny fisehoan-javatra iny ary nitolagaga fatratra tamin’ny zavatra nolazain’ity iraka hafakely ity tamiko; fa mbola teo am-pisaintsainana teo aho no nahita tampoka fa nanomboka ho nihanazava indray ny efitranoko ary poa toa izay raha lazaina, dia efa teo anilan’ny fandriako indray ilay iraky ny lanitra teo ihany.

45 Nanomboka indray izy, ka ny zavatra teo ihany, izay efa nolazainy tamin’ny fitsidihany voalohany, tsy misy fiovana na dia kely aza, no nolazainy; rehefa izany dia nampahafantariny ahy ny amin’ny famaizana lehibe izay efa ho tonga eto an-tany miaraka amin’ny fandripahana lehibe amin’ny mosary, ny sabatra ary areti-mandringana; fa hihatra amin’ny tany, amin’ity taranaka ity ireo famaizana mampangirifiry ireo. Rehefa avy nilaza ireo zavatra ireo izy dia niakatra toy ny efa nataony teo aloha indray.

46 Tamin’izay fotoana izay dia tafalatsaka lalina tao an-tsaiko ireo teny ireo ka nandao ahy ny torimaso ary dia nandrinandry teo aho, ankon’ny hagagana noho ny zavatra hitako sy reko. Akory anefa ny hagagako raha nahita io iraka io ihany indray teo anilan’ny fandriako ary nandre azy nanantitrantitra na namerimberina tamiko indray ny zavatra tetsy aloha ihany; ary nampiany fampitandremana ho ahy izany ka nilazany tamiko fa hanandrana ny haka fanahy ahy i Satana (noho ny ankohonan-draiko miaina ao anatin’ny fahantrana) mba hakako ireo takelaka ireo hampanan-karena ahy. Izany no nandrarany ahy ka nilazany ny tsy hananako zavatra hafa hobanjinina, rehefa mahazo ireo takelaka ireo, afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny tsy ho voataonan’ny hevitra hafa afa-tsy ny fanorenana ny fanjakany; raha tsy izany dia tsy ho azoko ireo.

47 Taorian’io fitsidihana fanintelony io dia niakatra any an-danitra indray toy ny teo aloha izy ary namela ahy hisaintsaina indray ny amin’ny maha-hafa kely ity zavatra vao nodiaviko ity; fa raha vantany vao tafakatra any an-danitra ilay iraky ny lanitra rehefa nandao ahy fanintelony, dia naneno ny akoholahy ary hitako fa efa mby akaiky ny maraina, izany hoe tsy maintsy ho nandany iny alina manontolo iny ny fihaonanay.

48 Fotoana fohy taorian’izay dia niarina avy teo am-pandriana aho, ary toy ny mahazatra dia namonjy ireo asa fanao isan’andro; nefa raha nanandrana ny hiasa toy ny isan’andro aho dia nahita fa kely ny tanjako hany ka tsy nahefa na inona na inona. Tsikaritry ny raiko izay niara-niasa tamiko fa tsy dia tsaratsara aho ka nasainy nody. Dia niainga aho ary ny fikasako dia ny hody any an-trano; kanefa raha iny andeha hihoatra ny fefin’ilay tanimboly izay nisy anay iny aho dia nandao ahy tanteraka ny tanjako ka tsy afa-nanoatra aho fa niakarapoka tamin’ny tany ary tsy nahatsiaro tena mihitsy nandritra ny fotoana fohy.

49 Ny zavatra tsaroako voalohany dia ny feo niresaka tamiko, niantso ahy tamin’ny anarako. Niandrandra aho ka tazako indray ilay iraka teo ihany, nijoro teo ambonin’ny lohako, voahodidina hazavana toy ny teo aloha. Tamin’izay dia naveriny tamiko indray izay rehetra efa nambarany ahy halina ary nodidiany aho hankany amin-draiko ka hilaza aminy ny amin’ny fahitana sy ireo didy efa azoko.

50 Nankatò aho ka niverina tany amin-draiko tany an-tsaha ary namerina taminy ny zava-drehetra. Namaly ahy izy fa avy amin’ Andriamanitra izany ary niteny ahy mba handehanako sy hanaovako araka ny nandidian’ilay iraka. Nandao ny saha aho ary nankany amin’ny toerana izay efa nolazain’ilay iraka tamiko fa nametrahana ireo takelaka; ary satria nazava tsara ilay fahitana efa azoko momba izany, dia fantatro ilay toerana raha vantany vao tonga tany aho.

51 Ao akaikin’ny tanànan’i Manchester, fivondronan’i Ontario, New York, no misy ny havoana be midadasika sy avo indrindra eo amin’ny manodidina. Tao amin’ny ilany andrefan’io havoana io, tsy dia lavitry ny tampony, ary tao ambanin’ny vato iray ngezabe no nametrahana ireo takelaka, tao anaty vata vato. Matevina io vato io ary mivohon-tsotro ny afovoany amin’ny tampony ary manifinify kokoa ny sisiny rehetra manodidina, ka ny ampahany afovoany dia tazana mihoatra ny tany, fa saron’ny tany kosa ny sisiny rehetra manodidina.

52 Rehefa avy nanala ny tany aho dia naka fanoitra iray izay natsofoko teo amin’ny sisiny ambanin’ilay vato ka notsindriako kely hanaingako azy. Nojereko ny tao anatiny ary dia hitako tao tokoa ny takelaka, ny Orima sy Tomima ary ny saron-tratra, araka ny voalazan’ilay iraka. Ny vata izay nitoerany dia vato natambatambatra tamin’ny karazana simenitra. Nisy vato roa nitsivalana tao amin’ny fanambanin’ilay vato, ka nipetraka teo ambonin’ireo vato ireo ny takelaka sy ireo zavatra hafa niaraka taminy.

53 Nanandrana ny namoaka azy aho fa noraran’ilay iraka izay nilaza tamiko indray fa tsy mbola tonga ny fotoana hamoahana azy sady tsy mbola ho avy izany raha tsy afaka efa-taona manomboka amin’io fotoana io; fa nolazainy ahy kosa ny tokony hahatongavako eo amin’izany toerana izany rehefa afaka herintaona katroka, manomboka amin’io fotoana io, fa hihaona amiko eo izy, ary ny mbola hanohizako izany hatrany mandra-pahatongan’ny fotoana hahazoako ireo takelaka.

54 Araka izany dia nankeo aloha aho isaky ny faran’ny taona, toy izay efa nandidiana ahy, ary nahita ilay iraka teo hatrany, ary isaky ny mihaona izahay, dia nandray torolalana sy fahalalana avy taminy aho momba izay andeha hataon’ny Tompo sy ny fomba hoenti-mitondra ny fanjakany amin’ny andro farany.

Nanambady an’i Emma Hale i Joseph Smith—Nandray ny takela-bolamena tamin’i Môrônia izy ary nandika ny sasany tamin’ireo soratra—Ireo soratra sy dikan-teny dia nasehon’i Martin Harris an’i Profesora Anthon izay nanao hoe: “Tsy afaka mamaky boky voaisy tombokase aho.” (Andininy 55–65.)

55 Noho ny fidiram-bolan’ny raiko tena voafetra, dia voatery izahay nampiasa ny tananay tamin’ny fikaramana isan’andro na tamin’ny fomba hafa, araka izay mety ho hitanay. Indraindray izahay dia tao an-trano ary indraindray dia tany ivelany ary tamin’ny alalan’ny asa tsy tapaka no nahafahanay nanana fivelomana ampy.

56 Tamin’ny taona 1823, dia nidonam-pahoriana lehibe ny ankohonan-draiko noho ny fahafatesan’i Alvin zokiko lahimatoa. Tamin’ny volana ôktôbra 1825, dia niasa tao amin’ny lahiantitra iray atao hoe Josiah Stoal, izay nonina tao amin’ny fivondronan’i Chenango, Faritanin’i New York, aho. Nandre ny amin’ny toeram-pitrandrahana volafotsy efa nosokafan’ny Espaniôla tao Harmony, fivondronan’i Susquehanna, Faritanin’i Pennsylvania izy; ary talohan’ny nanaramany ahy, dia efa nanao fikarohana mba hahita, raha azo atao, ilay toeram-pitrandrahana ny tenany. Nony efa niara-nonina taminy aho, dia naka ahy mbamin’ireo mpiasany sisa izy hikaroka ilay toeram-pitrandrahana volafotsy, asa izay notohiziko efa saika ho iray volana saingy tsy nisy fahombiazana ny ezakay, ary farany dia resiko lahatra ilay lahiantitra, ka nampitsahatra ny fikarohana izany. Avy amin’izany no nisehoan’ny resaka mateza fa efa mpitrandraka volamena aho.

57 Nandritra ny fotoana niasako toy izany dia nipetraka tao amin’Atoa Isaac Hale izay nonina tao an-tanana aho; tao no nahitako an’i Emma Hale vadiko (izay zanakavaviny). Ny faha-18 janoary 1827 no nivady izahay, raha mbola niasa ho an’Atoa Stoal aho.

58 Noho ny fanohizako ny filazana fa efa nahita fahitana aho, dia mbola narahin’ny fanenjehana aho, ary ny ankohanan’ny vadiko dia tena nitsipaka ny fanambadianay. Koa voatery aho nitondra azy tany an-toeran-kafa; dia nandeha izahay ary natao mariazy tao an-tranon’i Squire Tarbill, tao South Bainbridge, fivondronan’i Chenango, New York. Taorian’ny mariazy dia nandao an’Atoa Stoal avy hatrany aho ary nankany amin-draiko ary niara-niasa taminy tao amin’ny toeram-pambolena amam-piompiana tamin’io vanim-potoana io.

59 Farany dia tonga ny fotoana ahazoako ny takelaka, ny Orima sy Tomima ary ny saron-tratra. Rehefa tonga teo amin’ny toerana nametrahana izany aho ny andron’ny faharoa amby roapolo septambra fito amby roapolo sy valonjato amby arivo, toy ny efa fanao isaky ny mifarana ny taona iray, dia natolotr’ilay iraky ny lanitra ahy izany miaraka amin’izao fepetra izao: zary tompon’andraikitra aminy aho, fa raha avelako ho very izany noho ny tsirambina na vokatry ny tsy fitandremako, dia hofongorana aho; fa raha manao izay tratry ny heriko rehetra kosa aho hitahirizana izany ambara-piaviny, izy ilay iraka, haka izany, dia ho voaro izany.

60 Tsy ela dia fantatro ny antony nanomezana ahy fepetra hentitra toy izany mba ho azo antoka ny fitehirizana izany ary ny antony nilazan’ilay iraka fa rehefa tontosako ny zavatra angatahina amiko, dia ho avy izy hitaky izany. Satria raha vantany vao fantatra fa azoko izany, dia nampiasaina ny fanerena mahery vaika indrindra mba hanesorana izany amiko. Nampiasaina izay tetika rehetra azo foronina hanatanterahana izany. Nihanangidy sy nihamafy kokoa noho ny teo aloha ny fanenjehana ary nanao andry maso tsy tapaka ny ankamaroany mba hakany izany aty amiko, raha azony atao. Nefa noho ny fahendren’ Andriamanitra, dia tafajanona soa aman-tsara teo am-pelatanako izany mandra-pahavitako taminy izay nangatahina tamiko. Nony tonga haka izany ilay iraka, araka ny nifanarahana, dia natolotro azy izany; ka izy no efa miahy izany hatramin’ny andro androany faharoan’ny volana mey, valo amby telopolo sy valonjato amby arivo.

61 Mbola nitohy anefa ny fisafotofotoana, ary nampiasaina nandritra ny fotoana rehetra ny tsaho mbamin’ny honohono maro tamin’ny fampielezana resaka diso momba ny ankohonan-draiko sy momba ny tenako. Raha tantaraiko ny ampaharivony amin’izany dia hahafeno boky maro. Nanjary tsy hay zakaina tokoa anefa ny fanenjehana hany ka voatery nandao an’i Manchester aho ary nandeha niaraka tamin’ny vadiko nankany amin’ny fivondronan’i Susquehanna, ao amin’ny Faritanin’i Pennsylvania. Teo am-piomanana ny handeha—noho izahay tena nahantra ary noho ny fanenjehana tena romotra ka tsy azo nosaintsainina ny mety hiovan’izany—teo anivon’ny fahorianay no nahitanay namana iray, dia ilay rangahy atao hoe Martin Harris izay tonga tao aminy ary nanome ahy dimampolo Dolara hanampiana anay amin’ny dianay. Atoa Harris dia mponina ao amin’ny tanànan’i Palmyra, fivondronan’i Wayne, ao amin’ny Faritanin’i New York, ary mpamboly sady mpiompy manana ny hajany.

62 Noho ity fanampiana tonga ara-potoana ity, dia afaka namonjy ny toerana tiako haleha tao Pennsylvania aho; ary taorian’ny fahatongavako tao no nakako tahaka avy hatrany ny endri-tsoratra teo amin’ny takelaka. Maro no nalaiko tahaka taminy ary tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima no nandikako ny sasany taminy, izay nataoko teo anelanelan’ny fotoana nahatongavako tao an-tranon’ny rain’ny vadiko tamin’ny volana desambra sy ny volana febroary manaraka.

63 Nisy fotoana nahatongavan’io Atoa Martin Harris voalaza etsy aloha io tao an-tranonay, tamin’ity volana febroary ity, ka nankany ireo endri-tsoratra izay nalaiko tahaka avy tamin’ireo takelaka ary nitondrany izany nankany an-tanànan’i New York. Fa raha ny momba izay nanjo azy sy ny endri-tsoratra, dia iverenako ny fitantarany ny zava-nitranga, araka ny nitantarany izany tamiko, izay toy izao manaraka izao:

64 “Nankany an-tanànan’i New York aho ary nampiseho ireo endri-tsoratra izay efa voadika mbamin’ny fandikana izany ny Profesora Charles Anthon, rangahy fanta-daza noho ny zava-bitany teo amin’ny haisoratra. Nilaza ny Profesora Anthon fa marina ilay dikanteny, manoatra izay dikan-teny avy amin’ny Egyptiana efa hitany teo aloha. Nasehoko azy tamin’izay ireo izay tsy mbola voadika ary nolazainy fa Egyptiana, Kaldaika, Asiriaka ary Arabika ireo, ary nolazainy fa tena izy ny endri-tsoratra. Nomeny fanamarihana aho, izay manamarina amin’ny mponin’i Palmyra fa ireo endri-tsoratra dia tena izy, ary ny dika teny amin’ireo izay efa voadika dia marina ihany koa. Nalaiko ilay fanamarihana ka nataoko tao am-paosiko, ary efa andeha hivoaka ny trano aho no nantsoan’Atoa Anthon hiverina ary nanontaniany ny fomba nahitan’ilay tovolahy fa nisy takela-bolamena tao amin’ny toerana izay nahitany izany. Namaly aho fa ny anjelin’ Andriamanitra no nanambara izany taminy.

65 “Dia hoy izy tamiko: ‘Omeo ahy hojereko ilay fanamarinana teo.’ Araka izany, dia namoaka izany avy tao am-paosiko aho ary nanolotra azy izany; noraisiny izany dia norovitiny ho potipotika, sady nolazainy fa ankehitriny dia tsy misy izany hoe fanompoan’ny anjely izany, fa raha entiko eo aminy ny takelaka dia handika izany izy. Nolazaiko taminy fa voaisy tombo-kase ny ampahany amin’ireo takelaka ary norarana aho tsy hitondra izany. Dia namaly izy hoe: ‘Tsy afaka mamaky boky voaisy tombo-kase aho.’ Nandao azy aho ary nankao amin’i Dr. Mitchell izay nanamafy ny voalazan’ny Profesora Anthon mikasika ny endri-tsoratra sy ny dikanteny.”

· · · · · · ·

Nitana ny asan’ny mpitantsoratra i Oliver Cowdery tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna—Nandray ny Fisoronana Aharôna tamin’i Jaona Mpanao Batisa i Joseph sy i Oliver—Natao batisa, natokana ary nandray ny fanahin’ny faminaniana izy ireo (andininy 66–75).

66 Ny andro faha-5 ny volana aprily 1829 no nahatongavan’i Oliver Cowdery tao an-tranoko, ary hatramin’izay fotoana izay dia tsy mbola nahita azy na oviana na oviana aho. Nolazainy tamiko fa nampianatra tao amin’ny sekolin’ny faritra nonenan’ny raiko izy ary satria anisan’ireo izay nandefa mpianatra tao amin’ny sekoly ny raiko, dia nandeha namandrika efitra honenana maharitra tao amin’ny tranony izy, ary tao no nitantaran’ny fianakaviako taminy ny toe-javatra nahazoako ireo takelaka, ary araka izany dia tonga izy hanontany ahy.

67 Roa andro taorian’ny nahatongavan’Atoa Cowdery (ny faha-7 ny volana aprily izany), dia nanomboka nandika ny Bokin’i Môrmôna aho ary nanomboka nanoratra ho ahy izy.

· · · · · · ·

68 Mbola nanohy ny asa fandikana izahay ny volana manaraka (mey 1829) raha nandeha tao anaty ala, tamin’ny andro iray, mba hivavaka sy hanontany ny Tompo momba ny batisa ho famelana ny fahotana, izay hitanay voalaza teo am-pandikana ireo takelaka. Raha mbola somokotra toy izany izahay, nivavaka sy niantso ny Tompo, dia nidina teo amin’ny rahon’ny hazavana ny iraka iray avy any an-danitra, ka sady nametra-tanana taminy izy no nanokana anay nanao hoe:

69 Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ny anaran’ny Mesia, no tolorako ny Fisoronana Aharôna, izay mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana; ary izany dia tsy hoesorina na oviana na oviana intsony eto an-tany ambara-panatitry ny zanakalahin’i Levy fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo indray.

70 Nolazainy fa ity Fisoronana Aharôna ity dia tsy manana fahefana hametra-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina, fa izany dia hatolotra anay any aoriana; ary nodidiany izahay handeha sy hatao batisa, ary nomeny anay ny toromarika hanaovako batisa an’i Oliver Cowdery, ary izy indray avy eo no hanao batisa ahy.

71 Araka izany dia nandeha izahay ary samy natao batisa. Izaho aloha no nanao batisa azy ary taorian’izay, dia izy no nanao batisa ahy—taorian’izay dia nametraka ny tanako teo ambonin’ny lohany aho ary nanokana azy ho amin’ny Fisoronana Aharôna, ary taorian’izay dia izy no nametra-tanana tamiko ary nanokana ahy ho amin’io Fisoronana io ihany—fa izany no nandidiana anay.*

72 Nilaza ilay iraka izay nitsidika anay tamin’izay fotoana izay ary nanolotra anay ity Fisoronana ity fa i Jaona no anarany, dia ilay atao hoe Jaona Mpanao Batisa ao amin’ny Testamenta Vaovao, fa izy dia niasa teo ambany fitarihan’i Petera, i Jakoba ary i Jaona, izay nihazona ny fanalahidin’ny Fisoronana Melkizedeka, dia Fisoronana izay nolazainy fa hatolotra anay amin’ny fotoana mahamety izany, fa izaho dia hatao hoe Loholona voalohany ao amin’ny Fiangonana, ary izy (i Oliver Cowdery) no faharoa. Tamin’ny andron’ny fahadimy amby ny folo ny volana mey 1829 izahay no natokana teo ambanin’ny tanan’io iraka io ary natao batisa.

73 Taorian’ny fivoahanay teo no ho eo avy tao anaty rano nony efa vita ny batisa, dia tojo fahitana be voninahitra sy lehibe avy tamin’ny Raintsika any an-danitra izahay. Raha vantany vao nahavita batisa an’i Oliver Cowdery aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina, ka nijoro izy ary naminany zavatra maro izay hitranga tsy ho ela. Ary izao koa, raha vao vantany nahavita batisa ahy izy, dia nahazo koa ny fanahin’ny faminaniana aho ka sady nijoro no naminany ny amin’ny fitsanganan’ity Fiangonana ity sy ireo zavatra maro misy ifandraisany amin’ny Fiangonana sy amin’ity taranaky ny zanak’olombelona ity. Heniky ny Fanahy Masina izahay ka niravoravo tao amin’ny Andriamanitry ny famonjena anay.

74 Rehefa nohazavaina ankehitriny ny sainay, dia nanomboka nosokafana ho an’ny fahatakaranay ny soratra masina; ary ny hevitra marina sy ny dikan’ireo andalany saro-pantarina indrindra dia nambara anay tamin’ny fomba izay tsy nety ho takatray na oviana na oviana fahiny, na tsy noheverinay na oviana na oviana teo aloha. Nandritra izany fotoana izany, dia voatery izahay nitana ny fotoana nandraisanay ny Fisoronana sy nanaovana batisa anay ho zava-miafina, noho ny fanahin’ny fanenjehana izay efa naneho sahady ny tenany teo amin’ny manodidina.

75 Izahay dia norahonana ombieny ombieny ny hotafihan’ny olona izay tsy iza fa ireo nilaza tena ho mpivavaka. Ary tsy nisy nahasakana ny fikasany hanafika anay afa-tsy ny fitaoman’ny fianakavian’ny rain’ny vadiko (araka ny fitondran’ Andriamanitra) izay efa tena nihavana tamiko tokoa ka nanohitra ny fanafihan’ny mpihetraketraka ary naniry ny hahazoako manohy ny asa fandikana tsy misy fiatoana sady nanolotra ary nampanantena ny hiaro anay, araka izay tratry ny heriny, amin’ny fihetsika tsy ara-dalana rehetra.

  • Mitantara ireny zava-nitranga ireny toy izao i Oliver Cowdery: “Andro izay tsy hohadinoina na oviana na oviana ireny—ny mipetraka mihaino ny feo tononin’ny fitaoman’ny lanitra dia nanaitra ny fankasitrahana lalina indrindra avy tao amin’ity tratra ity! Isan’andro isan’andro dia notohizako tsy an-kiato ny fanoratana izay miloaky ny vavany raha nadikany tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima na izay ho nataon’ny Nefita hoe: Ireo fandikana ny tantara na ny rakitsoratra atao hoe ‘Ny Bokin’i Môrmôna.’

    “Ny milaza, na dia amin’ny teny vitsy aza, ny fitantarana mahaliana, nataon’i Môrmôna sy i Môrônia zanany mahatoky, momba ny vahoaka tiana fahiny sady nankasitrahan’ny lanitra dia hihoatra ny tanjoko ankehitriny; koa hahemotro ho amin’ny fotoana ho avy izany, ary toy izay voalazako eo amin’ny teny fampidirana, dia hasiako teny avy hatrany ireo toe-javatra vitsivitsy misy ifandraisany mivantana amin’ny fananganana ity Fiangonana ity, izay mety hahafinaritra ireo an’arivony izay efa nandroso teo anivon’ny fijery ratsin’ireo mpivavaka tery saina sy ny fanendrikendrehin’ireo mpihatsaravelatsihy, mba hanaiky ny filazantsaran’i Kristy.

    “Tsy misy olona vory saina, afaka mandika sy manoratra ny toromarika nomena ny Nefita avy teo am-bavan’ny Mpamonjy, momba ny fomba hentitra izay tokony hananganan’ny olona ny Fiangonany, indrindra rehefa naelin’ny fahalovana teo amin’ny fomba sy ny rafitra rehetra manan-kery eo anivon’ny olona ny fisalasalana, ka tsy haniry ny hanana tombontsoa hanehoana ny finiavan’ny fo amin’ny filevenana ao amin’ny fasana rano, ho fitadiavana fieritreretana tsara amin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

    “Taorian’ny nanoratana ny tantaran’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy ho an’ny sisa tavela amin’ny taranak’i Jakoba teo amin’ity kaontinanta ity, dia mora ny nahita fa nandrakotra ny tany ny haizina ary nandrakotra ny sain’ny olona ny haizim-pito, toy izay efa nolazain’ny mpaminany fa hisy. Raha eritreretina lalindalina kokoa izany, dia mora ny nahita fa teo afovoan’ny adilahy sy ny tabataba lehibe momba ny fivavahana, dia tsy nisy olona nanana fahefana avy tamin’ Andriamanitra mba hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny Filazantsara. Fa mety ho velona ny fanontaniana hoe: manana fahefana hanatanteraka amin’ny anaran’i Kristy ve ireo olona izay mandà ny fanambarana kanefa ny Tenivavolombelony dia tsy latsaka noho ny fanahin’ny faminaniana ary ny Fivavahany dia mifototra, miorina ary tohanan’ny fanambarana mivantana tamin’ny taona rehetra nananany olona teto an-tany? Raha nalevina sy nafenin’ireo olona fatratra ireny toe-javatra ireny, ireo olona izay ho notandindomin-doza ny fahaizany, raha vantany vao avela hamirapiratra eo imasom-bahoaka izy ireny, dia tsy izany intsony izy ireny ho anay; ary izahay dia tsy niandry afa-tsy ny hanomezana ny didy hoe: ‘Mitsangàna ary aoka hatao batisa.’

    “Tsy ela no naniriana izany, dia tanteraka izany. Ny Tompo, izay manan-karena amin’ny famindram-po sy vonona mandrakariva ny hamaly ny fivavaka maharitra ataon’ny manetry tena, rehefa niantso Azy lavitry ny fonenan’ny olona sady tamin-kafanam-po izahay, dia niambany mba haneho taminy ny sitrapony. Tampoka, toy ny avy any afovoan’ny mandrakizay no nanononan’ny feon’ny Mpanavotra fiadanana taminy, raha mbola naingaina ny voaly ary nidina ny anjelin’ Andriamanitra, mitafy voninahitra, ary nanolotra ilay hafatra nandrasana fatratra sy ireo fanalahidin’ny Filazantsaran’ny fibebahana. Akory ny fifaliana! akory ny hagagana! akory ny fitalanjonana! Raha nisamatsamaka sy jemby izao tontolo izao—raha nitsapatsapa toy ny jamba nanara-drindrina ny an-tapitrisany ary raha niantehitra tamin’ny fisalasalana ny rehetra toy ny sarambamben’ny olona, ny masonay kosa dia nahita, ny sofinay nandre, toy ny fipoaky ny andro; eny, nanoatra aza—nanoatra noho ny fanjelanjelatry ny tara-masoandron’ny volana mey, izay nampiposaka ny famirapiratany tambonin’ny zava-boary! Tamin’izay ny feony, na dia malefaka aza, dia nandoaka hatrany anaty, ary ny teniny hoe: ‘Izaho, mpiara-manompo aminareo’ dia nampisinda ny tahotra rehetra. Nihaino izahay, nibanjina ary nitolagaga! Izany ka feon’ny anjely avy any amin’ny voninahitra, izany ka hafatra avy any amin’ny Avo Indrindra! Ary teo am-pihainoana, dia nifaly izahay raha mbola nandrehitra ny fanahinay ny Fitiavany ary nosalobonina tao amin’ny fahitana ny Tsitoha izahay! Aiza ny toeran’ny fihambahambana? Tsy nisy na taiza na taiza izany; efa nandositra ny fisalasalana, efa nilentika ka tsy nipoitra intsony ny fihambahambana, raha nandositra mandrakizay kosa ny anganongano sy ny fahadisoam-panantenana.

    “Ry rahalahy malala, eritrereto, eritrereto lalina mandritra ny fotoana fohy izany fifaliana nameno ny fonay, ny fahatairana nahatonga anay hitsaoka (fa iza no tsy hampilefitra ny lohaliny noho ny fitahiana toy izany?) rehefa nandray ny Fisoronana Masina teo ambanin’ny tanany izahay fony izy niteny hoe: ‘Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ny anaran’ny Mesia, no tolorako ity Fisoronana ity sy ity fahefana ity izay hitoetra eto an-tany mba hahazoan’ny Zanakalahin’i Levy manatitra indray fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo!’

    “Tsy hanandrana ny handoko aminareo ny zavatra tsapan’ity fo ity aho, na ny hatsaran’ny fiandrianana sy ny voninahitra izay nanodidina anay tamin’izay fotoana izay; fa hino ahy kosa ianareo rehefa milaza aho fa na ny tany na ny olona omban’ny fahaiza-mitenin’ny fotoana dia tsy afa-manomboka mampihaingo fiteny amin’ny fomba mahaliana sy fanaperana indrindra toy ity olona masina ity. Tsia; sady tsy ananan’ity tany ity ny hery hanome fifaliana, hanolotra fiadanana, na hahatakatra ny fahendrena izay voarakitra eo amin’ny fehezanteny tsirairay notononina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina! Afaka mamitaka ny namany ny olona, ny fitaka dia mety handimby ny fitaka ary ireo zanak’ilay ratsy dia mety hanana hery hanangolena hatramin’ny farany ny adala sy ny tsy mahay, mandra-pahavoky ny maro amin’ny anganongano, ary ny voan’ny lainga dia hifaoka ny fohy fisainana hivarina any am-pasana; saingy fikasihana iray avy amin’ny rantsantanam-pitiavany, eny, tara-boninahitra iray avy any amin’ny tontolo any ambony, na teny indraim-bava avy amin’ny Mpamonjy, avy any an-tratran’ny mandrakizay, dia mamely izany rehetra izany ho tsinontsinona ary mamafa izany mandrakizay ao an-tsaina. Ny fahazoana toky fa teo anatrehan’ny anjely izahay, ny fahalalana marina fa nandre ny feon’i Jesoa sy ny fahamarinana tsy voaloto nikoriana avy tamin’ny olona madio, notononina noho ny sitrapon’ Andriamanitra, dia tsy hay tantaraina amiko, ary hiandrandra mandrakariva ity fanehoana ny hatsaram-pon’ny Mpamonjy ity amin’ny fahagagana sy ny fanateran-tsaotra aho raha mbola avela hitoetra; ary any amin’ireo fonenana izay itoeran’ny fanaperana sy tsy ahatongavan’ny fahotana na oviana na oviana no antenaiko hiderana amin’ny andro izay tsy hitsahatra na oviana na oviana.”—Messenger and Advocate, Boky 1 (ôktôbra 1834), pejy 14–16.