Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7


Fizarana 7

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Oliver Cowdery tao Harmony, Pennsylvania, ny volana aprily 1829, tamin’izy ireo nanontany tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima raha toa ka nitoetra tao amin’ny nofo na efa maty i Jaona, ilay mpianatra lalaina. Ny fanambarana dia fandikana ilay rakitsoratra nataon’i Jaona tamin’ny boky hoditra ary nafenin’ny tenany ihany.

1–3, Ho velona i Jaona ilay lalaina mandra-piavin’ny Tompo; 4–8, Mihazona ny fanalahidin’ny filazantsara i Petera, i Jakoba ary i Jaona.

1 Ary hoy ny Tompo tamiko: Ry Jaona lalaiko, inona no irinao? Fa raha angatahinao izay irinao, dia hotovina aminao izany.

2 Ary hoy aho Taminy: Tompo ô, omeo hery amin’ny fahafatesana aho, mba hahavelona ahy ka hitondrako fanahy ho anao.

3 Ary hoy ny Tompo tamiko: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, satria irinao izany dia hitoetra ianao mandra-piaviko ao amin’ny voninahitro, ka haminany eo anoloan’ny firenena, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny mponina.

4 Ary noho izany antony izany, dia hoy ny Tompo tamin’i Petera: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao inona izany? Satria niriany tamiko ny hahazoany mitondra fanahy ho Ahy, fa ny irinao kosa dia ny hahatongavanao faingana any amin’ny fanjakako.

5 Lazaiko anao ry Petera fa faniriana tsara izany; saingy ilay lalaiko dia efa naniry ny hahazoany manao misimisy kokoa, na asa lehibe kokoa noho izay efa nataony taloha teo anivon’ny olona.

6 Eny, efa niandraikitra asa lehibe kokoa izy; koa hataoko toy ny afo miredareda anjely manompo izy; izy dia hanompo an’ireo izay ho mpandova famonjena izay mitoetra eto an-tany.

7 Ary Izaho dia hanao anao ho mpanompony sy mpanompon’i Jakoba rahalahinao; ary homeko anareo telo ity hery ity sy ny fanalahidin’ity asa fanompoana ity ambara-piaviko.

8 Lazaiko aminareo marina tokoa, ianareo roa lahy dia samy hahazo araka ny fanirianareo, satria ianareo roa lahy dia samy mifaly amin’izay efa nirinareo.