Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31


Fizarana 31

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Thomas B. Marsh ny volana septambra 1830. Izany dia nitranga avy hatrany taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana (jereo ny sasin-teny ho an’ny fizarana 30). Natao batisa tany amin’ny fiandohan’io volana io i Thomas B. Marsh ary natokana ho loholon’ny Fiangonana talohan’ny nanomezana ity fanambarana ity.

1–6, Nantsoina mba hitory ny filazantsara i Thomas B. Marsh ary nahazo antoka ny amin’ny fiadanan’ny fianakaviany; 7–13, Nanarina izy mba hanam-paharetana, hivavaka mandrakariva ary hanaraka ny Mpampionona.

1 Ry Thomas zanako, hotahina ianao noho ny finoanao ny asako.

2 Indro, efa tojo fahoriana maro ianao noho ny fianakavianao; kanefa hitahy anao sy ny fianakavianao Aho; eny, ireo madinikao; ary ho avy ny andro izay hinoany sy hahafantarany ny fahamarinana ka ho iray izy ireo miaraka aminao ao amin’ny fiangonako.

3 Asandrato ny fonao ka mifalia, fa efa tonga ny ora ho an’ny asa fitorianao; ary hovahana ny lelanao ka hitory vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe amin’ity taranaka ity ianao.

4 Hotorianao ny zavatra izay efa nambarako an’i Joseph Smith zanany mpanompoko. Hanomboka hitory ianao hatramin’izao fotoana izao, eny, hijinja ny eny an-tsaha izay efa masaka sahady mba hodorana.

5 Koa arosoy amin’ny fanahinao rehetra ny antsimbilonao, ary voavela ny fahotanao, ary hovesarana amboara eo an-damosinao fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Koa ho velona ny fianakavianao.

6 Indro, lazaiko aminao marina tokoa, andeha ilaozy mandritra ny fotoana fohy monja izy ireo ka torio ny teniko, dia hanomana toerana ho azy ireo Aho.

7 Eny, hosokafako ny fon’ny olona dia horaisiny ianao. Ary hanorina fiangonana amin’ny alalanao Aho;

8 Ary hampahery azy ianao ka hampiomana azy ho amin’ny fotoana izay hanangonana azy.

9 Mahareta amin’ny fahoriana, aza manevateva ireo izay manevateva. Ento amin’ny halemem-panahy ny tokantranonao, ary aoka ho mahatoky ianao.

10 Indro, lazaiko aminao fa ho mpitsabo ho an’ny fiangonana ianao fa tsy ho an’izao tontolo izao, satria tsy horaisiny ianao.

11 Mandehana na aiza na aiza sitrako ary homen’ny Mpampionona anao izay hataonao sy izay halehanao.

12 Mivavaha mandrakariva mba tsy hidiranao amin’ny fakam-panahy ka hamerezanao ny valisoanao.

13 Aoka ho mahatoky hatramin’ny farany ianao, ary indro, momba anao Aho. Tsy avy amin’olona iray na avy amin’ny olona maro ireto teny ireto fa avy Amiko Jesoa Kristy, Ilay Mpanavotra anao, araka ny sitrapon’ny Ray. Amena.