Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33


Fizarana 33

Fanambarana nomena, tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany, ho an’i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet tao Fayette, New York, ny volana ôktôbra 1830. Ny tantaran’i Joseph Smith dia nilaza rehefa nampiditra ity fanambarana ity fa “ny Tompo … dia vonona mandrakariva ny hampianatra ireo izay mazoto mikatsaka amin’ny finoana.”

1–4, Antsoina hitory ny filazantsara ny mpiasa amin’ny ora fahiraika ambin’ny folo; 5–6, Voaorina ny Fiangonana ary tokony hangonina ny olom-boafidy; 7–10, Mibebaha fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra; 11–15, Miorina eo amin’ny vatolampin’ny filazantsara ny Fiangonana; 16–18, Miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra.

1 Indro, miteny aminareo aho ry Ezra sy Northrop mpanompoko, sokafy ny sofinareo ary henoy ny feon’ny Tompo Andriamanitrareo izay mailaka sy mahery ny teniny, maranitra noho ny sabatra roa lela ka mampisaraka ny famavany sy ny tsoka, ny fanahy sy ny saina; ary mpamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.

2 Fa lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa antsoina ianareo hanandratra ny feonareo tahaka ny fanenon’ny trompetra ka hitory ny filazantsarako amin’ny taranaka meloka sy maditra.

3 Fa indro, efa masaka ny eny an-tsaha mba hojinjaina, ary izao no ora fahiraika ambin’ny folo sady fotoana farany hiantsoako mpiasa ho any amin’ny tanimboliko.

4 Ary efa niharatsy tanteraka ny tanimboliko; ary tsy misy olona izay manao ny tsara afa-tsy vitsivitsy; ary mandiso matetika izy ireo noho ny komiberaky ny mpisorona, noho ny fananan’ny rehetra saina lomorina.

5 Ary lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ity fiangonana ity no efa naoriko sy nantsoiko hivoaka avy tao an-tany foana.

6 Dia tahaka izany koa no hanangonako ny olom-boafidiko avy amin’ny vazan-tany efatra, dia izay rehetra hino Ahy ary hihaino ny feoko.

7 Eny, lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina; koa arosoy ny antsimbilonareo ary mijinjà amin’ny herinareo rehetra, ny sainareo rehetra ary ny tanjakareo rehetra.

8 Sokafy ny vavanareo, dia hofenoina izany, ary ianareo dia ho tonga tahaka an’i Nefia fahiny izay nandeha avy tao Jerosalema nankany an-tany foana.

9 Eny sokafy ny vavanareo ary aza mitsitsy, dia hovesarana amboara eo an-damosinareo, fa indro, momba anareo Aho.

10 Eny sokafy ny vavanareo, dia hofenoina izany, manao hoe: Mibebaha, mibebaha ary omano ny lalan’ny Tompo, ary ataovy mahitsy ny lalany; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra;

11 Eny, mibebaha ary aoka hatao batisa ny tsirairay avy aminareo, ho famelana ny fahotanareo; eny, aoka hatao batisa amin’ny rano, ary rehefa izany dia ho tonga ny batisan’ny afo sy ny an’ny Fanahy Masina.

12 Indro, lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izany no filazantsarako; ary tsarovy fa tsy maintsy manana ny finoana Ahy izy ireo, fa raha tsy izany dia tsy ho azo vonjena mihitsy;

13 Ary eo amin’ity vatolampy ity no hanorenako ny fiangonako; eny eo amin’ity vatolampy ity no miorina ianareo; ary raha mitozo ianareo dia tsy haharesy anareo ny vavahadin’ny helo.

14 Ary hahatsiaro ny toromarika sy ny fanekempihavanan’ny fiangonana ianareo mba hitandrina azy ireny.

15 Ary na zovy na zovy no manana finoana dia ho raisinareo ho mpikambana ao amin’ny fiangonako amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, ary hatolotro azy ny fanomezana ny Fanahy Masina.

16 Ary ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina dia omena amin’ny alalako ho fianaranareo, ary mamelona ny zava-drehetra ny herin’ny Fanahiko.

17 Koa aoka ho mahatoky, hivavaka mandrakariva, hanana ny fanalanareo voakarakara sy mirehitra ary solika miaraka aminareo, mba ho vonona ianareo amin’ny fiavian’ny Mpampakatra

18 Fa indro, lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa avy faingana Aho. Izany tokoa. Amena.