Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22


Fizarana 22

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Manchester, New York, ny 6 aprily 1830. Nomena ny Fiangonana ity fanambarana ity noho ireo olona sasany izay efa vita batisa tany aloha ary naniry ny hikambana amin’ny Fiangonana saingy tsy haverina hatao batisa intsony.

1, Fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ny batisa; 2–4, Takiana ny batisa ombam-pahefana.

1 Indro, lazaiko aminareo fa ireo fanekempihavanana tranainy dia efa nasaiko nofoanana ao amin’izao zavatra izao; ary izao dia fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay, dia ilay nisy hatrany am-piandohana.

2 Koa na dia hatao batisa injato aza ny olona iray, dia tsy mahasoa azy izany, fa ianareo dia tsy afaka miditra amin’ny vavahady ety amin’ny alalan’ny lalàn’i Mosesy, na amin’ny alalan’ny asa maty ataonareo.

3 Fa noho ny asa maty ataonareo no efa nampanorenako ho Ahy ity fanekempihavanana farany ity sy ity fiangonana ity, tahaka ny tamin’ny andro fahiny.

4 Koa midira amin’ny vavahady ianareo, toy izay efa nandidiako anareo, ary aza mikatsaka ny hanoro hevitra an’ Andriamanitrareo. Amena.