Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4


Fizarana 4

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an-drainy, i Joseph Smith rainy tao Harmony, Pennsylvania ny volana febroary 1829.

1–4, Mamonjy ny mpanompon’ny Tompo ny fanompoana amin-kafanam-po; 5–6, Ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra no mahalany azy ireo ho amin’ny asa fanompoana; 7, Tokony hokatsahina ny zavatr’ Andriamanitra.

1 Ankehitriny indro, asa iray mahatalanjona no efa akaiky hitranga eo anivon’ny zanak’olombelona.

2 Koa, Ô ianareo izay mirotsaka amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra, ataovy izay hanompoanareo Azy amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjakareo rehetra, mba hahazoanareo mijoro tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra amin’ny andro farany.

3 Koa raha manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra ianareo dia antsoina ho amin’ny asa;

4 Fa indro, efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina. Ary indro, izay mandroso ny antsimbilony amin’ny heriny dia izy no mihary ho amin’ny ho avy mba tsy hahafaty ny tenany, fa mitondra famonjena kosa ho an’ny fanahiny;

5 Ary ny finoana, ny fanantenana, ny fiantrana ary ny fitiavana mbamin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra no mahalany azy ho amin’ny asa.

6 Tsarovy ny finoana, ny fahatsaran-toetra, ny fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, ny toetra araka an’ Andriamanitra, ny fiantrana, ny fanetrentena ary ny zotom-po.

7 Mangataha dia hahazo ianareo; dondony dia hovohana ianareo. Amena.