Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39


Fizarana 39

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i James Covel, tao Fayette, New York, ny 5 janoary 1831. I James Covel, izay efa mpitandrina Metôdista nandritra ny efapolo taona teo ho eo, dia nifanaiky tamin’ny Tompo fa hankatò izay didy rehetra homen’ny Tompo azy amin’ny alalan’i Joseph Mpaminany.

1–4, Manana ny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra ny Olomasina; 5–6, Fandraisana an’i Kristy ny fandraisana ny filazantsara; 7–14, Nodidiana i James Covel mba hatao batisa ary hiasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo; 15–21, Tokony hitory ny filazantsara ireo mpanompon’ny Tompo mialoha ny Fiaviana Fanindroany; 22–24, Ireo izay mandray ny filazantsara dia hangonina amin’ny fotoam-pahavelomana sy mandrakizay.

1 Henoy ny feon’ilay efa teo hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, ilay Izy Aho Lehibe, dia i Jesoa Kristy—

2 Ny fahazavana sy ny fiainan’izao tontolo izao; fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina ary ny haizina tsy mahazo izany;

3 Izaho ilay tonga tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana tany amin’ny Ahy ary ny Ahy tsy nandray Ahy;

4 Nefa izay rehetra nandray Ahy dia nomeko hery ho tonga zanako; ary tahaka izany koa no hanomezako hery ho an’ireo rehetra izay handray Ahy mba ho tonga zanako.

5 Ary lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay mandray ny filazantsarako dia mandray Ahy ary izay tsy mandray ny filazantsarako dia tsy mandray Ahy.

6 Ary izao no filazantsarako—ny fibebahana sy ny batisa amin’ny rano ary avy eo no tonga ny batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina, dia ny Mpampionona, izay maneho ny zava-drehetra ary mampianatra ny zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana.

7 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminao ry James mpanompoko fa efa nozahako ny asanao ary mahalala anao Aho.

8 Ary lazaiko aminao marina tokoa, ankehitriny dia mahitsy eo anoloako ny fonao amin’izao fotoana izao; ary indro, efa natolotro ho eo ambony lohanao ireo fitahiana lehibe.

9 Kanefa efa tojo alahelo lehibe ianao fa efa notsipahinao imbetsaka Aho noho ny avonavona sy ny fiahiahiana izao fiainana izao.

10 Nefa indro, efa tonga ny andro fanafahana anao raha mety ianao hihaino ny feoko izay manao aminao hoe: Mitsangàna dia aoka hatao batisa, ary sasao hiala ny fahotanao ka antsoy ny anarako, dia horaisinao ny Fanahiko sy ny fitahiana lehibe tokoa toy izay tsy mbola fantatrao na oviana na oviana.

11 Ary raha ataonao izany, dia efa nomaniko ianao ho amin’ny asa lehibe kokoa. Ianao dia hitory ny fahafenoan’ny filazantsarako izay efa nalefako amin’izao andro farany izao, ny fanekempihavanana izay efa nalefako mba hanavotra ny oloko izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely.

12 Ary ny zavatra hitranga dia hitoetra aminao ny hery; hanana finoana lehibe ianao, ary homba anao Aho ary handeha eo alohan’ny tavanao.

13 Voantso ianao hiasa ao amin’ny tanimboliko sy hanorina ny fiangonako ary hampandroso an’i Ziona, mba hahazoany mifaly eny an-tendrombohitra ary miroborobo.

14 Indro, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, tsy voantso handeha any amin’ny tany atsinanana ianao fa handeha kosa ho any Ohio.

15 Ary raha hiangona ao Ohio ny oloko, dia efa notehiriziko ho fiandry ny fitahiana toy izay mbola tsy fahita teo anivon’ny zanak’olombelona, ary haidina eo ambonin’ny lohany izany. Ary avy eo amin’io toerana io no handehanan’ny olona ho any amin’ny firenen-drehetra.

16 Indro, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, fa miantso Ahy amim-pinoana fatratra ny olona ao Ohio noho ny fiheverana fa hohazoniko ny tanako tsy hamaly ireo firenena, saingy tsy afaka mandà ny teniko Aho.

17 Koa milofosa amin’ny herinao rehetra ary miantsoa mpiasa mahatoky ho any amin’ny tanimboliko mba hahazoana mandrantsana azy farany.

18 Ary raha mibebaka izy ireo ary mandray ny fahafenoan’ny filazantsarako sy tonga masina, dia hohazoniko ny tanako tsy hamaly.

19 Koa mandehana, miantsoa amin’ny feo mafy manao hoe: Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra, miantsoa hoe: Hôsanà! Hotahina anie ny anaran’ Andriamanitra Avo Indrindra.

20 Mandehana ary manaova batisa amin’ny rano, omano eo anoloan’ny tavako ny lalana ho amin’ny fotoana hiaviako;

21 Fa efa akaiky ny fotoana; tsy misy olona mahafantatra ny andro na ny ora, saingy ho avy marina tokoa izany.

22 Ary izay mandray ireto zavatra ireto dia mandray Ahy; ary hangonina ho Ahy ireo amin’ny fotoam-pahavelomana sy amin’ny mandrakizay.

23 Ary ankoatra izany, ny zavatra hitranga dia hametra-tanana amin’izay rehetra hataonao batisa amin’ny rano ianao, ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ireo ary hiandrandra ny famantarana ny amin’ny fiaviako sy hahafantatra Ahy.

24 Indro, avy faingana Aho. Izany tokoa. Amena.